Fanomezana fitaovana ny quartiers mobiles

1. mpilaza444 ( 03/10/2016 12:10)
Mampalahelo ny tsy fahatomombanana eo amin'ny fandriampahalemana ankehitriny. Aiza ve ka mila ho isan'andro no ahenoana halatra sy vonoan'olona.

Mety kokoa raha homena fitaovana toy ny basim-borona, na tsipika (arc à flèches) ny quartiers mobiles. Soratana eny amin'ny zandarimaria izy ireny. Ary any koa ny lisitry ny quartiers mobiles.

Apetraka eo ambany fibaikoan'ny ben'ny tanàna na ny delegen'ny boriborintany izy ireny.

Amin'izay mantsy dia ho vetivety ihany ny valin'ady avy eny ifotony fa tsy ho afa-maina foana ny mpanao ratsy. Tsy hoa afaka koa ireo zandary sy polisy mpiray petsapetsa amin'ny mpanao ratsy.
novalian'i hery ny 10/10/2016 04:52
2. endriny ( 08/10/2016 16:09)
Mety ilay hevitra saingy izao; raha ny kartie mobile irery no omena fitaovana dia tafihan'ny jiolahy indray ny kartie mobile hangalarany ireo fitaovana ireo. Satria ny kartie mobile mipetraka irery ao amin'ny fianakaviany fa tsy manana toby iarahana maromaro.

Aleo ry zareo mikarama amin'io fandriam-pahalemana io no manao ny asa ho amin'izany, ary terena hanao izany. Fa tsy isika indray no hanao sorona ny aintsika, indray mandeha ihany no miaina zareo a.

Ny ahy andeha hasiako soratra mihintsy ny lalana hoe: Tongava ianao raha angalatra, saingy aza mamono!
3. hery ( 10/10/2016 04:52)
Araka ny voalazan'i endriny dia sarotra be io. Ny zandary aza anie misy tsy sahy mivoaka rehefa tonga ry zalahy e. Tsy ampy tsinona ny teti-bola omena ny zandray handeha amin'ny tanàna iray dia mety hoe zandary 3 fotsiny no mipetraka ao. Ravandry zalahy fotsiny.

Politikam-pandriam-pahalemana maty paika ihany no ilaina. Ampitomboina ny vola omena ny mpitandro filaminana mandeha mission amin'izay dia maromaro no afaka mandeha fa tsy vitsy kely.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3269