Fa an iza i madagasikara

1. Tovorandria ( 16/07/2016 15:48)
Mba fantatsika ve ny nahazo ny vahôkan i Soamahamanina izay miaro ny taniny tsy anjakazakan ny vahiny nefa d ny vahiny no mahazo ny rariny fa gasy miady ho an ny taniny indray no vonoin ny emmoreg ôtran ireny mamono valala irenY?? Tena mampalahelo , fa d vôvidin ny vahiny ambongadiny mints ve i madagasikara iray manontolo e, ny olona saropiaro any @ taniny mo le manampahefana gasy natao hanao solda na harenam pirenena sarobidy zay an ny gasy iray manontolo nefa anjakazakan olom bitsy d vitsy
novalian'i romi16 ny 28/08/2016 18:51
2. thyna ( 17/07/2016 00:54)
Hiala maina fotsiny eo ny vahoakan'ny Soamahamanina e!Io zany tsy tokony ho ry zareo irery no hihetsika fa ny manerana ny nosy mihintsy e!Manao hetsika lehibe hanairana ireo mpivarotra tanindrazana ireo ny eran'ny Madagascar vao mety hitsahatra io!Tadidio fa ny ministry ny harena ankibon'ny tany aza efa natao metisy sinoa,azonao angamba izany ny mety ho vokany atsy ho atsy(Ary mba tsy nataony karàna aza ny minisitry ny fitaterana)ka raha avela hiady irery toa izao ny vahoakan'ny Soamahamanina dia ho reraka fotsiny toy ilay nitranga teny Anjozorobe izay nisy maty mihintsy!Ary io no hita maso hatreto fa raha ny any lavidavitra any efa maro no efa lasany.
Ny mpitandro ny filaminana efa tsy antenaina intsony fa ny tsaratsara angamba ny dahalo indray no hiaro ny vahoaka sy ny fananany atsy ho atsy!Tadidio fa ho toy ireo nitranga ireo no zavatra hitranga @ fotoana handroahan'ny vahiny ny Malagasy rehefa tapitra voavidiny i Madagasikara!Hatreto aloha dia hisasahana @ vahiny izany i Madagaskara satria ny vahiny indray no arovana!Ny vahoaka malagasy iray manontolo mihintsy no tokony ho taitra e!
3. Tovorandria ( 17/07/2016 08:24)
Ny olana anie d zao e: mitsangana ny vahoaka mangataka alalana @ tsy fankasitrahana ny zava misy ataon ny mpitondra nga na autorisation ahafahanao miara mientana @vahôka aza azonao?? Ts tadidinao nga le teny analakely le olona niady ho an ny iles eparses sy ny tany ts amidy @ vahiny ireny fa mba saika haneho hevitra ary hanasa ny vahôka ze ts mankasitraka @ zava misy indrindra ny tany amidy @ vahiny fotsiny ireo olona ireo d bômba lakrimôzena no nanaparitahana az ireo ?? Zany hoe izaho, ianao, isika rehetra ts mankasitraka izany saingy an zareo ny fahefana, ny basy, be ny vahôka no mihorohoro na d maita an reo miaramila be zesta mapidera basy eny antanany eny aza. Ny mbola mampalahelo tompoko d NY MIARAMILA NATAO IARO IREO OLOMBITSY SY NY TOMBOTSOANY ANANGO KARENA ANATY FOTÔNA FOHY FA TS NATAO IARO NY MALAGASY SY NY FANANANY ZANY.
4. angouz ( 19/07/2016 17:52)
Raha mba nisy azoko atao de nanao za saingy tsy misy azoko atao fa de malahelo aho milaza aminareo fa dia tafiditra ao anatinio ny tanin-drazanay(izany hoe tany lovanay) fa dia mampitehanompa mihintsy fa de akory atao fa vohitsakitsaka ny marina e ! :-(
5. rabaradaka ( 04/08/2016 11:50)
Mba hidirko ity resaka ity satria avy any aminay, izahay vahoakan'Itasy?
Ny fifanarahana mikasika an'io Soamahamanina io dia tena tsy mazava satria nahilik'ingahy ministry ny Harena an-kibon'ny tany any amin'ilay Talé izay tsy tompon'andraikitra akory amin'io resaka io ny raharaha.
I Hery Rajaonarimampianina no tena atidoha tao ambadika.
Ny fijoroan'ireto mpanao politika milaza ho manohana an'io hetsiky ny vahoaka io koa dia tena manimba zavatra. Aleo hijoro izahay fa tsy avelanay io na ho faty eo daholo aza izahay
6. romi16 ( 28/08/2016 18:51)
Tsy mbola antsika Madagasikara porofon'izany mbola tsy azo omena Malagasy ny tanin'ny colon taloa ozy ny HCC!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5015