Fampihavanam-pirenena eo amin'ny finoana

21. endriny ( 03/02/2017 16:51)
"Omeo an'Atra izay an'Atra ary an'i Sezara izay an'i Sezara", didim-pitoloman'i Jesosy koa io. Ary didy be mpanaraka indrindra sy didy be mpampiantra indrindra eo amin'ny samy kristianina. Didy voalohany indrindra.

Ka raha "Tsy nanome an'Atra" ianao, "Tsy voarakitra ao amin'ny firaketan'ny fiangonana ny fanomezana nataonao". Dia aza manantena ny ahazo ny fahasoavan'Atra mihintsy aloha, indrindra fa hoe handray sakramenta.

Aloavy aloha ny an'Atra, vao miresaka amin'i Mopera sy Pasitera.
22. endriny ( 15/02/2017 06:30)
Ry zareo izany miantso fampihavanam-pirenena kanefa izy samy izy aza mifanebaka hoe Sekta.

Aza ny ataoko no atao fa izay lazaiko tanteraho
23. endriny ( 16/02/2017 05:26)
MIsahotaka izao ny any Frantsa fa manavakavaka hono ny Polisy. Kanefa nisy fiangonana niantso fampihavanam-pirenena ve?

Sa ilay fiangonana mihintsy no mihevitra ny Malagasy ho ambany ka tsy maintsy omena baiko?

Aoka ho ahy samy irery ny teniko
24. rhaj0 ( 16/02/2017 13:32)
Ka ny aty @ tany mandroso anie efa nandroso nivoatra ny dynamique-n'ny fifandraisan'ny Fiangonana/Leglizy sy ny Fitondrana eee..

1- Tsisy intsony izany hoe, ny FIangonana na ny Leglizy rahefa mba "miteny" eny an-tokotanibe, dia koditra daholo h@ mpanao politika ka h@ vahoaka.

2- Ny ao Zamerika izao, dia ny Deba politisiana sy mpitondra fivavahana dia "miteny" sy "miresaka" any ambadiky ny rideau any..
-- Dia rahefa dokafan'ny debam-piangonana ny politisiana iray,
-- na hoe, rehefa te-ho dokafan'ilay debam-piangonana ilay politisiana
dia ny agenda-n'ilay debam-piangonana no aroson'ilay politisiana (fanala-jaza, sns...); dia mifidy an'ilehio ny mpanaraka an'ilay debam-piangonana.
Raha nanaraka ny tao Zamerika tao ianao, dia nahita fa ireo evanzelistra (Billy Graham,...) na koa ilay Karidinalibe ao Boston na NY no manao resaka tsy loa-body manondro hoe iza no fidiana

3- Ny aty Kanada ohatra dia tena TSISY mihaino, sady TSY re koa moa, ny debam-piangonana izany raha fitondram-panjakana sy firenena no resahina. Hajaina fotsiny izy fa deba (debam-piangonana) fa izay lazainy eo dia lazainy any.
25. endriny ( 16/02/2017 14:57)
Ataoko fa ry zareo any avy Canterbury no tena mibaiko ny any Kanada, kay diso aho izany.

Fa I Kanada ve moa firenena sa ahoana e? mba azavao aza fady?
26. rhaj0 ( 16/02/2017 15:50)
Izaho no fahafantarako an'i Kanada. RAha misy namana hafa aty Kanada hanampy dia tairo eto.

I Kanada dia firenena federaly.. Ankalazaina @ ity taona ity ny faha-150 ny naha-federaly an'i Kanada. T@ izany dia nisy ohatra ny Lower-Canada (frankofona, Quebec ankehitriny) sy Upper-Canada (anglofona, Ontario ankehitriny) sy ny Maritimes ets... NItambatra ho iray ireo (federaly), ary dia salanitra ny ambany lanitra.

T@ 1982 indray dia no-"rapatrier"-na ny Lalampanorenana. Izany hoe, TSY miankina @ Elizabota intsony ny aty. Efa izay foana moa, fa teo vao ofisialy. (F'izany hoe, ity mbola misy cafouillage; fa lavabe raha ho azavaina).

Fa navela ho figure emblematique eo ihany ry Elizabota mianakavy. Dia misy Ragova, solontenan'i Elizabota, no milingilingy eo antampon'ny getsemane kanadiana. I Michaelle Jean (izay Haitiana) ohatra no Ragova t@ folo taona lasa. Fa manao sonia fotsiny Michaelle t@ izany, dia manao dokadoka, fa TSY manana fahefana politika. Izy no atao "hanelanelana" raha sanatria misy litige be. Fa tsy misy litiges be intsony izao, fa efa samy tan-dalana daholo ny politisiana.

Koa raha tazatazanin-davitra fotsiny i Elizabota, dia i Canterbury, na koa i Vatican indray, dia tena tsisy idiran'ny laisoa @ voatavo mihintsy eee.. Sady @ izay :
-- Kanada = 38% cathlq, 24% protsta, 24% tsy te-ahalala, ary 8% moslm sy Boudst sns..
-- ary pire, ny Quebecquois(s) ohatra, dia nanome ny daka ambavafo ny Leglizy tany @ 1960s (io ilay hoe revolution tranquille)

Izao izao, dia ny lazaina dia hoe, pays "de tradition chretienne" ny aty fa tsy hoe pays "chretien". Izany dia hilambolamboana ireo Kristiana, fa raha ny ankabetsahan'ny olona, dia TSY manisy sira an'izany fivavahana izany, eo @ fiainampirenena, fa samy mikotrika ny azy any an-dava-tranony aby any.. (ny fiangonana efa vide)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1452