Politika inona indray ity PNDIE ity e ? Efa tena lany resaka ve ny Mpitondra e

1. rabaradaka ( 30/04/2016 09:00)
Politikam-pirenena ho fampiroboroboana ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana (na ilay Politique nationale du développement des infrastructures et de l'équipement : PNDIE).
Fa dia izany ve leretsy no mba vokatra azo aoroso ao anaty Ministera iray ? Tena tsy mamely mihitsy ireto fitondrana ireto.
Fahafiry amin'ny Politique nationale natao io zao nefa inona izay vokatra azo tsapain-tanana amin'ny fandrosoan'ny firenena eo ? Inona ? Dia mipi-kelika ery rafanjakana milaza hoe izany no zava-bita!! Henetra izany leretsy a, tena henatra !
Raha izaho io ingahy Narison Rafidimanana ministra io dia misitri-belona aho satria vao teny ny ZES no nahabe resaka dia izao tsy ampy herinandro akory dia mipoitra indray ity ny PNDIE.
Fa ahoana tokoa moa no nahalasa ministre an'io rangahy be zesta milaza ho tsy mahay teny gasy io nefa mpanao aferana lecthi tany Toamasina no nahalalana azy e ?? Mba mila valiny izany ry Hery a ! Miala tsiny rey olona fa tsy mahavita manaja ny mpitondra intsony aho fa efa tena loham-boto no entin'ny mpitondra ankehitriny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1595