Ady @ Habadoana: Ny Sigara

1. rhaj0 ( 31/05/2016 11:10)
Androany 31 May ny Andro Iraisam-Pirenena Iadiana @ Fifohana Sigara
http://www.journee-mondiale.com/164/journee-mondiale-sans-tabac.htm

Efa fantatra izany izao fa ny sigara dia - mahavoan'ny cancer - mahatonga olana ara-pahasalamana ho an'ny zaza ao am-bohoka - sns... Ankoatry ny ilay raha simika nicotine, dia ny olana iray koa, dia ilay tsy fahampian'ny okisizena ao @ tena, ka mahatonga, ohatra, ilay fahasahiranana-rahefa-midangitra (dysfonction erectile). Ary tsy ilay mifoka ihany no voany, fa izay manodidina miaina @ ity rivotra maloto koa.

Ny ataon'ny aty @ ito Ady @ Habadoana ito, tsingolohako vitsivitsy eto, dia ireto voapetraka ho lalàna ireto:
- TSY mahazo atao mivelatra ho hitan'ny mpanjifa ny sigara any @ mpivarotra (fa tsy maintsy atao any anaty vata sarihana)
- TSY mahazo mifoka sigara eny @ restau sy izay toerana public mihidy, ary koa eny @ parc
- TSY mahazo mifoka sigara ao anaty fiara misy zaza latsaky ny 16 taona
Marihina kely fa ilay e-cigarette (electronic), dia vao mainka lozabe, rahefa afangarongaroin'ny sasany raha manapoizina ilay ho fohana. Ary ny sigara "natioraly" koa, dia mavesatra kokoa ny tahan'ny poizina ao aminy.

Ka ahoana azany no hanampiana ny olona hiala @ sigara, satria ny herintsaina fotsiny dia tsy ampy. Ny toro-hevitra vao reko teo, dia ampiarahina fomba-fiaina-madio (hygiene de vie) ilay ezaka atao : ara-tsakafo sy fanatanjahan-tena, yoga sy torimaso madio, ary ara-tsaina sy fiainana sosialy mifanohana.

Ilay fiainana sosialy (sy pisikolozika) ito, dia hita izao fa hotry ny anti-depressif ihany ilay nicotine (jereo eto). Izany no mahatonga ireo sahiran-tsaina dépressif, raha vao miala sigara dia mivaralila. Tsy hoe, tsy mahatsiaro ho sexy intsony izy satria tsy mifoka sigara, fa mety olona dépressif mihintsy izy ao.

Ka ilay ady @ habadoana (sigara) izany, dia mila jerena ny fiainana manontolo, fiainan'ny tena sy fiainana sosialy, fa tsy hoe, toa ny miala tsy mihinana voamadilo sy sakay fotsiny io dia basy.
novalian'i rhaj0 ny 31/05/2016 14:58
2. angouz ( 31/05/2016 14:18)
Salama ! maladie chronique izy io fa dia maro no tsy miaiky fa manandevo izy io ary aleon'ny mpifoka tsy mahita hoanina toy izay tsy mifoka ary dia manapotika fiainana tokoa izy io .
3. rhaj0 ( 31/05/2016 14:58)
Asa hoatrinona ny paquet-na sigara any izao, fa aty ohatra, ny singany ananki-20, dia eo @ 10$ CAD eo ny mora indrindra, izany hoe, azahoana
- sakafo ho an'ny lehibe iray sy ny zanany any @ MacDo
- na mofo bagety ananki-10
- na vary 10 kilao
- na ronono 8 litatra

Dia raha atambatra ny mandritra ny 50 taona nifohana... dia ganga ianao hoe fa maninona ilay olona no mahantra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.546