Didy vaovao vao nomen'ny Papa ho antsika Katolika

1. endriny ( 31/10/2016 12:58)
Tsy azo atao ny manaparitaka lavenona (Lavenona olona nodorana efa maty io) fa tsy maintsy tahirizina amin'ny toerana voatokana ho fanajana ny maty. Ary ny Katolika hoy izy dia tsy mino fa ny maty dia mety hiova ho zavatra hafa na hiverina ho velona amin'ny zavatra hafa indray any aoriana any.

Dia samy manana ny finoany moa fa ny an'ilay mpandala ny fahalanana iray izay hoe: "Tsy misy very, ary tsy misy miforona, fa ny eo ihany no miovaova eo"

Ka raha tehirizina fotsiny ao anaty tavoahangy fotsiny tokoa moa ilay lavenona dia ho lasa inona?

Hoy ny zanako indray andro raha nanatrika fampirimana an'ireny lavenona Karana ireny izahay: "Ahoana no itsangan'iny ho velona ao anaty tavoahangy ao amin'ny fara andro?"
novalian'i rhaj0 ny 28/11/2016 16:04
2. rhaj0 ( 31/10/2016 13:13)
Ato hozy ny gazety
http://www.lapresse.ca/international/

Mampihomehy ho'a ry be famaritana toa rambon'osy eee... Izao sy izao no "tena izy", hozy ny taranak'i Paoly... fa "andraso eo i Paoly" raha mba mihatra amin'azy izany. Fa dia asakasakao manaiky ambakainy sy ompainy ho vendrana ao.

Les catholiques ne doivent pas garder à la maison les cendres...

Cette recommandation ne sera cependant pas appliquée a posteriori aux reliques de saints...
3. endriny ( 31/10/2016 16:45)
Giravy fa ny fiangonana izany no mibaiko ny olona amin'ny fikarakarany ny razany. Raha tsy izany ve mety tsy tonga any an-danitra ny fanahin'ilay olona maty?
4. rhaj0 ( 31/10/2016 20:15)
NIjery google news kely aho, dia inty koa misy resaka vaovao nomen'ny Papa

Le pape François déplore qu'"aujourd’hui, on apprenne à l’école à des enfants -à des enfants! - que **** fruit d'une "colonisation idéologique" menée par des "pays très influents".

Ka izao izany ee...

1- TSY falifaly ny Papa rahefa ampianrina **** ny Ankizy any am-pianarana

2- "colonisation" hono io fampianarana ny **** io eee...


Ka dia ao ianao izany Rapapa, fa ny olona misoka-tsaina. Mbola mitady hamehipehy sy hinindrindriny Rapapa an... Fa tsisy mpihaino intsony ianao Rapapa fa ny olona "hampianatra" foana aaa... Koa na tsy any am-pianarana azany no ampianarina an'izany, dia ho hitan'ny Ankizy eraky ny interinety io...


5. endriny ( 01/11/2016 06:03)
Misy marina ihany io lazainy io a. Satria ny fampianarana misy dia tsy mivohy afa tsy ny fahalalana tandrefana. Sady amin'ny tenin'ireo mpanjanaka daholo ny ankamroan'ny fampianarana.

Izao anefa, ny fiangonana no fahavalon'ny fampianarana voalohany. Saingy rehefa hitany fa tsy maintsy izay no lalana izorana fa tsy hoe : nobitsihin'Atra aho dia nahay an'ity sy ny hoe: talenta. Ary rehefa hitany fa ahazoany tombontsoa ny fampianarana. Dia ny fiangonana indray no nisalovana ny asan'ny fanjakana amin'ny fampianarana ( ka saosy io koa).
6. rhaj0 ( 01/11/2016 10:40)
Izao izany hono hozy Rapapa eee...
1- Rahefa rizareo Kristiana (Katolika) no "mampianatra" (hono), dia "evanzelization".
2- Rahefa ny Sosaity kosa no "mampianatra", dia soketain-dRapapa ho "colonisation idéologique"


Izao anefa, inona moa no "ampianarina"??
1a- ny an'ny Kristiana (Katolika) dia izao resa-Baiboly t@ l'an-3000 izao no (mbola) asesika sy anindriana ny Ankizy
2a- ny Sosaity anefa mampianatra ny fahaiza-miaina anaty fiaraha-monina 2016

=== Io izao, dia inona moa ny tanjon'ny Fampianarana fa tsy ny hahaizan'ny Ankizy miaina ao @ fiaraha-monina?? ka ny tanjona ve dia ny hahaizana miaina ny soatoavin'ny l'an-3000, sa kosa, ny zava-misin'ny 2016??


Dia iza koa no "ampianarina"??

1b- ny an'ny Kristiana (Katolika) dia ny anaovany evanzelization, dia ireo mponina mbola TSY nahalala izany Baiboliny ao izany
2b- ny Sosaity dia mampianatra ny zanany ao @ sosaity-ny.

=== Io izao, dia inona koa ity vavabe-ndRapapa hoe "colonisation"???


Ka manetsi-keloka ve i Rapapa, sa koa, heveriny toa azy daholo koa ho'a ny olona eee...

7. endriny ( 02/11/2016 13:26)
Ny somary mampihomehy kely dia ilay hoe "Tsy azo tehirizina ao an-trano ny lavenona". Dia ahoana aza ireo eveka sy pretra milevina ao ambany alitara amin'ny "tranon'Atra" (izay moa ny filazana ny fiangonana) ireny?

Ny trano onenan'ny olona aza tsy azo atao an'ireny. Ka maika ve fa ny tranon'Atra? sa andeha ho fongarina daholo ireny dia esory tao?

Ny fahitako azy dia fanimba ny fomban'ny olona tatsinana ilay hevitra. Ireo tatsinana ireo mantsy no mpanao io fomba io. Ka ry mopera koa te hanagana toerana fitehirizana lavenona mba hofain'ny olona any, satria sarotra ny mividy tany anaovana fasana any.

Vola daholo e
8. rhaj0 ( 02/11/2016 13:49)
Dia tena mahavalalanina tokoany eee.. Ao ambanin'ny Basilique St-Pierre ao Vatican ao izao ohatra ny sisam-patin'i Peter (fa tsy lavenona). Dia ny mahavalalanina, dia i Vatican mihintsy no manamarina fa ao koa, dia misy sisam-patin'olona 4 hafa, SY sisam-patim-biby.

https://en.wikipedia.org/wiki/Saint_Peter%27s_tomb
The remains of four individuals and several farm animals were found in this grave


Esy ee...
1- ao anaty fasan-drizareo izany misy sisam-patim-biby ee...
2- Dia ny fasan-drizareo ... itsakitsahan'ny olona mivezivezy ao @ Basilique ee...


Entre-pa fa t@ herinandro teo, dia nosokafana (mba hohavaozina) ny fasan'i Jesosy.
http://news.nationalgeographic.com/
All of this is perfectly consistent with what we know about how wealthy Jews disposed of their dead in the time of Jesus

Ny fipetraky ny zavatra tao hono izany tena toa atsy @ fasan'ny karana.. oops, fasan'ny Mpanan-karena manko ee...

hi hi hi... asa ho'a ilay revin'ny fanjaitran-dRameva raha mba mihatra @ JEsosy Mpanan-karena ee... :-)
9. rhaj0 ( 04/11/2016 15:46)
Ny didy "tonta" an'i Rapapa iray indray, ary didy tena mba misy fiantraikany @ fi(s)ainana 2016, dia ilay fizirizirina fa ny Lehilahy ihany no afaka mitondra ny Leglizy: lehilahy ihany no azo atao Pretra/Leveka/Karidinaly/Papa.

Inty ny antony voalohany, hozy Fransoa

http://www.cnn.com/2016/11/02/europe/analysis-pope-female-priests/index.html
because Jesus chose men as his apostles and because of their theological understanding that a priest, "acts in the person of Christ," so must be male.

Io izany mila iarahana mamahabaha ee... Satria nampian'i Fransoa hoe :
Ary TSY ho pretra mandrakizay doria amena mihintsy ianareo viavy izany eee

"Forever?" the journalist asked. "Never, ever?"
"If we carefully read the declaration of St. John Paul II it goes in that direction, yes," Francis replied.



10. endriny ( 09/11/2016 15:24)
Dia asa izao izay ataon'ny Papa, mety hanao didy indray izy izao hoe: "Tsy azo atao ny manao fefy"
11. Strong3 ( 11/11/2016 06:53)

endriny:


Hoy ny zanako indray andro raha nanatrika fampirimana an'ireny lavenona Karana ireny izahay: "Ahoana no itsangan'iny ho velona ao anaty tavoahangy ao amin'ny fara andro?"


tsy azonao izay lazainao sy ny zanakao? ... mba miteny fotsiny koa indraindray
12. rhaj0 ( 21/11/2016 17:49)
Ka dia afaka mamela heloka ny mpanala zaza indray koa izany hono ny Mopera eee.. teo aloha, dia ny leveka ihany no afaka manao an'io. Ka dia voatsinjara ny fahefana izany eee...

http://www.cnn.com/2016/11/21/europe/pope-francis-absolve-abortion/index.html


@ ankapobeny anie, dia hozy i Fransisy hoe,
"there is no sin that God's mercy cannot reach and wipe away..."

izany hoe, raha ny fahazoako azy, hozy ny mpampianatra mahay hoe, izay ota rehetra dia afaka ny ho fafaNY foana eee...

Ka dia mazotoa manota izany eee... tena adalan'izay tsy manota io.
13. Strong3 ( 22/11/2016 05:35)
raha afaka manota ve ny olona ho lazaina hoe :
" aza manota intsony..."
14. rhaj0 ( 23/11/2016 19:54)
Raha ny fahazoako azy, dia ara-pamaritana ara-baiboly, dia "ota" ny "manala zaza" satria ny zaza anaty kibo dia ... efa "mibitaka" (Lioka 1:44), izany hoe efa "velona". Koa raha manao "manala zaza" dia midika fa "mamono" azy. Ara-(lojikam)-baiboly io ho'a an.

Fa na izany aza, dia tsofin'i Mopera fotsiny dia afak'ota izay manala zaza izany, hozy ny "didy vaovao vao nomen'i Papa" eee...

hi hi hi... inona no tsy vitan'ny Vatican eee.. an'azy ny fahefana sy ny vola. Afak'ota daholo izany eee...


Ny pro-choice kosany, na ireo mpomba ny fanalan-jaza, dia milaza toatoa ny hoe:
"Every woman has the right to do what they want to with their own body. Since the baby is part of a woman’s body, a woman has the right to abort."
15. Strong3 ( 24/11/2016 06:56)
inona moa no anton'izany ?

efa lasa fiainana any amin'ny tany mandroso ny fanalana zaza ka ireo mpino rehetra dia efa miaina ankahalalana izany... noho izany dia misy fiampangatena kely ihany ao anatin'ireo mpino katolika ireo ka tsy sahy hikaofesy izany isak'izay avy manala zaza izy ireo , farany dia tsy miditra ampiangonana intsony.

noho izany: navoaka ny didy famahana
"afaka havela heloka izay manala zaza..."

tsy haiko aloha izay lazain' Andriamanitra ny mahakasika izay eo amin'i Papa :)
16. rhaj0 ( 24/11/2016 11:59)
Strong3:
efa lasa fiainana any amin'ny tany mandroso ... farany dia tsy miditra ampiangonana intsony.

IIeee... rahefa miresaka @ ireny Katolika ireny ho'a aty, dia ... tsy miteny betsaka fotsiny aho fa dia mihomehy irery fotsiny eee... Izay fampianaran'ny Mpampianatra Mahay ao VAtican any ho'a ka dia tsara tarehy fa voasikotra @ boky volamenany ao, fa ny olona angaha paiso..

Ka tsy ny fanalana zaza ihany tsinona no ihoriranan'y olona fa
- ny fampiasana kaondOma... Ny Katolika any @ tany mahantra ihany no mihinan'ny tsakaokany tsy voa-aro @ MTS (maladia sekisoaly tiransimisibila)... sahalan'ny mba ho sitran'ny vavaka ireny ny MTS. Fa ny olona ho'a dia hirevy sekisa foana eee..
- ny fiarahany, ny fiarovany na akoriny aza, ny iainany @ LGBT ao. Koa na ao @ sekoly katolika azany ho'a misy fikambanana LGBT.

Fa dia izay manaiky ambakain-dry Berebareba ao, dia miankohoka aminy fa hoe zareo no mpampianatra-mahay, ary dia manome fahefana aminy, sady @ izao dia mbola manome vola rakitra aminy koa, nefa ny harembeny sy volaben-dreo ao azany efa tsy omby kidoro intsony .. dia sitrapony izany io fa dia....
17. rhaj0 ( 28/11/2016 15:42)
Nahazo ny koestionema hono ho'a i Fransisy : nisy Karidinaly 4-dahy tena mba nametra-panontanina (fandrika) @ Papa, izay raha ny fahazoako azy dia hoe, inona tsara hoe ity "fampianaranao" ry Mpampianatra-Mahay fa toa misavoana sa ahoana?

https://www.lifesitenews.com/news/pope-fails-to-reply-to-4-cardinals-urgent-plea-for-clarification-so-they-go
Signed by Cardinals Walter Brandmüller, Raymond Burke, Carlo Caffarra, and Joachim Meisner, the letter tells the Pope of the “uncertainty, confusion, and disorientation among many of the faithful” stemming from Amoris Laetitia.


Io izany fa ry Karidinaly miatrika ny olona, izay TSY paiso ho'a... nefa i Mpampianatra-Mahay toa ... mamoromporona revy hafahafa, hafa noho ny taloha moa izany eee...
18. rhaj0 ( 28/11/2016 16:04)
Entre-pa fa naheno an'i Justin trudeau, praiministra kanadiana daholo angamba ianareo. T@ io frankofonia io, dia niteny izy ny hanajana ny vehivavy sy ny LGBT sns...

Asa mba ahoana ny fandraisan'my... Katolika an'izany ohatra, fa .. ho @ fahalalanareo, dia efa nahazo ny diamanga avy t@ Lariseveka taty Ottawa i Trudeau, rahefa nanindrahindra ny safidy pro-choice
https://www.lifesitenews.com/news/ottawa-archbishop-on-trudeau-if-you-dissent-on-life-issues-youre-not-a-cath

hi hi hi.. TSY Katolika "tena izy" hono i Justin.. fa dia ihomehezan'ny olona fotsiny i Lariseveka, ary avela hiteniteny foana ao foana :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3992