hazon'aina

1. angouz ( 26/05/2016 21:13)
Jenezy 3:24, Apok 22:2 mba azavao kely azafady fa tena tsy azoko
novalian'i rhaj0 ny 20/06/2016 11:16
2. stahtam ( 27/05/2016 09:23)

[quote=angouz]
Jenezy 3:24, Apok 22:2 mba azavao kely azafady fa tena tsy azoko
[quote=stahtam]
HO AN'IZAY MINO NY ZAVATRA VOALAZAN'NY BAIBOLY ALOHA ITY RESAKA ITY SAO MIFANGARO. Mariho fa @ fotoana tsy misy fahotana no iresahana io hazon'aina io: tany @ fiandohana (fony mbola tsy nanota) sy any @ fiafarana (rehefa tsy misy ota intsony). Mariho koa fa izay mihinana azy io dia tsy mety maty intsony fa velona mandrakizay, izay no mba fandinihana avy aty amiko ka asa nahaafa-po anao ve?
3. angouz ( 27/05/2016 13:18)
Mazava ! misaotra ?
4. angouz ( 27/05/2016 13:42)
Misaotra fa ilay dikany ny Apok 22:2 no somary tsy dia takatro loatra, izaho angaha mo nilaza oe tsy mino izay lazainy baiboly fa ny miaina izay lazainy no ataoko fa tsy dia hoe miady hevitra be mifanohitra etsy sy eroa fa tsy aleo ve mifanohana toy izay hifanipaka eee !
5. rhaj0 ( 27/05/2016 21:02)
Raha mahay mi-google ianao dia hahita hazon'aina be dia be... Fa dia mirary faran'ny herinandro zambatra miaraka @ izany eee :-)

6. lahindroy ( 28/05/2016 06:38)

[quote=rhaj0]
Raha mahay mi-google ianao dia hahita hazon'aina be dia be... Fa dia mirary faran'ny herinandro zambatra miaraka @ izany eee :-)

marvellous
tena tsy takatro indray ny valin-teny tahak'itony izay tena sahaza ny "toko sy andiny" ;
saika toran'ny hehy ny tenanay ,hany ka adino hatramin'ny fiarahabana
koa dia miarahaba ny rehetra e
7. angouz ( 28/05/2016 12:01)
Atao ahoana fa mila karazana vao mahaforona tontolo fa dia samy manana ny fijeriny ny olona, dia samy iaraka ivanitika zany fa mba ilaina koa izany eee !
8. angouz ( 28/05/2016 12:54)
Aty mada koa misy baobab male sy femelle fa Reniala no anarany fa tsy hazon'aina alo e !
9. angouz ( 28/05/2016 13:05)
Ary io sary faharoa io otrany ao tsingy ny bemaraha raha tsy diso aho an !
10. stahtam ( 30/05/2016 06:05)

[quote=angouz]
Misaotra fa ilay dikany ny Apok 22:2 no somary tsy dia takatro loatra, izaho angaha mo nilaza oe tsy mino izay lazainy baiboly fa ny miaina izay lazainy no ataoko fa tsy dia hoe miady hevitra be mifanohitra etsy sy eroa fa tsy aleo ve mifanohana toy izay hifanipaka eee !
[quote=stahtam]
Ho an'ireo hafa izay mety tsy mino mantsy no nilazako iny teny iny satria fantatrao fa tsy tsara ny ady hevitra mivaona (mivadika ho zavatra hafa). Raha ady hevitra @ hevitra tsy mitovy dia mety ho azo atao ihany fa hanara-drenirano sy ny hanaiky zavatra tsy maharesy lahatra no tsy mety.
Ny Apok 22/2 dia miampy kokoa noho ny ao @ Jenezy: manasitrana aretina, sns... ka asa raha mety aminao, hanampy izay valin-teniko izay, fa misy olona manazava Apokalypsy hitako ao @ TNTV isaky ny Alahady maraina @ 06h 30mn; izaho mantsy tsy mpampianatra baiboly ka izay fampianarana hitako no mba atoroko sao mety @ olona mitady fanazavana toa anao.
11. rhaj0 ( 30/05/2016 10:45)
stahtam:
Ny Apok 22/2 dia miampy kokoa noho ny ao @ Jenezy: manasitrana aretina, sns...

Eto izany, dia raha ny fazahoako azy, dia misy "hono", any ho any, "hazon'aina" manasitrana, hozy ny Jenesisy sy ny Apokalipsa. Ka ahoana:

-- ho raisina "ara-baki-teny" ve io, dia tena ifampitadiavana ity "hazo" ... "tena izy", ary dia (samy) hisesika ny voany daholo ianareo mba "hanasitranana aretina", sa...

-- sahala @ revin'i Obama ho'a, dia INSPIRATION fotsiny iny tantara (angano) iny, fa ... mety hoe..
---- ohatra ny amerindiana milaza fa raha mitsakohana ianao, dia mitadiava vato fotsy malamalama. Izany hoe, TSY ilay vato fotsy malamalama no hanafaka ny tsakohana, fa ianao somokotra iny, dia lasa mi-relax angambany ilay diaphragme, dia afaka ny tsakohana.
---- na hoe, effet placebo ee... rahefa ampinoana ianao hoe ity mahagaga, dia "minobe" ao ianao, dia lasa sitrana ho azy..

12. stahtam ( 30/05/2016 11:50)

rhaj0:

[quote=stahtam]Ny Apok 22/2 dia miampy kokoa noho ny ao @ Jenezy: manasitrana aretina, sns...

Eto izany, dia raha ny fazahoako azy, dia misy "hono", any ho any, "hazon'aina" manasitrana, hozy ny Jenesisy sy ny Apokalipsa. Ka ahoana:

-- ho raisina "ara-baki-teny" ve io, dia tena ifampitadiavana ity "hazo" ... "tena izy", ary dia (samy) hisesika ny voany daholo ianareo mba "hanasitranana aretina", sa...

-- sahala @ revin'i Obama ho'a, dia INSPIRATION fotsiny iny tantara (angano) iny, fa ... mety hoe..
---- ohatra ny amerindiana milaza fa raha mitsakohana ianao, dia mitadiava vato fotsy malamalama. Izany hoe, TSY ilay vato fotsy malamalama no hanafaka ny tsakohana, fa ianao somokotra iny, dia lasa mi-relax angambany ilay diaphragme, dia afaka ny tsakohana.
---- na hoe, effet placebo ee... rahefa ampinoana ianao hoe ity mahagaga, dia "minobe" ao ianao, dia lasa sitrana ho azy..

[quote=stahtam]
Arakaraka ny tsirairay ihany ilay izy ka!
1°) Ho an'ny tsy mino : angano angano arira arira...
2°) Ho an'izay mino : aleo izy mino azy no hitady azy sy hampiasa azy araka ny filany azy
Eto Madagasikara izao, @ iny faritra atsinanana iny misy akondro dakana vao mety masaka, dia arakaraka ny tsirairay ny fandraisana izay, hoe: "effet placebo ve? sa finoana "be" fotsiny ve? sa "science in progress"? sa...
13. rhaj0 ( 30/05/2016 17:16)
stahtam:
2°) Ho an'izay mino : aleo izy mino azy no hitady azy sy hampiasa azy araka ny filany azy

Dia hono ho'a ty Stahtam, dia jerenao fotsiny izany ohatra ry RBNIR na ry Angouz mitonantonana mitady izany "hazon'aina" izany, satria izany "hono" no voalazan'ny Baiboly fa manasitrana aretina. Tsy efa vita sary nataon'ny "mpahay" azy ve izy ity izao, efa ho an-jato-taonany lasa zizay...

Dia avy ny kafetsy, toa an'i Herinirina na ry Tsaratsara, mampino azy ireo mpinomino fa atsy an'anona mihintsy hono ity "hazon'aina", ary zareo mihintsy no efa voasitran'izany ny cancer-ny... Izay mantsy no vali-teny tadiavin-dry mpinomino foana, dia rahefa amena io izy dia roboka tsisy mieritreritra intsony.

Ngo dia non-assistance a personne en danger no iafaran'izy ity raha jerenao ao fotsiny ireto olona..
14. stahtam ( 31/05/2016 06:27)

rhaj0:

[quote=stahtam]2°) Ho an'izay mino : aleo izy mino azy no hitady azy sy hampiasa azy araka ny filany azy

Dia hono ho'a ty Stahtam, dia jerenao fotsiny izany ohatra ry RBNIR na ry Angouz mitonantonana mitady izany "hazon'aina" izany, satria izany "hono" no voalazan'ny Baiboly fa manasitrana aretina. Tsy efa vita sary nataon'ny "mpahay" azy ve izy ity izao, efa ho an-jato-taonany lasa zizay...

Dia avy ny kafetsy, toa an'i Herinirina na ry Tsaratsara, mampino azy ireo mpinomino fa atsy an'anona mihintsy hono ity "hazon'aina", ary zareo mihintsy no efa voasitran'izany ny cancer-ny... Izay mantsy no vali-teny tadiavin-dry mpinomino foana, dia rahefa amena io izy dia roboka tsisy mieritreritra intsony.

Ngo dia non-assistance a personne en danger no iafaran'izy ity raha jerenao ao fotsiny ireto olona..
[quote=stahtam]
Efa nisy kosa ilay "assistance" (ny serasera ifanakalozana eto) fa ilay méthode d'approche angamba no samy hafa (directe, indirecte) arakaraka ny assistant.
Ohatra: i RBNIR izao dia efa nilazako fa ny Jiosy no tokony hanazava io baiboly io satria izy no nomena an'io, nefa tsy mety izy fa misisika ihany mihaino ilay mpampianatra (tsy Jiosy): efa afaka adidy izany aho t@ iny;
I endriny indray dia mety ho "par curiosité" na "en cours de recherche de la vérité" angamba (no fijeriko azy) no anton'ireo fanontaniana apetrany, dia informations no omeko. Ny fanohizana dia azy manokana, fa tsy hoe "non assistance" kosa e!
15. RBNIR ( 31/05/2016 09:38)

Salama,
Mbola misokatra ato ilay adihevitra fa ianao no tsy tonga intsony sthatam.....
http://forum.serasera.org/forum/message/m57078d9edcc60
16. angouz ( 31/05/2016 12:07)
Salama ! raisiko izay manandrify ahy @resakareo dia izao, izaho akory tsy nihevitra mintsiny hoe hazo maniry ilay izy fa efa nanontany olona maro izaho dia une vie immortelle d'esprit tokoa no dikany ilay izy fa tsy hoe hitady etsy sy eroa za fa misy hazo manasitrana aretina maro fa kosa aretim-panahy no sitraniny raha ny fahazahoako azy, misaotra
17. rhaj0 ( 31/05/2016 12:35)
Hay va re... tsihaitsihay mantsy nareo kouh.. aleo manontanintany foana.. :-)

Fa niverenako ilay Genesisy 3, dia hoe:
22 Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon’ aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;
23 ka dia nesorin’ i Jehovah Andriamanitra tamin’ ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.
24 Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon’ ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin’ ny hazon’ aina.

@ teny Anglisy
22 And the Lord God said, “The man has now become like one of us, knowing good and evil. He must not be allowed to reach out his hand and take also from the tree of life and eat, and live forever.”

Izany hoe, ny tian'i Jehovah lazaina, raha ny fahazoako azy, dia TSY tiany, averiko indray, TSY tiany hikasika ilay "hazon'ny aina" hono i Raolona, ngo dia velona mandrakizay eo.

Ka dia tena diso, ary diso be, diso fandray izany ianao ry Angouz, fa TSY tiany, na ny marimarina kokoa, TSY izany resakao hoe, "aretim-panahy no sitranin'ilay hazon'aina" izany ny resaka eto, fa hoe, TSY tokony hahazo fahalalana mihoatra ny efa azony Raolona, ngo dia miana-kendry ho toa ny Andrmntra eo.

Fanamarihana kely mahatsikaiky : " ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika".. "The man has now become like one of us"... hi hi hi.. misy MAROMARO izany rizareo Andrmntra Jehovah t@ andron'ny Genesisy. :-)
18. RBNIR ( 31/05/2016 12:44)
Fiainana marndrakizay dia efa azon'ny olona maimai-poana (tsy nisy ezaka natao akory fa avy dia nomena), fa saingy nanota i adama dia tanteraka ilay hoe "ho faty tokoa ianareo"....
« fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao. » (Gen.2:17)

Raha tsy nihinana izy dia velona mandrakizay saingy indrisy nihinana izy.....

Ilay hazon'aina = marina tokoa fa manome ilay fiainana mandrakizay (na dia efa nanota aza ilay olona) : tahaka ny devoly velona mandrak'izay ihany nefa efa manomboka mandrovo tsihy satria efa kely sisa ny androny.....

« Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny. » (Apok.12:12)......
19. angouz ( 31/05/2016 13:50)
Otrany miteny i rhajo oe tsy misy akory izany fanahy izany fa anarana fotsiny entina milaza ny fandanjalanjana
20. RBNIR ( 31/05/2016 13:53)
Na dia manana ilay fiainana mandrakizay aza dia tsarovy fa MISY ILAY MANANA FAHEFANA MAHAY MAHAVERY NY FANAHY ANY AMIN'NY AFOBE....
« Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo*.» (Mat.10:28)

Amin'izay fotoana izay dia tsy fiainana intsony no hilazana azy fa fahafatesana.......Aleo tsy nisy toy izay lasa any,
Koa raha izay fiainana kely ety v? tsy aleo manao ny marina sy ny mahitsy dia azo antoka ny farany toy izay miaina manampatra nefa avy eo ariana any amin'ny helo????
« Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy? » (Mat.16:26)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4494