"Aza mitsara mba tsy hotsaraina!"

1. stahtam ( 13/02/2017 09:21)
Manohy fandinihana dia toa mahita zavatra tsy mampandry saina: Inona no tena hevitr'io Matio 7/1 io? Raha izaho aloha dia lasa lavitra be ny saiko hoe nilaza izany ve ny Mesia? na hoe izany ve no tena nolazainy? Rehefa misy olona tsy te-hahitsy na tsy te-hiala @ zavatra itenenana azy dia io verset io no avaliny. Sa misy zavatra hafa tian'io holazaina?
novalian'i stahtam ny 22/03/2017 05:57
2. rhaj0 ( 13/02/2017 11:49)
hono ho'a ry Stahtam, io "verset" io ve ao @ bokinareo koa?
3. stahtam ( 13/02/2017 12:55)

[quote=rhaj0]
hono ho'a ry Stahtam, io "verset" io ve ao @ bokinareo koa?
[quote=stahtam]
Tsy ao io. Saingy izao,ny original-n'io boky dia efa may noho izany tsy afaka hanamafy aho hoe tao io na tsy tao; fa io izy efa nosoratana indray t@ teny grika io dia nahitako zavatra maro ka nahatonga ny fanontaniana hipetraka.
4. rhaj0 ( 13/02/2017 17:52)
stahtam:
nilaza izany ve ny Mesia?

Raha ny @ ity dia migogola dia mahita ee.. i Jesosy en personne no niteny an'io

Matio 7:1 Aza mitsara mba tsy hotsaraina hianareo

Dia entre-pa fa hoz'IZy koa
Matio 7:7 Mangataha, dia homena hianareo;
Fa nanontany, dia "nangataka" valin-teny i Stahtam, fa .. asa raha "hanome" anao ny Kristiana namanao, na koa i Jesosy en personne hibitsika anao, fa izaho aloha io efa "nanome" ee...
afak'adidy :-)
5. endriny ( 15/02/2017 06:28)
Dia tsy misy koa izany ilay FAMPITAHORANA hoe: FITSARANA FARANY koa

Ny Kristianina ihany no manohitra ny Kristianina

Mazava be satria ny bokiny ihany no manohitra ny bokiny. Dia valalanina eo ilay mpamaky boky hoe iza ary no marina Paoly sa Jaona?

Dia mba manome tokitena dia mamaly hoe: "Tsy mifanohitra ireo fa mifameno"

Mahafinaritra ilay fankaherezan-tsaina
6. stahtam ( 16/02/2017 05:07)

[quote=endriny]

Fa apetraka tsara ihany aloha ny resaka fa tsy kristiana ny tenako
7. endriny ( 16/02/2017 05:38)
eh, ny antsika anie ady hevitra no eto, fa aza malaky mibaradaka aloha e
8. rhaj0 ( 16/02/2017 12:01)
stahtam:
... Fa apetraka tsara ihany aloha ny resaka fa tsy kristiana ny tenako

heeee... dia indrisy ry tava-tsosisy, hozy ny fiteny gasy izay, fa tsy mahagaga (ahy) izany raha TSY mahazo valin-teny avy @ Kristiana (havanao) ianao ry Stahtam.. Nefa anie tena ao @ soatoavin-drizareo ny resaka. Izaho sy Endriny no hany "nanome" valin-teny ho anao. Izaho moa efa "nibaradaka" hoe atheista.. (asa i Endriny).
9. stahtam ( 16/02/2017 12:10)

[quote=endriny]
eh, ny antsika anie ady hevitra no eto, fa aza malaky mibaradaka aloha e
[quote=stahtam]
Ilay hoe "tsy kristiana" ve no lazainao hoe "mibaradaka"? Tsia, raha izaho no teo @ toeran-dry zareo efa fantatro hatry ny ela ny tokony hataoko sy ny havaliko fa avahako tsara kosa hoe ry zareo no tena ametrahako fanontaniana ka tokony hisy hijoro hanazava ireo resaka io araka izay fahatakarany azy, sao mba misy fiarovana ny finoana ijoroany, mba azony atao eto.
10. endriny ( 17/02/2017 15:03)
Ihihihiihhi

Ampiasaina izany ilay teny hoe: "Aza mitsara mba tsy ho tsaraina" rehefa ny tena na ny naman'ny tena (Ny tena izay afa-miresaka sy be vava amin'ny haino aman-jery ary ny alitara) no manao ny tsy mety

Fa raha ny hafa no manao ny tsy mety dia avy ilay fampitahorana manao hoe: "ho avy ny andro farany hitsarana anao... ho any amin'ny afobe mandrakizay ny fanahinao"

Izay mampetipety ny baolina e.

Dia izay ahazoana fahefana manao ondry ny olona no atao. Amin'izay manana ondry ho volosana foana.
11. RA TAN ( 22/03/2017 05:46)

stahtam:

Manohy fandinihana dia toa mahita zavatra tsy mampandry saina: Inona no tena hevitr'io Matio 7/1 io? Raha izaho aloha dia lasa lavitra be ny saiko hoe nilaza izany ve ny Mesia? na hoe izany ve no tena nolazainy? Rehefa misy olona tsy te-hahitsy na tsy te-hiala @ zavatra itenenana azy dia io verset io no avaliny. Sa misy zavatra hafa tian'io holazaina?

VALINY:
MESIA? Iza no anarany?
12. stahtam ( 22/03/2017 05:57)

RA TAN:

Ilay nahary izao tontolo izao fa iza indray e! Anontanio an'i Herilanto777 fa tsy ny anarany ihany no fantany fa fantany hatr@ zavatra nataony. Asa izy izay na mbola maka saina na nogidragidrainareo tao indray fa namoa-tsampona, tahaka an'ilay Eks 12/12 ihany e! Mazotoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2993