PROSTATE

1. NDINDY ( 12/11/2016 13:25)
Inona no mahatonga ny lehilahy ho voan'ny PROSTATE; dia inona no atao mba ho fiarovana tsy ho voany ?
2. rhaj0 ( 14/11/2016 13:00)
Raha ny fahazoako azy, dia toa ny homamiadana rehetra, dia ny mahatonga ny homamiadan'ny prostate, dia ny tsy fanarahana fiaina-madio (hygiene de vie):
- miaina (mifoka rivotra) tsara, ary manao yoga koa raha azo atao
- manao fanatanjahan-tena, na mandeha tongotra fotsiny azany dia efa tsara
- misakafo tsara: tsy matavy loatra, tsy be siramamy, tsy be alikaola, tsisy sigara, tsy be hena na conserve na charcuterie (misy sulphite),...
- matory tsara, ary indrindrindra, tsy mi-stress @ n'a pas ao

Raha (vao) mihilana @ ireo dia misaritaka ny ao anaty ao (hono):
- mety hoe, simba na hoe tsy voakolokolo mivantana ny vatana,
- mety hoe, misy hormone (tsy) vokarin'ny tena lasa manimba....
Ka rahefa izany, dia lasa sompitra ho an'ny homamiadana ny vatana.

Ny an'ny lhl izany dia ny prostate no voa. Ny vhv dia ny nono matetika, na dia misy koa aza lhll voany ny nonony.

Ny fitiliana dia toa ny vhv sy ny homamiadan'ny nono ihany, dia ... tsapatsapaina ao izany eee.... Asisiky ny dokotera any @ laba-boby ny fanondro adalany, ary safoiny avy ao anaty ilay prostate ngo dia misy toa ny vato koa hono..
3. booboo ( 15/11/2016 09:37)
Ndidy a, ny lehilahy samy manana prostate aby ;-). Ankoatra ny voalaza eo ambony, ny fananana activité sexuelle rehefa miha-antitra, isan'ny miaro @ homamiadana. Resaka hormones ouz ny gygy.
4. NDINDY ( 15/11/2016 14:32)

booboo:

Ndidy a, ny lehilahy samy manana prostate aby ;-). Ankoatra ny voalaza eo ambony, ny fananana activité sexuelle rehefa miha-antitra, isan'ny miaro @ homamiadana. Resaka hormones ouz ny gygy.

VALINY : Mba hazavao tsara hoe ry booboo ny @ izay tianao ambara hoe " ny fananana activité sexuelle ehefa miha-antitra, isan'ny miaro @ homamiadana ?... fa tsy azoko ny tianao lazaina ?
5. rhaj0 ( 15/11/2016 18:45)
Raha ny fahatakarako azy aloha, dia ny fanaovana (activité sexuelle) dia mahasalama foana.. Ny hoe rahefa antitra, dia mba manetsiketsika ny vatana sy ny hormones ao izany @io eee.. fa ny fahasalaman-tsaina (fitia sy hasambarana) no tena izy aminy koa eee...

Fa ity indray misy manitikitika.. Inona indray no mety ifandraisan'ny "anal sex" sy ny "prostate cancer". Satria mantsy, @ "anal sex" dia voa-hotra ao ilay prostate. Ary izay kosoka prostate izay akoriny azany hono no manome ny lanitra faha-fito.

inty izao misy vokatra fikarohana.. fa toa tsy mazava tsara indray ny resaka fa mbola speculation no betsaka:
https://www.queerty.com/bad-news-for-bottoms-new-study-finds-too-much-penetration-can-cause-cancer-20141030
"According to Health Daily, Samadi speculated that it could be due to more risky sexual behaviors among gay men, or because of physical trauma to the prostate gland.
Samadi said trauma to the prostate may cause it to release the protein prostate-specific antigen, or PSA.
"

6. calin.brandon ( 07/07/2017 05:52)
Izao vao hitako ity resaka ity.
Ny lazaina hoe "prostate" dia tsy voatery homa-miadana foana. Ny homa-miadan'ny prostate dia efa zavatra lasa lavitra be.
Ny hiainan'ny lehilahy rehetra kosa dia miha kehibe foana ny prostate rehefa mandroso taona. Lalan'ny natiora io. Tsy azo hidivirana. Mila manao Echographie pelvienne ny lehilahy rehefa 50 taona no ho miakatra mba hanarahana ny fitombon'ny prostate.
Raha lehibe loatra ny prostate amin''izay ka manjary mampamany lava, dia mihinana fanafody na didiana.
Fa ny manao relations sexuelles régulières no anisan'ny fanafodiny. Indrindra après 55 taona. Mba mihinana koa ny voam-boatavo maina. Ohatra ny amandes ny tsirony ary manampy sy mampihena ny oedème prostatique. Misy koa tisane eny amin'ny Homéopharma izay mandaitra tokoa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3116