TRANGA IRAY EFA NATAON'ANDRIAMANITRA TALOHA MIVERINA INDRAY ANKEHITRINY

41. rhaj0 ( 11/01/2017 13:45)
Ilay mampiasa detecteur, ka "polarisation des rayons X" no jerena fa tsy ny visible na IR na UV, izay no fivoaran'ny Siansa notsindriana eto.

(fa tsy hoe, "manomboka" mandalina ny trou noir i RBNIR...)

Dia io izao dia ho aviraviran-dry RBNIR sy ny fisavisavihany Siansa indray.. Dia rahefa mahita objet avy @ "polarisation des rayons X" izao ny olona, dia lazain-dry RBNIR indray hoe, Anjely ilay izy.

dangereux mihintsy ianao ity ry RBNIR, f'aza mba mifampikasokasoka @ Ankizy fa manimba.. Nefa indray moa, raha tsy vendrana ny Ankizy koa hino anao ry RBNIR... Fa dia ao ianao izany eee...
42. RBNIR ( 12/01/2017 05:46)
Fanampiny kely fotsiny dia voalaza fa maro ireo "projet" nandalo tao amin'ny NASA, fa ny étude momba ny trou noir no noraisina natao ho isan'ny priorité.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
43. RBNIR ( 12/01/2017 05:52)
rhaj0:

Ilay mampiasa detecteur, ka "polarisation des rayons X" no jerena fa tsy ny visible na IR na UV, izay no fivoaran'ny Siansa notsindriana eto.

(fa tsy hoe, "manomboka" mandalina ny trou noir i RBNIR...)

Dia io izao dia ho aviraviran-dry RBNIR sy ny fisavisavihany Siansa indray.. Dia rahefa mahita objet avy @ "polarisation des rayons X" izao ny olona, dia lazain-dry RBNIR indray hoe, Anjely ilay izy.

dangereux mihintsy ianao ity ry RBNIR, f'aza mba mifampikasokasoka @ Ankizy fa manimba.. Nefa indray moa, raha tsy vendrana ny Ankizy koa hino anao ry RBNIR... Fa dia ao ianao izany eee...

Rhajo: hoy aho tato hoe
Manomakomana tetikasa goavana ny Amerikana:(handefa olona eny amin'ny planeta Mars amin'ny taona 2030)...

Ny antony aloha hatreto dia tena mbola "secret d'Etat" fa ny hanairako ny saintsika dia hoe nahoana ry zareo no manana saina handefa olona any izay tena handaniana vola be dia be tokoa sady fanampiny hisy olona mihitsy izay hanao sorona ny ainy handeha amin'izany "voyage sans retour izany"???????
Nahoana no tsy tetikasa izay hanatsarana ny fiainana eto amin'ity tany ity no kasainy atao fa maninona no tetik'asa lasa lavitra Be toy izany...

Izaho manokana dia mino: misy zavatra fantatry ny amerikana ao fa tsy fantatsika namana (secret d'Etat) hoy aho......

Ny gasy moa dia manana ilay teny hoe ny marina rehetra tsy filaza....Ry zareo mpitondra ambony any ivelany kosa manana ilay hoe "Secret d'état"......
44. endriny ( 12/01/2017 06:12)
Ilay horohorontany aloha resahina e, hoe misy devoly mitady hivoaka avy ao ambanin'ny tany...

Fa izay lakamainty any an-dakira any, raha tsy hoe mitondra volant hamiliana azy angamba i Jesosy sy ny anjely dia tsy mety tratra mihintsy isika. Ny tany mantsy e, fa izaho efa lasa fosila vao ho tonga eto io.
45. rhaj0 ( 12/01/2017 11:59)
RBNIR:
Manomakomana tetikasa goavana ny Amerikana:(handefa olona eny amin'ny planeta Mars amin'ny taona 2030)... Ny antony aloha hatreto dia tena mbola "secret d'Etat"..

Hono ho'a ry RBNIR, aoka azany mba tohizako ny resakao..

1- t@ Yuri Gagarine nihodikodina ny planeta Latera t@ 1961, dia "secret d'etat" koa t@ izany, fa kay ny hitady an'i Jesosy no nataony. Fa tsy nety niseho i Jesosy azony ilery kay atheista

2- Dia lasa indray ny Neil Armstrong, t@ 1969, nankany @ Volana, fa sao dia miafina ao @ ilay "face cachée de la Lune" i Jesosy. Fa na dia Kristiana mafanafo be azany ilery, tena mbola tsy nety niseho ihany i Jesosy eeee...s

:-) Rehefa obsédé @ izao resa-baiboly izao ho'a ry RBNIR, dia lasa manavy dia mi-délire mamoromporona resa-kehy... Fa tsara fa tohizo ho'a mba misy hihomehezan'ny Ankizy eee....
46. RBNIR ( 12/01/2017 21:50)
rhaj0:

dangereux mihintsy ianao ity ry RBNIR, f'aza mba mifampikasokasoka @ Ankizy fa manimba.. Nefa indray moa, raha tsy vendrana ny Ankizy koa hino anao ry RBNIR... Fa dia ao ianao izany eee...

Nahoana moa no ahasahiako miteny fa trou noir no lazain'i Jesosy fa handevona ny tany sy ny lanitra any amparany any????

1 Nohamafisin'i Jesosy tsara fa ho levona ny lanitra sy ny tany hitantsika io (galaxy lactée no resaka eto)
Ireto no manamafy izany
« Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. » (Mat.24:35)

Io lanitra hitan-tsika io (fitambaran'ireo astre mamirapiratra amin'ny alina ireo dia ho levona,
Ity globe terrestre ity koa dia ho levona hoy i Jesosy....

« [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (Apokalypsy 21:1)

vakio tsara fa hisy lanitra vaovao sy tany vaovao fa io lanitra voalohany sy tany voalohany io dia ho lasa....

Nanamafy izany i petera apostoly « Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] » (2 Pet.3:10)
« Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, » (2 Pet. 3:11)

2 Amin'ny fomba ahoana ary no handevonan'Andriamanitra ny lanitra sy ny tany???
« Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] » (2 Pet.3:10)

Hahita isika zavatra mirimorimo mafy eny amin'ny lanitra eny ary hisy afo handevona ny tenan'ny zavatra rehetra (handevona ireo astre ireo)

Io Afo io dia tsy inona fa ilay Afobe voalazan'ny baiboly (na koa adikany hoe farihy mirehitra afo)

« Ary raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina. » (Mat.24:29)

.....Ny kintana hiraraka avy any an-danitra ary ny herin'ny lanitra hohozongozonina....

Inona no hifandraisan'izany amin'ny trou noir????

Izao no zavatra hitranga rehefa hisy trou noir mandalo manantona manakaiky ny tany.....

En s'approchant de nous, le trou noir commencerait par rencontrer le nuage d'Oort, une zone où les comètes s'accumulent. Cela projetterait violemment un grand nombre de ces astres vers la Terre et les autres planètes

Ireny astres projétés violamment ireny no hitan'i petera ka nolazainy hoe ny lanitra ho lasa amin'ny firimorimona mafy, dia voalaza mazava koa fa hoe maro amin'izy ireny koa no projétées violament ety ambonin'ny tany......

Hoy aho hoe ilay Afobe na farihy Afo hoy aho io lazain'i Jesosy io, dia vakio tsara koa fa izao no voasotra ao amin'io rohy io ihany.....Un disque d'accrétion, composé de gaz et de poussières très chaudes, se formerait alors autour de lui à mesure qu'il dévore les planètes.

En savoir plus : http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html
Copyright © Gentside Découverte

Io disque miforona sy mafana io no nolazain'i Jesosy hoe farihy Afo sy solifara izay mihalehibe arakaraka ny handevonany ireo astre sy planète manakaiky azy....tahakan'izao ny sarin'ilay trou noir amin'izany fotoana izany....

Hitan-tsika amin'izao fa dia tena farihy Afo tokoa....

Ary dia nohamafisin'i Jesosy ihany koa fa hoe : « Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita* dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo. [* Gr. Hadesy] » (Apok.20:14)

Ny fahafatesana + fiainan-tsihita = tany (fitoeran'ny fahafatesana) + helo (ilay afo ao anaty tany ao) = globe terrestre

Ireto no manamarina fa ny fiainantsihita dia ilay helo na ilay afo ao anaty tany ao .....
« Dia latsaka velona ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy mbamin'izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin'ny fiangonana intsony izy. » (Nom.16:33)
« Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin'ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin'ny tendrombohitra aza. » (Deo.32:22)
« ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita* izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.[*Gr. Hadesy] » (Lio.16:23)

Ary ankehitriny dia efa porofoin'Andriamanitra ihany koa ny fahamarinan'izany....

http://rustyjames.canalblog.com/archives/2010/12/25/19966322.html

https://vimeo.com/145457780

Ary manampahaizana koa dia manamafy fa rehefa tena akaikin'ny tany ilay trou noir dia holevoniny marina tokoa ny globe terrestra iray manontolo...

Quand la Terre serait assez proche, son atmosphère elle-même serait arrachée par le trou noir, avant qu'il n'avale la planète entière, morceau par morceau

En savoir plus : http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html
Copyright © Gentside Découverte

Tsy ireo ihany no porofo fa tena trou noir tokoa no ho avy handevona ny lanitra sy ny tany fa i Jesosy koa dia nanambara fa alohan'ny fahafonganana tanteraka dia .....

« Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. » (Apok.16:18)
« Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany. » (Apok.16:19)
« Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony. » (Apok.16:20)

Horohoron-tany mafy tsy mbola nisy mafy sy lehibe toy izany hoy i Jesosy....

Marina v fa hiseho izany raha hisy trou noir ho avy handevona ny tany?????
Quand la Terre serait assez proche, son atmosphère elle-même serait arrachée par le trou noir, avant qu'il n'avale la planète entière, morceau par morceau. Un cataclysme qui provoquerait de terribles tremblements de terre et l'apparition de super-volcans.

terrible tremblements de terre hoy ny manampahaizana "ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany" hoy i Jesosy

l'apparition de super-volcans hoy ny manampahaizana " ary ny tendrombohitra tsy hita intsony " hoy i Jesosy

En savoir plus : http://www.maxisciences.com/trou-noir/voila-ce-qui-arriverait-si-un-trou-noir-s-039-approchait-de-la-terre_art34546.html
Copyright © Gentside Découverte

Fehiny, ny Scenario nontantarain'i Jesosy 2000 TAONA LASA dia voamarin'ny manampahaizana aty aoriana avokoa rehefa hisy trou noir iray handevona ny lanitra sy ny tany....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

47. RBNIR ( 12/01/2017 22:02)
Ry rhajo sy ny namany o! mahirata re ny masonareo e, Tsy mitovy amin-tsika i Jesosy fa Andriamanitra lehibe IZY ary tany amin'ny 2000 taona lasa no nanehoany tamin'ny fahitana tamin'ireo mpianatra io trou noir lehibe izay handevona ny lanitra sy ny tany io......ka nanahafahan'ireo mpianatra ireo nitantara amin'ny antsipirihany an'ireo scenario izay voamarin'ny manampahaizana ankehitriny ireo....

Fitiavana no antony izao ry rhajo.......

Misy zavatra fantatro tsy fantatrao, misy zavatra hiainako tsy hiainanao, matoa aho sahy mihizingizina sy tsy menatra fa tena MISY ANDRIAMANITRA DIA TENA MISY MARINA TOKOA IZY ARY MIRESAKA AMIN'IZAY TIANY RESAHINA TAHAKA ANTSIKA SY IANAO MIRESAKA ETO IHANY.....

Tanteraka amiko 100% ireto teny ireo.....« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)

Tsy mbola hitanao na fantatrao io FANAHY io amin'izao fotoana izao ary mety tsy ho hitanao mandrakizay ihany koa raha mbola hiziriziry amin'ny tsy finoanao ianao.........

FA IZAHO KOSA DIA MANAMAFY FA TENA MISY ANDRIAMANITRA RY ZALAHY ARY TSY NOFINOFY IZY ITY FA REEL......

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IAZY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
48. RBNIR ( 12/01/2017 22:02)

49. rhaj0 ( 13/01/2017 03:25)
Toa tsy takatrao RBNIR akoriny ny echelle des temps an'ireo phenomenes ireo, fa dia tere-ko masaka araky ny resak'i Jesosy ao fotsiny izy izany.. Rahefa midega eo ihany ho'a, dia lazao koa hoe, mandeha miadana (au ralenti), dia miantso mianoatra ilay fandehany.. hany ka manam-potoana ny manao kaomanitera daholo isika, sy mihaino ny fampitandremana ataon'i Jesosy ho an'ny mpino azy, izay asainy miondrika kely miala bala mba tsy ho voan'ny asitiroida sy kometa mirimorimo..

Esy e ry RBNIR.. tena hotry ny surmenE ho'a ianao izany rahefa mba nandalina ny @ tiroha nohara, fa 'ndana k'lou maka paozy ee...
50. RBNIR ( 13/01/2017 06:34)

Tsy maninona e, tamin'ny andron'i noa ange ry rhajo ka nibaliaka be ny masoandroa ary (zato taona taty aoriana vao tonga ny safodrano e!)

Tsy nampaninona an'i noa anefa ny esoeso sy ny latsalatsa satria fantany tsara fa tsy nanonofy izy fa tena NIRESAKA TAMINY TOKOA ILAY NAHARY AZY.......
51. rhaj0 ( 13/01/2017 13:45)
Dia ilay safo-dranon'i Noah izany @ io, safotra hatrany Aositiralia ka hatrany Amazonia sy Dago? Difotra h@ Kilimanjaroa ka hatrany @ Everesta ary Tsaratanana?

Efa mba lehilahy lehibe ianao ao ry RBNIR f'aza mampivanitika zazakely ao ho'a aa....

Ny (lojika) azo inoana izao dia hoe... niakatra ny reniranon'i Babilaona, dia mamo koa i Noah (fombany io), ary dia niakatra koa ny aingam-panahiny namorona tantara, izay mbola inoanao RBNIR h@ izao.. loz'ty... na ny marimarina koakoa, mamo tampina indray i bainina (fombany io) ary dia nivarina an-tatatra, dia nataony fa safo-drano no misy..

Dia ahoana moa ny tohin'io tantara io, nony nisava ny hamamoan'i Noah, ka izy moa nanary lamba rehefa mamo, dia inona no nanjo azy?? Ampatsiahivo @ zanaka aman-jafy fa tena evenement important be iny an...
52. rhaj0 ( 13/01/2017 14:40)
dia inona koa moa izany ity hoe "lanitra sy tany ho levona" tantarain'i Jesosy ity ry RBNIR?

ny "lanitra" hita dia ireo kintana an'alin-kisa h@ galakisia an'alin-kisa.
- LEVONA daholo izany ireo rehetra ireo, sa
- ny kintana-masoandro ihany no ho levona?
- dia ny planeta Latera izany no ilay "tany ho levona"??

Dia io izao mifandraika @ resak'i Endriny, dia hoe, dia ahoana ilay Devoly avy ao ambany tany ao, ho levona miaraka @ planeta Latera koa izany izy? dia iza intsony no hanendy ny mpanota re ry RBNIR???

hozy izao ny mpandalo eto hoe, dia mandany andro @ mampiresaka ny hagaigana sy hadalan'i RBNIR koa izaho izany.. ka mampihomehy ilay izy ee.. mandany andro "mivanitika" aho :-)
53. endriny ( 14/01/2017 06:52)
Galaksia lakite ahoana ihany ary ity ry RBNIR? Taiza foana aza ianao no mahita an'io teny tsy mitombina io?

2 petera 3, 10 Dia milaza fa ho levona hatramin'ny fanjakan'ny lanitra, ... ary ihanjaka eto ny asan-dRaolona teto an-tany.

Mba azonao ve izany? Kay na ny fanjakan'ny lanitra dradrainao aza ho levona. Fa ny tenin'Atra hono tsy ho levona.

Ka na tsy levona aza moa iza intsony no hihaino azy amin'izany? Ny zavatra rehetra efa potehiny daholo. Dia izy irery sisa izany no miresaka aminy eo. Ohatran'ilay adala miteny irery etsy ambody kininina izany.
54. RBNIR ( 16/01/2017 05:42)
Endriny, galaxie lactée no misy antsika ankehitriny ary (fitambaran'ny masoandro planete isankarazany ary ireo astres maro dia maro,

Saingy galaxie lactée dia bitika raha miohatra ny univers,

http://lmgtfy.com/?q=le+nombre+des+galaxies+dans+l%27univers

Hoy Jesosy hoe rehefa levona ity galaxie misy antsika ity dia hisy galaxie vaovao hasolo azy (tany vaovao sy lanitra vaovao hoy Izy.....

« [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (Apok.21:1)

Alohan'io ireo hovonjeny dia hakariny eny amin'ny rahon'ny lanitra miaraka Aminy ary dia avy eo hoentiny miala amin'ity galaxie ity hiditra any amin'ilay galaxie vaovao.....

55. RBNIR ( 16/01/2017 06:53)
P.S / tany amin'ny 2000 taona lasa dia efa nambara tamin'ny olona ny fisian'ny galaxie maro....

Ohatra: ny fisian'io galaxi vaovao hasolo ity galaxie misy antsika ity...

Ny fisian'izany galaxie fahatelo izany....« Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo. » (2 Kor.12:2)

Ary voalaza fa Andriamanitra dia mitaingina ny lanitry ny lanitra (cieu de tous les cieux) « Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery. » (Sal.68:33)

Satria na dia io lanitry ny lanitra io aza dia tsy omby Azy....« Nefa iza no mahay manao trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Ka iza moa aho, no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany? » (2 Tan. 2:5)

DINIDIHO IHANY RY ZALAHY A!!! EFA HATRAMIN'NY FAHAGOLA NO NAMPAHAFANTARINA FA TSY GALAXIE 1 NO AO AMBONY AO FA GALAXIE MARO DIA MARO.....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

56. rhaj0 ( 16/01/2017 12:14)
RBNIR:
Hoy Jesosy hoe rehefa levona ity galaxie misy antsika ity dia hisy galaxie vaovao hasolo azy (tany vaovao sy lanitra vaovao hoy Izy.....

Hay ve ny dikan'ny "lanitra" @ RBNIR dia ny "galaxie Lactee" eee...

Dia tsipihiko sy amafisiko fa an'i RBNIR io fandikana io fa TSY an'i Jeosy.

Jesosy zavatra olona TSY nahalala akory fa boribory anie ny tany, TSY nahalala akory fa misy olona anie atsy Chine; koa na i Chine azany tsy fantany akoriny ny fisiany. Tsy lazaina koa ny Amazonie.

Ka ny an'i RBNIR izany, rahefa miandrandra ambony izy, mijery ny "lanitra", dia ny "galaxie lactee" (ihany) no hitany.

RBNIR:
fisian'io galaxi vaovao hasolo ity galaxie misy antsika ity...

Dia raha hitarina kely, dia hisy sambofiara vaovao hitondra ny Noah vaovao (de l'an 2000) any @ ilay "galaxi vaovao" izany hono, hozy i RBNIR.

crap.. tena TSY mampihomehy intsony ilay RBNIR ity fa tena ... km 18.

(sao misy mahalala an'i RBNIR (sy Herinirina) io nareo eto ry namana isany, fa tena mba jereo ao hoe izy rey olona fa tena giravy...)
57. RBNIR ( 17/01/2017 05:42)

Merci rhajo a!

Izao no porofo fa ho lehibe dia lehibe tokoa ilay valisoa.....
58. endriny ( 17/01/2017 14:01)
Soloy aloha ilay galksia lakite fa tsy an'izany eny an-danitra
59. endriny ( 20/01/2017 12:20)
Ary mba ahoana ilay horohorontany aloha e? Tena mitady hitroatra avy ao ambany ao ve ny Devoly ?????????

Dia ahoana ireo Kaonstelasiona eny an-danitra ireo? Aiza ho aiza amin'ireo no misy ny anjely?
60. RBNIR ( 24/01/2017 08:15)

endriny:

Ary mba ahoana ilay horohorontany aloha e? Tena mitady hitroatra avy ao ambany ao ve ny Devoly ?????????

Dia ahoana ireo Kaonstelasiona eny an-danitra ireo? Aiza ho aiza amin'ireo no misy ny anjely?

Mbola horohoron-tany kely dia kely iny endriny.....

Jesosy nanambara hoe any amin'ny fiafarany any hoy Izy dia hisy ....« Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. » (Apok.16:18)

Vakio tsara fa hoy IZY hoe tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany....

Vakio tsara ange ny ho fitrangany e....« Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany. » (Apokalypsy 16:19)
« Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony. » (Apokalypsy 16:20)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4341