Testamenta vaovao/Testamenta taloha

641. tealala ( 06/10/2016 08:56)

RBNIR:

Aleo omena santionany indray ary ianao ry tealala a!! olona manampahaizana ary ny sasany aza dia efa mpamianatra ny Soratra Masina nefa resy lahatra:

1 « Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy. » (Jaona 3:1)
« Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin'i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe: » (Jaona 7:50)
« Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin'i Jesosy nony alina tamin'ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra. » (Jaona 19:39)

2 Lioka (dokotera)

3 Paoly apostoly « Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin'ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan'ny tongotr'i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin'ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an'Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny. » (Asan'ny Apostoly 22:3)

4 Matio mpamory hetra (mahay taratasy tsara)......

Sns.......

Ary RBNIR?
642. tealala ( 06/10/2016 08:58)
Izaho anie rehefa miteny hoe tsy mitovy ny TT sy ny TV dia manambara fa ny zavatra voasoratra anaty TV dia mampanahy ahy avokoa ny andray azy ho marina e.
643. tealala ( 06/10/2016 08:58)
Fa porofoy eto ary fa vitany amin'ny maha messi azy dia vitany ny nampody ny jiosy rehetra teo amin'ny taniny, fa tsy niparitaka manerana ny vazantany efatra ireo jiosy ireo t@ izy hoe messi.
Alefa.
644. tealala ( 06/10/2016 09:01)
Fa porofoy eto ary fa vitany amin'ny maha messi azy dia vitany ny nampody ny jiosy rehetra teo amin'ny taniny, fa tsy niparitaka manerana ny vazantany efatra ireo jiosy ireo t@ izy hoe messi.
Alefa.
Aza hodiana fanina.
645. tealala ( 06/10/2016 09:04)
Fa porofoy eto ary fa vitany amin'ny maha messi azy dia vitany ny nampody ny jiosy rehetra teo amin'ny taniny, fa tsy niparitaka manerana ny vazantany efatra ireo jiosy ireo t@ izy hoe messi.
Alefa.
Sa nasitriny tany ambany ny tanin'Israely fa secret?
646. tealala ( 06/10/2016 09:19)
Tsy misy porofo mivainganga ve hoe naveriny tany amin'ny taniny ny jiosy ry RBNIR a?
647. RBNIR ( 06/10/2016 10:07)
tealala:

Tsy misy porofo mivainganga ve hoe naveriny tany amin'ny taniny ny jiosy ry RBNIR a?

Hoy i Jesosy hoe : « Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Matio 22:29)

Izany hoe nisy fahadison-kevitra tao vokatry ny tsy fahafantarana ny Soratra Masina...

1- Ilay fanajaka izay nampananteraina dia tsy eto amin'ity tany ity akory « Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao; fa raha mba avy amin'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin'ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin'izany ny fanjakako. » (Jaona 18:36)

Ireo Jiosy anefa dia niandry fatratra ny fahatongavana Mesia hanjaka eo ambony seza fiandrianan'i Israely...

Fahadisoankevitra 1 aloha izay

2- Ilay hoe hampody ny Jiosy dia hafa mihitsy
« Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24). » (Lioka 1:17)

Hampody ny fon'Andriamanitra amin'ny olony indray (tahaka ilay nataon'i Elia mpaminany fahiny izay nampody ny fon'ny olona tamin'Andriamanitra tena izy...

Ary ny Ràn'i Jesosy no natolony mba hatao fampihavanana amin'izany...« sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny ety ambonin'ny tany, na ny any an-danitra. » (Kolosiana 1:20)

Fahadisonkevitra faharoa izay tsy hoe hampodiana ara-bakiteny akory ny jiosy fa ampodiana amin'Andriamanitra...

Dia otran'izay daholo ilay izy tealala a! Fahadisoankevitra no nisy ary dia ny mampalahelo dia ny olona aty aoriana koa dia tratran'ilay izy nefa tokony mba efa mahiratra ny maso....
648. tealala ( 06/10/2016 10:42)
Dia ho aiza izany ireo jiosy tsy nanaraka azy ireo ry RBNIR?
649. tealala ( 06/10/2016 11:37)
Fa aiza ho aiza marina ilay faminaniana hoe hitsangan-ko velona ilay messie ry RBNIR?
650. tealala ( 06/10/2016 11:37)
Dia avy eo hanatanteraka ireo tokony nataony?
651. RBNIR ( 06/10/2016 18:34)
tealala:

I RBNIR araky ny TV dia milaza fa zanak'i Davida i Jesosy => ny andriamanitry zareo izany dia zanak'i Davida.
Zavatra tahaka izany no fampianarana hoentin'ny TV ka mahatonga ity ady hevitra ity hoe tsy mitovy ny zavatra lazain'ireo boky 2 ireo.

Izao no fomba namalian'i Jesosy an'io teninao io tealala dia aleo IZY mihitsy angamba no hamaly anao....
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Matio 22:29)
« Ahoana no hevitrareo ny amin'i Kristy? Zanak'iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak'i Davida. » (Matio 22:42)
« Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin'ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe: » (Matio 22:43)
« Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao (Sal. 110. 1)? » (Matio 22:44)
« Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy? » (Matio 22:45)
652. tealala ( 07/10/2016 02:44)

mbola alaina any amin'ny TV iany le porofo, efa miteny aminao aho fa be diso be any tsy fiable io "amiko"
Aza manamarina amin'ny izany Salamo izany koa fa tsy hainao ny dikan'izany, manjary miteniteny foana :D, dia izay no lazaina fa manaratsy anefa miteny ny marina.
653. ElAkim16 ( 07/10/2016 05:27)

tealala:

"izaho koa dia mino an'i Jesosy fa hoe izy no Mesia." ElAkim16
Aza mampiomehy ry RBNIR a, tazomy secret ao daholo ny fahalalànao fa aza terena ny olona hino fotsiny, ampianaro izy hafantatra ny zavatra hinoany fa tsy hoe tsy voavalinao ny fanontaniko dia secret daholo izao rehetra izao.

Fanamarihana kely, matoa ny olona samy nomen'Andriamanitra loha avy misy saina avy dia samy manana ny choix-ny, ny safidiko dia ahy irery ihany fa tsy nisy nanery, raha toa ka ho voavonjy aho na tsia dia ny safidiko no nahatonga izay, talohan'ny nanoratako tato, talohan'ny nahafatarako an'izany pseudo Tealala, RBNIR,Rhaj0, sns sns izany dia efa nanana ny safidiko aho dia i Jesosy no Mesia, fa ny tenako dia tia mamaky forum tahaka itony ary tia mandray anjara. Fa sady mitsapa ny alalin'ny finoako ihany koa anefa aho, tsy hoe tsy mahatoky tena akory fa @maha olombelona dia mety hisy fotoana mety hoe resen'ny sasany lahatra @teny tsara voatra ka mety "METY OA" ho voataona, anefa tsara ihany ku ny mahafantatra ny hafa mba hiorenanan'ny tena mafy @ny an'ny tena , hatreto aloha dia tsy resy lahatra aho afatsy hoe Jesosy irery ihany no Mesia.
654. RBNIR ( 07/10/2016 05:36)

ElAkim16:

Mahafinaritra rehefa mino an'i Jesosy ianao namana, efa tena dingana lehibe izay ...
Ny baiboly ihany no fitaratra namana (TT+TV) ary ny tenina dia tena marina nomena saina isika handinika.....Enga anie ianao ka ho tojo ilay tanjona nirinao dia ny hahafantatra ilay MARINA TOKANA izay inoko fa tanjona tokana tadiavinao eto araka ilay teny hoe « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33)
655. RBNIR ( 07/10/2016 05:50)

Efa nampoiziko ihany izao fomba famalinao izao satria ireo jiosy koa nony namaly an'io i Jesosy dia izao no nataony « Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony. » (Matio 22:46)

Inona intsony tokoa moa no havaliny eo?? hany hery dia hoe diso ny TV e, tsy misy fantatr'i Jesosy ny Salamo e! nefa Jesosy isaky ny mampianatra ireo Jiosy taloha dia izao no mitranga...
« Ary nony tonga tany amin'ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin'ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany? » (Matio 13:54)
« Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. » (Marka 1:22)

Ary isaky ny Sabata dia nantsoina foana i Jesosy nampianatra tao amin'ny synagoga.....« Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. » (Lioka 4:16)

Ka mipetraka ny fanontaniana : Diso v ny TV? Tsy mahay salamo marina v i Jesosy e???

Tsy asiana ady hevitra be fa samia mandray izay tandrifiny e!
656. tealala ( 07/10/2016 05:54)

ElAkim16:

tealala:

"izaho koa dia mino an'i Jesosy fa hoe izy no Mesia." ElAkim16
Aza mampiomehy ry RBNIR a, tazomy secret ao daholo ny fahalalànao fa aza terena ny olona hino fotsiny, ampianaro izy hafantatra ny zavatra hinoany fa tsy hoe tsy voavalinao ny fanontaniko dia secret daholo izao rehetra izao.

Fanamarihana kely, matoa ny olona samy nomen'Andriamanitra loha avy misy saina avy dia samy manana ny choix-ny, ny safidiko dia ahy irery ihany fa tsy nisy nanery, raha toa ka ho voavonjy aho na tsia dia ny safidiko no nahatonga izay, talohan'ny nanoratako tato, talohan'ny nahafatarako an'izany pseudo Tealala, RBNIR,Rhaj0, sns sns izany dia efa nanana ny safidiko aho dia i Jesosy no Mesia, fa ny tenako dia tia mamaky forum tahaka itony ary tia mandray anjara. Fa sady mitsapa ny alalin'ny finoako ihany koa anefa aho, tsy hoe tsy mahatoky tena akory fa @maha olombelona dia mety hisy fotoana mety hoe resen'ny sasany lahatra @teny tsara voatra ka mety "METY OA" ho voataona, anefa tsara ihany ku ny mahafantatra ny hafa mba hiorenanan'ny tena mafy @ny an'ny tena , hatreto aloha dia tsy resy lahatra aho afatsy hoe Jesosy irery ihany no Mesia.

Izaho anie tsy nanery anao hino an i Jesosy na tsy hino e.
Ny ady hevitra teto dia hoe tsy mitovy ny TT sy TV, fa ianao ihany io hoe hinoanao izy 2, tahaka ny hoe tsy manery an i RBNIR aho hoe aza mino an i Jesosy, fa ny teniko aminy tsy mitovy ny TT sy TV, fa tsy midika akory izany hoe RBNIR aza mino an i Jesosy ianao.
Ho ahy izao dia nitady aho dia nahita fa tsy mitovy ny TT sy TV, ary mahita fa ny TV dia ny zavatra lazainy ao koa tsy mitovy.
I RBNIR koa efa nanaporofo teto fa misy tsy mitovy ny zavatra voalaza ao anaty Torah, dia eny hoy aho tsy notoheriko ilay izy satria marina io lazainy io rehefa navadika teny grika ny Torah, ary misy fampianarana manazava ny fomba fijery ireo tsy fitoviana ao ireo notanteriko teto izay milaza fa miankina amin'ny fotoana (taona nanoratana azy no mahatonga ny tsy fitovian'ireo voasoratra) fa teneniko ihany aloha hatreto fa mbola tsy ampy ny fanazavana noetiko teto satria tsy mbola nianarako ilay izy fa raha te hikaroka ianareo dia mijereva Zohar, na Talmud fa any ny valiny.
Tsy tonga aho handrava ny finoanareo an'i Jesosy fa haneho ireo tsy fitovian'ireo boky 2 ireo fotsiny.
657. ElAkim16 ( 07/10/2016 05:55)
RBNIR, Izaho ve raha manana fanontaniana apetraka aminao (tsy misy idiran'ity sujet ity) dia ahoana no tokony wataoko? ato mantsy ohatrany tsy mahita hoe message privée za! Misaotra indrindra
658. tealala ( 07/10/2016 05:55)

RBNIR:

ElAkim16:

tealala:

"izaho koa dia mino an'i Jesosy fa hoe izy no Mesia." ElAkim16
Aza mampiomehy ry RBNIR a, tazomy secret ao daholo ny fahalalànao fa aza terena ny olona hino fotsiny, ampianaro izy hafantatra ny zavatra hinoany fa tsy hoe tsy voavalinao ny fanontaniko dia secret daholo izao rehetra izao.

Fanamarihana kely, matoa ny olona samy nomen'Andriamanitra loha avy misy saina avy dia samy manana ny choix-ny, ny safidiko dia ahy irery ihany fa tsy nisy nanery, raha toa ka ho voavonjy aho na tsia dia ny safidiko no nahatonga izay, talohan'ny nanoratako tato, talohan'ny nahafatarako an'izany pseudo Tealala, RBNIR,Rhaj0, sns sns izany dia efa nanana ny safidiko aho dia i Jesosy no Mesia, fa ny tenako dia tia mamaky forum tahaka itony ary tia mandray anjara. Fa sady mitsapa ny alalin'ny finoako ihany koa anefa aho, tsy hoe tsy mahatoky tena akory fa @maha olombelona dia mety hisy fotoana mety hoe resen'ny sasany lahatra @teny tsara voatra ka mety "METY OA" ho voataona, anefa tsara ihany ku ny mahafantatra ny hafa mba hiorenanan'ny tena mafy @ny an'ny tena , hatreto aloha dia tsy resy lahatra aho afatsy hoe Jesosy irery ihany no Mesia.

Mahafinaritra rehefa mino an'i Jesosy ianao namana, efa tena dingana lehibe izay ...
Ny baiboly ihany no fitaratra namana (TT+TV) ary ny tenina dia tena marina nomena saina isika handinika.....Enga anie ianao ka ho tojo ilay tanjona nirinao dia ny hahafantatra ilay MARINA TOKANA izay inoko fa tanjona tokana tadiavinao eto araka ilay teny hoe « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33)

Afa-po ve i RBNIR fa tsy iray tetika izaho sy ElAkim16 araky ny nosoratako omaly io
659. tealala ( 07/10/2016 06:06)

RBNIR:

tealala:

Afa-po ve i RBNIR fa tsy iray tetika izaho sy ElAkim16 araky ny nosoratako omaly io

Fa mety ho possible ihany koa ange ianao ihany tealala ilay informateuran'ny tenanao e....

Ka ianao anie afaka mino izay tianao e.
Fa vao t@ herinandro aho izao no nahita namana izay dia ny havany no mivavaka ao aminareo
izy io manana cousine kely mbole kelikely (mbola tsy manana bac)
dia niteny t@ io namako io hono izy hoe : "izaho izao rehefa afaka bac ..., ay mo za mety tsy hahazo an'izany intsony" dia fa maninona hoy ilay namako dia hoy izy :"ka efa tonga jesosy dia rava izao tontolo izao dia tsy mila izany tsony aho ko"
Tsy haiko hoe ny fampianarana ao aminareo ve no mahatonga azy hieritreritra izany sa izy no tsy nahay nandray izay lazaina.
660. RBNIR ( 07/10/2016 06:10)

ElAkim16:

RBNIR, Izaho ve raha manana fanontaniana apetraka aminao (tsy misy idiran'ity sujet ity) dia ahoana no tokony wataoko? ato mantsy ohatrany tsy mahita hoe message privée za! Misaotra indrindra

Misy Chat ato Elakim16 an,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3429