Ny finoana sy ny fitondrana eto Madagasikara

1. endriny ( 20/01/2017 14:43)
Mitaraina ny mpiara-miasa fa tsy mamely mihintsy ity fitondrana ity, aux riz aux rats... Tsy nisy vitany ny fampanantenana nataony... Mpangalatra

Dia novaliako hoe: Izao no fitondran'ny mpitondra Kristianina fa tsy maninona, mahaiza mamela heloka....

Valiny : "Tsy kristianina izany ireo mpitondra ireo, fa mpisandoka... tsy tena izy bli bla..." ny ompa sisa no tsy mandeha.

Dia hoy aho hoe: "Zanaka Pasitera aza ny mpitondra koa. Sady ny FFKM mihintsy no nitarika ny fitaom-pivavahana tamin'ny fanadratana azy"

Valiny: "Ny FFKM izany fa tsy ny Kristianina e.."

Avelao re ny helony fa tsy fantany izay ho ataony e!
novalian'i endriny ny 15/02/2017 06:16
2. rhaj0 ( 20/01/2017 15:39)
Ka inona azany no fototry ny olana ee ??

Dia hoy aho foana hoe.. savasavao re ny ifotony, ahitana ny raviny.
3. endriny ( 23/01/2017 06:01)
Ny mahavariana ahy dia ilay fanadiovan-tena eo amin'ny samy Kristianina. Lazaina fa mpisadoka izay namany manao ratsy. Dia ny sasany indray tonga dia avy @ hoe: izay tsy nanota tamitsika no aoka hitora-bato azy?

Saingy ny Ntaolo aza kay moa efa nahatsapa ny hoe: "Kristianina Alahady, fa mangalatra Akoho Alatsinainy". Tsy nahandry Talata akory.
4. rhaj0 ( 23/01/2017 17:57)
endriny:
Ny mahavariana ahy dia ilay fanadiovan-tena eo amin'ny samy Kristianina. Lazaina fa mpisadoka izay namany manao ratsy.

Io kosa aloha aleoko azany i Rakrisy manao an'io @ ireo... "havany ao @ Tompo" eee... Rehefa "ratsy" dia "ratsy", dia tapahina ny firaisana aminy, sa ahoana? Na "havany ao @ Tompo" io na tsia.

Ny ratsy kokoa anie, dia toa an-dry Vatican eee.. efa hita izao ohatra fa "mpanolana-ankizy" ireo pretra (sasany), nefa dia tsy dakana any, fa vao mainka ezahina "diovina" ao Vatican ao.
5. endriny ( 24/01/2017 18:37)
Isika olom-belona kosa mihintsy angamba no efa nivoatra ohatran'io koa. Raha mahafinaritra ny nataon'ny namana dia tonga dia lasa ny dera sy laza: "Namanay iny milay be iny a"

Fa raha vao nandiso ilay namana dia: "naman'iza koa ary ireny"

Eto izany dia mety ihany ny an'ny Vatikanina hoe samy pretra tsy mifanary.

Ny an'i Jesosy aza moa, nahamenatra azy ny fianakaviany fa mpandrafitra tonga dia hoy izy hoe: "Fa iza moa no havako...?". Kanefa i Madelenina avy eo narovany hoe: "izay tsy nanota taminareo no aoka hitora_bato azy"

Kay efa hatramin'izany izany no efa misy tongilana @ fiheverana ny namana.
6. endriny ( 25/01/2017 16:49)
Dia eto isika lalaovin'ny mpitondra fivavahana sy ny mpanao politika eto foana:

"Hajao ny maha laika ny fitondram-panjakana"... rehefa mahita ny mpitondra fa voatohitohina"

"Asio fampihavanam-pirenena" .. rehefa mitady ho very tombontsoa ny andaniny sy ny ankilany

"Andao hanao fivavahana irasam-pinoana" ... rehefa mifanojo fijery ny andaniny roa, dia mifandray Tanana, miandrandra mideran'Atra, fa mpifankatia ao amin'ny finoana tokoa moa izany.

Fa ny olona no fanina. Ilay olona koa moa tia hanaraka azy eo koa
7. endriny ( 31/01/2017 13:49)
Feno Mahamasina ny Alahady teo, ary tonga teo daholo ny mpitondra politika mitady fapihavanana sy fizarana tombontsoa. Ny Katolika no nitarika an'io, ary avy any Roma mihintsy no mpitarika ny lamesa.

Vory lanona ny Malagasy fa misy vazaha mitarika

indrisy mantsy

Isaorako I Profesora ZAfy tsy nandeha teny
8. rhaj0 ( 31/01/2017 15:03)
Toa tao daholo ihany izy rehetra kouh..


Fa toa hoe nanipika ny tsy hisian'ny fanilikilihana sahala @ ilay ni-ni taloha teo hono ilay vazaha??

Fa manja ny mpanao gazety gasy eee... Jereo hozy Garry tao @ L'Express
http://www.lexpressmada.com/
Dans la mission qu’elle s’est donnée sur la base de la ligne tracée par le Vatican, l’église semble « s’ingérer », dans les affaires étatiques. Questionné sur la frontière entre être « partie prenante », et « ingérence », dans ce cas, un membre du CEM a soutenu : « L’église ne s’ingère pas. Elle ne fait que rappeler et interpeller ». Comme voulant « rappeler », que tout reste à faire autant dans le monde qu’à Madagascar, le cardinal Parolin a conclu la conférence d’hier en lançant : « Fini de parler, maintenant, il faut travailler ».

Ka tsy mi-"singe-rer", hozy ny ao @ CEM, fa mi-"travailler", hozy Parolin.

Mamitaka fangolika, sa tena tsy mahalala ilay CEM, sa i Parolin no tsy tena milaza ny tena izy ee... Fa dia iza no vorika izany @ izy roaroa ireo raha izany ee ???


Ary i OMAR koa ho'a toa tena tsy nasondrotra girady mihintsiny koa eee... Izany no nalehany rahefa mitso-drano fanonganam-panjakana.
9. lahindroy ( 02/02/2017 13:51)
salama jiaby

"faly aho ary tena faly"... satria tsy ho ela (10 andro ? 10 taona ? 100 taona?...) dia ho voavonjy ny Malagasy fa teo tokoa i Jesoa (raha vao mohatry ny olana telo dia efa eo afovoany Izy) nihaino ny vavaky ny mpitondra fivavahana , ny mpitondra politika rehetra , olona aman'analiny ...ary toa latsa-drano-maso mihitsy aza hono Izy , hoy ireo gasy miresaka sy mifandray aminy mivantana (betsaka ihany izy ireo eto amitsika an)
10. endriny ( 02/02/2017 14:19)
Rhaj0, Aza fady fa ilay teleanay tsy napiseho na niresaka Zafy tamin'ilay vaovao fa Atoa Ratsiraka, sy Ravalo ary TGV ihany no nasehony sy notantarainy ny fahatongavany...
11. endriny ( 02/02/2017 14:22)

lahindroy:

"faly aho ary tena faly"... satria tsy ho ela (10 andro ? 10 taona ? 100 taona?...) dia ho voavonjy ny Malagasy fa teo tokoa i Jesoa


Misaotra anao mankahery, fa tsy hay intsony e... mety ahafoana ny pesta koa ve izao io vavaka tamin'ny alahady io e?
12. lahindroy ( 03/02/2017 16:31)
salama jiaby e

ny pesta dia efa resy (any amin'ny tany mandroso tsy mandripaka ain'olona aman-tapitrisany intsony) ; nohon'ny vavaka , diabe masina ...ve ? tsia satria mbola olona aman'etsiny no namoy ny ainy na dia nivabavaka , nibebaka ...aza ny firenna maro tany Europa ; 500 taona taty aoriana vao natolotry ny fikarohana siantifika nataon'i YERSIN ny fanafodiny (vaksiny + serum) !
raha ny vavaky ny Malagasy no jerena (angamba na andeha amany na angery na hanao fifandraisana ara-nofo ary isika dia tsy maintsy mivavaka kely aloha , mifona fa hanota ..) dia tokony tsy hisy intsony ny KERE , ny FAHANTRANA ...fa saingy angamba fihetsika sy tetikasa hafa na stratejia hafa no takian'ny fanafoana an'izany !
13. endriny ( 03/02/2017 16:47)
Ohatran'ny hoe: "Sazin'Atra" hono no mahatonga ny Malagasy ahantra, iverenan'ny pesta sy ny Polio koa

Ka raha mibebaka marina isika dia TENA mibebaka tokoa. Mino aho ary TENA mino, fa anio alina ihany dia handefa ny anjeliny fotsy botsiaka ohatra ny orampanala Atra, hanadio ny arabe rehetra sy tatatra ary hamono ny voalavo izay mpitondra ny pesta.

Ho tanteraka tokoa anie izany
14. lahindroy ( 05/02/2017 09:00)

[quote=endriny]
Ohatran'ny hoe: "Sazin'Atra" hono no mahatonga ny Malagasy ahantra, iverenan'ny pesta sy ny Polio koa

Ka raha mibebaka marina isika dia TENA mibebaka tokoa. Mino aho ary TENA mino, fa anio alina ihany dia handefa ny anjeliny fotsy botsiaka ohatra ny orampanala Atra, hanadio ny arabe rehetra sy tatatra ary hamono ny voalavo izay mpitondra ny pesta.

Ho tanteraka tokoa anie izany

salama jiaby

tsy nisy anjely fotsy botsiaka aloha alina ; ny ahy na anjely mainty aza dia vao maika tiako fa saingy , hatreto aloha dia mbola tena sahirana angamba ry zareo ao ambony ao misafidy hoe "inona ny lokon'ny anjely ho halefa amin'ireto gasy kely ireto" koa eo am-piandrasana an'izany ry "endriny" dia ...minoa fotsiny ihany
fa raha izaho aloha no Andriamanitra dia alefako miverina midina aty anètany daholo ireo olona efa maty nanao ratsy teto an-tanindrazana dia asaiko manadio tatatra , mamono voalavo ,...manala ny fahantrana misy eto an-tany ...toy izay dorana lava ao anaty afo be ao
15. endriny ( 06/02/2017 06:00)
Raha izaho aloha ny Atra dia efa nalako teto ambonin'ny tany ny olombelona fa tsy mba mety faly amin'ny misy eo aminy sy manaja izay nomena azy fa mbola mangataka lava aty amiko aty. Hanadio tokotany sy tatatra eo afovoan'ny tanana avy dia ifanjanana sy iantsoana an'Atra. Ny maro moa raha teninao fa manipy fako eo amin'ny arabe dia mamaly hoe: "fa inona fotsiny no hanaramana ny mpiasan'ny kaominina, raha malahelo ianao dia tsipony ny fakoko." Kanefa mino aho ary tena mino fa ny olona mpilaza an'ireny dia mpivavaka daholo.
16. rhaj0 ( 07/02/2017 17:16)

Hotry ny mba mampieritreritra tokoany raha @ izay tranga rehetra miseho @ fiainana, dia manontani-tena (ny Kristiana) hoe:
Raha "velona" eto tokoany i Jesoa, ka miatrika ito tranga ito, dia :
Inona No Ho Nataon'i Jesosy?


Ohatra izany eto ny Kristiana (ao @ FFKM, na moa izany ny deba ao @ FFKM) eo anoloan'ny Fitondrana. Ka raha teo i Jesosy, dia inona no nolazainy (raha Izy io izany no ao @ FFKM)??


@ tantara-piainan'i Jesosy, dia ny fanjakana Romana no tompom-pahefana eraky ny tanana sy vohitra tao moyen-orient de l'an zero tao. I Pilate izany no Ragova tao, ary i Augustus (mpandimby an'i Jules) no Emperora. Ka raha ny fahatakarako azy, dia "nanjakazaka" (ihany) ny Romana t@ izany.

Ka dia eo izany isika izao.

Araho izany ny "tantara" tao @ Matio-Marka-Lioka-Jaona, dia halalino eo hoe, inona no fifandraisan'i Jesosy sy Pilato, na koa i Augustus?


Raha ny kely takatro ohatra, dia tena tsisy nidiran'i Jesosy izay nataon'i Pilato/Auguste. Koa na rahefa avy azany ny "mpitaky hetra", dia TSY ni-se revolte i Jesosy, fa hoz'izy t@ mpianany hoe, "mandehana manjono" dia aloavy ny hetra (Matio 17:27).


Ka raha izany, i Jesosy azany tsy nidikiditra na nidrikidrikina t@ politika Romana, k'inona ho'a no hitenitenenana sy hijabajabahan'ny FFKM @ politika Gasy ee ???

Fa dia ny fahitako azy, dia tena mpisoloky mpamitaka mihintsy ireto FFKM ireto, satria:
- manandra-tena ho mpanaraka (ny fampianarana) an'i Kristy,
- nefa TSY manaraka ny (fampianarana) nataon'i Kristy akoriny..

Fa dia asa ho'a hoe, rahoviana i Kristy vao "hiteny" an-dreo hoe,
aza mba savisavihana @ hadalanareo ny anarako ...

17. endriny ( 09/02/2017 14:30)
I Jesosy izany tsy niraharaha izany politika sy ny fomba fanjanahan'ny Raomanina, na ny fitantanan'ny Kalifa ny mponina izany mihintsy. Ny azy dia ny fanjakan'ny dadany ihany no fantany.

Raha natsafain'ny mpanoradalana izy ny amin'ny tokony tsy andoavana rakitra ho an'i Seazara dia hoy izy: "Omeo an'i Sezara izay an'i Sezara ary an'Atra izay an'Atra". Tsy nisy resaka mihintsy hoe andao hanao hetsika fanoherana na fampihavanana miaraka amin'i Sezara. Fa hoe io no didy misy ka dia aleo arahina. Dia izay no nanomboka tsy nitiavan'ny Jiosy azy satria tsy niady ho an'ny fanafahana ny Jiosy. Ary izay koa no tsy naha mesia azy. Satria tsy mpanafaka.

Dia rehefa ho tsaraina indray izy dia hoy Pilato tamin'ny lohandohan'ny mpisorona: "Fa inona ary no helok'ity lehilahy ity...?". Satria tsy nitsabaka tamin'ny resaka politika izy, fa ny azy izany any an-danitra izany ihany.

Ka ny FFKM ve izany mba mpianatr'i Jesosy sa mpampiasa ny hevitr'i Jesosy ahazoana tombontsoa fotsiny.
18. rhaj0 ( 09/02/2017 16:51)
Raha manontani-tena ianao hoe "Inona No Ho Nataon'i Jesoa" @ resaka politika/fitondrana, dia mazavabe io iznay, t@ androm-piainany dia TSY nidikiditra @ politika (mihintsy) i Jesosy.


Dia ahoana indray azany ny an'i Paoly. i Paoly mantsy ho'a no toa i Lenine nanorina ny rafitra, raha Jesosy no Marx nampianatra ny revy.

Dia hozy i Paoly ato
Romana 13:1
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana;
Que toute personne soit soumise aux autorités supérieures;



Tsy mazavabe ve ny hoe "manaiky" sy ny "somizo" rey olona, fa inona foana ity "mananatra" sa "manakiana" sa "manitrikitrika", na fotsiny "miteniteny" ao io. FA dia
- na manaraka (ny fampianarana) an'i Paoly,
- na manaraka ny (fampianarana sy fiainana) an'i Jesosy,
dia tena TSISY (tokony) idiran'ny FFKM ny @ politika, fa ny Fanjakan'ny Ray, izay TSY eto an-tany, no tokony ary tokony hany resahiny...


Dia tena tsy haiko hoe, inona no "fanamarinana" ampinoan'ny FFKM ny "ondriny" ka ijabajabahany @ raharaham-pirenena ao io.
19. rhaj0 ( 09/02/2017 17:33)
endriny:
Dia izay no nanomboka tsy nitiavan'ny Jiosy azy satria tsy niady ho an'ny fanafahana ny Jiosy. Ary izay koa no tsy naha mesia azy. Satria tsy mpanafaka.

Tena lalina ito resak'i Endriny ito.

Izany hoe, raha ny fahazoako azy, i Jesosy, izay Jiosy izany, ary mba mpitarik'olona tao @ tanana, dia tena nandiso fanantenana ny havany Jiosy, fa TSY mba nitarika "nanafaka" azy ireo tokoany.


Ary i Paoly indray... dia ahoana tokoany koa moa izany raha hoe mpitarik'olona tao moyen-orient tao koa i Paoly?

Ny soratr'i Paoly, na ny baiko direkt-ny, dia tena hoe mba "soumis".. ka dia TSY (nahavita) nitarika ny hanafaka ny Jiosy (@ Romana) tao koa izany i Paoly eee... Fa rahefa taratarafina ireo "ozonozona" @ izao Babilaona rava izao ohatra, dia ... tany @ ozonozona izany sisa i Paoly no nampanantena "fanafahana" (sy vali-faty).

Fa raha zohina tsara indray anefa, i Paoly dia i Saoly ilay fonksionera Romana taloha... hum... dia tena TSISY mahagaga (ahy) izany paikaben'i Paoly...
20. endriny ( 10/02/2017 07:11)
I Paoly ange miaramila Raomanina e, fa tsy Jiosy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5195