Solafaka - Benja sy Ariana

1. Veloo ( 13/12/2016 19:18)
Zany ka hira ka - tena I am fall in love with the voice of Benja - oh my!

misoatra Benja - tokony misy maromaro otran'io mihitsy

Za ndray aloha tsy mba mirara an'izay lazan'ny olona - mahatanja ry reto a tttt
Voafingana, ts’isy nampiarina.
Solafaka teo amin’ny fiainana.
Nenjehina dia nesoina,
Avy eo naongana,
Tsy ho zana-piangonana
Hum, hum….
Rehefa potraka

Lavo i Kala, nilaozan-tsakaiza.
Nazera koa ireo olo-nitaiza.
Dia nasintaka, dia nahilika,
Natositosika tsy ho eo ankaikinao Ry RAY.
Hum, hum….
Eny tsy ho mpandray.

Izay "tsy diso" hitora-bato ahy.
Mandatsa ny very ara-panahy.
Miteraka alahelo, hakiviana,
Nahatsiaro tena ho irery sy vasoka,
Nalaina baraka tsy mendrika ho havana.
Mandositra masoandro,
Menatra olona.
Koa ho aiza moa,
Oh, oh, ….
No tsy hamoy fo.

Lavo i Kala, nilaozan-tsakaiza.
Nazera koa ireo olo-nitaiza.
Dia nasintaka, dia nahilika,
Natositosika tsy ho eo ankaikinao Ry RAY.
Hum, hum….
Eny tsy ho mpandray.

Ireo tsy diso....
novalian'i Veloo ny 13/12/2016 19:34
2. Veloo ( 13/12/2016 19:34)
Sorry - misspelled - I am falling in love with his voice
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1705