Iza no Apostoly tianao indrindra?

1. endriny ( 19/01/2017 04:00)
Apostoly Benjamina sa Apostoly Tatandraza sa Apostoly Tsaratsara?
novalian'i Kaboda ny 30/04/2018 20:32
2. RBNIR ( 19/01/2017 05:32)

endriny:

Apostoly Benjamina sa Apostoly Tatandraza sa Apostoly Tsaratsara?

Salama endriny

Mba hanampy ny olona amin'ny safidiny ity....
Ny atao hoe apostoly dia olona mitovy an'ireo 12 lahy nofidin'i JEsosy fahiny....

1 Jesosy mivantana no nanantona sy nifidy azireo (tsy nisy nanandratena ho apostoly ireo) ary raha ny marina tsy nisy nanampo izay ho lasa apostoly akory aza fa i Jesosy no avy dia nifidy ary niteny hoe handeha hanaraka ahy......

ohatra iray : « Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra*, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.[*Dia ny hetra sy ny fadin-tseranana, etc] » (Mat.9:9)

Mpamory hetra (noheverin'ny olona hoe tsy mpivavaka i Matio no nofidin'i Jesosy ho Apostoly)....

« Ary nony nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy. » (Mat.4:18)
« Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. » (Mat. 4:19)

Petera sy Andrea rahalahiny koa tsy nihevitra izay ho lasa apostoly mihitsy (raha ny marina Jesosy aza tsy fantany akory talohan'io nifidianana azireo ho apostoly io)....

Dikany : olona 1 tsy nanandratena (ho Apostoly) fa nofidin'i Jesosy mivantana no azo lazaina fa tena Apostoly...

2 Ny hitovizan'izireo ihany koa dia nandray fampianarana mivantana avy amin'i Jesosy (tsy nisy mpanelanelana)

Io dia nitovizan'ireo 12 lahy voalohany samy niaraka tamin'i Jesosy teny ary dia samy nampianarin'i Jesosy mivantana ihany koa...

Mbola mitombina ihany koa ireo teboka 2 ireo tamin'i paoly izay voafidy apostoly taty aoriana....
1 Teto no nifidianan'i JEsosy an'i paoly mivantana...

« dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? » (Asa.9:4)
« Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; » (Asa.9:5)
« fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao. » (Asa.9:6)
« Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asa.9:15)

Voafidy ny apostoly paoly izay tsy nanampo ny ho apostoly akory....

2 ity no porofo fa nampianarin 'i Jesosy mivantana ihany koa i Paoly apostoly ary tsy nisy mpanelanelana tamin'izany...

« Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Gal.1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Gal.1:12)

Mino aho fa mba hanampy ny tsi11 hisafidy ireo (1 Jesosy mivantana marina v no nifidy ilay apostoly? 2 ilay fampianarany v noraisiny mivantana avy tamin'i JEsosy ihany koa sa nisy mpanelanelana?)

[url=http://forum.serasera.org/forum/message/m547a02dae5dfeFa mety hahasoa ny maro ihany koa ity 1 hitako ity (tsy mba tia loatra mitonona ny tenany ho Apostoly izy nefa......)[/url]

http://forum.serasera.org/forum/message/m547a02dae5dfe
3. RBNIR ( 19/01/2017 05:40)
4. rhaj0 ( 19/01/2017 11:46)
Ataovy mazava hoe i Herinirinan-dRBNIR io atao dokam-barotra io ry RBNIR f'aza mba manao resaka tsy loa-body dia manjono olona eo aa...

Fa i Herinirna tsy Apaostaoly, fa kosa Profeta.


Ny ahy indray, ny Apaostaoly... tsy hoe tiako, fa tiako ampahafantarina, dia i Paoly, izay resahin'i RBNIR io ambony io. Ny indro kely @ resak'i RBNIR, dia ireo toko aman'andininy ireo, dia i PAoly ihany no nanoratra azy. Izany hoe, i Paoly ihany no "vavolombelona" ny maha-voahosotra azy ho Apaostaoly. Efa maty i Jesosy, nefa dia lazain'i Paoly, na koa i RBNIR, fa nohosoran'i JEsosy "mivantana" ho Apaostaoly hono izy.

Dia izay koa no nianaran-dry Benjamina sy Tatandraza ary Tsaratsara. Nahita an'i Jesosy koa hono zareo, ary dia nohosoran'i Jesosy ho Apaostaoly.
Dia toatoa izay koa no nianaran'i Herinirinan-dRBNIR. Izy Herinirina hono Profeta, hozy Jesosy. Ary dia io minobe sy manara-body an'i Herinirina io tokoany ity lehilahilehibe. Ary dia manangona ny 1/10-karenan'olona, ary mikepokepoka an'izany miaraka @ Herinirina ao.. ary dia io Ingahy RBNIR fa manao "dokam-barotra" lava an'i Herinirina eto @ serasera eto.

5. endriny ( 20/01/2017 04:44)
Ry Herinirina sy ry Mayole izany mpaminany. Dia gaga ianao fa ny baiboly aza milaza fa tsy hisy faminaniana intsony madra-piverenan'ny zanakolona. Dia ry zareo anefa mitonono ho mpaminany. Dia tsy mamaky TV angamba ny mpanaraka an-dry zareo. Na mety nesorina tao ilay toko sy andininy milaza an'io.

Izaho aza moa tsy mahay koa
6. RBNIR ( 20/01/2017 05:53)

endriny:

Ry Herinirina sy ry Mayole izany mpaminany. Dia gaga ianao fa ny baiboly aza milaza fa tsy hisy faminaniana intsony madra-piverenan'ny zanakolona. Dia ry zareo anefa mitonono ho mpaminany. Dia tsy mamaky TV angamba ny mpanaraka an-dry zareo. Na mety nesorina tao ilay toko sy andininy milaza an'io.

Izaho aza moa tsy mahay koa

Dia hita marina tokoa fa tsy ao anatiny ianareo ry endriny sy rhajo (tsy mahay manavaka ny atao hoe mpaminany sy Apostoly).....
7. RBNIR ( 20/01/2017 06:30)
rhaj0:

PAoly ihany no nanoratra azy[/u]. Izany hoe, i Paoly ihany no "vavolombelona" ny maha-voahosotra azy ho Apaostaoly. Efa maty i Jesosy, nefa dia lazain'i Paoly, na koa i RBNIR, fa nohosoran'i JEsosy "mivantana" ho Apaostaoly hono izy.

« Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, » (2 Pet.3:15)
« tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. » (2 Pet.3:16)

Neken'ireo apsotoly hafa i paoly sy ny epistily rehetra nosoratan'i paoly.....
8. rhaj0 ( 20/01/2017 11:40)
RBNIR:
Neken'ireo apsotoly hafa i paoly sy ny epistily rehetra nosoratan'i paoly.....

Ny taratasin'i Paoly, sy ny taratasin'ny Apostoly namany no nanamarina ny "fandrenesan'i Paoly an'i Jesosy", dia hoe ilehio hono nanosotra an'i Paoly ho Apostoly.

Fa i Jesosy dia efa maty t@ izany. Ka dia asa ho'a raha hoe fanosorana "mivantana" izany

Dia io aza moa, ireo taratasy ireo dia nandalo censure t@ Leglizy (farasisan'ny nahorin'i Paoly) taty aoriana be, fony natambatra @ ilay Baiboly.

i Jesosy izao TSY mba nanoratra taratasy ny momba ny nataony sy izay "reny" avy t@ Andmntra, fa olon-kafa "vavolombelona" no nitatitra.

Ka dinidiniho @ izany ny objectivité-ndRapaoly eeee...
(amiko dia io ilay Rapaoly manamarina Rapaoly)



Fa miresaka "mahare feon-Jesosy" ihany, dia aleo averiko eto indray ny fanontaniana TSY mety valin-dRBNIR. Asa ho'a mahamenatra ve ny "zava-misin-dRBNIR" dia TSY hita na dia ho resahina fotsiny azany..

rhaj0:
Mba lazalazao tokoany hoe toatoa ny ahoana ny "feon'i Jesosy" renao izany.
1- ameo santionany hoe inona no nolazainy taminao eee...
2- dia feo beso be iilay izy teo, sa 3eme voix? sa feom-behivavy, sa feon-jazakely? dia malefaka sa masiaka?
3- dia miteny gasy koa ve i Jesosy?

rhaj0:
Fa ny fanontaniana dia hoe, inona/ahoana no teneniny aminao RBNIR ao.

Fa TSISY valiny mihntsy io fa iavonavonan'i RBNIR foana eee...
9. RBNIR ( 20/01/2017 11:53)
Mitovy tsy misy valaka amin'izao ataonao izao no nataon'ny olona an'i Noa fahiny.....

Dia otran'izany koa ny tamin'ny andron'i Jesosy : Neken'ny olona fa nanasitranz sy namoaka demonia marina tokoa IZY saingy vitsy dia vitsy no nino fa Andriamanitra no tao an-damosiny fa hoy ny olona hoe « Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia. » (Mat.9:34)

Mampalahelo!!!
10. RBNIR ( 20/01/2017 11:55)
Dia inona moa fa tsy tanteraka v ity notenenin'i Jesosy ity????

« mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10). » (Mar.4:12)

Sanatria efa olona voaozona????
11. endriny ( 20/01/2017 12:10)
Ohatran'ilay voahozona ho any @ AFOBE ve ?

Ny Demonia sy ny Devoly ary Satana aza mbola nifampiresaka t@ Jesosy matetika koa. Ary nony maty Jesosy mbola nandeha namangy an-dry zareo tany @ fiainan-tsy hita aloha vao niverina velona indray. (Mbola niady varotra angamba hoe aza alaina daholo ny olona fa aleo ny sasany mba ho ahy).

Dia ny Demonia nalan' i Jesosy koa mbola niady varotra ny mba afindra @ Kisoa.

Kanefa dia milaza ny olona fa tsy misy fanahy hono ny Biby.

Dia mahatsikaiky ny mpino e
12. rhaj0 ( 20/01/2017 12:42)
Inona tokoany ny nataon'i Jesosy t@ izy "nidina tany @ fiainan-tsi-hita" ???
3 andro be izao izy tao foana ???

Dia i Jesosy azany izany io nidina tany, nefa ny nampinoana ny Kristiana, dia tonga dia miakatra miakatra hono eee...

Ny revy sy ny niainan'i Jesosy en personne anie ka tena ahilikiliky ny Kristiana fotsiny, fa ny rediredin'i Paoly no (tiany) inoany ao foana eee...

Fa dia ataovy ao foana moa kouh...
13. endriny ( 20/01/2017 14:34)
Ny olona any an-dafy, efa mandroso sy nianatra aza moa leiretsy voafitaka. Fa maika izay isika, vao omaly no nahay ny abidin'ny litera.
14. rhaj0 ( 20/01/2017 14:58)
endriny:
Ny olona any an-dafy, efa mandroso sy nianatra aza moa leiretsy voafitaka. Fa maika izay isika, vao omaly no nahay ny abidin'ny litera.

milaza an'izany i Endriny, fa ilay VP vao niakatra ao US io ho'a, Kristiana mafanafo be.. avocat hono ilery. Fa izy dia "mino" ny "Creationisme" sy ilay hoe, 6000 taona izao ny Latera ... Legoza.. Vice-prez izany...

Dia aty ho'a zahay dia mivanitika fotsiny, dia hoe.. rahefa atao ny compte izany, dia raha efa ho 50%-n'ny Amerikana nifidy sy manaraka an'i Trump sy ny mpanaraka azy io, @ izato hadondronany.. hi hi hi.. toa TSY dondrona ihany izany isikana k'nouh...
15. rhaj0 ( 20/01/2017 19:04)
rhaj0:
Mba lazalazao tokoany hoe toatoa ny ahoana ny "feon'i Jesosy" renao izany.
1- ameo santionany hoe inona no nolazainy taminao eee...
2- dia feo beso be iilay izy teo, sa 3eme voix? sa feom-behivavy, sa feon-jazakely? dia malefaka sa masiaka?
3- dia miteny gasy koa ve i Jesosy?

rhaj0:
Fa ny fanontaniana dia hoe, inona/ahoana no teneniny aminao RBNIR ao.

Fa TSISY valiny mihntsy io fa iavonavonan'i RBNIR foana eee...

RBNIR:
Mitovy tsy misy valaka amin'izao ataonao izao no nataon'ny olona an'i Noa fahiny.....

Dia ny hitantara eto izay "feon-Jesosy henonao" ve no hangatahana anao ry RBNIR, dia tena tsy ampazahoanao mihintsy ny olona.. Tantarao fa ianao "vavolombelona" eee... alefa RBNIR aa...
feon-Jesosy... feon-Jesosy... feon-Jesosy... feon-Jesosy...
16. endriny ( 24/01/2017 05:22)
Amin'izao andro izao izany dia mbola misy misoratena ho mpaminany sy apostoly foana. Dia mbola betsaka ny mino an'io. Kanefa dia efa mazava be ao anaty TV fa tsy hisy intsony ireo mandrpihavin'ny zanakolona.

Raha tsy hoe efa tonga tokoa i Jesosy a
17. RBNIR ( 24/01/2017 06:29)

endriny:

Amin'izao andro izao izany dia mbola misy misoratena ho mpaminany sy apostoly foana. Dia mbola betsaka ny mino an'io. Kanefa dia efa mazava be ao anaty TV fa tsy hisy intsony ireo mandrpihavin'ny zanakolona.

Raha tsy hoe efa tonga tokoa i Jesosy a

Mba azon'i endriny zaraina v ny toko sy handininy manamarina an'izay fa mahaliana ilay izy?
18. RBNIR ( 24/01/2017 11:55)
Raha ny hitako manko dia ny mifanohitra amin'izay,
« [Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra] Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; » (Joe.3:1)

Any amin'ny fotoana izay hitsarana ny firenena rehetra (fotoana any amparany any...) dia handatsaka ny Fanahiny IZY ka dia haminany ny zanak'olombelona.....

Hoy ny baiboly fa tsy hoy i RBNIR......
19. endriny ( 24/01/2017 14:14)
Ny Mpaminany re ry RBNIR dia ireo olona rehetra teo alohan'i Jesosy a... ireo olona nilaza sy naminavina fa ny zanak'i Davida no Mesia, ary ho avy izy ...

Ny Apostoly dia ireo 12 lahy mpianatr'i Jesosy, niaraka niaina taminy (Nalana tao ilay iraika vavy Madelena), izay nalefa hitory ny hafatr'i Jesosy dia ny:

"Rainay izay any an-danitra. Tsy manana Dada sy Neny eto an-tany izahay. Tsy mihinana ny sakafon'ny tany mahafaty, fa ny tenin'Atra no be vitamina sy misy angovo ivelomana mandrakizay. Ireo mierina anay, ampijalio any amin'ny afoben'i Satana madrakizay doria. Fa lehibe ny lolom-ponay ka tsy tantin'izay tsy manaraka anao"

Dia izay mpanara-dia an'i Kristia no atao hoe Kristianina fa tsy hoe Apostoly na hoe Mpaminany intsony

20. RBNIR ( 25/01/2017 08:21)

endriny:

Ny Mpaminany re ry RBNIR dia ireo olona rehetra teo alohan'i Jesosy a... ireo olona nilaza sy naminavina fa ny zanak'i Davida no Mesia, ary ho avy izy ...

Ny Apostoly dia ireo 12 lahy mpianatr'i Jesosy, niaraka niaina taminy (Nalana tao ilay iraika vavy Madelena), izay nalefa hitory ny hafatr'i Jesosy dia ny:

"Rainay izay any an-danitra. Tsy manana Dada sy Neny eto an-tany izahay. Tsy mihinana ny sakafon'ny tany mahafaty, fa ny tenin'Atra no be vitamina sy misy angovo ivelomana mandrakizay. Ireo mierina anay, ampijalio any amin'ny afoben'i Satana madrakizay doria. Fa lehibe ny lolom-ponay ka tsy tantin'izay tsy manaraka anao"

Dia izay mpanara-dia an'i Kristia no atao hoe Kristianina fa tsy hoe Apostoly na hoe Mpaminany intsony



Ity teny ity dia nipoitra tamin'ny andron'ny apostoly (taorian'ny nahafatesan'i Jesosy)
« Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, » (Efe.2:19)
« natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; » (Efe.2:20)

Araka io teny io ny ankohonan'Andriamanitra nanomboka teo amin'i Jesosy dia natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany...

Ary tahaka izao no tokony ho rafitra hita ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra nanomboka teo « Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana*, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra. [* Gr. hery] » (1 Korintiana 12:28)

1er rang : apostoly,
2n rang : mpaminany
3 ème rang : mpampianatra
4 ème rang: fahagagana
5 ème rang ny manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana..........

dia ainsi de suite e, Io ny rafitra (taty aorianan'ny nahafatesan'i Jesosy io fa tsy tany aloha)..

P.S : io rafitra io koa dia efa tsy hita intsony ankehitriny fa dia haverin'i Jesosy indray.....

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8947