Herpes genital

1. SahirantsainaB ( 30/01/2017 13:21)
Salama daoly,

Tsaika mba anontany azafady sode mba misy mahafantatra fanafody gasy manasitra herpes genital fa tena leo tena leo.

Efa nijeroko t@ internet iz io oe tsy misy fanafody zany, de mba anontany sod misy gasy mahay manasitrana.

Misaotra mialoha
novalian'i bichette ny 17/04/2018 10:02
2. rhaj0 ( 30/01/2017 16:05)
Indrisy fa dia tsisy fanafody miracle manasitrana hono io.
http://www.webmd.com/genital-herpes/guide/common-symptoms#1

F'izany hoe, dia mila "matoky zaodahy mahay manefy" ianao izany rahefa misy milaza fanafody-miracle ho anao eo.. fa tandremo fotsiny sao voambaka ao, na vao mainka ahitan-doza ao (effets secondaires ets..) ilay izy.

Fa kosa, misy azo atao ihany. Toa ny aretina hafa isan-karazany ihany, dia ny hevitra atsipitsipiko foana @ ankapobeny ho'a dia hoe...

Voalohany aloha, dia aza itarina ny loza @ izay olon-tianao sy ny manodidina anao ao, ka hamindra ny aretina ho an-drizareo, mifampikasokasoka aminy, rahefa mivoaka ny krizy-nao..

Fa @ ankapobeny dia ilay "fahadiovam-piaina" (hygiene de vie) efa noresahina tatsy ihany no hanalefaka ny vokany ee..
http://forum.serasera.org/forum/message/m585d2bdfc46ca

- rahefa salama ara-batana ianao, dia miasa tsara kokoa ny fiarovana natoraly @ vatanao ao
- rahefa TSY mi-stress ao ianao, dia torak'izay koa
- ary ny "ratra" (sy ny vatana) dia atao madio (sy maina)...

Fa dia mizotoa mitana fahadiovam-piaina ee... style de vie io. Ary aza mora kivy fa ezaka (lavitr'ezaka) mitohy io, dia mahatokisa ho'a fa @ andro farany mety hety ihany io eee...

http://www.webmd.com/genital-herpes/guide/common-symptoms#1
"As time goes on, your body builds up more immunity to the virus, and the outbreaks may become less frequent, even stopping altogether in some people."
3. sahirantsainaB ( 31/01/2017 08:32)
Misaotranao amin'ny toro'hevitra
4. bichette ( 17/04/2018 10:02)
misasa amin'ny bicarbonate na infusion de thym. ilay thym aloha no hitako tena efficace e ! herpes na mycose, efficace be ny thym. Atao ohatran'ireny manao dité ireny dia iny no hanaovana lavage intime.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3509