tena fitondrana vendrana sy tsy misy ilana azy

1. rabaradaka ( 23/05/2016 06:56)
Mpiasam-panjakana iray mandefa ny karamany any amin'ny Banky no milaza fa tsy manome ilay avis de crédit intsony ny fanjakana fa tsy maintsy mandeha eny Ambanidia hono maka ilay izy.
Tena Fitondrana tsisy ilana azy mihitsy ity
novalian'i theomanja ny 25/05/2016 14:46
2. endriny ( 23/05/2016 17:45)
ka indraindray kosa mba foana ny kitapom-bolam-panjakana ka rha manome cheque ny mpiasa izy kanefa tsy misy vola akory ao dia lasa mpanao cheque sans provision ny fanjakana foibe koa

Dia aleo Alaina eny Ambanidia mihintsy, amin'izay tsy manana olana amin'ny banky

Mahay ihany izy izany fa tsy vendrana akory sa ahoana?
3. GasyA ( 24/05/2016 08:57)

endriny:

ka indraindray kosa mba foana ny kitapom-bolam-panjakana ka rha manome cheque ny mpiasa izy kanefa tsy misy vola akory ao dia lasa mpanao cheque sans provision ny fanjakana foibe koa

Dia aleo Alaina eny Ambanidia mihintsy, amin'izay tsy manana olana amin'ny banky

Mahay ihany izy izany fa tsy vendrana akory sa ahoana?

Miarahaba,

Ilay fomba fiasa amiko no tokony mba amboarin'ny mpitondra sy ny mpitantana mba tsy ampivezivezy ny mpiasa e! Sady tsy zara aza ve ny mpiasa mba ho tratra ao anaty birao foana fa tsy mbola hivoaboaka haka an'zany. Sady efa milahatra eny amin'ny banky na gab, avy eo mbola ho eny Ambanidia. Hatramin'izay anefa toa azo natao ihany ny tonga dia maka ny avis de crédit any am-piasana.
Raha ny momba ny chèque sans provision ndray ho an'ny mpitondra ; tsy efa zava-doza @ fitantanana ve raha izany no hitranga? Angaha moa tsy efa telo volana mialoha defa vita avokoa ny kajikajy rehetra eny @ finance momba ny vola mivoaka.
Ilaina ny fanovana fa raha fanovana tsy mampandroso kosa tsy aleo mba henoina ihany izay soso-kevitry ny hafa entina mampandroso marina e!
4. theomanja ( 24/05/2016 13:40)
Mbola hiverina @ laonina io ranamana fa miandry kely... manana faharetana...fa ny fanjakana mahefa fa mitady izay vaolana foana foana..
5. GasyA ( 25/05/2016 13:20)

Miarahaba,

Mba miandry ihany anie fa efa telo taona anie izay namana eh! mbola tsy tena tafatombina tsara ihany ny mpitondratsika ; koa raha sanatria moa @ herintaona hiova koa ny PM dia mbola mandamindamina sy mitady vahaolana any @ lay tsy misy olana (fa vokatr'ilay fanovana nataony ihany no mampisy olana) tsy ho tapitra ihany ny mandat 5 taona ilay vahoaka lazainao nametraka anao teo mbola marary ihany e. Sady tsy lasa andrakandrana foana ve izany lay fitantanana. Tsy efa tokony fanatanterahana ny paik'ady sy ny fandaharan'asa t@ ireny fampielezan-kevitra ireny ve no tokony atao @ zao efa 3 taona nitondrana izao.

Asa aloha ianareo, 'za aloha efa mitady mierikerika e! Ela loatra ko.
6. theomanja ( 25/05/2016 14:46)
eny eeee... tena marina tokoa izany fampahatsiahivana natao zay... fa raha mbola hisolo PM indray @ taona ho avy dia tena mety hampidy doza mafy2 noho izao...fa mbola izy aloa izao no mitondra ny sambo...fa ny commandant tena betsaka loatra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0961