Ireo karazana Fivavahana sy Finoana

1. rhaj0 ( 05/05/2016 22:24)
Eto izany misy ny lisitra sy ny mombamomba ireo finoana/fivavahana (lehibe sy lehibebe) eran-tany..

http://www.religionfacts.com/big-religion-chart

Ka iza @ ireo no tiatianao azany eee ??
novalian'i midrou ny 24 andro lasa
2. RBNIR ( 06/05/2016 04:52)
Ho avy tsy ho ela, ny fandravana ireo andriamanitra tsy izy rehetra, atomboka amin'i andriamanitr'i babylona lehibe izany.....

ILAY TOKANA SADY MARINA SISA HITOETRA MBA HO FANTATR'IZAO TONTOLO IZAO FA IZY MARINA TOKOA ILAY TENA IZY SY TOKONY HIAKOHOFANA ARY HOMEM-BONINAHITRA......
3. rhaj0 ( 06/05/2016 10:49)
Efa 2016 ny taona ry RBNIR koa inona foana ity mbola manamboni-tena sy manahindrahindra-tena ity hoe, n'enao ihany no "tokana sady marina" aaaa ??

TSY takatrao akoriny ny an'ny hafa ireo; TSY fantatrao akoriny azany raha ny Dieu-nao mihintsy no miara-miasa @ Dieu-ndrizareo ary mifanaraka tsara ao. Mba henoy dia ianaro ny hafa fa tsy tonga dia manahindrahindra-tena rotorotobe toa io eee.. Fomban'iza koa azany izany: amin-javatra sy resaka hafa rehetra koa izany ianao, tonga dia manao io Itsimahalalaafatsynysaimpantany io ??

Tairo ao ho'a izany dia reveo ao, fa dia ihomehezan'ny Ankizy, dia ialany mora fotsiny ianao, fa ny Ankizy angaha hivazavaza anao en majuscule toa ianao io..
4. endriny ( 07/05/2016 09:08)
Izaho izao mino fa ilay akoho ato dia mino fa izaho no Atra mpanome sakafo, sy mpanasitrana ny aretiny....
5. mirananirina ( 08/05/2016 07:08)
Izay mino Andriamanitra ihany ny ahy
6. lahindroy ( 09/05/2016 10:33)

RBNIR:

Ho avy tsy ho ela, ny fandravana ireo andriamanitra tsy izy rehetra, atomboka amin'i andriamanitr'i babylona lehibe izany.....

ILAY TOKANA SADY MARINA SISA HITOETRA MBA HO FANTATR'IZAO TONTOLO IZAO FA IZY MARINA TOKOA ILAY TENA IZY SY TOKONY HIAKOHOFANA ARY HOMEM-BONINAHITRA......


7. lahindroy ( 09/05/2016 10:35)

lahindroy:


RBNIR:

Ho avy tsy ho ela, ny fandravana ireo andriamanitra tsy izy rehetra, atomboka amin'i andriamanitr'i babylona lehibe izany.....

ILAY TOKANA SADY MARINA SISA HITOETRA MBA HO FANTATR'IZAO TONTOLO IZAO FA IZY MARINA TOKOA ILAY TENA IZY SY TOKONY HIAKOHOFANA ARY HOMEM-BONINAHITRA......



Tahak'itony ny hevitra nipoiran'ny adi-pinoana nisy teto amin'ny tantaran'ny zanak'olombeloan ka naharingana ain'olona aman-tapitrisany mandrak'ity ny androany!


8. rhaj0 ( 09/05/2016 13:13)
Raha miverina @ ilay lisitra etsy ambony
http://www.religionfacts.com/big-religion-chart

Dia ny nahataitra ahy, dia ny an'ny Sinoa, Chinese religion, 394 millions adherents, fa toa mitovitovy ny @ antsika Malagasy:
- ny tanjony dia "A favorable life and peaceful afterlife, attained through rituals and honoring of ancestors." == Tsy io ve ilay hoe, ny fanajana ny Razana ?
- rahefa maty dia "reincarnation" == Tsy io ve ilay "Razana.. hiady vomanga" ?
9. angouz ( 09/05/2016 13:48)
Oh ry rhajo a ! efa ela iany ny nandiniako anao fa otrany lasa atanao anihany ny fivavahana, fa ity mba misy fanontaniana anakiray, ianao ve zany tsy mino ihany koa fa misy ny devoly, satana, demony, belzabuth, lucifer ?
10. RBNIR ( 09/05/2016 13:52)
lahindroy:

Tahak'itony ny hevitra nipoiran'ny adi-pinoana nisy teto amin'ny tantaran'ny zanak'olombeloan ka naharingana ain'olona aman-tapitrisany mandrak'ity ny androany!

Diniho ny zavatra misy ankehitriny dia diniho ny tenin'Andriamanitra fa mizotra mankany amin'ny fahatanterahany, raha misy ny rivo-doza ho avy dia misy olona efa mahafantatra an'izany ary adidiny ny mampilaza ny maro Filazana ny marina fotsiny ihany io, Enga anie ka ho maro ny hino, ka hihomana ary angoron'entana hanantona sy hiankohoka ary hanome voninahitra ilay AVO INDRINDRA.......
(Nefa tahaka an'i Noa nilaza momba ny safo-drano, dia maro ihany koa no mety tsy hino, ary ao ny handika vilana sns....)
11. rhaj0 ( 09/05/2016 14:02)
Ny Devoly/Satana/... sy ny Anjely sns.. dia iray kortezy @ Andmntra daholo ihany eee... Imagination-dRAolona daholo ihany.

Ny anareo moa toa Kristianisma ihany no (tianareo) fantatrareo. fa jereo anie ho'a ny Finoana/Fivavahana hafa @ io lisitra io ambony io dia halalino avy @ .. yahoo ohatra koa ee..
https://answers.yahoo.com/question/index?qid=20090810225709AAlP70C

Ka ho hitanao fa ny Buddhism, Taoism, Confucianism... dia TSY manana izany concept-na Devoly izany. Ary na ny Malagasy koa azany dia TSY "minomino" an'izany Devoly izany. Ary @ Jiosy indray, ny Devoly dia Anjely ihany, ary toa fahavalon-draolona fa TSY fahavalon'Andmntra.


Ka raha mino na nampinoana ny fisian'izany Devoly/Satana/... izany ianao, dia ... io ilay hadrohadroako an'i RBNIR hoe, raha te-hiaina ao anaty fahatahorana (Devoly sy Andmntra) ao @ Kristianisma izany ianao, dia ... ataovy matevina ny pataloha, ary itondray couche akoriny azany, fa ... (mety) tsy ho-voa-controle ny sphincter eee ... :-)
12. angouz ( 09/05/2016 14:33)
mahafantantra karazam-pinoana maro aho ary atomboko hatrany @sanskrit fa samy manana ny anarany anononany ny fanahy ratsy avy ry zareo, ary ny tsy fantatrao anefa fa ny tromba sy ny bilo dia misy karazany ary misy fanahy ratsy ihany koa izy ireny (mpandalina finoana ihany koa za ) fa ilay anarana anankiray no malaza dia izay no antony ampiasako anio.
13. lahindroy ( 09/05/2016 15:21)
Diniho ny zavatra misy ankehitriny dia diniho ny tenin'Andriamanitra fa mizotra mankany amin'ny fahatanterahany, raha misy ny rivo-doza ho avy dia misy olona efa mahafantatra an'izany ary adidiny ny mampilaza ny maro Filazana ny marina fotsiny ihany io, Enga anie ka ho maro ny hino, ka hihomana ary angoron'entana hanantona sy hiankohoka ary hanome voninahitra ilay AVO INDRINDRA.......
(Nefa tahaka an'i Noa nilaza momba ny safo-drano, dia maro ihany koa no mety tsy hino, ary ao ny handika vilana sns....)

Miarahaba
Tsara angamba isika raha mba manao jeri-todika ny tantaran'olombelona hatramin'izay nisian'ireny boky nilaza fa toy izao no zavatra hitranga atsy ho atsy , tsy ho ela (Daniela , Jaona sy ny apokalipsany...)ary tatahak'izao ny famantarana an'izany ; dia ahita isika fa efa aman-jatony na koa aza aman'arivony no nilazana fa eo am-panantanterahana ny tenin'Andriamanitra ny fizotran'izao tontolo izao , indrindra moa fa ny mahakasika an'ity lazaina hoe "ny fara andro , ny andro fiverenany indray eto an-tany ...)

Marihako kanefa fa ny resaka nambarako tery ambony dia tsy misy ifandraisany amin'izany satria momban'ny fototry ny adi-pinoana nisy teto an-tany sy ny matetika loharano nipoiran'izany no nosoritako ; tsy inona izany fa ny filazana hoe " ny finoako ihany no tena marina ka ho haringana ireo ...finoana tsy izy !"
Koa raha azo atao , aleo ilay hevitra natolotr'ilay mpanoratra no toherina raha tiana izany fa tsy havadika lohahevitra hafa 'izay azo halalina any amin'ny sehatra hafa)


14. rhaj0 ( 09/05/2016 15:53)
angouz:
mahafantantra karazam-pinoana maro aho ary atomboko hatrany @sanskrit fa samy manana ny anarany anononany ny fanahy ratsy avy ry zareo, ary ny tsy fantatrao anefa fa ny tromba sy ny bilo dia misy karazany ary misy fanahy ratsy ihany koa izy ireny (mpandalina finoana ihany koa za ) fa ilay anarana anankiray no malaza dia izay no antony ampiasako anio.

Ekena fa (mety) marina ny anao ry Angouz. Fa inty ny nahitan'i Flacourt azy, araka ity rakitra notateriny rahefa nandalo tao Dago izy, iny taona 1650 iny... Ka ny Finoana Malagasy talohan'ny nidiran'ny Kristianisma no resahiny ao.
http://forum.serasera.org/forum/message/m54ff475257d31
rhaj0:
http://gallica.bnf.fr/ark:/12148/bpt6k1047463/f111.image
Flacourt page 85: ils sacrifient proche de leur tombeau quelque bête, dont ils en jettent un morceau pour le diable et un autre morceau pour Dieu : tous leurs sacrifices ne sont une partie que pour manger de la viande : car ils n'adressent à Dieu aucunes prières, si ce n'est quelque particulier qui sera plussage et advisé que les autres, comme sonot les Zafiraminia et les plus grands d'entre les Noirs, qui par quelque forte de tradition de leurs ancêtres font quelques prières à Dieu en lui demandant des richesses, desboeufs, des excalves, de l'or, de l'argent et des choses temporelles; mais pour les spirituelles ils n'y pensent point...


Dia eo koa izany hoe, ilay safo bemantsiny (indraidray) (f)ataon'ny Kristiana (gasy) ka pasopasohany hoe, "mahay mivavaka ny gasy", dia io izany fa dia TSISY an'izany (systematiquement).

Ary ironique fa ireo mpanana izany no toa mivavaka ny hanankarena... dia mivaly tokoany angamba moa izany ny vavakany. Fa ny hafa rehetra izany TSY MIVAVAKA: hendry ho'a ny razambe malalantsika ee... TSy mba mangataka voa-tehamaina ao, na mangataka voa tsy hary ao.. fa ny atao no atao. Ary ny spiritoaly moa dia tsy @ kapoakany...


Fa dia reviko mihintsy izany revin'ny razambe malalantsika izany :
- manao sakrifisy izy izany, fa sady mikaly be ihany koa @ io,
- dia ampazahoana koa ny Devoly, @ izay milamina ny tany
15. angouz ( 09/05/2016 20:54)
Aleo iny ady hevitro sy rhajo @ fomba fijerin'ny flacourt iny ataontsika @ pejy hafa angamba fa manana fotokevitra anoherako anio za saingy tsy izay moa no loha hevitra eto dia aleo tsy io ny antsika io no resahiko fa tohizako ny teo aloha fa ny olana tsapako @ireo fiangonan'ny fizarana dia ity iza no sahy miteny fa ny fitsarana dia ratsy ary tsy haiko hoe inona ny dikany atao oe fitsarana @nareo fa Andrimanitra inoantsika dia 1ihany fa arakarany fitondran-tenany pivavaka ao no manamasina bb kokoa ny fiangonana , ny olana ange de io libre arbritage io e !
16. angouz ( 09/05/2016 21:20)
Fa eto ihany i za dia mahita fa mino ihany i rhajo fa tiany ho @ilay itiavany azy ilay finoana fa tsy haiko na nisy nanafitohan'azy tao @finoany sasany, tsy mipetraka aty dago marina ianao dia tsy mahafantatra ny lanjany finoana !
17. RBNIR ( 10/05/2016 10:52)
Izaho koa mahita fa efa manomboka mirodana ny tsifinoan'i rhajo, ary efa manomboka misavasava ny raviny izy ankehitriny satria te hahita mafy ilay fotony....
18. rhaj0 ( 10/05/2016 12:57)
I RBNIR moa efa tsy mahagaga intsony @ tsy-famaliany-fanontaniana-fa-amerenany-hira-mivalambalana, fa i Angouz koa ity manampy... Eto indray izy miral-mianaka dia, @ maha-mpino azy, dia tsy ny resaka no resahina, fa hotry ny manao sikidy eo, dia hoe... pouah pouah.. io fa lasa mino rhaj0 :-)

Fa jereo tsara ny taterin'i Flacourt ry Angouz aa... (natambatro tato). Ianao manandra-tena fa hoe "mahafantantra karazam-pinoana maro", nefa toa TSY fantatrao akoriny ny fatao sy finoan'ny Razanao.
19. RBNIR ( 10/05/2016 13:17)
Fa inona marina no hidiran'ny rhajo lalina amin'ny finoana rehefa tsy mino rhajo, tsy tokony mijanona hatreo amin'ny fanaporofoanao hoe tsy misy Andriamanitra v ny resakao...

Indraindray mantsy ianao io lasa miara miady hevitra lalina amin'ny mpino eto amin'ny lohahevitra amin'io efa tokony resahin'ny samy mpino ihany sisa fa satria efa resaka doctrine sy antsipirihany lalina amin'ny finoana ilay izy.....Sa izay ilay misintona lakilosy??

Zarazarao anjakana hoy ny fiteny.....Ampiadio amin'izay dia tsy maharitra.....Saingy raha izaho aloha tsy ho tratranao amin'izany mihitsy satria aho efa nampianarin'i Jesosy hoe « Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany. » (Mar.3:24)

Dia asakasak'izay manaiky ampiadinao koa.....

Ny ady hevitra ara-tsoratra masina dia mikendry ny hanitsy izay diso, ny handresy lahatra ireo mihanahana, hampianatra ny tsy mahay ary hifampitaiza amin'ny fahamarinana fa tsy voatery ho diso fandray hiady avokoa

(ny mpisintona lakilosy indray dia efa hafa mihitsy ny tanjony)......


« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)

Ka iza amin'ireo ny toerana misy anao rhajo:
1- Ilay efa manomboka resy lahatra ka manomboka manadihady, sa
2- Ilay efa ao anatiny ka mampianatra ny tsy mahay ary manitsy ny diso ho an'izay tafalatsaka sa
3- Ilay mpisintona lakilosy mampiady angely????

Raha tsy tianao ilay 1 sy 2 dia mazava ho azy fa ilay 3 ianao izany ka anjaranao ny safidy e,

HOY AHO HOE IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!! IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!
20. rhaj0 ( 10/05/2016 13:32)
RBNIR:
Fa inona marina no hidiran'ny rhajo lalina amin'ny finoana rehefa tsy mino rhajo

Ity ve tsy efa im-10 no novaliako teto eee.. serina mihira sy mamalana ny toko aman'andininy ve ry RBNIR dia tsy hitanao intsony ny resaka mandalo aa... vao omaly ireto:

vaotonga:
Slt ianao, tsy haiko mihintsy izay iresahanao ny mikasika ny zavatra momba ny finoana rehefa tsy mino ianao.

rhaj0:
1- toa hotry ny hoe, inona ny iresahana baolina, rahefa tsy manao baolina; maninona maka an'i Bresil nefa tsy Breziliana
2- na hoe, inona no iresahan'i Mopera fitaizana sy fanambadiana, nefa izy azany tsy manana vady aman-janaka (sa moa manana ihany izy fa tsy ofisialy)
3- miresaka "TSY-finoana" ao @ lohahevitra "Finoana" angaha moa izany tsy azo atao koa?
4- ary 'ngo dia heverinao fa any am-piangonana kosany azany ny eto eeee...
5- Sa moa io ilay mody manontany, nefa ny ao ambadiky ny saina(o) ao, dia ny hampangiana (ahy)?
6- fa rahefa "tsy hainao" azany re ry Vaotonga, dia tohizo vakiana ary aza miala eto fa mety ho "hainao" ihany farany eee...


RBNIR:
miady hevitra lalina amin'ny mpino eto amin'ny lohahevitra amin'io efa tokony resahin'ny samy mpino ihany

vaotonga:
Toka-tranonay ny Finoana ka avelao ho anay ny anay

rhaj0:
Ny (tena) "toka-tranonao" kosa k'lou dia tsy idirako; "mahasoava amin'azy" ao ho'a.

Fa rahefa hitako ny (f)inoanareo, na koa ny ataonareo mpino, fa
- manambaka ny ankizy, na koa ny marefo sy ny malemy, na koa
- manimba ny fi(s)ainan'ny mpiara-monina, na koa
- mitaratra habadoana
dia tsy maintsy miteny aho raha mbola afaky ny miteny ee...



ka manao ady @ habadoana sy ady @ fanambakana aho izany ry RBNIR aaa...
Fa (mety) marina ny anao, satria dia maharikoriko marina, na koa mamparary fo matetika ity izy, ka dia hoe, inoona tokoany no amparariana fo eto, nefa tsindraidray kosa k'lou, rahefa tsy mahakitika ny fi(s)ainan'ny fiaraha-monina ilay izy nefa dodoria ao, dia tena mampivanitika ee ... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0557