FANALANA FOFOKELIKA

1. NDINDY ( 22/10/2016 12:24)
MIARAHABA ANAREO NAMANA JIABY ? MBA AMBARAO FANAFODY MANALA FOFONKELIKA ZALAHY FA TENA TSY METY AHAFAKA MIHINTSY NY AHY SA MISY TORO HEVITRA HAFA TSY HAIKO ? MISAOTRA MIALOHA E; EFA NATAOKO DAHOLO IREO NAMBARANAREO TEO ALOHA IREO FA TSY NISY VOKANY HATRAMI ZAO KA RAHA MBOLA MISY HAFA DIA MBA LAZAO FA SAHIRANA NY NAMANA; VELOMA .
novalian'i rhaj0 ny 11/11/2016 16:23
2. Rafanomezantsoaa ( 22/10/2016 17:13)
Ho ahy mamokan loa dia tsara misasa in3 isan' andro ianao ,indrindra rehef mafan NY andro. manarakizay de alao matetika MBA tsy ho lava ny volo ao aminy , rehef izan de hosor Alamo in 4 farafahakelin ao anatin herinandro .na koa ranona voasary makirana .mba andram kely web!!!
3. rhaj0 ( 08/11/2016 12:10)
Diloilo koko + karibonetra afangaro. Misy diloilo koko somary mivaingana ireny, @ izay ilay consistence-n'ilay fangaro toa ireny deodorant ireny ihany. Dia izay no ahosotra @ helika. Efa nandramako ary tena mahomby noho ny deodorant special mpanao fanatanjaha-tena aty ilay izy. Amiko aloha eee...

Ampiana ireo nolazain'i Rafanomezantsoa io: misasa isan'andro + akanjo madio + fohy volo helika.

Ilay Alamo na koa voasary makirana indray dia tsy dia haiko loatra. Raha ny lojikany, dia ilay karibonetra dia "basique", nefa ny voasary makirana dia "acide".

Marihiko kely fa raha irrité ny helikao, dia mety tsy mety aminao ilay izy izany; na hoe mahery loatra ny dose (ahena ny karibonetra); na hoe ataovy in-1 isaka ny 2 andro.
4. crus ( 11/11/2016 07:36)
ilay misasa aloha TOKONY TSY MAINTSY ATAO foana, sy ilay misolo akanjo madio.

fa ilay zavatra ahosotra indray dia mety hoe arakarak'ilay hoditr'ilay olona angamba, satria raha ilay nolazain'i rhaj() zao dia tsy mety amiko le karibonetra f ef nandramako, ilay voasary makirana koa efa nataoko fa tsy nety tamiko, dia ny ranon'alamo no ataoko: lomàna anaty tavoahangy ny alamo dia ilay ranony no ahosotra REHEFA AVY MISASA fa tsy hoe rehefa ilay tsemboka be iny dia hosorana akory. Ndraindray lany tampoka ilay ranon'alamo dia ilay vaingan'alamo no misy dia ampiasaina SAINGY tena tsy mahazaka ilay izy (vaingany)ny hoditro fa manao irritation be aveo.
F hono oa rhaj() ilay oe diloilo coco + karibonetra io, izany oe malamalama tahaka ny menaka ny helika aveo??? mampa à l'aise ve?
5. rhaj0 ( 11/11/2016 16:23)
ilay diloilo koko sy karibonetra dia toa ireny deodorant ireny ny consistence-ny. Sahala @ hoe toa consistence-na totoboanjo izany ee... Fotsifotsy ilay izy, fa rahefa ahosotra dia tsisy lokony. Ilay karibonetra dia toa mampivaingana ilay fangaro, ary lasa tsy misolitika koa ny helika. TEna sahala @ deodorant mahazatra ihany. Ny diloilo koko anay aty koa dia TSY misy fofona (maimbo). Fa raha ny eritreritro dia azo asiana ranomanitra kely angamba.

Ny lojikany izany dia ny voasarimakirana acide, ny alamo sel, ary ny karibonetra basique. Dia tsy haiko hoe.. inona no lojikany :-)


(miala tsiny @ teny frantsay fa tsy haiko ny ilazana azy; raha hainao dia mba lazao dia mba ianarana)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1448