"Phénomène" mandalo ankehitriny

1. parasykely ( 26/12/2016 12:30)
Salama daholo,

Tsara ho marihana aloha fa tsy fitsaràna izy ity fa fahatsapana handraisana vahaolana

Ny finona moa dia mila fitokiana tanteraka amin'ilay Mpamonjy dia Jesosy Kristy izany.

Raha tena miorina amin'io ny tsirairay indrindra ilay loha mpitarika, voahositra na ny Mpitandrina izany dia mijoro ho Ray aman-dReny tokoa izy ka afaka mampihavana, mandamina, mitondra am-bavaka ny tsy fahalavorariana misy ateraky ny fiaraha-monim-piangonana.

Tato ho ato ary dia toa nisy rivotra nampandrongatra azy ireo, vitsivitsy izy ireo, raha tsy hilaza aho hoe rehefa tena lasa lavitra ny raharaha vao miseho ho fantatry ny mpihevi-draharaha na ny ondry izay entina ny zava-misy. Mandrongatra ahoana moa?

Maro ny endrika isehoany fa ny tena mahavalalanina dia ny Fiombonana no tena voatohitohina, fisaraham-bazana no hita ao am-piangonana, raha mitandrina ny mambra birao ka manao ny asany tsara miaro ny fananan'Andriamanitra (vola sns...), ka tsy mamoaka vola raha tsy mazava tsara ny taratasy na ny ilàna izany (satria ny Mpitandrina no mila izany) dia ratsy eo anatrehany izany.

Eto dia voatohintohina ny filàna vola ka lasa maka hery any @ mpiara-miasa hafa ny Mpitandrina amin'ny fahaizany mandresy lahatra (lavage de cerveau) sy mampivilana ny tena zava-misy ka avy iretsy hafa manameloka avy hatrany ny birao.

Inona no antony? Satria Mpitandrina no miteny dia hoe tsy maintsy marina sy marim-potototra.

Inona no mety ho antony lehibe amin'izany na hoe miodikodina amin'inona izany? Resa-bola, na tombotsoa ara-bola.


Tsapa fa tena mampisaraka mihitsy ny VOLA ao am-piangonana. Misy ny fitsitokotokoana araka izany ary mampifandrafy birao sy ny mpiara-miasa hafa ny mpitandrina.

Raha izany aza dia sahala amin'ny voatarika ny olona hijery ny tantaran'ny Mpitandrina tany amin'ny Fitandremana nisy azy taloha tany, dia tsapa fa hay efa fanaony izy ity rehefa tsy misokatra malalaka ny fahazoany vola (facture médicale mampiahiahy, frais de déplacement , sns...).

Vitany mihitsy moa no milaza lainga any amin'ny mpiara-miasa sasany fa tsy nomena frais de déplacement izy, tsy no-verser-na ny karamany, ary tonga dia romotra ny sasany ka aviavy be any amin'ny birao.

Vokatr'izany dia miasara-bazana ny mpiara-mivavaka, misy mpomba ny Mpitandrina, misy kosa mijoro amin'ny fahamarinana sy amin'ny asany.

Hany ataon'ireo mpomba azy ireo dia tsongolohana daholo ny bibikely rehetra na "petites bêtes" mba hiampangàna azy ireo ka tonga hatramin'ny hoe BIRAO TSY MAMELY, ka atao izay andravana ny birao amin'izany amin'ny fomba rehetra: toetra-tsy zaka, teny mampaharary rehetra io.

Izany fahatsapana ny rivotra mitsoka ankehitriny izany na "tendance" dia mihatra amin'ny Fiangonana réformée amin'izao izay vitsivitsy maromaro izy ireo, ka mampihemotra raha tsy miorina tsara.

FEHINY: Tanora fanahy loatra ve ny Mpitandrina ankehitriny sa entin'ny fitiavam-bola tafahoatra ka manaonao foana?

Tsara ho marihana fa rehefa tsy Mpitandrina voahositra isika dia laika izan.

Ny laika dia ny fikaramana any amin'ny toeram-piasana no hahazoany karama hivelomany sy hamelomany ny vady aman-janany, fa ny Mpitandrina kosa dia ny FILAZANTSARA no tokony ivelomany.

Am-bava homana, am-po miheritreritra ka aoka hijoro ahitsy tsara mba ho tanteraka ny hoe tena Mpitandrina ny Ondry marina ho Ray aman-dReny ara-panahy hisian'ny Fiombonana fa tsy Fisaraham-bazana izay mifanohitra amin'ny sehatry ny finona.






novalian'i rhaj0 ny 10/01/2017 12:03
2. stahtam ( 27/12/2016 05:09)
[quote=stahtam]
Hoy aho hoe mba ahirato @ izay ny maso fa ny menasofina no nampiditra anao tao anatin'io resaka io dia izao no hafatra noraisiny talohan'ny nahatongavany teto aminao:

Extrait du discours prononcé par Léopold II, Roi de Belgique, devant les missionnaires se rendant en Afrique.

MISSION ASSIGNÉE AUX MISSIONNAIRES PAR LE ROI LÉOPOLD II DE BELGIQUE :

Révérends Pères et chers compatriotes, La tâche qui vous est confiée à remplir est très délicate et demande beaucoup de tact. Prêtres, vous allez certes pour évangélisation, mais cette évangélisation doit s’inspirer avant tout des intérêts de la Belgique et de l’Europe. Le but principal de votre mission en Afrique n’est donc point d’apprendre aux Nègres à connaître Dieu, car ils le connaissent déjà. Ils parlent et se soumettent à Un Mundi, Un Mungu, Un Diakomba et que sais-je encore ; ils savent que tuer, voler, coucher la femme d’autrui, calomnier et injurier est mauvais. Ayons donc le courage de l’avouer. Vous n’irez donc leur apprendre ce qu’ils savent déjà. Votre rôle essentiel est de faciliter la tâche aux administratifs et aux industriels. C’est donc dire que vous interprétez l’évangile de façon qui sert à mieux protéger nos intérêts dans cette partie du monde. Pour ce faire, vous veillerez entre autres à désintéresser nos sauvages des richesses dont regorgent leur sol et sous-sol, pour éviter qu’ils s’y intéressent, qu’ils ne nous fassent pas une concurrence meurtrière et rêvent un jour à nous déloger. Votre connaissance de l’Evangile nous permettra de trouver facilement des textes recommandant aux fidèles d’aimer la pauvreté, tel par exemple: « heureux les pauvres car le Royaume des cieux est à eux », « Il est difficile aux riches d’entrer au ciel ». Vous ferez tout pour que les Nègres aient peur de s’enrichir pour mériter le ciel. Pour éviter qu’ils ne se révoltent de temps en temps et pour que vous les fassiez craindre, vous devez recourir à la violence. Vous leur enseignerez de tout supporter même s’ils sont injuriés ou battus par vos compatriotes administratifs. Vous leur enseignerez que toute personne qui recourt à la vengeance n’est pas digne d’être fils de Dieu. Vous les inviterez à suivre l’exemple des Saints qui ont tendu la deuxième joue sans recul et insulte. Vous devez les détacher et les faire mépriser tout ce qui leur procure le courage de nous affronter. Je fais allusion ici principalement à leurs fétiches de guerre. Qu’ils ne prétendent point les abandonner et vous mettre à tous à l’œuvre pour les faire disparaître. Votre action doit se porter essentiellement sur les jeunes afin qu’ils ne se révoltent pas. Si le commandement du Père est conducteur à celui des parents, l’enfant devra apprendre à obéir à ce que lui recommande le missionnaire qui est le père de son âme. Insistez particulièrement sur la soumission et l’obéissance. Évitez de développer l’esprit de critique dans vos écoles. Apprenez aux élèves à écrire et non à raisonner. Ce sont là, chers compatriotes, quelques-uns des principes que vous appliquerez. Vous en trouverez beaucoup d’autres dans des livres qui vous seront remis à la fin de cette séance. Évangéliser les Nègres à la mode des Africains, qu’ils restent toujours soumis aux colonialistes blancs. Qu’ils ne se révoltent jamais contre les injustices que ceux-ci leur font subir. Faites leur méditer chaque jour « heureux ce qui pleurent car le Royaume des cieux est à eux ». Convertissez toujours des Noirs au moyen de la chicote. Gardez leur femmes à la soumission pendant neuf mois afin qu’elles travaillent gratuitement pour vous. Exigez ensuite qu’ils vous offrent en signe de reconnaissance des chèvres, poules, œufs, chaque fois que vous visitez leurs villages. Faites tout pour que les Noirs ne deviennent jamais riches. Chantez chaque jour qu’il est impossible à un riche à entrer au ciel. Faites-leur payer une taxe chaque semaine à la messe du dimanche. Utilisez ensuite cet argent prétendument destiné aux pauvres et transférez ainsi vos missions à des centres commerciaux florissants. Instituez pour eux un système de confession qui fera de vous de bons détectives pour démentir tout Noir qui a une prise de conscience envers les autorités investies du pouvoir de décision.
Léopold II, Roi de Belgique.

3. parasykely ( 27/12/2016 05:39)
>>stahtam : Misaotra anao nanome an'ity "extrait" ity.

Ny fahitako an'io dia familiana ny Filazantsara ho any amin'ny tombotsoan'ny mpanjanaka tamin'ny andro fanjanahana an'i Afrika fahiny.

Ny tiako ambara tamin'ny andalan-tsoratra nosoratako dia ny hoe, tsy tokony ho ny laika ihany no atao manana ny fahadisoana fa samy manana anjara fahadisoana daholo na ny Mitandrina na ny laika. Na mety ny andaniny ihany, na mety ny ankilany ihany.

Fa ny ankamaroan'ny fotoana dia ny laika foana mantsy no heverina ho diso amin'itony raharaha mikasika ny fitantanam-piangonana itony raha mba mitaraina izy ireo. Ka tsara ho maniratra ny masony ny Fiobe amin'itony zava-mitranga itony.


4. stahtam ( 27/12/2016 06:19)

[quote=parasykely]
>>stahtam : Misaotra anao nanome an'ity "extrait" ity.

Ny fahitako an'io dia familiana ny Filazantsara ho any amin'ny tombotsoan'ny mpanjanaka tamin'ny andro fanjanahana an'i Afrika fahiny.

Ny tiako ambara tamin'ny andalan-tsoratra nosoratako dia ny hoe, tsy tokony ho ny laika ihany no atao manana ny fahadisoana fa samy manana anjara fahadisoana daholo na ny Mitandrina na ny laika. Na mety ny andaniny ihany, na mety ny ankilany ihany.

Fa ny ankamaroan'ny fotoana dia ny laika foana mantsy no heverina ho diso amin'itony raharaha mikasika ny fitantanam-piangonana itony raha mba mitaraina izy ireo. Ka tsara ho maniratra ny masony ny Fiobe amin'itony zava-mitranga itony.

[quote=stahtam]
Hataoko mahitsy àry e!
Fototra io noresahiko io, ka ny zavatra naorina teo ambony fototra tsy izy dia tsy maintsy hirodana na ho ela na ho haingana. Ny foibe resahinao dia manana ny lehibeny mibaiko azy koa. Mety tsy ho fantatrao izany nefa jereo ny zava-misy ankehitriny fa efa tonga @ resaka politika izao ny fivavahana; ka mbola hanorina finoana @ izany ihany ve?
5. booboo ( 28/12/2016 11:53)
Stahtam > aza quote quoter-na fa lasa manahirana bee mamaky ilay adi-hevitra ...misaotra ê.
6. bor2lais ( 28/12/2016 13:57)
booboo:

Stahtam > aza quote quoter-na fa lasa manahirana bee mamaky ilay adi-hevitra ...misaotra ê.

:-)
Diso mi-"quote quote" be loatra angaha izy ry booboo ?
:-)
7. stahtam ( 29/12/2016 05:04)

[quote=booboo]
Stahtam > aza quote quoter-na fa lasa manahirana bee mamaky ilay adi-hevitra ...misaotra ê.
[quote=stahtam]
Mba hazavao aminay tsy dia mahay technique loatra ilay hoe: aza quote quoter-na fa tena vahiny izahay an!
8. rhaj0 ( 29/12/2016 17:08)
ILay fitiavam-bola an'ilay Mpitondra Fivavahana ve mahagaga eee... Ka izy anie mahay (ny tantara) tsara fa manan-karena, ary tena manankarembe, ry Papa, na koa rizareo evanjelisitrabe ao zamerika ao... Ianao ve ohatra mino hoe, ireo pretra sy masera mihidy any @ couvent-ny tena miaina mahantra sy tsotra be ao? ntsss.... ny eo ambony latabatrany zavatra tena kalibe tondrahan-divay.. tsy hitanao fa vetivety dia matavy ve rizareo ireny?

Fa dia ... hadalanao izay manaiky rebirebeny dia ambakainy ao eee...

Hainy tsara ilay system (fivavahana) eee... hoe, noforonina fampitahorana, na noforonina filàna. Io ilay "fond de comerce" hozy i Lahindroy izay. Dia avy eo, lazainy fa zareo no manana ny fanefitra ee... Dia ao tokoany ianao mino an'izany.


Fa dia hitombo indray io ny taona, dia mandraisa rezolusion eee.. hoe, aoka izay ity mandany andro any ampiangonana ity, fa tsy vitan'ny sesefana atsanga tsy aman'orana ao ianao, fa mbola ambakainy (ara-bola) koa.. Ilay fotoana sy angovo ampiasao @ fampitomboana ny fahalalana (misy eraky ny interinety ohatra) eee...



9. endriny ( 02/01/2017 09:19)
Ny Mpampiely Baiboly aza nisaraka noho ny vola koa.

Niala tao ny Katolika fa lafo loatra hono ny Baiboly ao ary tsy mifanaraka amin'ny Fisainana Katolika
10. RBNIR ( 03/01/2017 03:28)
stahtam:

Mba hazavao aminay tsy dia mahay technique loatra ilay hoe: aza quote quoter-na fa tena vahiny izahay an!

Salama, rehefa hamaly ianao dia tsy voatery averina avokoa ireo teny nambaran'ilay namana, ilay izy koa tsy dia mila ianarana b fa rehefa mizatra eto ianao manao exercice kely dia ho azonao ny fampiasana an'ity sera ity e, na izany aza tsara ihany raha mba misy karazana video kely partagen'i hery dia milamina ny mpisera......
11. rhaj0 ( 06/01/2017 18:37)
Jereo anie izao fa itony no ianaran-dry RBNIR sy Herinirinany eee... Efa mivoaka gazety ny (toa) anareo fa mba menatra dia ajanony @ izay izy io ho'a ry RBNIR aaa....

http://www.lagazette-dgi.com/
... il prêche la guérison par la foi
... un revenu très confortable issu de son entreprise religieuse incluant des écoles de guérison et 3 chaînes de télévision



Ka efa amina millions koa izany ny anareo ao ry RBNIR mpitam-bola?? Raha izay 1/10-karenan'olona noraofina tao aman-taona sy aman-taoniny tao izay ve tsy efa toatoa izay koa???
12. lahindroy ( 09/01/2017 15:13)

Miarahaba

mety mbola tsy tonga amin'izany tanjona avo lenta izany ireto pasitera sy mpaminany ary apostoly malagasy aloha hatreto (saika avy ao Nigeria sy Afrika atsimo ...no misy an'ireny mpitondra fivavahana mpanan-karembe ireny ; angamba mbola tena ambany loatra ny fahefam-panoloran'ireo mpino malagasy mpanaradia an-dry zareo ohatra) ; misy manana ihany fa tsy mbola tena mpanefohefo ary misy amin'izy ireny koa ange mety dia tsy izany loatra ny zava-kendreny e !




Ka efa amina millions koa izany ny anareo ao ry RBNIR mpitam-bola?? Raha izay 1/10-karenan'olona noraofina tao aman-taona sy aman-taoniny tao izay ve tsy efa toatoa izay koa???
[/quote]
13. RBNIR ( 10/01/2017 06:12)
lahindroy:

Ka efa amina millions koa izany ny anareo ao ry RBNIR mpitam-bola?? Raha izay 1/10-karenan'olona noraofina tao aman-taona sy aman-taoniny tao izay ve tsy efa toatoa izay koa???


Mahazo mandainga v ny kristianina???« .........ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)


Jereo ato amin'ity rohy ity fa hoy aho hoe : ..... lasa mpitantam-bola tsy fidiny ao amin’ny fikambanana ny tenako ary minoa ahy ianao fa dia izao no zavatra hafa mbola fantatro tao koa. Ilay pasteur dia «namoaka vola ampaosy mba ahafahany mitory amin’ny télé sy ny radio sy ny sisa». Nataony izany noho ny fitiavany ny hafa mba hahafantaran’ny hafa ny MARINA izay nampianarin’I JESOSY KRISTY TOMPO azy.......
14. parasykely ( 10/01/2017 11:23)

RBNIR:

lahindroy:

Ka efa amina millions koa izany ny anareo ao ry RBNIR mpitam-bola?? Raha izay 1/10-karenan'olona noraofina tao aman-taona sy aman-taoniny tao izay ve tsy efa toatoa izay koa???


Mahazo mandainga v ny kristianina???« .........ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)


Jereo ato amin'ity rohy ity fa hoy aho hoe : ..... lasa mpitantam-bola tsy fidiny ao amin’ny fikambanana ny tenako ary minoa ahy ianao fa dia izao no zavatra hafa mbola fantatro tao koa. Ilay pasteur dia «namoaka vola ampaosy mba ahafahany mitory amin’ny télé sy ny radio sy ny sisa». Nataony izany noho ny fitiavany ny hafa mba hahafantaran’ny hafa ny MARINA izay nampianarin’I JESOSY KRISTY TOMPO azy.......

RBNIR> Misaotra anao. Tsy mahazo mandainga isika na any @ toeram-piasana, na eny rehetra eny, maika moa fa hoe kristianina. Maha tohina anie mahita an'izany hoe Mpitandrina mandainga izany e. Mivavaka ho azy mandrakariva mba hiova izy. Fa raha miorina amin'izany dia mba ahoana ny ondry andrasana sy ny ho avin'ny Fiangonana mihitsy? Hizarazara ho mpomba, tsy mpomba sns...ve sahala ny misy amin'izao fotoana?
15. rhaj0 ( 10/01/2017 12:03)
RBNIR:
Mahazo mandainga v ny kristianina???
parasykely:

Tsy mahazo mandainga isika...

Aleo aloha azany ampitoviana ny tadin-dokanga.. Inona no atao hoe "mandainga".

Lainga = Filazana mifanohitra amin'ny marina - Fitaka

Raha @ teny frantsay, dia miampy kokoa:

Mentir = affabuler, désinformer, fabuler, inventer, taire ...

Ohatra hoe ity izao dia MANDAINGA @ (teny) frantsay:
fabulation = Manière purement imaginaire de présenter des faits;
Arrangement des faits constituant la trame d'une œuvre d'imagination.


Ka tena miniana, na hoe mino koa, ianareo Kristiana, indrindra ireo Mpitondra (fivavahana), fa tena TSY manao an'izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7772