TRANGA IRAY EFA NATAON'ANDRIAMANITRA TALOHA MIVERINA INDRAY ANKEHITRINY

61. rhaj0 ( 24/01/2017 11:38)
RBNIR:
ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany..

Mbo hazavao hoe ry RBNIR izany "kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany" izany.

Hoe, rahefa misotro divay, 12 degree alikola, dia tezitra be, dia ilay mamo violent ireny ve??

Izay ve?? hum... raha izany, hay va re i Andrmntra ka mahavita manao "mamo be sady violent be" ireny eee....
62. RBNIR ( 24/01/2017 11:42)

rhaj0:

RBNIR:
ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany..

Mbo hazavao hoe ry RBNIR izany "kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany" izany.

Hoe, rahefa misotro divay, 12 degree alikola, dia tezitra be, dia ilay mamo violent ireny ve??

Izay ve?? hum... raha izany, hay va re i Andrmntra ka mahavita manao "mamo be sady violent be" ireny eee....

Misy fetrany ny famindrapon'Andriamanitra rhajo,

Raha tsy izany, dia tsy ilaina akory ny mivavaka sy ny mitaona ny olona hanao ny sitrapony fa aleo samy manao izy tiany fotsiny ihany.....
63. rhaj0 ( 24/01/2017 12:24)
ok.. dia hoz'i RBNIR ve izany hoe, i Andrmntra dia afaky ny (mi-se comporter tahaka ny) "mamo be sady violent be" ireny. Teboka. Bravo RBNIR.

Satria "misy fetrany" hono, hozy i RBNIR, ny "fitiavany". Bravo RBNIR.

Dia rehefa tezitra izany Andmntra dia toa ny "mamo be sady violent be" !!!!!... Bravo RBNIR.
64. endriny ( 24/01/2017 14:21)
Soa aloha fa tsy izaho no niteny an'io " Misy fetrany ny famindrapon'Andriamanitra rhaj0"

Ary nataoko fa hoe " Mandrakizay ny famindrapon'Atra sy ny fitiavany" araka ny toriteny ombieniombieny.

Toa tadidiko ery izaho niteny hoe "Atra lian-dra ny Atry ny Kristianina sy ny Israelianina"
65. RBNIR ( 25/01/2017 07:01)

endriny:

Soa aloha fa tsy izaho no niteny an'io " Misy fetrany ny famindrapon'Andriamanitra rhaj0"

Ary nataoko fa hoe " Mandrakizay ny famindrapon'Atra sy ny fitiavany" araka ny toriteny ombieniombieny.

Toa tadidiko ery izaho niteny hoe "Atra lian-dra ny Atry ny Kristianina sy ny Israelianina"


« Satria efa niantso Aho, fa nandà ianareo; Efa naninjitra ny tanako Aho, fa tsy nisy nitandrina; » (Ohabolana 1:24)
« Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo: » (Ohabolana 1:25)
« Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo. » (Ohabolana 1:26)
« Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana, » (Ohabolana 1:27)
« Dia vao hiantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho. » (Ohabolana 1:28)
« Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah, » (Ohabolana 1:29)
« Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra, » (Ohabolana 1:30)
« Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny. » (Ohabolana 1:31)


Mihezaka miantso sy miala nenina mafy Andriamanitra aloha, rehefa hafanenina tanteraka IZY dia avelany eo ianao sy ny tranonao.......
66. rhaj0 ( 25/01/2017 12:18)
RBNIR:
rehefa hafanenina tanteraka IZY dia avelany eo ianao sy ny tranonao

hi hi hi... imagination anao irery ao izany ry RBNIR aaa... interpretation-nao ny toko aman'andininy tsindrotsindrohanao io.

Mba toko aman'andininy hafa tsindrohana eee...

Fa ny lojikany, dia ... izao Andrmntra izao hono no tompon'ny fahefana rehetra rehetra hono. Omnipotent. Ary misy AZY daholo hono izay jerena. Omnipresent. Ka tena kely ny fitombenan' izany hoe "tavela eo irery izany ianao", satria i Omnipotent dia mahakitikitika anao eo foana, na mahakitikitika izay mikitikitika anao, ary i Omnipresent dia ho eo foana.

Dia mba ampiasao koa ho'a ilay coco eee...
67. endriny ( 02/02/2017 14:32)

RBNIR:

Mihezaka miantso sy miala nenina mafy Andriamanitra aloha, rehefa hafanenina tanteraka IZY dia avelany eo ianao sy ny tranonao.......


Izany

"Izay tsy miady olom-bodo, fa izay toho fo mpamosavy" Ohabolan'i Ntaolo: 12: 666

Dia ilay Atra ve RBNIR mba ahoana amin'izany? Fahotan'i Adama sy Eva tamin'ny 6.000 taona lasa no mbola lazainy fa helokay
68. RBNIR ( 13/02/2017 11:03)
endriny:

Dia ilay Atra ve RBNIR mba ahoana amin'izany? Fahotan'i Adama sy Eva tamin'ny 6.000 taona lasa no mbola lazainy fa helokay

« Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; » (Rom;5:12)

Héréditaire ilay ota ry endriny.

Ary izay mihitsy no antony niavian'i Jesosy : hanaisotra ny ota ao anatin'izay rehetra mino Azy...
« Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jao.3:5)

Izay ihany koa no atao hoe famonjena = fanesorana ilay ota nolovaina tamin'ireo Ray aman-dreny tany aloha...

Te hovonjena v ianao? : Mino an'i Jesosy dia hesorina tsy ho ao anatinao intsony ilay ota izay mitondra fahafatesana ho anao....

69. endriny ( 14/02/2017 07:50)
Hoy Jesosy: "Moa va raha mangataka trondro ny zanakareo dia omenareo maingoka?. Koa raha ianareo aza afaka manome zavatra tsara hoan'ny zanakareo, maika va fa ny raiko izay any an-danitra"

Hoy Ezekiela : "Ny heloky ny ray tsy heloky ny zanaka"

Ka raha ny Ntaolo Hebrio Ezekiela aza ve ry RBNIR mahalala fa ny "Heloky ny ray tsy heloky ny zanaka" dia ilay Atra ivavahanao indray no tsy mahay izany e? Tsy hain'ilay Atrao akory fa ny helok'i Adama sy Eva izany tokony tsy ho helokay intsony (Raha I Adama sy Eva koa ny no razambeako a, io mbola tsy haiko)

Dia Diso izany ny tenin'i Jesosy io ambony io? Diso izany ny Ntaolo Ezekiela?

Sa ny Fiangoanana mihintsy no mila voa tsy ary, ary mamoroporona izay rehetra ampitahorana ny olona mba hanaraka ny anatra tongilana ataony?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1839