Ny tontolo manontolo

22. rhaj0 ( 04/05/2016 11:03)
RBNIR:
Rehefa tsy hino an'ity ianao rhajo dia tsy hino izay rehetra lazaiko ....
Genesisy
14 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fanazavana eny amin’ ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina...

Ilazao re ry RBNIR izay nanoratra ny Baiboly tao,
1- fa any @ pole nord hoe, dia misy fotoana TSY MISARAKA ny andro sy alina..
2- Na koa hoe, i Yuri Gagarine hoe, rahefa teny ambony sambo-danitra teny, dia "NISY ny fanazavana", fa tena mbola TSY NISARAKA koa ny andro sy alina.

Tsy mila "mino" (manaiky tsisy porofo) ireo ry RBNIR, fa fotsiny ... ampiasao ny coco eee... :-)

23. RBNIR ( 04/05/2016 11:26)
Any amin'ny tanin'ny jiosy no resaka eo ry rhajo a!
24. rhaj0 ( 04/05/2016 11:38)
Soa fa ianao no nilaza an'io... Eny, ny resa-Baiboly dia mikasika/mifandraika @ Jiosy. Voafetra @ iny tantara sy jeogirafia ary ny fahalalana t@ izany fotoan'androny izany.

Ka tena rehefa "ampiasaina ny coco", dia tena TSISY antony "inoana" izany, fa hoe mihatra aminao izao, araka ny "tantara sy jeogirafia ary ny fahalalana" anananao @ izao fotoan'andro izao
26. rhaj0 ( 04/05/2016 13:02)
.. ya ya.. i Buddah koa dia natao ho an'izao tontolo izao. Dia i Allah sy ny Grand Manitou ary Aphrodite sy Andriananahary.

F'n'enao moa, hoz'enao hoe, "matahora (an'Atra)"; ny an'ny buddhist nefa izao ohatra tena "zen".

Ka raha hiaina ao anatin'ny "fahatahorana" ao izany ianao re ry RBNIR, dia... manaova ihany couche fa mety tsy voa-controle ny sphincter eee... :-)

27. RBNIR ( 04/05/2016 13:20)
Ilay tena IZY no natoroko anao ary raha nanaraka ilay rohy ianao dia JESOSY no POROFO ny amin'izany.....
28. rhaj0 ( 04/05/2016 13:28)
ya ya ... ianao RBNIR koa "tena izy".. dia i Herinirina koa.. dia i Tsaratsara koa. Dia ao 'nareo izany eee....
29. RBNIR ( 04/05/2016 13:40)

rhaj0:

ya ya ... ianao RBNIR koa "tena izy".. dia i Herinirina koa.. dia i Tsaratsara koa. Dia ao 'nareo izany eee....

Tokana ny marina, anjaran'ny manantsaina no mandinika tsara....
Ireny Andriamanitra hafa rehetra ireny (manomboka amin'ny Andriamanitr'i Babylona lehibe) dia efa manomboka andalam-paharavana ankehitriny ary dia tsy maintsy hiseho ILAY TENA MARINA DIA TSY IZA FA ILAY NAHARY NY LANITRA SY NY TANY....
30. rhaj0 ( 04/05/2016 13:56)
Ka ny "lanitra sy ny tany" ihany kay izany no nohariany eee... Ny "lanitra" dia kaontina h@ tropospere sa stratosphere?? (googler-o ireo fa TSY ao anaty Baiboly).

Dia ny masoandro sy ny volana (systeme solaire) koa izany nohariany ee... dia ireo tain-kintana etsy @ sisin'ny systeme solaire koa nohariany.

Fa ny Kintana hafa, toa ny Proxima Centauri, na koa ny galaksia Milky Way sy izay hafa rehetra izany dia TSY nohariany eee...


Fa ilay fanontaniana indray mandeha koa izao dia hoe, ny "lanitra sy ny tany" fony faha-dinozaoro koa ve nohariany ??? Satria mantsy toa 6000 taona lasa izay IZY no "nahary ny lanitra sy ny tany", hozy ny Baiboly, nefa ny dinaozaoro mihoatra lavitra noho izany..
31. RBNIR ( 09/05/2016 12:18)
Fa mba taiza koa no nahafantaran'i Mosesy, David ary Salomona mpanjakan'Israely fa hoe mbola misy lanitra hafa ankoatran'io lanitra hitantsika io e? lanitry ny lanitra hoy izy
« Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. » (Deot.10:14)
« Andriamanitra va dia honina amin'ny olona ety an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity! » (2 Tant.6:18)
« Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery. » (Sal.68:33)

Isika amin'izao fotoana izao vao mahafantatra ny fisian'ireo lanitra samihafa ireo???

torak'izany koa ny apostoly paoly, nilaza fa nisy izany lanitra fahatelo izany (nefa izy amin'io efa tamin'ny 2000 taona lasa
« Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo. » (2 Kor.12:2)
32. rhaj0 ( 09/05/2016 12:42)
RBNIR:
Tokana ny tanjona: mba hananan'ny rehetra FIAINANA MANDRAKIZAY rehefa handao an'ity tany ity izireo indray andro any.....


Ka aiza hono izao FIAINANA MANDRAKIZAY izao ry RBNIR
1- atsy ambony eny, dia eny @ rahona, sa @ ilay satelita etsy akaiky, dia ny Volana, sa ilay planeta etsy akaiky, dia i Marsa, sa...
2- atsy @ ilay kintana atsy akaiky, dia i Proxima Centauri, sa misy tain-kintana na comete mandalo, ary tonga dia atosiky ny Anjely hijapy @ izay daholo izay mankany mankany, sa...
3- atsy @ galaksia atsy akaiky, dia i Andromeda ?
4- sa tena amina univers parallel mbola tsy hita ary tsy takatry raolona ?
5- sa indray, lasa mifintina kely hono raolona, ary ilay fiainana mandrakizay dia amina univers microscopique...

Fa aza hadino mihintsy k'lou, fa "tahaka ny endrikao" i Andrmntra @ io an..
33. RBNIR ( 10/05/2016 10:56)
Mandrosoa amin'ny lalina hatrany rhajo fa tsy maintsy ho hifantatrao ihany hoe aiza ilay izy a!
« Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. » (Mat.5:6)
34. rhaj0 ( 10/05/2016 12:48)
Mahatsikaiky mampihomehy anie ity RBNIR ity ee.... Mipetraka ny fanontaniana, fa ny hamaliany azy dia poeme.. sahala @ efa surmenE ve RBNIR ka dia mivaralila mihirahira toko aman'andininy sisa aaa... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7797