Testamenta vaovao/Testamenta taloha

621. tealala ( 06/10/2016 05:04)
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo ety ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo ety ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. » (Matio 18:18)
Io izany no ao amin'ny TV dia tsy mahazo mampiasa airtel ry RBNIR.
Mba afaka misy manazava ve hoe ahoana ny tsy amelan'ny TV ampiasana airtel noho io teny io?
622. ElAkim16 ( 06/10/2016 05:54)

calin.brandon:

Ny olana eo amin'i RBNIR sy TEALALA dia samy vonto-pinoana izy mirahalahy. Araka ny efa voalazako teto dia sarotra ny mifandresy lahatra raha izany. Samy manana ny dogme tandrify azy ry zareo ireto.

RBNIR kristiana hiringiriny ary mifototra indrindra indrindra amin'ny Testamenta Vaovao. I TEALALA mandala ny fivavahana Jiosy izay mifototra amin'ny Torah sy ny Talmud.

Araka ny Testamenta taloha, ny Mesia rehefa tonga dia hanatanteraka ary hahatanteraka avy hatrany ny faminaniana voalaza ao amin'ny bokin'i Esaïe / Isaïe, Sophonie, Osée, Amos, Michée, Zacharie, Jérémie, Ezéchiel, ... Iray izay. Faharoa : Tsy mpaminany na prophète i Jésus satria 350 taona taorian'i Haggai, Zacharie sy Malachie izy no nipoitra.Fahatelo : araka ny faminaniana ao amin'ny Testamenta taloha ihany, dia taranak'i David ny Messie ( Esaïe, Jérémie, Ezéchiel, Osée, Genèse ). Naterak'i Marie Virjiny anefa izy. Izany hoe tsy misy Ray satria ny Mesia araka ny TT, dia olona tsotra , tsy demi-dieu ary tsy manana pouvoirs surnaturels. Fahaefatra : hampanaja ny Torah sy sy didy rehetra ao ny Mesia ( Deutéronome ).
Ohatra vitsy ireo. Noho izany, ny judaisme dia milaza mazava fa tsy i Jésus no Messie, fa mbola miandry ilay tena izy ny Hebreo Jiosy.

Ny Kristiana kosa dia milaza mazava fa Jésus no Messie. Manaiky anefa ny Kristiana fa tsy nahatanteraka ny faminaniana tokoa izy tamin'ny voalohany, ary izay no mahatonga ny fampianarana kristiana miteny fa ho avy INDRAY izy hamita izay tsy vita.

Position roa samy hafa ireo. Fa ny objectif iray ihany : ho avy ny Messie ary amin'izay dia hiverina amin'ny taniny koa ny Jiosy rehetra manerantany ( izay zavatra tsy tanteraka koa tamin'ny nahatongavan'i Jésus tamin'ny voalohany ).

Rehefa tonga izay fotoana izay, dia hifanehitra eo ny Kristiana sy ny Hebreo Jiosy. Andao atao hoe hifanandrify ny nandrasan'ny roa tonta. Tsy izay ve no tsara, hoy ianareo ?

Miarahaba antsika rehetra! Ity valiteny ity aloha hatreto no tena nahafa-po anah indrindra. Misy karazana religion ato @ity resadresaka ity (tsy dia tiako atao loatra hoe ady hevitra satria ny Baiboly tsy tokony ho atao ady hevitra), misy ny Religion Kristiana (RNBIR), misy ny Religion Judaisme (Tealala), ary misy ny religion Googliste (Rhaj0), ary eto dia mazava be fa tsy maintsy misy korotana rehefa tsy misy mitovy ny firehana satria tsy maitsy samy miaro ny azy, raha tena sokajiana aloha zany dia azo atao mizara roa ihany leiz satria ny anak2 (Tealala sy RNBIR) dia mino an'Andriamanitra fa ny anak1 (Rhaj0) dia toa tsy mino ny fisian'Andriamanitra (raha ny fanehoany hevitra na eto na @sujet hafa @resaka fivavahana sy finoana, mialatsiny raha diso fa fijeriko iny). Ka io valiteny izay nocité-ko eo ambony io dia mazava tsara fa (akoatran'i Rhaj0 izay tsy mino velively ny atongavan'Ny Mesia) dia tsy maintsy samy hiandry ilay Mesia na ny Kristiana na ny Hebreo Jiosy (kay mou i Tealala tsy Jiosy) ka tsaleo ve endrasana dia hita eo e? satria mialatsiny fa lasa fifandirana personnel ilay resaka eto fa tsy instruction ho an'ny olona tsotra tokony handray fampianarana toa anay, raha tokony hitaona ondry dia lasa mandroaka ondry. Ny tiako iaviana dia tsotra, raha mba mety dia ilay tena votoantin-dresaka re mba oentina fa aza fifanenjehana manokana satria izahay mamaky ny fizotrany ato dia te haka lesona. Ny tena azoko notsoahina teto aloha zany dia hoe misy Chretien, misy Anti Christ, dia misy athé.
623. tealala ( 06/10/2016 06:19)

ElAkim16:

Anatiny daholo izany resahinao izany fa marihiko kely rehefa maneho ny hevitray manokana izahay dia manome ohatra na toko sy andininy, misy ihany koa fanazavana,fa ny raisiko hoe fanaratsina na kiana na zavatra hafa dia mifono fanontaniana ihany koa indraindray.
Ny votoatin'ny resaka eto dia tsotra ihany ny TV dia manohitra na koa azo lazaina hoe mifanohitra amin'ny TT, afaka mijery ianao any aloha any hoe inona avy izany zavatra tsy mitsovy izany.
Ka amin'ny Judaïsme (ny tenako tsy jiosy) ianao rehefa mandray ny TV dia Kristianina (idolâtre satria nanao idole an'i Jesosy izay voalazan'i RBNIR matetika ato hoe izy ihany hoe sady rainy no zanany zanaka araky ny fampianaran'ny TV ihany io) any amin'ny TT anefa ny didy voalohany efa milaza fa 1 ihany Andriamanitra.
I RBNIR araky ny TV dia milaza fa zanak'i Davida i Jesosy => ny andriamanitry zareo izany dia zanak'i Davida.
Zavatra tahaka izany no fampianarana hoentin'ny TV ka mahatonga ity ady hevitra ity hoe tsy mitovy ny zavatra lazain'ireo boky 2 ireo.
624. calin.brandon ( 06/10/2016 06:22)
Misaotra anao ry ElAkim16.
625. ElAkim16 ( 06/10/2016 07:06)
Ny zavatra mba noraisiko teo @fiainana dia hoe aza manaratsy ny (an'ny) hafa mba hanatsarana (ny) anao fa juste we hambarao ny fahatsaranao (ao @nao). Za zany mahita hoe tsy de tsara loatra ilay hoe aratsiako izatsy na zaroa @zay izy hanaiky ny teniko, ary @ko dia methode tsy valable zany, iny moa zany mba anaty fonoteny ftsn!
Eny ary e!Ndao atao hoe nisy tsy fitoviana ary le Testamenta vao sy taloha, inona le tena tian'i Tealala ampfantarina @nay olona tsotra izay mamaky ary e? Le tena ao ambadik'ilay hoe "O re ol a, tsy mitovy zany anie ny lazain'le taloha sy ankehitriny e?" inona le tena tianao ampitaina @nay fa efa fantatray ary we tsy mitovy leiz zao hoy ianao!
626. tealala ( 06/10/2016 07:30)

Tsotra kely e, aza mijanona amin'ny hoe mino fotsiny fa efa mba mahafantatra dia ampitomboy ny fahalalàna, mitadiava ny marina dia atomboy hatramin'ny voalohany. Maro ireo fampianarana mivohy io resaka Andriamanitra io ka ny tsara ahitana ny tena izy ve tsy ny hoe mandehana amin'ny fototra. (raha liana sy te hanana fototra lojika tsy misy afa-tsy ny mikaroka sy mijery ny avy amin'ny fotony hoe fa maninona no izao no voalaza anatin'ny TT (Torah)
Noharin'Andriamanitra hitovy endrika aminy ianao misy antony ny nametrahany anao eto ambonin'ity tany ity, izay nasiny lalàna maro be dia be ka ao anaty Torah ny fomba hiainana eto.
627. tealala ( 06/10/2016 07:32)
"aza manaratsy ny (an'ny) hafa"
Aza manaratsy ny hafa tsara be izany, ka teto angamba tsy hoe nanaratsy ny hafa no nataoko fa ny fanehoan'ireo lojikan'ny hafa no nahatonga ilay kisarisary fanaratsina.
628. ElAkim16 ( 06/10/2016 07:47)
ialana tsiny ary raha diso ny fijeriko e! dia misaotra fa io zany no conclusion tokony ho raisina kay. Eto aho aloha dia te hiteny fa izaho koa dia mino an'i Jesosy fa hoe izy no Mesia. Fa ikarokaroka sy ampitombo fahalàlana mihtsy, izay no nandraisako anjara sy hitsidiako tato. Mankasitraka indrindra ho atsika rehetra izay nandray anjara tato
629. tealala ( 06/10/2016 07:53)

Tsy hankanery io ka libre ianao misafidy ny lalana izoranao.
Ianao no hisaorana, nandray anjara.
630. tealala ( 06/10/2016 07:59)
"izaho koa dia mino an'i Jesosy fa hoe izy no Mesia." ElAkim16
Aza mampiomehy ry RBNIR a, tazomy secret ao daholo ny fahalalànao fa aza terena ny olona hino fotsiny, ampianaro izy hafantatra ny zavatra hinoany fa tsy hoe tsy voavalinao ny fanontaniko dia secret daholo izao rehetra izao.
631. tealala ( 06/10/2016 08:06)

RBNIR:

Ka ianao ange tealala efa manomboka mino an'i Jesosy e

Rehefa anaovanao "démonstration par l'absurde" ve ny tenako tsy hino hanaraka ny lojikanao ihany.
Sa mandray zavatra mahadomelina ianao ao?
632. RBNIR ( 06/10/2016 08:10)
vakio ato tealala dia mba tonga saina amin'izay a!

TOKANA NO MBOLA NAHAVITA NANAPOROFO NY FIAINANA MANDRAKIZAY!!!

NY SISAN'IZAY RESABE FOTSINY FA TSY MBOLA NISY NAHAVITA NANAPOROFO NA DIA IRAY AZA!!

OTRANAO IZAO IHANY PAOLY TALOHA SAINGY NONY NAHITA FA VELONA IZY DIA TONGA SAINA ARY NIAIKY FA IZY IRERY IHANY TOKOA NY MARINA!!!
633. tealala ( 06/10/2016 08:14)

Nahavita ny mission an'ny messi angaha i Jesosy?
634. RBNIR ( 06/10/2016 08:22)
tealala:

Nahavita ny mission an'ny messi angaha i Jesosy?

Isika aty aoriana be aty : mety ho sarotra ihany no hitsara fa aleo ireo olona niaina tamin'izany no hanambara raha Mesia tokoa IZY na tsia (ireo no niara-niaina taminy ka afaka mitsara marina tokoa)

« Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy? » (Jaona 4:29)

Versets Parallèles
Louis Segond Bible
Venez voir un homme qui m'a dit tout ce que j'ai fait; ne serait-ce point le Christ?

Martin Bible
Venez, voyez un homme qui m'a dit tout ce que j'ai fait, celui-ci n'est-il point le Christ?

Darby Bible
voyez un homme qui m'a dit tout ce que j'ai fait; celui-ci n'est-il point le Christ?

King James Bible
Come, see a man, which told me all things that ever I did: is not this the Christ?

English Revised Version
Come, see a man, which told me all things that ever I did: can this be the Christ?

Niaiky ravehivavy fa izy marina tokoa ny Kristy na ny mesia....

Tonga hatrany amin'i pilato ny laza fa KRISTY marina tokoa i Jesosy : « Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy. » (Matio 27:22)

Matoa tonga hatrany amin'i pilato ny laza fa Jesosy no Kristy dia mazava ho azy, EFA BE DIA BE NO NINO SY NANKALAZA TAMIN'NY FOTOANANDRONY FA IZY MARINA TOKOA NO KRISTY NA MESSIA!!!
635. RBNIR ( 06/10/2016 08:22)
ARY JIOSY MAHAY SORATRA MASINA IHANY KOA IREO NINO SY NANKALAZA AZY HO KRISTY NA MESSIA IREO FA TSY HAFA AKORY
636. tealala ( 06/10/2016 08:25)
"Isika aty aoriana be aty : mety ho sarotra ihany no hitsara fa aleo ireo olona niaina tamin'izany no hanambara raha Mesia tokoa IZY na tsia (ireo no niara-niaina taminy ka afaka mitsara marina tokoa)"
O ranga ity a, mba fantatrao ve hoe inona avy ny mission tokony hataon'ny Messi.?
637. tealala ( 06/10/2016 08:27)

RBNIR:

ARY JIOSY MAHAY SORATRA MASINA IHANY KOA IREO NINO SY NANKALAZA AZY HO KRISTY NA MESSIA IREO FA TSY HAFA AKORY

Misy jiosy athée anie amin'izao vaninandro hiainantsika izao satria tsy afaka nianatra noho ny tsy fananany e, mandehana anie enao any ivelany any dia mitadiava jiosy tsy nianatra fa resinao lahatra eo no eo iny e.
638. tealala ( 06/10/2016 08:47)

zanatany romanina izy, nisy nahantra tsy afaka nianatra mihitsy izany tao ka iny i Jesosy nampianatra ireo lalàna hoe afaka tsy mifora intsony ianareo fa ataovy amin'ny fo ny fiforana. mety izay koa ny zavatra nitranga.
639. tealala ( 06/10/2016 08:49)
Fa porofoy eto ary fa vitany amin'ny maha messi azy dia vitany ny nampody ny jiosy rehetra teo amin'ny taniny, fa tsy niparitaka manerana ny vazantany efatra ireo jiosy ireo t@ izy hoe messi.
Alefa.
640. RBNIR ( 06/10/2016 08:54)
Aleo omena santionany indray ary ianao ry tealala a!! olona manampahaizana ary ny sasany aza dia efa mpamianatra ny Soratra Masina nefa resy lahatra:

1 « Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy. » (Jaona 3:1)
« Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin'i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe: » (Jaona 7:50)
« Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin'i Jesosy nony alina tamin'ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra. » (Jaona 19:39)

2 Lioka (dokotera)

3 Paoly apostoly « Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin'ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan'ny tongotr'i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin'ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an'Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny. » (Asan'ny Apostoly 22:3)

4 Matio mpamory hetra (mahay taratasy tsara)......

Sns.......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1978