Awn n fomba hialana tanteraka amin'ny sigara?

1. raharimanarivoeric ( 18/01/2017 07:42)
Manahoana daholo..Mba mangataka torohevitra fa tena tsy mety afaka amin sigara euh..Ten miezak fa ts6 valin mints..Misaotra oanze mamaly
2. MANINGANA ( 18/01/2017 09:10)
io lay hoe nahita lalana nidirana fa mitady fanampiana @ lalana ivoahana eh ! mifoka 5 paq isan andro ianao, dia ataovy lany daholo ireo fa ho afaka ihany @ farany e,
3. raharimanarivoeric ( 18/01/2017 09:31)
Msotra anw
4. rhaj0 ( 18/01/2017 13:16)
Ho anao mpifoka sigara. Izaho tsy mpifoka sigara. Fa raha ny fahazoako azy, dia ao @ sigara, dia misy kasinga izay mahakitika ny any @ ati-doha, hany ilay ati-doha ka manosika ny tena ny hifoka foana (mitady ilay kasinga). Addiction. Toa efa haihain-dry siantista ny mekanisma-ny, ary mino aho fa ho avy tsy ho ela ny fanafody simika mamehy izay mekanisma izay.
(jereo ohatra eto: http://newswire.rockefeller.edu/2015/)

Ka raha exagerer-na izany, fomba fijeriko ito, ary aza atao mampatezitra, fa dia efa ho "aretin-tsaina" aterak'ilay kasinga no mahatonga io addiction io. Aza atao mampatezitra ho'a, hoe manana "aretin-tsaina" izany ianao, fa hevero toa ny virus ilay kasinga. Dia misy olona tsy mararibe na dia voany aza. Fa misy olona hafa, noho ny toe-batany, mety hoe marefo, na genetique, dia tonga dia mararibe mihintsy. Misy olona izany, mifoka ihany fa tsy resin'ilay kasinga izany ny sainy (sy ny vatany), dia afaka miala izy. Fa ianao tsy afaka.

Ka eo ampiandrasana ny fanafody simika iadiana (ny vokatr') io kasingan-tsigara io, dia ... fahadiovam-piaina (hygiene de vie) anombohana azy eee... Ary mila ny fanohanana sy fampirisihana betsaka avy @ fianakaviana sy olon-tianao ao io (fa tsy ilay "namana" nefa mpamosavy malemy). Dia @ ankapobeny koa, dia tena miova fomba fiaina (style de vie) mihintsy ianao izany @ io.

Ny fahadiovam-piaina dia efa noresahina tato ihany.. Entre-pa fa tsy addiction @ sigara ihany no azo iadiana @ izany, fa na addiction @ daina, na alikola, ets...

rhaj0:

http://forum.serasera.org/forum/message/m585d2bdfc46ca
fahadiovam-piaina - hygiene de vie

1- miaina tsara, mifoka rivotra madio, mifoka rivotra feno (respiration profonde). Satria, rahefa tsy ampy oksizena, dia be gaza karibonika, nefa ny CO2 dia mampalasa asidra ny tontolo (milieu). Ary ny tontolo asidra dia sompitra ho an'ny aretina, indrindra ny homamiadana.

2- misakafo tsara. Ahena ny sira, siramamy, matavy; tsy mibosesika raha iray, fa atao isan-karazany ny sakafo. Ajanona ny sigara sy alikola. Misotro rano.

3- dia ahena ny rotoroto (stress), fa alaivo miadana ny fiainana

4- dia manao fanatanjahan-tena, na dia mandeha tongotra fotsiny aza, na hoe, manenjana ny vatana (etirement). Raha mahavita meditation (yoga sns...) dia vao mainka tsara, sady mampihena ny rotoroto koa izany.

5. mila atao ampy tsara koa ny torimaso. Io mantsy, raha tsy ampy, dia lasa mitady raha ny vatana, dia te-hisakafo lava, ary io ilay lasa mampatavy. Fa ny tena olana @ tsy fahampiana torimaso, dia ny fitadidiana na koa ny asan'ny ati-doha @ ankapobeny no sahirana.


Dia mazava ho azy fa ilay "fahadiovam-piaina" dia midika ny fahadiovan'ny vatana, sasaina madio ary atao maina, na tanana io na tongotra, h@ lavaka (orona, sofina,...) sy izay elakelaka (helika, laferana,...) rehetra eee.... :-)
5. raharimanarivoeric ( 18/01/2017 14:24)
msotr betsk anw,,tn zn mints ngmb n maazu ah,,ao fa tanterahn n torohvitrw
6. rhaj0 ( 18/01/2017 17:50)
Mahafinaritra fa tsy tezitra ianao :-)

Fa ianao sy ny manodidina anao izany kOpy fa toy ny "aretina" ilay izy. TSY hoe "hadalanao", fa tena, sanatriavin'ny vava dia toa ny hoe, voamosavy ianao; fa dia mila ezaka mitohy (mety ho lavitr'ezaka) hiadiana azy (raha tsisy fanafody simika) izany eee...

Koa dia
- mila ahena (miandalana) ny habetsahany (mety hoe misintona in-10 dia borquer-na)
- mila ahena (miandalana) ny fohana isan'andro
Tsarovy fa henjana be ilay conditionnement nahazo ilay ati-doha ao, fa mila taizana moramora hiala @ ilay izy.
- dia ento @ halemem-panahiny eee.. mety tsy maha-araka indraidray, fa dia .. atanjaho ilay saina fa tohizo indray ny ampitso, dia mahatokisa fa mety foana io @ andro farany eee...

Mahereza..
7. rhaj0 ( 19/01/2017 03:30)
Ilay (risque) mety hitrangan'ny "addiction" io izao dia mila ampahafantarina @ Ankizy tsara.

Ny Ankizy sy ny Tanora mantsy dia, matetika loatra, dia
- tia ny manandrakandrana,
- na koa hoe, te-hanohitra ny r-a-d-ny na ny sosaity izy,
- na koa hoe, te-hiseho fa efa lehibe izy,
- na koa hoe, voafitaky ny lainga tsara lahatry ny dokam-barotra sy Hollywood, ka hoe izay no "milay".

Dia eritreretiny fa "andrana" fotsiny iny voalohany iny, ary mihevitra izy (na hoe "mino") fa afaky ny hamehy ny tenany dia hiala eo, na hoe, afaky ny hiarina foana n'inon'inona fahavoazana eo. Nefa arakaraka io. Misy (mora) afaka ny miala, misy tena tratra ary tsy ho afaka mihintsy, ary dia voafatotra ao.

Ka raha tafiditra amina zavatra tsy-voafehy (tsy voa-controle) ny Ankizy, dia ny "addiction" izany, dia ho lozabe ny fiainany. Ny zavatra mba voafehy (nefa tsy araka) azany efa manasarotra be ny fiainana. Ary tsy ny fiainan'ilay voan'ny "addiction" ihany no mikorontana sy potika, fa ny fiainam-pianakaviany, ary h@ sosaity mihintsy.

Fa ny "addiction" @ alikaola, indrindra koa ny daina, no tena mila tandremana mafy, satria ny fahavoazana @ ireo dia (mety) henjana ary haingana kokoa.


PS: tsy haiko inona no teny malagasy mahadika ny "addiction". Raha hainao dia mba toroy..
8. raharimanarivoeric ( 20/01/2017 09:27)
ms0tr betsak euh,,ts d aik lotr ilay addiction am teny gasy,,maztoa d maherez iany ku
9. mpisotrtoaka ( 13/06/2019 11:43)

MANINGANA:

io lay hoe nahita lalana nidirana fa mitady fanampiana @ lalana ivoahana eh ! mifoka 5 paq isan andro ianao, dia ataovy lany daholo ireo fa ho afaka ihany @ farany e,


REHEFA TSY MAHITA VALINY DIA MANGINA FA MAMPITE HAMAKY LE VAVA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3181