Aza hitako, aza misy anie izany.

1. nantsafaina ( 12/10/2016 10:47)
Ny hanongotsongoana ny maty anie, tahotra ny handevim-belona.
Ny aro riaka main'andro, hitsinjovana ny fahavaratra tsy maintsy ho avy.
Dian-tana rahateo ny fiainana, ka ny efa lasa no hakana lesona amin'ny ho avy.
Samy nahare avokoa isika ny amin'ilay telefonina, Samsung Galaxy S7, fa dia jerem-potsiny toy ny tany nahalavoana, fa tena esorina tahaka ny nify lanin'ny olitra aza no fanapaha-kevitry ny orinasa.
Nefa, hoy aho hoe, fiteny ihany mantsy izy ity. Potsero ny voamasoko, fa tsy ampy toa inona, mba tsy ilazako hoe indray mipi-maso io, dia hiparitaka eto madagasikara.
Madagasikara, tsy mba famotsiam-bola no ilazana famotsiam-pako.
Aleo iaraha-mitazana fa sao dia be famaritra toa rambon'osy eo, ka ny lanitra tsy hianjera no tohanana sahady.
Samia velon'aina e !
2. Dreamlover14 ( 21/12/2016 19:14)
Galaxy Note 7 ilay izy fa tsy Samsung S7
Tsy ny Galaxy Note 7 rehetra fany maro aminy no mipoaka ny batterie ka hatr@ paositra sy ny fiaramanidina no mandà tsy hitondra azy @ izao fotoana izao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5122