abus sexuel 2017

1. rhaj0 ( 16/01/2017 13:56)
Dia tena valaka tanteraka aho zareo, valaka tanteraka maheno t@ radio vao teo, ny @ fipetraky ny abus sexuel any @ Oniversitia ao Quebec, @ izao taona 2017 izao.

Nanontaniana viavy efa ho 1000 eraky ny U ao Quebec farany teo, ary dia
- eo @ 37% no niharan'ny abus (et violence) sexuel
- eo @ 25% no nahita nanatrika mivantana abus (et violence) sexuel
- nefa dia ny 90%-ndreo viavy ireo dia TSY nitaraina
- ireo mba nitaraina, dia notamoraina (banalisée) ny resaka, na akoriny aza, voapempo (culpabilisée) ilay viavy voany
- eo @ 50%-n'ireo viavy ireo no mitaraina fa tena misy vokany ratsy eo @ fiainany (na vie sexuelle, na professionelle, na sociale)

Tena valaka tanteraka aho. 2017 ny taona, ary aty Kanada io. Mainka fa any Dago ohatra??
novalian'i alex32 ny 15/10/2018 11:25
2. rhaj0 ( 16/01/2017 14:07)
Ka ilay izy any @ U..

Io izany hoe, @ izao isika miteny izao, dia misy viavy any, eo @ 300 isa, ka dia rava (tapany) ny fiainany eee..

Dia izany hoe koa, ireo abuseurs eo @ 300 isa koa izany, mbo iza???
-- mety hoe bandy ho lasa dokotera sa avocat sa polisy ???
-- ary ngo dia mpampianatra akoriny aza moa izany zareo ???
3. rhaj0 ( 16/01/2017 14:44)
Efa eny @ gazety koa kay ilay resaka io
http://www.lapresse.ca
4. rhaj0 ( 18/01/2017 14:09)
Ato misy manazavazava ny fandehany any Dago (2013 fa mino aho fa mbola tsy lany andro):
http://www.irinnews.org/feature/2013/

... a survey carried out in 2011 in three cities - Antananarivo, Diego and Tulear - found that about 30 percent of women reported having experienced domestic violence at least once in their lives.
(..)
Those women willing to talk about their problems tend to first go to the head of the fokotany or neighborhood, who is viewed as the village elder. The fokotany will then negotiate on the wife’s behalf, often without results.

The next step is the judiciary and the police, but very few women get this far. “To sue a husband, you need a medical certificate. This costs 6000 Ariary (US$3) and many women can’t pay this,”...
(..)
Under Malagasy law, perpetrators of domestic violence can get up to 10 years in jail or a fine of 1 million Ariary ($500), but these laws are rarely implemented, because women rarely press charges.


5. endriny ( 20/01/2017 14:30)
Fa eto Madagasikara, raha mitaraina amin'ny mpitandro ny filaminana ny vehivavy iray fa nisy nanolana dia izao no ao an-tsain'ny mpitandro ny filaminana:

1) mpivarotena ilay vehivavy ary tsy nahazo vola tamin'ny olona niarahany dia mitaraina.
2) matoa ianao voalan dia vehivavy mpiodina ianao izany.
3) (raha misy bika ilay vehivavy) satria ianao mpihodina (araka 2) dia aleo mba ahodin'i Sefo aloha vao miresaka isika.
4) Raha manamboninahitra na havan'ireo, na patron vazaha sy karana no nanolana anao fa tsy Lezama avy eo Manjakaray, dia ianao mihintsy no te hanao aminy eo.
5) mandehana mody dia soloy vy ny silipo amin'ny manaraka.

Ny mpitondra aza moa nisy nivoaka vidaka mihintsy amin'ny fahavetavetana, dia lazainy fa nofitahina hono izy.
6. rhaj0 ( 23/01/2017 18:17)
gasy ve i Lawry io ee... mba iangaviana mba ataovy any @ "resak'olon-dehibe" iay resaka fa manjary tsisy resaka vanona fa dangidangin'ny tra eto fotsiny izay manokatra ny hafatrao eo eee... Mba toroy ilay ranamana eee...
7. Mirananirina ( 28/01/2017 18:55)

endriny:

Fa eto Madagasikara, raha mitaraina amin'ny mpitandro ny filaminana ny vehivavy iray fa nisy nanolana dia izao no ao an-tsain'ny mpitandro ny filaminana:

1) mpivarotena ilay vehivavy ary tsy nahazo vola tamin'ny olona niarahany dia mitaraina.
2) matoa ianao voalan dia vehivavy mpiodina ianao izany.
3) (raha misy bika ilay vehivavy) satria ianao mpihodina (araka 2) dia aleo mba ahodin'i Sefo aloha vao miresaka isika.
4) Raha manamboninahitra na havan'ireo, na patron vazaha sy karana no nanolana anao fa tsy Lezama avy eo Manjakaray, dia ianao mihintsy no te hanao aminy eo.
5) mandehana mody dia soloy vy ny silipo amin'ny manaraka.

Ny mpitondra aza moa nisy nivoaka vidaka mihintsy amin'ny fahavetavetana, dia lazainy fa nofitahina hono izy.

Ohatra marina an.
8. dreamlover14 ( 01/03/2017 18:58)
Io resaka io kosa aloha dia arakaraka ny définition an'ilay hoe abus sexuel eh ;

inona no tna atao hoe abus ? resaka fijerevana fitombenan'olona ve azo antsoina hoe abus ?
9. rhaj0 ( 07/03/2017 15:52)
io izao ho'a, tsaroako foana i Jaojoby nanao fampisehoana... Mitsipelipelika hita ny silipon-dry Eusebia sy Roselyn, fa mitsiky fotsiny i Bainina eee...

Fa ilay "maso mijery tsy mitondra mody" aloha dia... toa samy manao daholo ihany, na vavy na lahy.

Fa rahefa tonga @ ilay fibanjinana sampona iny kosany, dia ... "tsy fahalalam-pomba" izany, fara-fahakeliny eee... Io ohatra toa ny hoe, misy olona marary na sembana, dia avontirikao eo ny masonao.. Mba avela ny olona mba hiaina (ny reviny) eee....


Fa misy milaza hoe, "abus" ny ataonao raha ohatra ka rahefa mieritreritra kely ianao, dia
- tsy sahinao atao @ Ivadinao, na ny reninao sy anabavinao, na zanakao vavy akoriny kay ilay izy,
- na hoe, tena tsy ekenao ny hanaovana toa izany @ Ivadinao, na ny reninao na ny anabavinao, na zanakao vavy

10. alexandra32 ( 08/02/2018 06:55)
zay no tsara hanaovana an'ireny karana sy vazaha sasany ireny mangiery!!!! ny ahy ompaiko mihitsy eee ary
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.086