Andao indray hihomehy!

1. thyna ( 28/08/2016 13:04)
Toeram-pitsaboana marary saina iray no nanapakevitra fa tsara raha ho entina fiaramanidina ireo marary saina ho tsaboina mba hampivoatra ny toe-pahasalamany!
Raikitra ny programa fa ihazo ny nosy kely iray ny fiaramanidina izay hitondra ireo adala haka rivotra!Niondrana tao anaty fiaramanidina avokoa ny adala rehetra ka niainga ny dia!rehefa lasa alavidavitra ny avion dia feno kotaba be tao anatiny satria nilalao baolina tao ireo adala ireo!Tsy nahazo aina ny pilote satria tsy nety ho stable mihintsy ny avion ka nampiantso adala somary efa mba nivoatra kely iray nanao hoe:
-Asaivo mangina ireo naman'là reo fa hidaboka eo ity avion ity!
dia lasa ilay adala nifampiresaka t@ namany tao ary afaka 20mn dia tsy nandrenesana feo intsony tao anaty avion!Gaga sy talanjona ilay pilote ary nino sy nahatoky fa tena efa sitrana tokoa ity adala nirahiny ity ka nantsoiny indray ilay adala mba hanontaniany izay nataony tao hapangina ireo adala rehetra:
-Fa nataon'ise ahoana ireo naman'ise fa toa tsy nitabataba intsony izy ireo?
dia namaly ilay adala nanao hoe:
-Notabatabaiko tao ry zalahy ka!
-Notabatabain'ise ahoana?
-Notabatabaiko tao hoe "tsy azo hanaovana baolina ato anaty roplanina fa lasa daholo mivoaka rehefa te hanao baolina!
-Dia ahoana hoy ry zalahy?
-Dia lasa nivoaka any daholo izy rehetra andeha hanao baolina!
-Ahhhhhhhhhhhhhhh!
novalian'i Iandria ny 17/11/2016 04:37
2. Iandria ( 17/11/2016 04:37)
hahahaha!! tsy ny adala no adala fa izay maniraka adala
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1581