FIHAVANANA

1. razafyaina2o15 ( 22/04/2016 12:22)
ankehitriny toy tsy hita taratra intsony zany hoe fihavanana zany ! asanoho ny fiainanamihasarotra hatrany ve sa noho ny fisian ny teknologiavaovao sa noho ny inona tsy hay intsony ; vola ! fihamboniana ! fijerena ny manana sy ny tsy manana! io anefa anisany tena tandrovina taloha satriazay no mahamalagasy ny malagasy ; e! asa rahoviana vao hiverina indray izany ! mampalahelo ! e!
novalian'i rhaj0 ny 08/05/2016 15:30
2. rhaj0 ( 22/04/2016 13:32)
ka eto @ Fivavahana ianao no miresaka Fihavahana..

Ka dia inona azany no ifandraisan'ireo eee? Hoe, alatsaka ny 'va' voalohany, dia soloina 'ha' ? :-) :-) :-)
3. rhaj0 ( 24/04/2016 15:40)
RAha ny tazatazako, dia niha-betsaka hatrany ny Malagasy lasa mpivavaka izay am-polo-taonany vitsivitsy lasana izay.

Ka misy fifandraisany ve izay hoe, niha-nivavaka ny Malagasy, ary dia nanary ny Fihavanana?

Ny hitan'ny masoko, izaho manokana aloha, dia.. TENA marina io.

Tao Montreal, efa ho 20 taona lasa izay, dia nivory ny galasam.. hoe ahoana ny Fiangonana. Dia nisy ekipa iray, tia hanangana Protestanta ho azy (fa tsy te-hiaraka @ Katolika). Izay no fahazoako azy. Dia rahefa nandeha ny adi-hevitra, dia nivaky vava ny iray t@ io ekipa io hoe, toatoa ny hoe:
"ity aloha dia tsisy resaka gasy/fihavanana/ets... fa resaka Finoana/Fivavahana sy JK"
Vokany: nizara roa re rey olona ilay Fiangonana eokiomenika gasy tao Montreal.. nefa t@ izany zahay mety ho fianakams eo @ 50 fotsiny raha betsaka..

Dia nitohy t@ 1 sa 2 taona lasa indray. Dia ilay Fiangonana Protestanta io, dia mbola lasa nivaky roa indray, ny iray FJKM, ary ny iray ilay FPMC orijinaly..

KA aiza ilay Fihavanana hoz'ianao ? Dia hoy ny mpivaky fiangonana hoe, ny Fivavahana/Finoana no ambony eee.. Nalatsany ny HA dia nosoloiny VA, ka dia veloma madinidinika raha eto an-tany, fa any am-paradisa hono mihaona eee... ary izay lasa any ihany no tiany hihaonana koa moa.
4. RBNIR ( 25/04/2016 07:52)
Fampianaran'ny Jesosy:

« Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra. » (Rom.12:18)

Indraindray ianao te hihavana ihany fa ilay olona mihitsy no efa tsy te hihavana aminao intsony dia iny ilay hoe "tsy azo atao....."

« Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra. » (Mat.5:9)

5. razafyaina2o15 ( 25/04/2016 08:23)

ie mis aloh zay e! fa ny sasany manao hoe ny fihavanana ary ten ilaina io @ maha mpiarz monin fotsiny satri mifankahit lava isan andro eo lalanaray no iraisana , ie satri ngamb izy met manan ny ampy na koa hoe te hanambion ten tsy haiko fa amiko @ amin mahamalagasy ny malagasy diatzndrovin hatrany io fihavanana io toy ny ohabolan manao hoe aleo very tsikalakalam bol atoy zay very tsikalakalam pihavanana ; fa hatreto de tsy hit taratra intsony zany very e!

6. vahiny2004 ( 25/04/2016 08:32)
Fa inona no dikan'ny "fihavanana" na hoe ahoana ny fampiharana azy ? Toa resaka vola no ifotoranao eto manko .

Ny vola tsy maha-mpihavana mihintsy ka raha ny no handrefesanao ny fihavanana dia tsy tafa an

7. rhaj0 ( 25/04/2016 14:28)
Ka hoe, Aleo Very Tsikalakalam-Bola Toa Izay Very Tsikalakalam-Pihavanana.

Izay ny an'ny Ntaolo. Fa iny moa izany efa narian'ny Malagasy maoderina ee..

Fa raha hitariko @ fivavahana toa itsy resaka etsy ambony (satria izay no loha-hevitra eto), dia ho an'ny Malagasy Mpivavaka ankehitrio, dia

Aleo Very Tsikalakalam-Pihavanana, Toa Izay Very Tsikalakalam-Pivavahana
8. rhaj0 ( 25/04/2016 16:27)
rhaj0:
Aleo Very Tsikalakalam-Pihavanana, Toa Izay Very Tsikalakalam-Pivavahana

Mety hoe "fampiharana" io oha-pitenenana Kristiana io izao dia, ohatra ireo namana nifanakalo hevitra teto, toa an-dry Gasy1zay na ry Strong3 na koa ry Radavison sy ry Tefigasy fahinysns... Ka voahitrikitrika ny Finoany, ary dia nilaozany ny teto eee..

Naleony very ny Tsikalakalan-tseratsera eto, toa izay very ny Tsikalakalam-pivavahany any :-)

Nefa anie ny iseraserana eto dia ny Isavasavana Ny Raviny Mba Ahitana Ny Ifotony eee
9. RBNIR ( 26/04/2016 07:49)
rhaj0:

Mety hoe "fampiharana" io oha-pitenenana Kristiana io izao dia, ohatra ireo namana nifanakalo hevitra teto, toa an-dry Gasy1zay na ry Strong3 na koa ry Radavison sy ry Tefigasy fahinysns... Ka voahitrikitrika ny Finoany, ary dia nilaozany ny teto eee..

Tena azon'i rhajo antoka v fa "nihemotra" amin'ny finoana izireo fa tsy hoe vao maika mety "nandroso" lalin-dalina kokoa amin'ny finoana???
10. rhaj0 ( 26/04/2016 11:03)
"Niroso t@ finoany" sy vao mainka roboka @ tsikalakalam-piVAvahany ho'a izany izy, fa kosa, nihemotra t@ tsikalakalan-tseratsera sy ny tsikalakalam-piHAvahana eeee...
11. RBNIR ( 26/04/2016 11:26)

rhaj0:

"Niroso t@ finoany" sy vao mainka roboka @ tsikalakalam-piVAvahany ho'a izany izy, fa kosa, nihemotra t@ tsikalakalan-tseratsera sy ny tsikalakalam-piHAvahana eeee...

ilay tsikalkalan-tserasera ekeko fa ilay hoe tsikalakalam-pihavanana kosa mbola ?????
12. RBNIR ( 26/04/2016 11:28)
Sarotra inoana hoe kristianina nefa tsy tia fihavanana.....

Satria hoy koa ny teny hoe :

« Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao. » (Mat.5:43)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, » (Mat.5:44)
13. RBNIR ( 26/04/2016 11:37)
Fitiavana mbola ambony noho ny fihavanana!!! Ary ny fitiavana dia « Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna. » (Rom.13:10)
14. rhaj0 ( 26/04/2016 11:49)
Inty indray koa efa nolazaiko teto, ary hitan'ny voamasoko sy niainako.. Niara-niasa ho'a izaho sy ilay ranamana izay. Mandeha tsara ny atao. Dia nisy fotoana, nanontany izy hoe, "mivavaka" @ inona ialahy? pro sa ka sa ... dia nihodikodina fotsiny aho fa satria moa efa atheista aho t@ izany. FA TSY nety niara-niasa nanao zavatra niarkaa tamiko intsony ho'a ilery eee... ary efa in-2 ho'a aho voan'izany.

hi hi hi... "vavolombelona" ny fiavonavonan'ny Kristiana aho ry RBNIR aaa... Alahady zareo manesika na sesefan'i belazao.. ka Alatsinainy avy koa zareo dia mbola manary ny maha-olona azy
15. RBNIR ( 26/04/2016 13:46)

Izany e, sao dia entinao misotro na manao zavatra tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra kosa izy dia miaro tena noho ity teny ity......na ilay zavatra ataonareo miaraka mihitsy no mety tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra dia aleony ajanona...

Misy teny fitenin-tsika hoe izay miaraka amin'ny amboa haolo dia amboa haolo,

Mety miaro tena kosa ngamba izy mba tsy ho lavon'ny fahotana (miaraka amin'i rhajo) e! noho ity teny ity....

« Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy. » (Jak.4:4)

Sahala amiko eto tsy hankasitraka mihitsy ny ataonao nefa ny fitiavana b d b (saingy ataoko ahoana moa no hitsofoka ao andohanao ao rhajo)

Raha te ho faty rhajo dia aleo ho azy irery izany fa tsy izao koa no andeha ho faty miaraka aminy any.....Na izany aza ny fitiavana bdb saingy izy ity tsy hifanerena e!!!
16. rhaj0 ( 26/04/2016 15:48)
rhaj0:
Inty indray koa efa nolazaiko teto, ary hitan'ny voamasoko sy niainako.. Niara-niasa ho'a izaho sy ilay ranamana izay. Mandeha tsara ny atao. Dia nisy fotoana, nanontany izy hoe, "mivavaka" @ inona ialahy? pro sa ka sa ... dia nihodikodina fotsiny aho fa satria moa efa atheista aho t@ izany. FA TSY nety niara-niasa nanao zavatra niarkaa tamiko intsony ho'a ilery eee... ary efa in-2 ho'a aho voan'izany.

hi hi hi... "vavolombelona" ny fiavonavonan'ny Kristiana aho ry RBNIR aaa... Alahady zareo manesika na sesefan'i belazao.. ka Alatsinainy avy koa zareo dia mbola manary ny maha-olona azy
RBNIR:
Izany e, sao dia entinao misotro na manao zavatra tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra kosa izy

izaho irery moa no mitantara ny tantara, fa kOpy ianao fa ilery dia ilay Kristiana mihevitra fa, raha tsy mivavaka toa azy ny olona, dia "devoly" izany. Dia kOpy ianao fa aleony ilery mandositra amiko.

Ka dia io ilay "tsikalakalam-piVAvahana" an'azy (irery) ao, ary dia aleony very ilay tsikalakalam-piHAvanana (miaraka amiko) eee..

FA dia marina tsisy tomika ho'a ilay an'ny Kristiana eee...

Toa Kristiana Mafana FO, Ka Aleony Very Tsikalakalam-PiHAvanana, Toa Izay Very Tsikalakalam-PiVAvahana.

Dia i belazao moa mampifangarongaro fitiavana sy toko aman'andininy poak'aty any foana fotsiny, @ maha-belazao azy, fanefa ny zava-misy tsy azo ihodivirana dia io. Dia avy eo izy dia mody ganga hoe, fa maninona no very ilay soatoavin'ny Razana, dia ny FiHAvahana... ntss.. hanontanio @ Andrmntra (imaginaire) ao eee...
17. RBNIR ( 27/04/2016 07:15)
rhaj0:

izaho irery moa no mitantara ny tantara, fa kOpy ianao fa ilery dia ilay Kristiana mihevitra fa, raha tsy mivavaka toa azy ny olona, dia "devoly" izany. Dia kOpy ianao fa aleony ilery mandositra amiko.

Ny zavatra tena tokony hatahoran'ny kristianina dia ny ho tafalatsaka indray amin'ny tsy finoana....« kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko. » (Apok.2:25)

Raha malemy finoana kosa aloha tena aleo tsy mifanerasera loatra amin'i rhajo e! :-)
18. RBNIR ( 27/04/2016 07:19)
TANDREMO FA TSY COMPLIMENTS IO AN! RAHA MANDRAY AN'IO COMPLIMENTS IANAO DIA HO VITA TANTERAKA RHAJO!!!
Te hanambara aminao fotsiny aho fa hoe tsy dia fanapahana fihavanana loatra na koa hoe tsy fitiavana no misy ao amin'ireny olona ireny fa "fiarovany ny tenany fotsiny ihany"....
« Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy. » (Jak.4:4)

19. RBNIR ( 27/04/2016 07:21)
Midira ao anatin'ny vala dia ho hitanao fa hiverna tsara aminao indray ny fitiavany e!! ary ho fantatrao fa tsy nanapaka fihavanana velively akory izireo.....
20. RBNIR ( 27/04/2016 07:39)
Tandremo anefa sao manao ambodia mitafy hodijanakondry an, mody miditra nefa.....

Misy maso mijery avy any ambony any....

« Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an'Andriamanitra. » (Sal.14:2)

Ny mpiandry ondry tsy maintsy hiandry tsara ny ondriny ary dia hovelesiny amin'ny "baton" ao ianao raha mitady hanao ambodia misokosoko ao...

« Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. » (Jao. 10:11)

Tena tia zanaka io Mpiandry ondry io (ny ainy aza efa nafoiny ho azireo ka vao maika misy mikitikitika eo tsy veloma)????

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4475