Manala Devoly

1. rhaj0 ( 17/01/2017 12:31)
Mizara ny hita..

http://latribune.cyber-diego.com
J’ai eu la chance de rencontrer au cours de mes déplacements un neuropsychiatre capable de diagnostiquer précisément des maladies mentales comme le Docteur Rakotosalomon du service psychiatrique de la capitale d’Antananarivo. Ce dernier parle de « délire d’influence » pour m’expliquer le phénomène de possession?; de périodes durant lesquelles des malades mentaux, comme les schizophrènes, ont l’impression que quelque chose d’étranger les domine. Malheureusement, les personnes qualifiées pour établir un tel diagnostic comme celui du Docteur Rakotosalomon sont rares, très rares. Les pasteurs des centres luthériens ont pour réflexe au moindre trouble psychologique de diagnostiquer l’ensemble des maladies mentales sous une même étiquette : la possession. Le Devoly (le diable)...



Ka dia io izany ilay izy eee... rahefa TSY takatry ny hoza-doha, dia akapoka hoe ... akapoka hoe... alefa... miara-mihira daholo isika:
Akapoka Hoe Devoly Na Koa Andrmntra
novalian'i endriny ny 15/02/2017 05:56
2. endriny ( 17/01/2017 14:05)
Ary ahoana ilay vahao ny oloko sy ny ambalavelona?

Ry apostoly tsaratsara?
3. rhaj0 ( 17/01/2017 16:42)
Ka io izany misy ireny "centres luthériens" na koa FJKM na Katolika ireny any, dia ireny no mandray ireo olona manana aretina pisikaolojika. Ka tsy ampy kosa angamba ny hopitaly pisikiatrika ka dia any no lasa na hoe alefa ny marary ee..

Ka io izany rahefa mihetsika ny aretina, izay TSY takatry ny hoza-doha, dia tonga dia ...
"Akapoka Hoe Devoly Na Koa Andrmntra" eee...

Dia izay moa no "modely" natao taloha koa raha ny @ Sekoly..

Ka io izany misy ireny sekoly luthériens na koa FJKM na Katolika ireny any, dia ireny no mandray ireo ankizy mba hianatra. Ka tsy ampy kosa angamba ny sekoly ka dia any no lasa na hoe alefa ny ankizy ee..

Ka io izany rahefa misy teoria lalina na sarotra, izay TSY takatry ny hoza-doha, dia tonga dia ...
"Akapoka Hoe Devoly Na Koa Andrmntra" eee...
4. endriny ( 18/01/2017 05:51)
Rehefa inona ny tranga iray no atao hoe: Asan'ny Devoly?

Dia rehefa toa ny ahoana ilay tranga no lazaina hoe: Sitra-pon'atra na famaizan'atra?

Ho ahy dia ny olona ihany no mamaritra an'io. Rehefa isika mianakavy no idonam-pahoriana dia sitrapon'atra sy lahatr'atra izay. Fa raha ilay tsy mitvovy hevitra sy mpifamaly amintsika mianakavy no nidonam-pahoriana dia sazin'atra izay na voan'ny devoly
5. endriny ( 18/01/2017 17:14)
Ilay fiteny hoe "Manala Devoly" ohatran'ny hoe "Manala parasy lafrika", ohatran'ny hoe zavatra tsotra kely amin-dry zareo ilay izy.

Aza fady raha mivantambantana
6. rhaj0 ( 19/01/2017 02:48)
O ry RBNIR aa.. nareo sy Herinirina koa ve manala Devoly toa izao???

http://latribune.cyber-diego.com
Drapés de blancs, les mpiandry ou bergers blancs chassent les mauvais esprits chez les malades en leur criant avec ferveur : « Mauvais esprit, sortez de cet homme au nom de Jésus de Nazareth. Allez en enfer?! C’est votre demeure ». ...


Asa k'lou ry RBNIR, fa giravy ihany ireto Mpiandry ireto. Asa taiza koa no nianarany io fanalana Devoly io, ka hoe "mikiakiaka ankafanampo" fotsiny io dia lasa. Nefa anie ny recette fanalana Devoly dia efa voasoratra (dia voasoratra) mazava tao @ Matio sy Lioka

Matio 8:30 Ary nisy kisoa maro andiany iray nihinana teny lavidavitra azy teny.
31 Ary ny demonia nifona tamin’ i Jesosy ka nanao hoe: Raha avoakanao ary izahay, dia iraho hankany anatin’ ireo kisoa andiany ireo.
32 Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin’ ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin’ ny hantsana ho any amin’ ny ranomasina, ka dia maty tany anatin’ ny rano.

Lioka 8:32 Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny.
33 Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin’ ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin’ ny hantsana ho any amin’ ny farihy, ka dia maty [Gr. kenda] tany.



I Jesosy raha "nanala devoly" dia nalefany tany @ kisoa. Fanampin'izany, i Jesosy TSY mba "mikiakiaka ankafanampo" izany.


Ka aiza ny KISOA tao @ Toby????
Dia inona (foana) koa ity "mikiakiaka ankafanampo" ity???
7. endriny ( 19/01/2017 04:03)
Ny Demonia aza izany mbola afaka miady varotra amin'i Jesosy ny momba izay ho aviny. Kanefa ho'a ilay olona mpitonona mpanaradia azy tonga manome ozona Afobe ho an'izay tsy mitovy hevitra aminy...
8. rhaj0 ( 19/01/2017 13:57)
endriny:
Rehefa inona ny tranga iray no atao hoe: Asan'ny Devoly?

Dia rehefa toa ny ahoana ilay tranga no lazaina hoe: Sitra-pon'atra na famaizan'atra?

Ka ny tranga "ratsy" izany dia, tsy hoe "asan'ny Devoly" foana, fa tena mety i Andrmntra sy ny famaizany mihintsy no nanao azy eee... hozy ny Kristiana.

Fehiny: tena (afaka) "manao ratsy" i Andrmntra.
9. endriny ( 20/01/2017 04:41)
Izay aloha no fahazoako azy e. Nisy olona lasa nalemy fa tapaka dia hoy ny namany hoe atao ahoana fa izao no sitrak'Atra, ka minoa ianao fa fomba nanehoany ny voninahiny aminao izao zava-mitranga izao, ary fitsapana toa ny nataony tamin'i Joba.

Ohatran'izay ilay resaka. Dia variana aloha ny tenako hoe mba dadany indray izany fankaherezana izany
10. endriny ( 20/01/2017 05:04)
Rhaj0, ny ahy izao ireo mpiandry, mpandroaka demonia na Malagasy Israelinina afaka mandroaka biby masiaka no tadiaviko, hanala an'ireo voay manaiktra ao Ankarafantsika ireo.

Ny zanak'Israely sy ny Atrany hono mantsy afaka mandroaka an'ireny biby dia ireny hoy I Jeremiah (TT)
11. endriny ( 24/01/2017 05:25)
Ka mety Atra izany no Devoly sa ahoana?
12. endriny ( 24/01/2017 05:27)
Kanefa tena tsy mitovy ireo satria Atra masiaka be no sady tsy mamela mahazo mihintsy. Fa ny Devoly mba mampirevy sy mankafia ny fiainana eto an-tany, dia tsy manana ahiahy mihintsy @ hoe hanao ratsy olona.
13. rhaj0 ( 25/01/2017 14:33)
@ Malagasy (original) aloha, araka ny fitantaran'i Flacourt, dia samy hafa ny Andrmntra sy ny Devoly... entre-pa fa hafa koa ny Andriananahary. Ary dia rahefa tiana ahomby ny atao, dia ampirevena ny Andmntra SY ny Devoly.. dia milamina ny tany eee...


Fa mampieritreritra tokoany an.. i Andmntra sy i Devoly izany samy mitady client..

- Dia ny an'i Devoly toa lambolamboiny ampanantenainy revibe.. ohatra hoe :
lendalendao ny paoma Madama dia miaraka isika aaa...

- ny an'i Andmntra indray nefa, ny Andmntr'i RBNIR k'lou, dia tena hoe :
manaraka ny didiko Itena dia miaraka isika...
14. endriny ( 26/01/2017 05:39)
Araka ny haiko aloha dia ny Andriana dia nilaza fa zanak'Atra ry zareo. Ka tamin'ny andron'i Rabiby sy Ralambo no tena nivohizana an'io.

Efa notantaraina tary aloha be tary io fa mba jereo kely ange ny kajintsika e.
15. Strong3 ( 14/02/2017 12:33)
raha mba valiana kely ilay fijery ahitanao azy dia tsotra:

Tsy misy zavatra azonao fa lasa misambo-drivotra fotsiny ilay fikaroana vitanao

- tsy misy olona afaka mandroaka devoly fa fahefana indramina izany. ary raha tsy tonga eo ny herin'Atra dia tsy misy devoly miala eo izany.

ahoana moa no ilazana fa demoniaka (misy devoly) ny olona iray???
-> manohitra an'Atra izy , mamotika ny vatany izy
mety tsy tonga saina intsony izy ka io ilay atao hoe demoniaka (efa tsy tompon'ny tenany)
mety tonga saina izy fa tsy afaka manohitra ny fanoherana an' ATra na ny famotehana ny vatany

--> eo ambony moa dia misy milaza hoe: lazaina fa devoly rehefa manohitra
__ dia hoy aho hoe: "voalazanao" : MPANOHITRA SY MPIAPANGA no diakan'ny teny hoe: devoly
16. rhaj0 ( 14/02/2017 14:54)
Strong3:
ahoana moa no ilazana fa demoniaka (misy devoly) ny olona iray???
-> manohitra an'Atra izy , mamotika ny vatany izy
mety tsy tonga saina intsony izy ka io ilay atao hoe demoniaka (efa tsy tompon'ny tenany)
mety tonga saina izy fa tsy afaka manohitra ny fanoherana an' ATra na ny famotehana ny vatany

i Strong3 izany kosa ho'a toa milingilingy dia mamoromporona, nefa anie efa mazavabe ny fanazavana ao anaty BAiboly hoe toatoa ny ahoana ireo olona voan'i Demony..

Jereo ato hozy Ingahy Gogola

http://lmgtfy.com/?q=demonic+possession+in+the+bible+ry+Strong3+aaa

https://www.kingjamesbibleonline.org/Bible-Verses-About-Demonic-Possession/
17. endriny ( 15/02/2017 05:56)
Misaotra amin'ny fanazavana e/

Fa inona indray aza no dikan'ny hoe "SATANA"?

Dia inona no dikan'ny hoe: "DEVOLY"?

Dia inona no dikan'ny hoe: "BELOJEBOBA"?

Fa efa mazava iny ny Demonia.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1296