fanabeazana

21. razafyaina2o15 ( 30/05/2016 07:14)

manao ahoana daholo zaho alo h tsy haiko hoe inona fa mb miezak mizara @ mpianatra ny ankiz ny olo dehib ray aman dreny toa ahy fotsiny ao hoe catre sur table iany ny vaha olana mb ahafahan ny tsirairay mamah ny olana raha misy na ahafahan ny mpianankavy mifandinika sy mifampizara ny hevitr ny tsirairay momb ny fanabeazan ny fiainana sns e! eo olon dehibe samy olon- dehibe koa dia tsar ny carte sur table ahafahana mijery ny teo aloh sy ny ho avy sa ahoan : fa manoino hon ra sergent no monjomonjo resy lahatr eo ihany izy ny farany e! ts azo ato an kateren ka ne izy io e! mandinik milamin eny aloha , diazay sy zay ndray ary aloh e! faramb misy toy ny video kely reny dia tsar ko mb mifampizar e!
misaotr indrindra
22. rhaj0 ( 30/05/2016 15:05)
hi hi hi.. monjomonjo i Sergent, rahefa mipetraka carte sur table, ary eo anatrehan-janany, fa ity fombany anie ka Sergent. Ka tena mahatsiaro ilery fa tena mi-remettre en question ny autorie-ny ao @ Lakazerna :-)

Ary dia eo izy dia mety @ ilay hoe, tokatranonay izany fa tsisy idiranao... Fa marina ny lazainao: TSISY an-tery io.. Nefa aloha, TSY afaka ny mijery fotsiny dia manapi-maso @ fanararao-pahefana (abus) ataony amin-janany ao ianao.

Ohatra tsotra hoe, ilay "tsoran-kazo" dia tandremo kely fa mety tonga dia direction prison an... Betsaka ny RaR immigrants aty Kanada, manao Sergent hoe, rahefa mandingana ny varavaran'ity tokan-trano ity, dia... ohatra hoe, any Dago isika fa tsy aty Kanada. Fa tandremo f'aza mba ren'ny DPJ (Direction pour la Protection de la Jeunesse) ny hadalan'i Sergent ao, fa tonga ho'a dia direction prison koa ee.. aty mety ilay zaza mihintsy no mankany @ DPJ. Efa mahay fa nampianarina izao ny zaza aty hoe : "c'est mon droit."
23. 5laody ( 30/05/2016 16:52)

Miarahaba ny mpisera rehetra,

Elaela tsy nahita dinika mahafinaritra toy izao teto fa dia mampirisika ny mpisera e.

Tena mba manana fanontaniana kely ho anareo efa zatr'ady ireto aho, Ekeko ilay karazana fitondrana ataon'ny ray aman-dreny ireto nefa ohatry ny misy karazany koa ny ankizy ka mba tsara ifampidinihana ihany angamba.

Misy ilay fotoana hoe mbola kely sy mitady fitsipika izy, na vatony sy tsy mahita izay raisina hoe jereo aho ny vatako efa vatan'olon-dehibe nefa izaho ity mbola tsy mahafoy ilay lalaon-jaza sy fiainana tsy misy ahiahy. Misy efa lehibe.

ka raha manana ireo karazany telo ireo ianao ao an-tokan-trano; tena tsy maintsy misy hahatsikaritra ihany hoe ohatry ny misy fiangarana izy izany: fa ahoana ity sergent pilote ity toa ataony ohatry ny kil ilay iraika efa lehibe ity ?

Na ny hoe ny fitondrana lahy sy vavy ary mbola litige hoy ny mpanao belote. Ingahy elikaopitera aza mety handefa draonina mihitsy rehefa kôpikôpy hoe miala any ny ilany.

Misy rohy izay ho apetrako eto ambany eto, ohatry ny mamarparitra ilay fomba idealy voalazan'Ingahy Rhaj0 etsy ambony etsy fa tena rehefa te hampihatra ianao sarotra ihany ko.

Ny tsy ifanarahan'ny ray aman-dreny sy zanaka aty matetika dia momba ilay "c'est mon droit" voalaza etsy ambony raha lasa 'sens unique' tsy hampanjary raha koa.


Eto ilay rohy ho an'izay mazoto mamaky


Eo koa ny ray aman-dreny izay sahirana tamin'ny andro fahazazany ka mampihanta ny zanany amin'izao fotoana manome izay tsy ampy rehetra azy tamin'izany.(na ilain'ilay zaza io na tsia).

Mahazotoa daholo e.





24. rhaj0 ( 31/05/2016 01:13)
Marihiko aloha fa atelier ho an'ny RaR-n'ny mpianatra taty aminay no natrehiko efa ho 5 taona lasa izay. Tsy tadidiko akoriny ny mpamelabelatra; nijerijery ni-google aho fa tsy nahita referansa koa.

Fa tena tsara petraka ny fanontanian'i 5laody, ny @ mpianadahy sy ny tsy mitovy taona. Ary marina tokoany fa (mety) samy hafa ny fiatrehana ny isan-karazany ao, ka mety lasa miseho ho fiangarana, na mampifandiso ny hafatra nampitaina teo aloha. Izaho manokana aloha dia tokana ny ahy ka tsy nipetraka ny fanontaniana.

Fa raha mieritreritra eto aho, dia tena tsisy afa-tsy ny "carte sur table" araka ny filazan'i Razafyaina2o15 azy. Koa na eo ampametrahana ilay fanontaniana azany, How Can I Help You, dia "hazavaina" @ ilay zaza ny tanjona.

Dia ny ahy koa aloha dia tsoriko fa izaho TSY tonga lafatra, ka hoe hahay izao rehetra izao, na hoe manana ny marina/rariny @ izao rehetra izao; apetrako mazava tsara mihintsy hoe, izaho koa anie miezaka e; tsisy nandeha sekoly-mianatra-ho-RaR teo, fa dia ... miezaka, ary dia mba ampio koa aho. Dia miara-mikaroka ny ho atao sy izay vaha-olana eo zahay mianakavy. Sady manararaotra koa eo mametrapetraka fa, toatoa izao ny fomba fieritreretako, sy izay antony ary izay vokatra heverina eo, ka nahatonga ny fehin-kevitra.

Koa raha "tsy mitovy" ireo zaza izany (mpianadahy/zoky/zandry), dia tena lazaina eo, "carte sur table", fa izay ilay izy, dia miara-mamahabaha eo.. @ ankapobeny, raha ny fahitako azy, dia izay fehin-kevitra/vaha-olana eo, dia mila tafapetraka fa "safidin"ilay zaza" ilay izy: izy no (isan'ny) namahabaha teo, ka nahatonga ny fehin-kevitra, ary nisafidy ny firosoana teo... (idealement).
25. razafyaina2o15 ( 31/05/2016 07:54)
Manao ahoan daholo ; ie zaho koa aloh tsy tonga lafatra e! fa mba miezaka mizara zay kely hita fa mahasoa ho antsika ray aman dreny momba ny fanabeazana , ny ahy aloha dia tena hitako fa tena nampisy vaha olana ny fanaovana carte sur table io vao mboal kely dia mandeha ho azy zany rehefa miha lehibe ny ankizy , ny ahy zaho dia mitady carte sur table mitsy hoe misy resaka hafa mitsy ty dia mba zaraiko sao tsy mety na hoe mety dia miara mihaino eo daholo ; ie misy karazany ny ankizy satria ao ny zoky ao ny zandry ao ny antenanteny zay tena hafa mitsy matetika tsy mitov@ zaza voalohany ny zaza faharoa ary tsy mitovy @ zaza farany koa somary misy toetra kely zay fa rehefa io no methode " carte sur table io dia miravin a ho azy ary manaika io izy , tsy misy hoe miangatra hita taratra zany ary isika ko ve dia hanao fiangarana zany e! samy zanaka daholo anie ireo e! hafa ndray kosa izy ra zanaka ef miasa ny fitiavana misy foana fa ny zavatra madinika toy ny gouter kosa angamba ef miha kely e! misaotra indrindra
ny tiako tsindrina kely fotsiny raha toa isika ray aman - dreny ka miangatra diaesory fa tsy mety kosae! atao mitovy daholo fa tsy misy hoe ty tiaka kokoa naa tia bedesina kokoa rehefa samy manao hadisoana dia bedesina daholo ; isa ny manimban sain' ny zanantsika kosa e! mirary soa indrindra ary dia mazotoa daholo
26. rhaj0 ( 02/06/2016 13:10)
Razafyaina2o15:
manao hadisoana dia bedesina

Ity koa izao zavatra iray tena noezahinay nofadiana. Niezaka mafy mihintsy izay ny TSY hibedy hibedy izany. Raha misy tsy mety, na hadisoana, na dégats, na manahirana, ets... tonga dia mirotsaka izahay (miaraka) MANARINA izay eo.

T@ ilay zaza mbola kely, dia fanina kely ihany izy, satria izy @ io dia zatra ny any @ garabola any, ka rahefa misy ankizy manao tsy mety/hadisoana/degat/manahirana/.. dia BEDY. Mahazo teny mahery, na masiaka fara-fahakeliny; ny discipline isan-karazany moa tsy ferana. Ato an-trano anefa izy TSY bedy izany mihintsy. Ka rahefa ataony ilay tsy mety, dia mihanahana miandry ho bedy izy. Fa TSY mibedy zahay fa tonga foana dia tarihinay izy ny hanarina na hiarina; matetika tsisy resaka akoriny ny @ ilay tsy-nety teo. Nony lehibebe izy, dia lasa nanana ilay reflexe hoe, "tonga dia manarina na miarina".

Ka izahay lehibe koa moa afaka ny manao ny tsy mety/hadisoana/degat/manahirana/.. Fa dia averimberina foana, fa ny zava-dehibe dia ny "manarina na miarina".

Izay ilay hoe resilience.

Resilient = able to withstand or recover quickly from difficult conditions.
27. rhaj0 ( 14/06/2016 12:30)
Inty no hita sy reko faramparany koa...

Ka @ Raolona, dia misy ity hoe "multiple personality disorder"... mety hoe "bipolar" izy raha manan-droa izany. @ io izany ilay olona, dia tena (toa) olona roa samy hafa, rahefa amina tranga na seho na fotoana samy hafa.

Ka io, raha "fahiny", dia hoe olona "marary (saina)" ny manana "multiple personality", hozy ny dokotera (psy). Fa izao indray hono, "normal" izany, fa ny olona manana "personality tokana" indray izao no "marary". Fa kosa, tsipihina tsara, fa "aretina" ihany ilay "multiple personality" rahefa miaraka amina olana-be ara-pitadidiana.

Ka izao no nasisiko rahefa tena ilaina ilay "mibedy" ny Ankizy... hoe... manana "personalite" roa ianao, normal izany, dia Iketaka-mafy-loha sy Iketaka-malefaka. Ka Iketaka-mafy-loha dia io mitaritarika anareo roaroa hanao betizy lava io.
- koa raha "mibedy" aho, dia Iketaka-mafy-loha no "bedesiko"
- ary ianao Iketaka-malefaka koa, tokoany handresy lahatra an'Iketaka-mafy-loha tsy hanao betizy, ary tsy hanaraka ny betiziny intsony koa ianao.

Io izao mety ilay vita kisarisary mba ampatsotsotra ny fahazoana azy hoe, misy devoly/anjely mibitsika. Nefa raha ny fahazoako azy, dia "ivelan'ilay zaza" ireto, ary "etre imaginaires" ireo devoly/anjely ireo, fa tsy hoe, ilay zaza, na ny fisehony/toetrany mihintsy no mivadibadika.

Dia io koa izao mety araky ny fiteny Malagasy hoe, itsy dia "zaza mahery an-trano". Nefa raha ny fahazoako azy, dia na an-trano na any am-pianarana, dia eo foana Iketaka-mafy-loha sy Iketaka-malefaka.
28. rhaj0 ( 15/06/2016 16:13)
Iverenako kely ilay hoe, ny olona manana "personality tokana" indray izao no "marary". Ahitsiko kely hoe, ilay toa Itsimahaalaafatsytokanaihany izany no lazain'ny dokotera ankehitrio indray ho "tsy salama (saina)".

Fanefa raha "toetra" no andikako ilay "personality", dia ekena fa miovaova toetra Raolona arakarak'izay tranga/seho/fotoanany/... eo. Ka eto izao, raha ny fahitako azy indray, dia rahefa miha-matotra anefa isika, dia miha-constant ilay toetra. Diniho anie ireny ela nihetezana ireny eee...

Ka raha ny fomba fijeriko ho'a, dia ilay (concept) hoe "multiple personalite", Ikoto-mafy-loha sy Ikoto-matelot, dia ampatsotsorina ny fahazoana ny fi(s)ainana ao, fa ilay "personalite"-nao izany, dia taizana sy avoatra hatrany, ka rahefa ela ny ela dia .. "ela nihetezana" eee...



29. razafyaina2o15 ( 16/06/2016 08:00)
MANAO AHOANADAHOLO
elaela ndray zay ; somary be asa fa anatin 'ny fanomanana ny examen ny ankizy e! EPS n y BACC de ny préparation ny BACC blancs sy ny BACC dans 40 jrs sisa io; tsy hitatsony zay lazaina efa voalaza teo aloha daholo fa ny fijerena ny ho avy n ireo ankizy ndray zao sisano banjinina hoe aiza ny lalana tokony hizoran 'izy ireo eny e! fanabeazana ihany tokoa zany fa nisy mpianatra avy eo @ serasera nakahevitrataty amiko momba ny tontolo iaianana sy ny manodidina eny toy ny zava miseho @ reto fananana iombonana toy ny wc ny zaridaina eo ihany koa ny anaty bus sns ... ahoana hoy izy raha sendra ka ianao no mahita olona iray tsy manaja ny na manimba ny zaridaina dia nilaza t@ olona aho hoe tokony hajaina reny satria fananana iombonana mahafinaritr ny maso ny mahita ny zava maniry , mitondra ainavao ho antsika no mitondra rivotra madio ary mitodra ihany koa fahavitrihina ho antsika di ny sasany moa tena mamaly hoe marina tokoa zany fa ho an ny sasasan zay lazaina hoe asatsy mivaky lohangahanahoe tsy miraharahatsotrazao de tsy hainoany akory fa sady lasa izy no mimenona fa ndray andro zay rankizy nandroraty ramatoa ray diatay @ tongontro no nanidina satria nisy rivotrra t@ zay dia nantsoiko lay ramatoa ary nasehoko azy mitsy ny zavatra nataony dia nivindavinda izy fa rehefa hitany hoe tena tsy nety tokoany nataony satria niteny aho hoe raha ianao no sendra izao de mb ahoana nyfihetsikao dia teo izy vao tonga saina hoe tena tsy nety tokoa ny nataony dia niala tsiny ary nofafany ny rora nataony dia niteny aho t@ zay hoe anatra zay satria ny fotoana lany ny henatra koa etsy andaniny fa izao sady efatara nefa tsy maintsy mandalo trano fidiovanaao am piasana mbola namerin ndray nanasa tongotra satria ten tsy mandry ny saiko hoe rora ve ? FA AFAKA ADIDY AHO KOA SATRIA OLONA MBA LIAM-PIVOARANA IHANY LAY OLONA FA TSY OLONA INONA AKORY Dia apetrako amintsika nyfanontaniana hoe raha ianareo no sendra olona toy zany na tranga hafa dia inona no fepetra @ zany lay fahaiza - miaina mitsy zany no tiany ho lazaina eto dia misaotra indrindra mazotoa daholo
30. rhaj0 ( 16/06/2016 14:40)
Dia tohano ao ny Ankizy e... mazotoa ary mahavita be.

Fa hono ho'a... ahoana indra ny fi-gerer-nareo, na moa izany ny fi-gerer-n'ny Ankizinareo, ny anxietE-ny ao ?

Anxiete izany ilay be fanahiana ny @ ho avy eee... Ka eto ny examen izany, ary h@ ilay "ho avy banjinina" io...
31. razafyaina2o15 ( 17/06/2016 06:20)

Manao ahoana daholo
tsy hoe be fanahiana araka ny eritreritrafate hanao zavatramaro miraka ny ankizy apres BACC tonga dia te hanana diplome maro miaraka azo zany ry zreo kaza miteny hoe afaka mianatra foana na dia efa fotsy volo aza fa ts y hoe antitra dia tsy afaka mianatra ny ankamaroany sady tiany ampiarahana ny droit sy ny communication ny sasany sady tiany ny ny ankatso no tiany ny vontovorona ka tsy afaka miaraky ireo ; ny sasany sady te hanao medecine no te hianatra zavatra hafa koa toy ny science eny ankatso zany dia eo no mila halamin ny sain izy ireo sao votsi droa ; tena mazoto mafy loatra manko izy ireo e! misaotrae!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2692