Kabary tsy valiana sady tsy misy mpihaino.

1. nantsafaina ( 12/10/2016 10:14)
Marina tokoa fa tsy mba mirehitra ny tany mena,
Ny afo lavitra aza moa tsy azo hamindroana.
Nefa dia ho diso ve izay nilaza fa rehefa mety anie ny atao
Sahobakaka aza hampidi-drano ketsa,
Ary ny bainga aza ho potehin-tsakivy !
Ny dikany, tsy mbola mety ny atao eto amitsika.
Mbola lavitry ny afo ny kitay raha ny fahavononana no asian-teny
Ary tena mbola any ankibon'ny omby ny fitiavan-tanindrazan'ireo manana andraikitra.
Hoy tokoa mantsy ny maro hoe : raha samy ho lany ihany ny paiso ankady, aleo mba hihinana ikotozafy.
Hikoha-maina aza atao mainka fa misy sery azo anilihana.
Toy ny vao omaly, hoy ilay mpihira izay, no nahitana mpitondra nandatsa-dranomaso noho ny haintany.
Isika tokoa angaha no tsy mahalala ny setroka sy ny tomany.
Fa he, miandry azy hanetsi-keloka indray ve vao hisy fandraisana andraikitra ?
Atody tsy miady amim-bato, omby mahia be tandroka isika manoloana iretsy manam-pahefana.
Nefa, ny firaisan-kina no hery.
Alika miambozon-koditra ka maniry manitra ihany.
Ny mpanakanto ihany no milaza, voky aloha ny gidro fa miadana rakoto.
Vazaha mainty afrikana ampolony no handaniana ny vola andavitrisa,
Fa na mondrokely aza tsy hahetsika amin'ireo mosarena roa tapitrisa mahery.
Fa matoa moa atao dia mety rafanjakana.
Ka hoy ilay mpampianatra anay hoe tsara fa tohizo.
novalian'i vazivazo ny 13/10/2016 11:33
2. vazivazo ( 13/10/2016 11:33)
na kabary tsy valiana aza dia mba hiteny kely ihany aho: mampalahelo ny ankamaroan'ny toe-tsaina eto amintsika eh, efa mihavitsy ny olona azo hametraham-pitokisana amin'izao vanin'andro izao. Ny mpanao kobaka am-bava no mihamitombo isa hatrany! na efa iaraha-mahita izao aza fa misongadina andro aman'alina ny fahantrana mianjady @ vahoaka malagasy mbola sahy ihany ny mpitondra fanjakana fa tsy mahantra HONO isika, nefa tsy takatr'izay voajerin'ny masony intsony ilay hadirin'izany fahantrana izany, tsy hita fa dia samy miatrika izany eto ehhhhh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2757