mba tena marina v le fiangonana farany

1. lesetra ( 21/12/2016 13:21)
misy fiangonana iray milaza fa fiangonana farany misy anaty baiboly ve le izy ary mety ho tanteraka ve ny zavatra lazainy mikasika ny fara andro
novalian'i endriny ny 18/01/2017 17:11
2. stahtam ( 22/12/2016 11:42)

[quote=lesetra]
misy fiangonana iray milaza fa fiangonana farany misy anaty baiboly ve le izy ary mety ho tanteraka ve ny zavatra lazainy mikasika ny fara andro

[quote=stahtam]
Tsy ny filazan'ny fiangonana iray (na marobe) na ny fahatanterahan'ny zavatra lazainy no tokony hojerena fa ny fototra anorenanao finoana. Tahotra fara-andro ve no anorenanao finoana sa boky sa zava-mitranga eny @ habakabaka sa ny fironan'ny besinimaro sa zavatra hafa...? Izay no tokony hapetrakao voalohany. Ohatra: nahoana ny boky iray no lazaina fa marina noho ny boky hafa?
3. lahindroy ( 23/12/2016 08:46)
Miarahaba ny rehetra

"... fa ny fototra anorenanao finoana..." tokoa no tokony hijoroanao.
Ka hazo boboka ilay fototra sa ...?

Kanefa aza adino fa ny " Tahotra fara-andro" sy ny "fahaverezana mandrakizay any anaty afobe" no anisan'ny "fond de commerce"-ny fivavahana
4. stahtam ( 23/12/2016 09:46)

[quote=lahindroy]
Miarahaba ny rehetra

"... fa ny fototra anorenanao finoana..." tokoa no tokony hijoroanao.
Ka hazo boboka ilay fototra sa ...?

Kanefa aza adino fa ny " Tahotra fara-andro" sy ny "fahaverezana mandrakizay any anaty afobe" no anisan'ny "fond de commerce"-ny fivavahana
[quote=stahtam]
Matoa ianao mahafantatra ireo "ampahana fahamarinana" ireo dia efa nisy fototra niainganao izany. Io fototra iorenanao io no tokony hofantarinao sy hohamafisinao tsara dia tsy maintsy mitsinkafona ho azy sy manidina avokoa izay akofa-na fivavahana rehetra mitranga.
5. rhaj0 ( 23/12/2016 12:08)
Asa raha takatr'i Lesetra ihany farany ny paikaben'ilay "fiangonana"..

1- ampitahoriny aloha ianao : eo IZY izany dia mamorona ilay fampitahorana
2- dia lazainy fa raha miaraka aminy dia tsisy atahorana : IZY no mamorona ny fiadiana an'ilay fahatahorana noforoniny teo

Dia tena "commerce" marina io, araka ny filazan'i Lahindroy azy. Tahaka ny nandresena anao lahatra fa, bOgany ianao raha mifoka sigara, dia aty misy sigara raha hividy.

Fa dia aza mba ilay bado ihany ho'a @ io commerce io eee....
6. endriny ( 01/01/2017 07:31)
Ao an-trano ihany ho'a mivavaka dia amin'izay sady tsy lany faladihan-kiraro, tsy lany fotoana, tsy lany vola amin'ny rakitra sy ny saran-dalana. Ny mpivarotra sakabeloha ve tsy hiantso kila foana moa fa ilay mpividy mihintsy no sady mandoa vola no mikipy.
7. radoratsimba ( 17/01/2017 06:57)

endriny:

Ao an-trano ihany ho'a mivavaka dia amin'izay sady tsy lany faladihan-kiraro, tsy lany fotoana, tsy lany vola amin'ny rakitra sy ny saran-dalana. Ny mpivarotra sakabeloha ve tsy hiantso kila foana moa fa ilay mpividy mihintsy no sady mandoa vola no mikipy.

hi3!!!
8. stahtam ( 17/01/2017 11:32)

[quote=endriny]
Ao an-trano ihany ho'a mivavaka dia amin'izay sady tsy lany faladihan-kiraro, tsy lany fotoana, tsy lany vola amin'ny rakitra sy ny saran-dalana. Ny mpivarotra sakabeloha ve tsy hiantso kila foana moa fa ilay mpividy mihintsy no sady mandoa vola no mikipy.
[quote=stahtam]
Ka sao dia ity fivavahaNAO atao any an-trano ity no tena mivarotra saka be loha? Hivavaka nefa tsy te-hisahirana, famonjena gaboraraka angamba no eritreretinao e? Dia iza no hanao batisa anao ao? Baiboly avy aiza no hovakianao ao? sa ianao ihany no hanoratra azy sy hanazava azy aminao? Sady tsy manambaka ianao @ izay no tsy voambakan'iza na iza?
9. RBNIR ( 17/01/2017 12:06)
Endriny....tsara rehefa manomboka resy lahatra ianao fa ilaina ny miivavaka.....(efa fanomboana izay)...

Manoro hevitra anao i Jesosy....

« Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na aviavy amin'ny songosongo? » (Matio 7:16)
« Dia toy izany, ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. » (Matio 7:17)
« Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. » (Matio 7:18)
« Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. » (Matio 7:19)
« Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy. » (Matio 7:20)

Izay hitanao fa mitovy feo amin'i Jesosy fahiny arahina,

Izaho kosa manoro hevitra anao fa efa nahita iray aho ity.....

10. rhaj0 ( 17/01/2017 12:42)
Ka raha ao an-trano no mivavaka, dia ampianaro azany ny olona hoe, ahoana, inona no tenenina rahefa mivavaka eee...

Io moa efa noresahina taloha, fa saika tsisy nahasahy miteny hoe toatoa ny ahoana ny tenenina rahefa mivavaka :
-- mivavaka alohan'ny sakafo
-- mivavaka alohan'ny fanadinana
-- mivavaka alohan'ny manao... n'inon'inona ee... ;-)
11. endriny ( 17/01/2017 14:00)

stahtam:

[quote=endriny]
Ao an-trano ihany ho'a mivavaka dia amin'izay sady tsy lany faladihan-kiraro, tsy lany fotoana, tsy lany vola amin'ny rakitra sy ny saran-dalana. Ny mpivarotra sakabeloha ve tsy hiantso kila foana moa fa ilay mpividy mihintsy no sady mandoa vola no mikipy.
[quote=stahtam]
Ka sao dia ity fivavahaNAO atao any an-trano ity no tena mivarotra saka be loha? Hivavaka nefa tsy te-hisahirana, famonjena gaboraraka angamba no eritreretinao e? Dia iza no hanao batisa anao ao? Baiboly avy aiza no hovakianao ao? sa ianao ihany no hanoratra azy sy hanazava azy aminao? Sady tsy manambaka ianao @ izay no tsy voambakan'iza na iza?

Izany hoe ilay teny hoe :"Mivavaka" mihintsy no tsy azontsika angamba e. Ny hoe "mivavaka" dia "Miventso sy Miventy samy irery ny faniriana sy ny zavakinasa". Tsy misy saka amidy ao. Fa ianao irery no manana ny fanirianao rahampitso dia mba ventsoina ilay faniriana.
Fa tsy hoe mankany am-piangonana no atao hoe mivavaka.

Fandinihan-tena sy fandinihina ny feon'ny fiheritreretena amin'ny zvakinasa dia vavaka ihany koa ho ahy.

RBNIR:
feon'i Jesosy arahina
Tsara ilay torohevitra saingy izaho tsy manana rakipeo misy ny feon'i Jesosy, fa feon'ireo misora-tena ho solotenany no ananako.
12. rhaj0 ( 17/01/2017 14:58)
RBNIR:
feon'i Jesosy arahina

Mba lazalazao tokoany hoe toatoa ny ahoana ny "feon'i Jesosy" renao izany.
1- ameo santionany hoe inona no nolazainy taminao eee...
2- dia feo beso be iilay izy teo, sa 3eme voix? sa feom-behivavy, sa feon-jazakely? dia malefaka sa masiaka?
3- dia miteny gasy koa ve i Jesosy?

Tena raha tsisy mba valianao ireo 1-2-3 ireo ry RBNIR, dia tena ... resa-kehy ny anao fa imagination-nao no betsaka. Ka porofoy eto azany fa TSY imagination-nao ilay izy fa "tena nisy": Dia toa ny ahoana?? Lazao eto fa ianao izany "vavolombelona".
13. RBNIR ( 18/01/2017 04:34)

rhaj0:

« Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko. » (Jaona 10:26)
« Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, » (Jaona 10:27)

Mila mino aloha vao mahay mihaino ny feony rhajo sy endriny an!
14. stahtam ( 18/01/2017 04:35)
stahtam,

Hoy i endriny: "Izany hoe ilay teny hoe :"Mivavaka" mihintsy no tsy azontsika angamba e. Ny hoe "mivavaka" dia "Miventso sy Miventy samy irery ny faniriana sy ny zavakinasa". Tsy misy saka amidy ao. Fa ianao irery no manana ny fanirianao rahampitso dia mba ventsoina ilay faniriana.
Fa tsy hoe mankany am-piangonana no atao hoe mivavaka.
Fandinihan-tena sy fandinihina ny feon'ny fiheritreretena amin'ny zvakinasa dia vavaka ihany koa ho ahy."

Tsy hoe "tsy azontsika" angamba no tena teny mahalaza azy eto fa hoe zavatra hafa mihitsy no lazainao. Izany hoe nampanarahinao ny "vetsovetsonao" izany ny famaritana ny voambolana hoe mivavaka. Tokony hampianarina an'io famaritana vaovao io izany aloha ny rehetra, ary ampanekenao an'io famaritana io, izay vao aroso ny resaka.
15. endriny ( 18/01/2017 05:45)
Misy olona mivavaka dia zavatra efa misy eo aminy na efa ananany no ataony ao anaty vavaka aza?

Izay no mahaventso azy, zavatra tsy ananana fa zavakinasa (asa raha mazava ilay hoe zavakinasa) no atao ao anaty vavaka. Izay no atao hoe mivavaka.

Mivavaka ianao mba hiadana ny fanahinao fa tsy midika hoe efa miadana ny fanahinao fa zavakinasanao ny mba hanana fiadanana ara-panahy.

Mivavaka i Koto mba ahazo ny fiainana mandrakizay any an-danitra (Ventson'i Koto izany). Fa tsy midika hoe efa any an-danitra na efa efa tsy maintsy ho any an-danitra ny fiainany mandrakizay.
16. endriny ( 18/01/2017 05:56)

RBNIR:

« Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko. » (Jaona 10:26)
« Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, » (Jaona 10:27)

Mila mino aloha vao mahay mihaino ny feony rhajo sy endriny an!

Aleoko ihany mihaino ny feon'ny fiheritreretako, toa izay mihaino feon'olona mampitovy ahy amin'ny ondry. Raha mba nampitoviany tamin'ny gidro aho tsy maninona, fa ondry... aoka ihany aloha ka
17. rhaj0 ( 18/01/2017 11:33)
RBNIR:
feon'i Jesosy arahina
rhaj0:
Mba lazalazao tokoany hoe toatoa ny ahoana ny "feon'i Jesosy" renao izany.
1- ameo santionany hoe inona no nolazainy taminao eee...
2- dia feo beso be iilay izy teo, sa 3eme voix? sa feom-behivavy, sa feon-jazakely? dia malefaka sa masiaka?
3- dia miteny gasy koa ve i Jesosy?

Tena raha tsisy mba valianao ireo 1-2-3 ireo ry RBNIR, dia tena ... resa-kehy ny anao fa imagination-nao no betsaka. Ka porofoy eto azany fa TSY imagination-nao ilay izy fa "tena nisy": Dia toa ny ahoana?? Lazao eto fa ianao izany "vavolombelona".
RBNIR:
Mila mino aloha vao mahay mihaino ny feony rhajo sy endriny an!

Izaho ange TSY (mikasa) mihaino eee... Jesosy ve hiteny an'ny Atheista? Ny zazabodo gasy maty isaka ny 10 minitra azany tsy vitany manavotra azy, koa inona no andaniany andro @ izay Atheista?

Fa ny fanontaniana dia hoe, inona/ahoana no teneniny aminao RBNIR ao.

Fa TSISY valiny mihntsy io fa iavonavonan'i RBNIR foana eee... dia mody toko aman'andininy no asesik'i RBNIR. Fa ny marina dia TSISY Jesosy miteny na miresaka @ RBNIR izany. Averiko ihany:
TSISY Jesosy miteny na miresaka @ RBNIR izany.
18. rhaj0 ( 18/01/2017 15:44)
Ka inona no marina ry RBNIR sy ry namana Kristiana isany

1- TSISY Jesosy miteny na miresaka @ RBNIR izany.
2- sa, TSISY Jesosy miteny na miresaka izany.
3- sa, TSISY Jesosy izany.

19. endriny ( 18/01/2017 17:11)
Mety I Gabriel Fernado de Jesus izao no afaka miresaka amiko, raha hitako manao baolina izy amin'ny manaraka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4513