You are here: home > Forum

Sombiny amin'ny sampin'i Rajoelina

Lohahevitra : Politika
Fitohizan'ny hafatra : Sombiny amin'ny sampin'i Rajoelina
Valiny : 3
rabaradaka - 08/12/2016 14:07
Saika tsy hitantara an'ity zavatra soratako ity aho, nefa mahatsiaro ho manana adidy ka tsy maintsy tantaraiko. Miala tsiny sahady ho an'izay tsy mahatanty.
Olona iray nandray anjara tamin'ny fandevenana olona velona tao amin'ny Lapan'ny Tananan'Antananarivo izay lasa niova fo no nitantara ary nanatri-maso ny tohiny aho avy eo.
Nandevenan'i Andry Nirina Rajoelina, fony izy Ben'ny Tananan Antananarivo lona velona teo amin'ny lalan-tsara lehibe tao, izany hoe teo ambanin'io jiro be io. Ny antony dia izy sy ny feon'ny fieritreretany no mahalala azy.
Nampahafantarin'ilay olona nandray anjara tamin'ny Ben'ny Tanàna ankehitriny izany ary dia noloarana tokoa ilay toerana. Voafaritra amin'ny an-tsipirihiny ny toerana nisy ilay razana izay nalevina nitsangana.
Akory tokoa ny hagagana fa dia nisy taolan'olona hita tao amin'ilay toerana ary niparitaka satria tsy nisy fonony ary tsy nofatorana ihany koa.
Izany no fanompoan-tsampy nataon'ny FAT Andry Nirina Rajoelina.
Fa mbola loza lavitra noho izany no ataon'i Rajaonarimampianina sy Claudine Razaimamonjy izay ho tantaraiko amin'ny manaraka
Valio | Miverina eny ambony
rhaj0 - 08/12/2016 16:16
wow... giravy izany...

Fa i OMAR toa mijery an'i FAT Andry Nirina Rajoelina ho toa ny zanany hono. Mahalala an'io ve i OMAR?
Valio | Miverina eny ambony
Veloo - 13/12/2016 20:37
loza zany
tsy mba matoky an'Andriamanitra - matohotra ny ho very seza ko - tttt
Valio | Miverina eny ambony
rabaradaka - 16/12/2016 09:41
Mampalahelo mihitsy ! Fa ny ataon'i Claudine Razaimamonjy mbola loza lavitra noho iza,y. Mindry ny fanadiadiana nataoko aho dia ho hitanareo eto ny ody ratsy ataon'i Hery mivady sy Claudine
Valio | Miverina eny ambony