Aza mitsangana ry Malagasy ! Mila olom-baovao isika

1. rabaradaka ( 11/07/2016 09:30)
MITSANGANA RY MALAGASY
Hoy aho indray hoe AZA MITSANGANA RY MALAGASY raha ireo jiolahy politika ireo no hitarika ny hetsika.
Iza no tsy nahalala ny halatra tany an-tapitrisany hectare nataon'izay Hajo Andrianainarivelo izany teto Madagasikara, iza no tsy naheno izany risoriso tamin'ny licence de pêche nataon'ny ministre Alain Andriamiseza izany, iza no tsy naheno hoe vola amin'ny sacoche be dia be mihitsy no azon'ny Christine Razanamahasoa tamin'ny afera maloto nataony (nefa mba hoe Mpiandry hono), iza no tsy nahalala ny adalan'ny PM Beriziky izay nandohalika tamin'ny Président Transition Rajoelina, ... Ireo ve no azo antenaina hitondra famonjena ny vahoaka sahirana ?
Tsia avy hatrany ny valiny !
Mila olom-baovao ny firenena !
Mijoroa ! Sahia ! Miandry anao i Madagasikara !
novalian'i romi16 ny 28/08/2016 18:50
2. Tovorandria ( 11/07/2016 18:07)
Marina ny anao Rabaradaka, tena mahantra fadiranovana ny gasy ankehitriny, nefa kosa tsy ireo jiolahimboto ireo no afaka hanarina azy, vô maika aza mandeha isan ora ny afera bois de rose ra ireo no eo. Mila olona manan tsaina i madagasikara , be anefa ireo manantsaina, manana traikefa fa takona satria mbola izy mianakavy mbola manjaka @zao no manjaka ankehitriny. Azy ny lapa d ze tiny atao lo no ataony
3. rabaradaka ( 12/07/2016 11:18)
aleo isika rey olona mitady olom-baovao satria efa tsy mety intsony ity fitondrana HVM ity e !
Afabaraka mihitsy ange isika amin'izao fandalovan'ireo parlementaire francophone ireo e ! Tena baraka tsisy toa izao !
4. Tovorandria ( 14/07/2016 15:33)
Ka le milaza azy fa olombaovao aza vô may manondrana ko. Mankaleo. Ra tena misy ny fifidianana ara demokratika d mba faly aho farafaharatsiny fa ts olona apetraka @ fomba maloto fôna no eo. Ra tsy manjaka mants ny mangarahara ts isy na ovina ny fapandrosoana
5. romi16 ( 28/08/2016 18:50)
Sady maro @n'ny mitarika ny Mitsangana ry Malagasy nge no anisan'ny nivarotra tany t@ vahiny t@n'izy ministra eh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9774