fifindra-monina

1. angouz ( 07/05/2016 17:16)
Mba te hifampiresaka @ olona zay efa ela nimpetrahana ao france, fa mba manampaniriana ny te hipretraka any. misaotra !
novalian'i angouz ny 09/05/2016 13:10
2. thyna ( 07/05/2016 22:46)
Ny tena tianao resahana no tonga dia resao fa be dia be ny manampy anao eo e!
3. mirananirina ( 08/05/2016 07:43)
Apetraho marina ny fanontaniana fa tsy hitako izay avaly azafady
4. angouz ( 08/05/2016 19:12)
Izao ary e ! Mbola misy fanavakavam-bolokoditra ve @zao aty frantsa ?
5. thyna ( 09/05/2016 04:49)
Raha haniry ny iala any Dago aloha ianao dia mila mivonona @ zany fanavakavahana izany satria na aiza na aiza ny tany alehanao dia misy foana izany fa ny endrika hisehoany no tsy mitovy!Any Dago aza no tena enjana satria na ny samy malagasy aza mifanavaka toy ny hoe andevo sy andriana;ny mainty sy ny fotsy;ny fanesoana ny komorianina,ny fanavahana ny sinoa sy ny karàna ary indrindra ny fankahalàna Frantsay izay nahazo aina tato ho ato satria ny taona 2015 dia maromaro ny isan'ny teratany Frantsay maty nisy namono tany Dago,ary mahamenatra sy mampalahelo tokoa!Aty Frantsa ny fanavakavahana dia misy endriny samihafa fa kosa tsy pire nohon'ny any @ firenenkafa satria la Frantsa no firenena ahitàna karazana teratany vahiny maro samy hafa eto Europe!Ny hitako tsy zakan'ny Frantsay aloha hatreto dia ny fahitany ireo vahiny tsy miasa fa manantena ny fanampian'ny fanjakàna frantsay nefa ny Frantsay tena miasa ary mandoa Impots ara-dalàna ka iny no tena tsy zakany hoe ilay impots alohany lasa any @ vahiny izay tsy miasa akory fa miandry ny aide isankarazany!Ary hatramin'ny nisian'ny ady t@ etat islamique mitombo hatrany koa ny fankahalàna ny silamo(ny arabo),Raha ny tena marina izany dia ny vahiny no mitondra ny bordel rehetra eto Frantsa izay tsy nampianarina azy akory ka miteraka fanavakavahana indraindray!Tsy miteny aho hoe ny Frantsay rehetra no manavakavaka an! ny sasantsasany ihany!Ary aty enjehan'ny lalàna ny fanavakavahana ka tsy azonao aseho eny andalana izany fa na ny olona aza mety ho gaga sy sorena aminao!mbola lava be raha tohizako fa aleo ny hafa indray no hanampy azy, ny tiako hamafisina aminao dia ny Malagasy eto Frantsa aloha dia tsy dia manana olana loatra @ frantsay hatreto satria tsy dia mpanao adalàna ny gasy eto,misy fa tsy gravy e!hevitro manokana io an!samy manana ny region misy azy!Bon courage e!
6. angouz ( 09/05/2016 13:10)
Eny ary fa misaotra anao fa efa misy eritreretina iny !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2703