Feon-Jesosy

1. rhaj0 ( 20/01/2017 19:06)
Akisako eto mihintsy ity, ary tsy amelako raha tsy mahazo valiny avy @ RBNIR :-)

rhaj0:
Mba lazalazao tokoany hoe toatoa ny ahoana ny "feon'i Jesosy" renao izany.
1- ameo santionany hoe inona no nolazainy taminao eee...
2- dia feo beso be iilay izy teo, sa 3eme voix? sa feom-behivavy, sa feon-jazakely? dia malefaka sa masiaka?
3- dia miteny gasy koa ve i Jesosy?

rhaj0:
Fa ny fanontaniana dia hoe, inona/ahoana no teneniny aminao RBNIR ao.

Fa TSISY valiny mihntsy io fa iavonavonan'i RBNIR foana eee...

RBNIR:
Mitovy tsy misy valaka amin'izao ataonao izao no nataon'ny olona an'i Noa fahiny.....

Dia ny hitantara eto izay "feon-Jesosy henonao" ve no hangatahana anao ry RBNIR, dia tena tsy ampazahoanao mihintsy ny olona.. Tantarao fa ianao "vavolombelona" eee... alefa RBNIR aa...
feon-Jesosy... feon-Jesosy... feon-Jesosy... feon-Jesosy...
novalian'i endriny ny 28/02/2017 05:36
2. RBNIR ( 23/01/2017 11:47)
« Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko. » (Jao;10:26)

Matoa tsy mino Azy dia tsy ondriny izay.....

« Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, » (Jaona 10:27)

Ny ondriny no mihaino Azy (ary IZY mahafantatra ny ondriny ary ny ondriny dia manaraka Azy

« ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako. » (Jao.10:28)

N'inona n'inona ataon'ny sasany dia tsy hisy handrombaka ny ondriny eo antanany mihitsy....

Ilay feony v?
« Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jaona 18:37)

Fantatrao ilay marina rehefa fantatrao ny valin'ity fanontaniana ity.....Aminao mpandainga i Jesosy sa nilaza ny marina tokoa??????


3. rhaj0 ( 23/01/2017 12:40)
esy e ry RBRNIR..

Hozy izao ny hira hoe,
Fe Mamanton'alina,
Renao Ve
Sambatra Ny Marina
Raha Mandre...



ka zahay izany hono TSY marina dia TSY mahare ee... fa ianao RBNIR izay marina izany hono dia (tokony) mandre ee...

Ka tantarao eto hoe inona no renao ry RBNIR aa.... TSY izay ren'i Jaona sy Pilato no tiako ho re, fa ilay re-nao RBNIR ee... @ izay zahay mba mivonona hoe, toatoa ny inona no mila renesina.

Raha TSY hitantara ho'a ianao, dia mipetraka ny fanontaniana :
- tena mba mandre tokoany ve i RBNIR io ao ??
- fa raha TSY mandre izany i RBNIR dia TSY olo-marina koa ee...
4. endriny ( 24/01/2017 05:16)
Marina ihany izany ny hiran'i Jeneraly hoe: "Indray hariva izay aho nahita an'i Jesosy... nitaingina moto...".

Kay i Jesosy manao mission kay io hitan'i Jeneraly io, fa tsy tafaresaka taminy izy. Fa ry Tatandraza sy ry Tsaratsara no niresahany ary Mayole.

Indrisy mantsy ry Jeneraly
5. RBNIR ( 24/01/2017 06:33)

endriny:

Marina ihany izany ny hiran'i Jeneraly hoe: "Indray hariva izay aho nahita an'i Jesosy... nitaingina moto...".

Kay i Jesosy manao mission kay io hitan'i Jeneraly io, fa tsy tafaresaka taminy izy. Fa ry Tatandraza sy ry Tsaratsara no niresahany ary Mayole.

Indrisy mantsy ry Jeneraly

:-)
Betsaka ny toy izany tamin'i Jesosy tonga tety 2000 taona lasa an, samy teo ihany ireo fariseo sy ny mpanora-dalana nahita ireo fahagagana marobe sy sy lehibe dia lehibe nefa dia.........
6. rhaj0 ( 24/01/2017 11:41)
Ka sao manao parabole sa hyperbole kosany i Jeneraly @ io, dia miraondraona sahala @ feo-na moto no feon-Jesosy ren'i Jeneraly...

Fa i RBNIR ho'a tena TSY mahare feon-Jesosy izany, fa feon'i Paoly sy Jaona kay izany no mba reny eee... Ka miteny gasy koa ve i Paoly sy Jaona ao ry RBNIR ???
7. rhaj0 ( 24/01/2017 12:19)
Fa tsy mety mahazo valiny @ RBNIR moa ity fanontaniana, fa anaovan'i RBNIR bemarenina fotsiny... midika ve izany fa nahare feon-jesosy tokoany i RBNIR dia lasa marenindrenina toa io???
8. endriny ( 24/01/2017 14:18)
Ny ahy izao ny mahagaga ahy dia tsy mila zairina intsony ny olona rehefa didiana fa ditin-tsela no ampiasain'ny mpandidy dia mikatona toa ny tsy nodidiana ny fery eo amin'ilay olona avy eo,

Ny mahagaga ahy koa dia rehefa hosorana menaka diloilo ny kibo, na tavonana menakomby sy lavenona rehefa bevohoka, dia tsy misy tsatsangoatra.
9. rhaj0 ( 24/01/2017 17:20)

ntss... inona koa izany miolotra @ "fahagagana" ataon'i Jesosy re ry Endriny..
efa noresahina tatsy..

rhaj0:
Manasitrana i Jesoa.

Marka 7:33 Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin’ ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin’ ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany;
34 ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia.
35 Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran’ ny lelany, ka dia nahateny tsara izy.


Izay izany ee... rahefa misy moana marenina ao (am-piangonana), dia ivavaho @ Jesosy, na koa, araho ny (recette) nataon'ny Mpampianatra-Mahay, fa ..

Asio tain-tsofina miharo rora eo @ lelan'ny moana marenina, fa ho sitrana ary ho afa-miteny sy maheno izy



ka i RBNIR tsy mety miteny (mitantara) ny feon-Jesosy reny izany...
hum... ngo dia mila asiana tain-tsofina koa ny lelany eee ... :-)

Fa azoko ilay paikabe an'i Jesosy. Mangidy ny taintsofina... ka raha apetraka @ lela dia.. mampiteny ny moana eee...
10. RBNIR ( 30/01/2017 06:38)

rhaj0:


ntss... inona koa izany miolotra @ "fahagagana" ataon'i Jesosy re ry Endriny..
efa noresahina tatsy..

rhaj0:
Manasitrana i Jesoa.

Marka 7:33 Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin’ ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin’ ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany;
34 ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia.
35 Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran’ ny lelany, ka dia nahateny tsara izy.


Izay izany ee... rahefa misy moana marenina ao (am-piangonana), dia ivavaho @ Jesosy, na koa, araho ny (recette) nataon'ny Mpampianatra-Mahay, fa ..

Asio tain-tsofina miharo rora eo @ lelan'ny moana marenina, fa ho sitrana ary ho afa-miteny sy maheno izy



ka i RBNIR tsy mety miteny (mitantara) ny feon-Jesosy reny izany...
hum... ngo dia mila asiana tain-tsofina koa ny lelany eee ... :-)

Fa azoko ilay paikabe an'i Jesosy. Mangidy ny taintsofina... ka raha apetraka @ lela dia.. mampiteny ny moana eee...

Tsy hoe voatery hotantaraiko anao ilay izy fa na ianao aza dia hahay mihaino ilay FEONY ihany koa raha toa ka manaiky (manetry tena) ho ondriny......
11. rhaj0 ( 30/01/2017 11:42)
RBNIR:
Tsy hoe voatery hotantaraiko anao ilay izy....

Efa hoe TSY ho ahy irery ny resaka eto, fa ho an'izay namana mandalo rehetra eto. Mba mahalala koa zareo hoe, toatoa ny ahoana izany feon-Jesosy izany, ka tena mila tandremana mba ho renesina. Sao dia very ao anaty bruit de fonds ka idiran-doza fa tsy mba nampianarin-dry RBNIR ny @ ilay izy.

Ka mba zarao ilay "traikefa mahare feon-Jesosy" ry RBNIR f'aza kobonina ho anao irery ao aa..
12. rhaj0 ( 30/01/2017 12:43)
Averina ihany fa ngo dia hoe sarona ny resaka

rhaj0:
Mba lazalazao tokoany hoe toatoa ny ahoana ny "feon'i Jesosy" renao izany.
1- ameo santionany hoe inona no nolazainy taminao eee...
2- dia feo beso be iilay izy teo, sa 3eme voix? sa feom-behivavy, sa feon-jazakely? dia malefaka sa masiaka?
3- dia miteny gasy koa ve i Jesosy?
4- inona/ahoana no teneniny aminao RBNIR ao.

rhaj0:
Dia ny hitantara eto izay "feon-Jesosy henonao" ve no hangatahana anao ry RBNIR, dia tena tsy ampazahoanao mihintsy ny olona.. Tantarao fa ianao "vavolombelona" eee... alefa RBNIR aa...
feon-Jesosy... feon-Jesosy... feon-Jesosy... feon-Jesosy...
13. rhaj0 ( 31/01/2017 13:01)
Dia tsy hay intsony izy ity, na TSY mahare ny fangatahana mba atao aminy i RBNIR, na TSY mahare feon-Jesosy (akory) dia miafina ao fa menatra, sirika fa lehilahilehibe mpamahan-dalitra.

ka rahefa tsy hamaly izany i RBNIR, dia hanombatombana aho eee...

?? Inona no nolazain'i Jesosy t@ RBNIR ??
-- Efa hoe, aok'izay ity manangona dia mikepokepoka tsy an-kenatra ny 1/10-karenan'ny mahantra ity, fa mandehana manjono raha mila vola, toa ny nolazaiko t@ ireo mpianatra tao @ Matio 17:27 hoe, "... dia mankanesa ao amin’ ny ranomasina hianao, ka manjonoa;"

?? Toa ny inona ny feon'i Jesosy ??
Nataon'i Jesosy toa feon-jazakely, ampatsiahivana an'i RBNIR tsara fa misy zazakely tsy nahazo ramanonaka anie any ho any, satria ny r-a-d-ny dia tsy nahavidy intsony, satria lasan'i RBNIR sy Herinirina ny 1/10-karenany

?? Dia miteny gasy ve Jesosy ??
TEna miteny gasy tokoany i Jesosy, na dia somary mibadabada toa ireny Mopera vazaha ireny azany...


K'ahoana RBNIR : mitombona ve izany resaka izany ??
14. endriny ( 31/01/2017 13:44)


Any izay ianao Jeneraly
15. rhaj0 ( 31/01/2017 14:47)
Ka tsy "naheno" fotsiny izany i Gabhy fa "nahita" mihintsy kouh. Dia hoe. fotsy hoditra tsy tahak'azy i Jesosy, sady lava volombava tsy tahaka ny azy koa.

Dia tena hoatry ny voambakan'ny Vazaha ihany izany i Gabhy fa Jesosy, araka ny notantarain'ny Vazaha azy, no "hitany" fa tsy ilay "tena izy" eee ... ilay etsy ankavanana no "tena izy" aminy, fa ilay eo @ ankavia mpisoloky manao vaki-tampona.

16. RBNIR ( 01/02/2017 10:00)
Ilay Feon'i Jesosy v?
« Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao.18:37)

Feon'i Jesosy = Marina ambarany

Inona avy?


1 « Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, » (1 Kor.15:51)
« fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. » (1 Kor.15:52)
« Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (1 Kor.15:53)
« Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy] » (1 Kor.15:54)

Hovaina indray mipi-maso ny olona ary ny maty hitsangana tsy ho lo intsony, Ho resy ny fahafatesana.....

2 « ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. » (1 Tes.4:17)

Rehefa afaka izany dia hakarina eny amin'ny rahon'ny lanitra ireny olona ireny hitsena an'i JEsosy eny amin'ny habakabaka

3 Hafindra any amin'ny tany vaovao sy lanitra vaovao (galaxie vaovao) ireo olona ireo alohan'ny hamotehana tanteraka ity tany ity

4- « Ny lanitra sy ny tany ho levona, .... » (Mat.24:35)

Ho levona ity tany misy antsika ity sy io lanitra hitan'ny masontsika io (fitambaran'ireo astre mamirapiratra ireo)

Izay ilay feon'i Jesosy (hovaina ny olona tsy ho faty intsony, hakarina eny amin'ny lanitra hitsena Azy, hafindra any amina galaxie hafa, dia holevonina tanteraka ity tany sy lanitra ity....

Raha mino ianao fa "Marina izany fanambaran'i Jesosy izany dia ianao ilay voasoratra hoe avy amin'ny marina....

Raha tsy mino kosa moa fa mihevitra Azy ho mpandainga dia......

Ankehitriny dia manomboka mampahafantatra ny dikan'ny faminaniana taloha rehetra Andriamanitra....

Mifidy mpanompo izy hanambarany ny marina any amin'ny mangigina.....« Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano. » (Mat.10:27)

Ireo no feon'ny Jesosy hoy IZY hoe...« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lio.10:16)

Raha mihainy ianao ankehitriny dia tsy mihaino ahy fa mihaino Azy, raha mandà kosa dia tsy mandà Ahy fa mandà Azy ary dia mandà ihany koa izay naniraka Azy....

Holevonina ity tany ity (sy io lanitra takatry ny masontsika io ) galaxie lactée hisy kosa anefa fanavotana ho an'izay rehetra mino......





17. rhaj0 ( 01/02/2017 11:46)
Tena (iniana) tsy azo ilay resaka ve ry RBNIR, sa (iniana) ahodikodina azony tena tsy mitombona ary lasa ridicule ny lazainao sy finoanao ary ampinoanao ny olona ao a...

Ny fanontaniana dia hoe: inona no resaka RENESINAO ao, directement avy @ Jesosy, fa tsy hoe inona no resak'i Jesosy, na koa i Pilato, eraky ny Baiboly "renao"..

Hoe, @ ankapobeny, dia hoe, toa "mivavaka" mafy ao ianareo Kristiana, ary dia mahare "bitsik'i Jesosy" hoe, izao no atao, na hoe izao no fandehany.

Fa ny "tena izy" koa, dia Ianao (sy Herinirina) koa mantsy toa mihambo hoe "miresaka @ Jesosy direct" ary mivohy "fampianara direct tsisy kilema". Ka dia lazalazao ho'a ilay "bitsika direct" mba renao ao ho'a, mba hiomanan'ny olona rehetra hoe, "bitsika" toatoa izay no mila tandremana tsy ho very anaty bruit de fonds.
18. RBNIR ( 01/02/2017 11:57)
Feon'i Jesosy no nanontanianao rhajo!!!

Araka ilay Jao.18:37 dia nanambara i Jesosy (fa tsy izao) fa ny atao hoe feony dia = Ilay Marina ambarany.....
19. rhaj0 ( 01/02/2017 13:17)
Ka TSY mahare resaka na koa feon'i Jesosy izany i RBNIR eee...

Ny marimarina kokoa, dia TSISY an'izany hoe, i Jesosy dia miresaka na mibitsika (an'i RBNIR) hoe, toa izao no atao, na toa izao no fandehany.

Koa na toriana im-10 kely azany hoe, raha misy 3 ny Kristiana mivory, dia i Jesosy no eo ampovoany, hono, dia TSY mi-cause i Jesosy, TSY miteny TSY mivolana. Tsy hoe TSISY maheno, na hoe TSISY mpihaino eo izany Jesosy, fa tena i JEsosy mihintsy no TSY miresaka @ izao (olon'ny) taona 2000 izao eee..
20. rhaj0 ( 01/02/2017 19:37)
rhaj0:
i JEsosy mihintsy no TSY miresaka @ izao (olon'ny) taona 2000 izao

Ka disoy azany io lazaiko io ry RBNIR raha ohatra ka tsy mitombona.

Lazaovy hoe, rahefa "eo afovoaninareo telo ao i Jesosy" dia tena "miresaka" tokoany.. Fa asakasak'izay tsy mahare ny feoNY.

Dia rahefa izay, dia .. lazao sy tantarao ary zarao hoe
"inona no resak'i Jesosy en personne aminao ao"...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1541