Testamenta vaovao/Testamenta taloha

241. lahindroy ( 23/08/2016 15:46)

tealala:

... samihafa ny fijery an'ilay bibilava tao amin'ny sahan'edena, ny anao bibilava miteny sady ketrika be, ny ahy olona fa anarany ny hoe bibilava (misy olona hoe ralambo no anarany, misy anarana amin'ny teny hebreu hoe Ours, vorona olona anefa ireo)
bibilava amin'ny fampianarana noraisinay dia olona ihany phisiquement mitovy amin'i Adama,
bibilava : noho ny fananany toetrana bibilava angamba izy izay

salama

somary gaga sy talanjona ihany ny tenako mamaky ny fanambaran'i tealala;
ka bibilava sa olona ny tao saha edena e?

izao no vakiko ao :
"Ary ny menarana dia fetsy nohon'ny "bibidia rehetra" (biby izany io resahina io fa tsy hoe olona manana toetra-na menarana)izay nataon'i Jehovah Andriamanitra "
ary tena miteny tokoa ilay izy araky ny fanamaran'i rajhO
"Kanky !...aza ihinanareo ny hazo rehetra ao antsaha ?" ...ary hoy ny "menarana" tamin-dravehivavy "tsy ho faty tsy akory ianareo" ary angamba tena niteny hevreo ny menarana tamin'izany fotoana

ka iza no marina aminareo mpino : ilay voasoratra ao anatin'ny baibolinareo sa ny fampianarana nomena anareo taty aoriana ?

ary raha toa ka tsy marina io voasoratra io , nahoana no navelan'Andriamanitrareo nianaran'ireo mpanaradia azy mandrak'ity ny andronay kanefa zavatra diso ?

mety sarotra be tamin'ilay Jehovah Andriamnitrareo ve no nilaza hoe "olombelona ihany io miseho ho bibilava" io fa saingy manana toetra fetsifetsy tahakan'ny menarana ? (ny menarana tokoa ve no biby fetsy indrindra eto an-tany ?)

sao dia mba olombelona ihany no namorona sy nanoratra an'izany rehetra izany ?
242. rhaj0 ( 23/08/2016 16:02)
Bebe ihany izay resaka mandeha izay, fa izao no fahatakarako an'ilay izy

1- ao ny Mpino (Kristiana) toa an-dry RBNIR, ka hoe, dia raisiny ara-baki-teny ireo "tantara" ao @ Baiboly. Eto izany dia tena bibilava tena bibilava fa TSY olona io "miteny" ao @ sahan'i Edena io. Satria, lojika-na-RBNIR, tsisy olona hafa mbola teraka, satria mbola tsy nahazo baiko i Adam sy Eva ny hiteraka.

2- ao ny Mpino hafa, izay mahita fa absurde izany scenario-m-Baiboly izany, ary dia mila spin-ner-na kely na be.
- Ka ao izany ireo Mpino izay milaza fa parabaolina daholo izany f'aza raisina au premier degrE eee...
- Na koa, nosoratana @ reference ahatakaran'ny olona azy ny resaka Genesisy io, ka izany no mampisy bibilava sy olona mbola miboridana ao @ sahan'i Edena. Fa rahefa mivoatra ny fahalalan-draolombelona, dia ho amena "tantara" @ l'heure marina kokoa izy.
- Na koa, misitery izany zanakou fa aza miditra lalina @ izany, rahefa TSY takatrao : minou fotsy.
- Na koa toa an'i Tealala (sy ny be-rebareba mpampianatra azy ao) : tena aholana tanteraka ny tantara. Koa na "creation" (n'ny olb) azany ny resaka, dia kay efa misy olb hafa koa ao.
- Na koa...

Fa raha fehezina, dia ... tena voalazanao: "olombelona ihany no namorona sy nanoratra an'izany rehetra izany", ary olombelona ihany koa io manao interpretation, na mandray ny tantara, araka ny mampetimety ny eritreriny ao io.

243. tealala ( 23/08/2016 17:09)

lahindroy:


tealala:

... samihafa ny fijery an'ilay bibilava tao amin'ny sahan'edena, ny anao bibilava miteny sady ketrika be, ny ahy olona fa anarany ny hoe bibilava (misy olona hoe ralambo no anarany, misy anarana amin'ny teny hebreu hoe Ours, vorona olona anefa ireo)
bibilava amin'ny fampianarana noraisinay dia olona ihany phisiquement mitovy amin'i Adama,
bibilava : noho ny fananany toetrana bibilava angamba izy izay

salama

somary gaga sy talanjona ihany ny tenako mamaky ny fanambaran'i tealala;
ka bibilava sa olona ny tao saha edena e?

izao no vakiko ao :
"Ary ny menarana dia fetsy nohon'ny "bibidia rehetra" (biby izany io resahina io fa tsy hoe olona manana toetra-na menarana)izay nataon'i Jehovah Andriamanitra "
ary tena miteny tokoa ilay izy araky ny fanamaran'i rajhO
"Kanky !...aza ihinanareo ny hazo rehetra ao antsaha ?" ...ary hoy ny "menarana" tamin-dravehivavy "tsy ho faty tsy akory ianareo" ary angamba tena niteny hevreo ny menarana tamin'izany fotoana

ka iza no marina aminareo mpino : ilay voasoratra ao anatin'ny baibolinareo sa ny fampianarana nomena anareo taty aoriana ?

ary raha toa ka tsy marina io voasoratra io , nahoana no navelan'Andriamanitrareo nianaran'ireo mpanaradia azy mandrak'ity ny andronay kanefa zavatra diso ?

mety sarotra be tamin'ilay Jehovah Andriamnitrareo ve no nilaza hoe "olombelona ihany io miseho ho bibilava" io fa saingy manana toetra fetsifetsy tahakan'ny menarana ? (ny menarana tokoa ve no biby fetsy indrindra eto an-tany ?)

sao dia mba olombelona ihany no namorona sy nanoratra an'izany rehetra izany ?

Ianao angah efa nahita bibilava niteny?
Ary sao dia ny olombelona ihany koa no namorona ny atao hoe atome?
Ary sao dia ny olombelona ihany koa no namorona ny lalàna hoe rehefa mikambana ny H2 sy ny O dia lasa rano?
244. rhaj0 ( 23/08/2016 18:49)
tealala:
Ary sao dia ny olombelona ihany koa no namorona ny atao hoe atome?
Ary sao dia ny olombelona ihany koa no namorona ny lalàna hoe rehefa mikambana ny H2 sy ny O dia lasa rano?

Ts'haiko aloha hoe, toatoa ny ahoana ny niveau de connaissance-nao ny @ siansa, na ny fiasan'ny siantifika, na koa ny tantaran'ny siansa. Dia lazaiko dieny mialoha fa dia SAMY HAFA be @ fi(s)ainana Mpino Baiboly/Torah/... Ka ianao ihany moa no efa niteny hoe, reference SAMY HAFA, ka dia lasa resaky ny moana sy marenina ity raha mitohy.

Fa raha ianao moa faly am-panahy ary salanitra ao @ fi(s)ainana sy "fahalalana" sintomina avy @ Baiboly/Torah/sns... dia.. eny azany ho'a, mahasoava amin'azy ao. Fa izaho koa faly saina ary salanitra koa @ Siansa.




Fa ny maha-samy hafa antsika dia izao:
- ianao (Mpino) mikatsentsitra tsy an-kenatra ny vokatry ny "fahalalana" vokarin'ny Siansa.
- izaho (atheista) mivanitika gilady ary tsy an-kenatra rahefa mahare ny "fahalalana" vokarin'ny Baiboly/Torah.

Ka miombo-kevitra ve azany k'lou isika @ io maha-samy hafa antsika io ee ?? :-)

245. RBNIR ( 24/08/2016 05:00)

rhaj0:

RBNIR:
vakio ange ny asan'ny apostoly raha tsy tantara nataon'i etiena e....

Bravo RBNIR... kay "tantara" ity "asan'ny apostoly"... Ary "valamaty", satria ianao RBNIR ihany no niteny fa (isy DISO ilay izy.

koa raha "tantara valamaty" ilay izy, inona no mampivaralila anao ao, dia m(amp)atahotra anao ao, koa zavatra TANTARA VALAMATY lay izy, hoz'ianao ihany.

Ahitsiko kely fotsiny, mifototra eo amin'ny "recit" nataon'i etiena ny resantsika.....recit izay hita fa "toa" mampifangaro ny zohy novidin'i Abrahama sy ny tany novidin'i Jakoba....

Araka ny efa nambarako izany tsy hahafahana milaza velively fa diso ny testameta vaovao....
246. RBNIR ( 24/08/2016 06:35)
tealala:

ie haiko fa be dia be.. raha ianao io izao dia avilavilan'i rhajo mihitsy rehefa mamaly na ny zavatra teneninao aza sarotra ny hino azy..
Ny antsika fotsiny izao dia samihafa ny fijery an'ilay bibilava tao amin'ny sahan'edena, ny anao bibilava miteny sady ketrika be, ny ahy olona fa anarany ny hoe bibilava (misy olona hoe ralambo no anarany, misy anarana amin'ny teny hebreu hoe Ours, vorona olona anefa ireo)
bibilava amin'ny fampianarana noraisinay dia olona ihany phisiquement mitovy amin'i Adama, ary i Adama dia tsy anarana fa "homme" mahantra vahambolana moa izany ny tany sasany dia "Adam" homme fa tsy mitovy amin'ny hoe "ich" homme ihany koa "icha" femme (ataovy ao an tsaina foana hoe hebreu ny Torah) nouveau testament grecque
bibilava : noho ny fananany toetrana bibilava angamba izy izay
ary taty amin'i Noah, niova ao iany ilay resak'areo sy rhajo, dia aza adiny fa nisy biby maloto sy biby madio nampidirina tao.

Ilay bibilava kosa efa nolazaina hoe i satana (na devoly) ihany e....« Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. » (Apokalypsy 12:9)

247. RBNIR ( 24/08/2016 06:39)
ny devoly dia mahay mampiova endrika....« Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. » (2 Kor.11:14)

Indraindray aza ny devoly misandoka ny tenany ho Jesosy dia mampianatra zavatra diso amin'ny mpino kristianina mihitsy....

Eo no mila fahendrena lalina dia lalina, rehefa tsy mitovy amin'ilay fampianarana tsy misy kilema nampianarin'i kristy fahiny dia aza mino mihitsy na inona lazainy na inona.....
248. RBNIR ( 24/08/2016 07:07)
« Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy* izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona** izy. [* Na: manohitra] [** Gr. anatema] » (Galatiana 1:8)


Araka io teny io dia mety hisy hampianatra filazantsara hafa (eny fa na dia ireo apostoly fahiny aza) koa tsotra ilay izy e, fantaro ilay tena filazantsara (ilay nampianarin'i Jesosy fahiny) dia n'iza n'iza mampianatra zavatra tsy mitovy amin'iny dia tsy izy avokoa (eny fa na dia ireo apostoly fahiny aza satria mandeha hono ny feo fa misy filazantsara miparitaka any hafa miohatra ireo naton'ny apostoly fahiny, eny fa na dia anjely avy any andanitra aza (io ilay hoe devoly mody mivadika kristy dia mampianatra zavatra diso tsy mitovy amin'ilay tsy misy kelema fahiny
249. lahindroy ( 24/08/2016 10:18)
salama tompokolahy , salanitra tompokovavy
ary arabaina manokana i tealala izay nanoratra hoe :

"Ianao angah efa nahita bibilava niteny?
Ary sao dia ny olombelona ihany koa no namorona ny atao hoe atome?
Ary sao dia ny olombelona ihany koa no namorona ny lalàna hoe rehefa mikambana ny H2 sy ny O dia lasa rano?

ny tenako aloha ry tealala dia tsy mbola nahita bibbilava niteny ,saingy marihako kely fotsiny fa tsy izahay , tsy izaho izay mihevitra fa ny boki-pinoana , na baiboly io , na rig-veda na coran na ny avesta...dia samy nosoratan'olombelona daholo ;araky ny efa novelabelarin'i rajhO ery ambony dia ny mpanaradia ny baiboly no mety hino ny fahamarinan'izany ara-bakiteny na koa mandray an'izy ireny ho endri-panazavana hevitra na anatra na fanoharana ...

aleo dia tsoriko : ireo fanontanianao roa manaraka kosa dia mitory fisainan-jaza mba tsy hilazana hoe fahavendranana ara-tsaina !

izany ve no ateraky ny fanasana atidoha miompampana hita sy tsikaritra eny amin'ireo izay voafandriky ny sekta isan-karazany izay mahasarika ny maro amin'izao fotoana ?

sa tsy fahalalana ny manavaka ny ny foto-pisainana vohizin'ny finoana amin'ny vokatra sy ny famakafakana takian'ny siansa ?

miteniteny foana tahak'izany daholo ve ny mpino ? mino aho fa tsia ny valiny !

250. tealala ( 24/08/2016 12:06)
Fanontanian-jaza ve sa tsy misy afaka mamaly? haha!!!
Ianareo anie no tsy mijery hoe ao anaty baiboly misy lalàna misy ny hatao hoe "lois de la nature" ahafahantsika olombelona miaina eto an tany.
Dia ny olombelona koa mametraka ny lalàny mba hiainany eto.
Tsy haiko raha takatrao ny tiako hatongavana.
251. lahindroy ( 24/08/2016 13:14)

tealala:

Fanontanian-jaza ve sa tsy misy afaka mamaly? haha!!!
Ianareo anie no tsy mijery hoe ao anaty baiboly misy lalàna misy ny hatao hoe "lois de la nature" ahafahantsika olombelona miaina eto an tany.
Dia ny olombelona koa mametraka ny lalàny mba hiainany eto.
Tsy haiko raha takatrao ny tiako hatongavana.


fahafahana mamaly ve sa kosa fiheverana fa fanontaniana tsy mitombina , tsy vitann'y hoe amina maha fanontaniana azy , fa indrindra amin'ny fifandraisany amin'izay voalaza talohany (ny maha biby lava na tsia an'ilay ...biby lava ao anaty Genesisy ) izay tahakan'ny fanaonao dia ahodinao zavatra hafa-mbola tsindriako fanindroany fa tsy misy fifandraisany akory !

ny lalan'ny natiora novokarin'ny famakafakana sy ny fikarohana siantifika , hatrany am-piandohany dia azo nampiarina namoronana fitaovana samihafa nampisain'ireo olona taloha ary indrindra ny amin'izao fotoana izao

olona amina miliara maro no efa niaiana teto an-tany hatramin'izay naha olombelona misaina azy tsy nahafantara sy nila izany "lois de la nature" novokarin'izany baibolinao izany , satria samy nandinika sy naka lesona tamin'izay ninoany ka nafahany ...niaina teto an-tany :ny lalàna tokony hifehy ny fiaraha-monina (sao dia heverinao fa ny didy folo ihany no namehy ny olombelona hatramin'izay nisiany), ny zavatra azo ho hanina sy izay mety mahafaty (ny baibolinareo ihany no nadika an'izany ho ...fahotana mahafaty )...angamba ny "fanasarahana ny ranomasina ho roa amin'ny alalan'ny faninjirana ny tehana ihany na koa ny fanerena ny masoandro hijanona mba afahan'i Josoa hamono ny fahavalo " no mety ho lalàn'ny natiora hafakely tsy novokarin'ny fisainana fa mitaky kosa , hoy ny mpino , ny filatsahann'y fanahy masina ao anaty atidoha ...mba hanaiky ny fahamarinany

ny "lois de la nature" novokarin'ny siansa kosa ry tealala dia afaka mampiasa sy mampihatra azy daholo , eny na dia ianao io aza , rehefa mampiasa ny findainao , ny ordinateranao , ny jiro ampiretinao rehefa alina , ny fanafody sy ny fitsaboana atolotra anao sy ny fianakavianao rehefa marary ...tsy mila filatsahan'ny fanahy masina vao mandaitra izy ireny fa na dia "jentilisa" tahakanay aza dia ...afaka mifandray aminao eto!
252. rhaj0 ( 24/08/2016 13:23)
tealala:
Ary sao dia ny olombelona ihany koa no namorona ny atao hoe atome?
Ary sao dia ny olombelona ihany koa no namorona ny lalàna hoe rehefa mikambana ny H2 sy ny O dia lasa rano?
rhaj0:
Ts'haiko aloha hoe, toatoa ny ahoana ny niveau de connaissance-nao ny @ siansa, na ny fiasan'ny siantifika, na koa ny tantaran'ny siansa.

tealala:
Fanontanian-jaza ve sa tsy misy afaka mamaly? haha!!!
Ianareo anie no tsy mijery hoe ao anaty baiboly misy lalàna misy ny hatao hoe "lois de la nature" ahafahantsika olombelona miaina eto an tany.
Dia ny olombelona koa mametraka ny lalàny mba hiainany eto.

Raha ny @ ataoma, ohatra hoe, ny atoma izay mi-constituer ny sela @ masonao io, dia ... efa hoe "rien ne se perd, rien ne se cree, tout se transforme".

Ka io sela @ masonao io dia nisy processus lavabe, ary dia ny fitomboan'ny sperme an-drainao sy ny ovule-ndreninao izay nihabevoho hatrany no lasa io masonao io. Ka TSISY "namorona" ny masonao... sy ianao, fa nisy processus lavabe ka nahatonga ho maha-ianao anao io.

Fa raha TSY takatry ny hoza-dohanao moa izany, dia akapohy fotsiny hoe, hozy ny Torah sy ny olombe t@ -3000 an lasana hoe, ianao (sy ny masonao) io, dia "noforonin'i yhwh". Dia mijanona (ao @ izay box-kely izay) ianao.

Fa raha mba takatry ny hoza-dohanao ihany ilay processus, dia ndao tohizana.

Ilay atoma tao @ sperme an-drainao indray, dia rahefa atao rewind na hoe rebobiner-na ny fotoana, dia hita tao @ sperme an-drain'ny raibenao ets...

Dia raha TSY takatry ny hoza-dohanao indray moa izany, dia akapohy hoe, hozy ny Torah sy ny olombe t@ -3000 an lasana hoe, ilay raibenao io, na i Adama, no "noforonin'i yhwh", fa TSY ianao na ny sperme-ndrainao.

Fa raha mba takatry ny hoza-dohanao ihany ilay rebobinage, dia ndao tohizana.

Dia lay atoma iny niampitapita, ary tany @ ilay lasopin'i Big-Bang ny constituants no hita.

Dia ... raha tsy takatry ny hoza-dohanao indray io dia .. akapohy fotsiny hoe YHWH dia lehibe sady avo ee....


Fa na tsy mazava azany io farany io, dia hono ho'a ry Tealala, inona @ "in progress my siansa" no tsy azonao? Hoe "mivoatra" ary "mitombo" hatrany ny fahalalan-draolombelona? ka na "tsy mazava" izao azany io resaka farany io, dia ho mbola voazavan-draolombelona foana any aoriana any??

253. tealala ( 24/08/2016 13:27)
Didy folo kay no mba hainao dia lazainao fa ireo no resahiko eto ko.
254. rhaj0 ( 24/08/2016 13:32)
Ka azonao ve ry Tealala ireo processus lavabe, sa dia... aleonao dia akapoka fotsiny hoe,
- ilay redirevin'i Torah/Baiboly,
- izay nosoratan'olombe t@ 3000 taona lasana,
- nifototra t@ niveau de connaissance-ny t@ izany fotoan'androny izany,
- ny resak'ireny no mazava kokoa,
- ka dia aleo izay no atao fiki-maty eto, na dia efa nitombo betsaka azany ny fahalalan-draolombelona.
255. tealala ( 24/08/2016 13:45)
Ka izaho anie rehefa miteny dia afangaronareo hoe miresaka boky fizika, matematika na tantara e.
"rien ne se perd, rien ne se cree, tout se transforme" ka ianao tsinona efa izay no ao an-tsainao izay no nianaranao dia tsy maintsy ny loi de Lavoisier daholo izy aminao. satria izy tsy nahita hoe taiza ho aiza ilay création fa dia teo amin'ny transformation no betsaka hitany, izany hoe tsy misy fiandohana mihitsy izany ny zavatra iray.
sady ny mi-interresser ny Torah dia Adam sy ny taranany.
256. rhaj0 ( 24/08/2016 14:50)
eny ho'a ee.. dia nijanona teo @ Adama izany ny (fahaizanao) nampiasanao ny hoza-dohanao, ary dia izao abobo lazain'ny olombe de l'an -3000 izao foana no ataonao fiki-maty ao eee...

Fa soa ho'a fa ny Ankizy ankehitrio, mba manita-tsaina, dia misokatra, dia mba hahazo ny Siansa eee.. efa vitan'ny artista ankisary youtube, efa sintomin'i google dia araviny daholo izao fahalalana izao, ary dia mora miitatra ny saina rahefa mitsikarokaroka eto.

Fa dia henatra be vata ho anao ho'a ry Tealala, fa mba mahatakatra interinety ahafahana hanitara-tsaina ihany ianao, nefa dia aleonao mievoka boky tonta ao. Ny antitra sy ireo zoky taloha azany ho'a efa tsy fidiny tsy mba afaka nanita-tsaina, na ny bibilioteka azany tsy ampy boky, nefa ianao dia io no ataonao. Izany dia tena mandatsa manompa ny zokinao mihintsy.. Ataovy ao foana moa, fa dia hivanitihan'ny Ankizy ho'a ianao ary avelany hihahaka any ianao sy ny hevoka boky tontanao, rehefa izany no safidinao ao kouh...
257. lahindroy ( 24/08/2016 15:07)

tealala:

Ka izaho anie rehefa miteny dia afangaronareo hoe miresaka boky fizika, matematika na tantara e.
"rien ne se perd, rien ne se cree, tout se transforme" ka ianao tsinona efa izay no ao an-tsainao izay no nianaranao dia tsy maintsy ny loi de Lavoisier daholo izy aminao. satria izy tsy nahita hoe taiza ho aiza ilay création fa dia teo amin'ny transformation no betsaka hitany, izany hoe tsy misy fiandohana mihitsy izany ny zavatra iray.
sady ny mi-interresser ny Torah dia Adam sy ny taranany.


ka io ange safidy sy kolotsaina ry tealala e!
ny anareo dia Adama sy taranany sy izay lazain'ny Torah (Genesisy...) no fiandohana ; fa nahoana moa no io tokoa no fahamarinana ?

ny an-dry zareo Inca dia avy ao amin'ny farihy Titicaca no nivoahan'ny Viraco namoaka ny masoandro , ny volana , ny kintana ...ny olombelona naataony avy amin'ny tany manga (hita koa izany amin'ny finoan-dry zareo avy ao Mesopotamie -izay mety nisy nanao kopi-Kolé taty aoriana (fantaro hoe iza ary izany ? )
tsy resahiko akory ny fomba nijeren'ny Grika , ny Ejiptiana , ny Shintoiste , ny Bouddhista , ny Hindouista ...ny Malagasy an'izany "fiandohana" izany -raha toa ka tena nisy fiadohana tokoa

matoky aho fa raha tany Mayapan ianao no teraka , 1500 taona lasa izay ohatra , dia tsy Adama na i Eva na i Abrahama ...na i Yhwh no loharanon'izao tontolo izao fa i ...Itzmana sy Ixchel fa saingy indrisy naringan'ny taranaky ny mpanompon-dry Adama sy Eva ary indrindra ry Jesoa ( sa moa Yeshua) ry zareo sy ny kolotsainany ka ny mpahainifahagola sisa misikotra an'izany kolotsaina izany avy ao anaty tany
hiteny angamba ianao hoe tao Jerosalema na koa teny Ambohimalaza (miaraka amin'ireo Jiosy malagasy) ianao no teraka ary nosafidian'i Yhwh manokana mba hanandratra ny anarany sy ny voninahiny ...koa dia io ilay hoe aza miady vintana amin'y akloho fa iretsy olona aman'etsiny na aman-tapitrisany kosa izay tsy mba ...voafidy manokana dia :
-na izy manohy misaotra ny Andriamaniny ( Zanahary , Viraco , Brahma na koa ny "chaos primordial" no noderainy )
-na kosa mampiasa ny sainy mikaroka sy mamakafaka ny natiora , tsy mijanona mitsikera izay lazaina fa "fahamarinana tokana" ary indrindra mihezaka manangana sy manolotra fahalalana vaovao
258. RBNIR ( 25/08/2016 13:44)
Famintinana : ny fahitana zavatra toa mifanohitra ao anaty baiboly v afaka hitsarana fa tsy marina ny baiboly na ny testameta taloha na ny testameta vaovao?
Valiny : tsia,
Misy citation ao anaty baiboly ary Andriamanitra tsy manova "citation" ataon'ny olona...
Fahamarinana daholo izany : tsy misy amboamboarina ao anaty baiboly....
259. tealala ( 25/08/2016 14:50)
1) Mikal avait-elle des enfants ou pas (2 Samuel 6.23; 2 Samuel 21.8) ?
reponse :
Il est écrit dans Chmouel II, chapitre 6 verset 23, (après que Mikhal ait critiqué le roi David) elle n'a plus eu d'enfants jusqu'au jour de sa mort.
Or, il est écrit dans Chmouel II chapitre 21 verset 8 qu'elle en avait ; la réponse est simple :
Elle en avait déjà eu auparavant avec le roi David (avant qu'elle n'ait cette dispute avec lui), mais dès ce jour elle n'en a plus eu.
2) Yitra était israélite (2 Samuel 17.25) ou ichmaelite (1 chroniques 2.17) ?
Ytra était israélite mais il habitait dans le pays d'Ichmaël, c'est pour cela qu'on l'appelle tantôt israélite d'après sa vraie nature et tantôt ichmaélite d'après son pays d'origine.
‘Hazal ont dit que lorsqu'il venait en Israël on l'appelait ichmaélite, et que lorsqu'il se trouvait dans le pays d'Ichmaël on l'appelait israélite.

Izao no fanazavana rehefa misy zavatra tsy mitovy anaty Torah
NT : diso Etienne, tsy fantatra na i Matio no nandiso na i Lioka.
260. tealala ( 25/08/2016 14:57)
Ny zavatra tian'dry rhajo sy Lahindroy anontaniana any anaty cours vidéo no misy ny valiny, fa na ho alefa eto aza tsy hisy hijery tahaka ny an'i Herinirina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6055