fanabeazana

1. razafyaina2o15 ( 21/04/2016 12:22)
miainga avy any @ ray aman dreny aloha ny fanabeazanavao miampita@ mpanabe sy ny mpampianatra satria saorotra ny mitondraazy raha ts ny ray aman dreny no mandray andraikitra! miangaavy any ny olana rehetra ! noho izany tokony hahay hihaino ny zanany ny tsirairay ary manoro azy ny lalana tokony hizorany ; maro manko reo ray aman dreny tsy mifampiresaka naats mihaino ary tsy manara maso ny zanany akory ; hany ka rehefa tongaany @ toerana mis azy izy ireo na aizio naaiza dia tsy mahafantatra ny mety sy nytsy mety: mila mifampiresaka mila toky ary mila tambitamby avy any @ ray aman dreny : tsy hoe tambitamby fampiantanazanakak a ekena daolo zay tian izy ireo fa fihaoana ny tarainany ohatr zay no teny atsipy avy aty aminay
2. den ( 25/04/2016 05:37)
manao ahoan daol ! ts mb misy mitov eritreritr amik ny ray aman dreny angamb e! sadia variana @ fitadiavana marin ngamb e!
3. mirananirina ( 08/05/2016 08:10)
Samy manao izay ho afany mihitsy raiaman-dreny @ fanabeazan any ankizy.
Kanefa misy foana ireo mibolila. Antony: io namana io ihany.
Ka raha te hitaiza zaza @ tsara ianao dia ny namana iarahany no jerena akaiky. Na any antsekoly na any antanàna.
Ohatra: tsy mahazo mifoka sigara ianao. Namany anefa mifoka, raikitra ny andrana dia toy izany hatrany.
Ny ahy naman ny zanako asaiko ho entina aty antrano mihitsy jerevako. Tsikiloviko matetika hoe iza no iarahany any ampianarana. Za koa angamba efa sarotiny loatra hihi
4. rhaj0 ( 16/05/2016 13:59)
MIsy karazany 4 lehibe hono ny ray aman-dreny sy ny fomba fitaizany ny zanany aby ao

1- r-a-d "sergent".. io ilay toa ny fifampitondrana any @ lakazerna ny ao an-trano ao.
2- r-a-d "tsy mivaky loha"... io ilay mihevitra fa ny sekoly sy ny fiaraha-monina no hitaiza ny zanany.
3- r-a-d "hélicoptère" ... io ilay manara-body, na dia efa any @ Oniversity aza ny zanany.
4- r-a-d "idealy"... na hoe, io indray izao no (tokony) "lamaody".. Io ilay r-a-d mametraka fanontaniana ho an-janany hoe : "lazao amiko hoe ahoana no hanampiako anao?"


Izay no teoria reko faramparany taty... Raha ireo, dia samia hoe mamisavisa, ary manasokajy ny tenany, ka hoe... karazana r-a-d inona ianao? Dia tantarao hoe, inona no maha-izay anao ao.

Izaho manokana dia indrisy fa r-a-d "hélicoptère"... fa efa miezaka eee ... :-)
5. razafyaina2o15 ( 17/05/2016 06:02)
Manao ahoana daholo misaotra t@ resadresaka ; izaho aloh ray aman dreny atao hoe tsy ao anatin' ireo efatra ireo satria tsy haiko hoeaizny tena toerako , izaho manko dia mifanerasera @ reo ankizy maro be na kely na lehibe de mihaino hatrany ny tarainan' izy ireo rehefasendra misy fotoana malalaka iny ny tsirairay avy hany ka mahita fa ndraindray isika ray aman dreny asa variana @ fitadiavana nareraka @ asa na reraka @ fiainanana koa diatsy mihaino na tsy vonona ary mety reraka ihany koa dia tsy afaka mamaly na mihaino reo zanantsika ataoko hoe isika satria ray amaan dreny daholo isika ireo ny hany hamaliako reo ankizy dia hoy za hoe rehefa fafilafy iny na hitanao fasomary irana iny ny endrik ' i dada na neny ndrindraindrindradia hatony mora ary miteny am - pitiavana hoe neny o! n a dada o! misy teny kely ataoko aminao dia hihaino anao izy ary tanatarao azy daholo n ny rehetra tianao hahazo valiny , izaho aloh tena msiaka @ zanako miezaka manazava ny fiainana rehetra zay niainako na talo ha na ny ankehitriny dia miezak hatrany mihaino na dia fotoana kely fotsiny aza dia miteny oe omeko ny valin @ faran' ny herinandro iny satria@ iny no misy fotoan malalaka tsar ie ndraindray adion sujet fa miezaka mitadidy zay tena tokony tena mila valiny tsara mahatsiaro reraka ihany ka @asa ny fiainanana fa miezaka mihainosatiay zanakin ' haf ve hihainoana dia ny an' nytena ndray tsia mety hoe tsy afa -po izy ngamba fa mahatsapa fa efa mba nihaiono azy aho ; e! izaho zany lay mananatra sy mpanoro hevitra kely zay e! misaotra ndrindra e! ts mba nanana mpanantra , mbola kel y dia mat mamanay dia nipetrk t@bebee!
6. rhaj0 ( 17/05/2016 11:37)
Ndao anie raisina tsirairay ireo sokajy 4 ireo eee..

1- r-a-d sergent

Ny fitaizana anay tao an-trano dia toa io
- rahefa antsoina dia tsy maintsy mamaly hoe "ahoana tompoko" (Eny Mon Sergent)
- ny raiko izany no Sergent, fa ny reniko dia Adjudant; ary ilay lahimatoa no 2eme class.
- maro ny fitsipika ao an-trano, toa ny corvée tsy maintsy atao, na koa ny couvre-feu ho an'ny anabaviko
- dia tena hoe, manaraka baiko aloha, dia avy eo, miresaka, raha hisy resaka moa izany.
- ny baiko eo ihany, fa ny fanararaotana ataon'ny be galona dia ... indraidray dia toa ny manompo an-dreo izaho, ilay vata-tay.

Fa "milamina" ny tao @ Lakazerna, ary nisondrotra grady tokoany koa moa aho, ka ity lasa aty Kanada ity :-)
7. rhaj0 ( 17/05/2016 17:56)
2- r-a-d "tsy-mivaky-loha"

Izy izany ilay r-a-d izay mamela ny zanany any, manao izay ataony any.
- mety hoe, ilay r-a-d niteraka nefa mbola tanora, ka dia tsy mahatakatra ny andraikitra mipetraka (na ny hafaliana mety ho azo)
- na koa dia ilay niteraka nefa tsy te-hiteraka, ka dia fafany @ eritreriny ity zaza fa toa mandrebireby ny fiainany
- nefa koa mety hoe dia tena safidy, vokatry ny eritreriny, mba hampirisika ilay zaza hikezaka @ tenany any, satria fony kely izy ohatra dia toa izany koa, na hoe mahita izy fa izay no tokony ho izy
- ny aty Kanada na Zamerika izao, dia misy ireo r-a-d, tena tsy andriny izay aha-18 taona ity zaza, ary dia tonga dia barakay; ka ambara-pahatongan'izany, dia efa mila avela any ity zaza
- etsetra...

Fa @ ireo rehetra ireo, dia tsy miteny, na zara raha miteny, tsy manoro, tsy manampy, na zara raha manampy ny zanany ity r-a-d, fa dia hotry ny hoe, "ny sekoly sy ny fiaraha-monina no hitaiza ny zanany" fa tsy mba izy r-a-d niteraka tao.
-
8. rhaj0 ( 17/05/2016 18:44)
3- r-a-d "hélicoptère"

Ity indray ilay vontom-pitia an-janany... hono.
- ilay mipofo lava, ary tsy lavitry ny masony mihintsy ity zaza, fa dia manaraka ary mitsinjo izay (mety) hanjo azy, na mianjera ho azy ao izy, na finganin'ny namany,
- mahavatra mitsabatsabaka @ adin'ankizy, mamaky ny diarin-janany na koa ny taratasin'ny naman-janany ary mihaino ny resaka an-tarobian-janany;
- izy ilay mahavita manao ny devoaran-janany, miady naoty @ mpampianatra; rahefa atao kisarisary, dia izy mihintsy ilay mbola manaraka an-janany nefa efa any @ Oniversity ilay zaza.

Mety masiaka izy, nefa mety ilay tsara-fanahy fa manempotra ireny koa. ary miseho mahalala ny zava-drehetra, ka manalokaloka, rahefa tsy manindry aloka an-janany ao.

Ilay r-a-d toa itony no, mety koa, ilay karazan'ilay mambosibosika ny zanany hanao an'izao sy izao... zavatra rehetra tsy vitany t@ androm-piainany izao.
Ka mampanontani-tena hoe, tena fitiavan'i hélicoptère an-janany ve io, sa fitiavany ny tenany.
9. rhaj0 ( 18/05/2016 00:59)
4- r-a-d idealy

Araka ny teoria farany izany, dia ilay r-a-d no manontany an'ilay zaza hoe :
"Lazao Amiko Hoe Ahoana No Hanampiako Anao?"

Ahoana moa izany. Io dia toa ny rahefa mivarotra. Rahefa mandehandeha ao @ labotika ny mpanjifa, dia hoy ny mpivarotra: "How Can I Help You?"

Efa tena voadinika lalina io fantsy io, ary lasa natao fahazarana. Fa raha ny tena fonosin'io, dia hoe:
1- mampahafantatra anao aho, fa hoe, eto aho, ary afaka sady tia hanampy anao, raha toa ka mila fanampiana ianao,
2- fa raha tsy mila fanampiana ianao, dia tsy handrebireby anao aho, ary tsy hambosesika entana na resaka anao aho.

Ary ny tohiny dia hoe
1- ianao no mahalala fa mila olona hanampy anao ianao,
2- ianao no manantona ny olona izay fantatrao fa afaka hanampy anao, ary safidinao io
3- satria ianao ihany no mahalala hoe, inona no tianao sy ilainao,
4- ary ianao no mahalala hoe, ahoana ny fomba hanampiana anao, fa dia ilazao ahy fotsiny
5- dia ianao no manapaka ny resaka rahefa tsapanao fa ampy izay fanampiana azonao izay,
6- ... etsetra ...

Izany hoe, ny fahefana sy ny fahalalana ny tadiavinao na ny filanao, dia anao tanteraka, ary ianao ihany no erany. Fa izaho dia mpanampy anao fotsiny.


Ka ny tanjona, na ny faniriana moa izany, dia zarina ho @ izay fahefana (empowerment) sy fahalalany tsara ny filàny an'azy (connaissance de soi) ao ilay zaza, na dia mbola kely azany... ary izany dia atao arak'izay azo atao.

Fa raha mbola kely loatra moa izy, dia (mety) mbola tsy maintsy tonga dia manoro ihany ianao lehibe, fa kosa, ary ity dia tsipihina tsara, mila manolotra safidy ianao, ahafahany manapaka dia misafidy araka ny filàny na izay tena tiany eo.
10. vahiny2004 ( 18/05/2016 14:59)
Matetika dia miankina betsaka @ karazan'ny RàR nao no hitondranao ny zanakao.

Tranga 2 no hita :
1- mamerina tanteraka izay nataon'ny RàR nao @ zanakao ianao
2- manao izay mifanohitra tanteraka @ izay nataon'ny RàR nao @ zanako


Ohatra raha RàR Sergent ny nanananao , dia lasa RàR hélicoptère ianao NA lasa RàR sergent ihany ... fa ankavitsiana no lasa RàR tsy mivaky loha na lasa RàR moderne moa sa ara-damaody izy teo.

Toa voamarin'ity théorie ity izany ny trangan'i Rhaj0
11. rhaj0 ( 18/05/2016 15:32)
Ekena fa hanao izay fantatrao, na ny mifanohitra @ izany, ianao.. Fa izany no t@ andro fahiny, ka nihidy tao @ ilay vohitrakely raolona. Fa izao ianao afaka ny mitsikarakaraka, dia mihaino ny traikefan'ny olona any ankoatry ny vohitrakely.

Eny, izaho dia tena hélicoptère t@ ny zanako mbola kely.. Ary tena nitontona tany @ ilay zaza daholo tokoany moa ny fitiavako.. (hi hi hi.. .saika hadino ny reniny). Fa nanatrika seminera niresadresaka an'ity aho, dia tena kepoka tonga saina. Ary tena resy lahatra tanteraka fa mila manao moaderina..

Fa sarotra ilay izy, satria, ny fotoana mihazakazaka. Fa tena mila mamehi-tena: foronina ny fotoana. Indrindra moa, fa raha mitaveravera eo, dia rahefa miha-lehibe iny izy, dia mety efa manomboka hikatona ny varavarana, ka resaka tsy vitanao fony izy mbola nisokatra iny, dia ataovy veloma hatreo fa tsy ho vita intsony.
12. rhaj0 ( 19/05/2016 14:38)
rhaj0:
Ka ny tanjona, na ny faniriana moa izany, dia zarina ho @ izay fahefana (empowerment) sy fahalalany tsara ny filàny an'azy (connaissance de soi) ao ilay zaza, na dia mbola kely azany... ary izany dia atao arak'izay azo atao.

Ka @ io izany ilay zaza, dia efa manomboka zarina handray an-tanana ny fiainany, ary dia efa izy koa io no mitondra ny teniny. Manomboka tsipihina tsara fa izy no tompon'ny ataony sy izay safidiny ao (ownership).

'Ndao anie ampitahaina @ iretsy karazana fitaizana 3 hafa ny mitranga eto eee...

Raha RaR Sergent ianao, miaraka @ teny midina (na teny baiko) "ifampifehezina", hoy ianao, na ilay RaR helicoptere, ilay mihaohao eo foana, dia tena mbola ianao RaR izany no mahalala SY manapa-kevitra ny ho ataon'ilay zaza.

Marina fa rahefa nanome "safidy" ilay RaR idealy, dia mbola izy lehibe io ihany izany no "mahalala" ny tokony atao, nefa kosa, nisy fampieritreretana sy fiarahana mieritreritra teo.

Raha RaR Tsy-Mivaky_loha indray ianao, dia tena tonga dia tsy maintsy mizatra mandray an-tanana ny fiainany tokoany koa moa izany ilay zaza, nefa, mila "mpitarika/mpanoro" ihany izy. Dia eo no lasa izy samy bado no mifampitarika sy mifanoro, na ratsy kokoa, misy kafetsy hanambaka sy hanararaotra azy.
13. rhaj0 ( 19/05/2016 17:12)
rhaj0:
Ka @ io izany ilay zaza, dia efa manomboka zarina handray an-tanana ny fiainany, ary dia efa izy koa io no mitondra ny teniny. Manomboka tsipihina tsara fa izy no tompon'ny ataony sy izay safidiny ao (ownership).

Io fahatsapan'ilay zaza fa ny tenany no "tompon'ny ataony araka izay safidiny tao (ownership)", dia ezaka sarotsarotra ihany ny fanatanterahana azy, indrindra moa raha mbola kely izy. Mety atomboka @ safidy toa ny hoe, paoma sa paiso. Dia miitatra @ hoe, hilalalao dia mitaraikiraiky, sa tsy mitaraiky dia tsy tara @ fotoana nifanaovana t@ namana.

Dia rahefa lehibebe izy, dia miha-avela irery @ izay, fa kosa, mila maranitra tsara manaraka azy (accompagner):
- mila mampirisika hatrany azy, ny mba hanantonany anao raha ilainy, How Can I Help You, na koa
- manolotra "safidy" aminy, raha toa ka mbola tsy matotra tsara ny fieritreriny eo.

Ny tena maha-sarobidy an'io fizarana ilay zaza handray an-tanana ny fiainany amin-tsafidy malalaka io, dia rahefa vantombantony iny izy. Malaza ary atahorana foana ity hoe kirizin'ny vantombantony ity (crise d'adolescence). Raha izy no tompon'ny safidiny tao, niaraka t@ ilay RaR idealy, dia
- inona moa no hitroarany (revolte) eo, satria izy ihany no nisafidy ny nataony sy izay fiainany tao.
- inona moa no hanafenany izay ataony ao aminao, satria efa h@ izay ianao tsy hoe, hanabedy na handrara, fa nampirisika azy ny hisafidy izay tiany atao tao foana.

Koa jereo tsara ry RaR sergent, fa nety nilamina ny lakazerna fony kely izy, fa raha vao "tonga saina" izy, dia hitroatra @ fahefanao (autorité-nao). Eritrereto tsara fa ianao sy ny nataonao ihany no "namboly" ity kirizy ity. Ny RaR tsy-mivaky-loha moa, dia aza gaga raha mora voarebirebin'ireo bado namany izy, na ilay kafetsy. Ary ilay RaR hélicoptère indray, rahefa takany fa manempotra azy iny ianao, dia raikitra @ izay ny kinafinafina, ary dia tsy hisy fifampitokisana vanona intsony.
14. rhaj0 ( 24/05/2016 14:50)
Izaho k'lou dia RaR Hélicoptère ho'a.. Fa hitako hoe, toa nilaina ihany ilay izy. Toatoa izao aho rahefa nihaohao lava tao. (dia zarao koa ny nataonao ngo dia mba mi-inspirer koa)

1- fony kely izy, dia eo foana aho mihaohao mampiresaka, dia mitantara angano isaky ny andeha hatory koa ohatra. Amafisiko @ safidin'angano na tantara notantaraiko tao, ny resaka mety nikasika ny zava-nisy tany @ garabolany tany, na koa, resaka fahalalana ankapobeny.

2- ny boky sy sarimihetsika jerena indray, dia tena notadiaviko mihintsy ilay misy tantaran'ny Afrikana/Mainty, toa ny tantaran'i Mowgli, Kirikou, ary indrindra i Little Bill. Rahefa niha-lehibebe izy, dia Cosby Show, na My Wife And Kids ary Fresh Prince of Bel-Air no fijerinay.

Ny tiako tsipihana @ ireo, dia matetika (loatra) dia TSY izy izany no nisafidy fa i Hélicoptère, na dia hoe, i Caillou na ireo prinsesy sy printsy disney azany ohatra no malaza koakoa ary mety hoe tiany jerena. Fa rahefa hotr'izay no nisesy tao, dia taty aoriana, dia izy ihany no nifidy ilay hoe How To Be Indie (sipakely karana io).

3- Rahefa mipaika ny volana desambra iny, dia "nampinoana" ny ankizy fa misy Lutins kely mamela hafatra ho azy isan'andro. Ka dia isa-maraina i Hélicoptère manafina taratasikely, misy hafatra... na anatra "mampa-hendry".


Ka io ilay manenjika ny saiko lava hoe, mila mailomailo tsara, fa mety hisy ny "resaka tsy vitanao fony izy mbola nisokatra iny, dia ataovy veloma hatreo fa tsy ho vita intsony.". Nefa moa, rahefa nampiresahina izy taty aoriana, hoe, nandaitra ve ilay Lutins, dia ... ny valiny dia tsia :-)
15. razafyaina2o15 ( 25/05/2016 08:15)
MANAO AHOANADAHOLO.
tamin ny vao kely ny zanako aloh dia efa toy ny olon dehibe ny firesako aminy dia manaraka zay izy ary n mpampianatr azy dia gaga fa matotra kely lay zaza rehef nanombok 7 taona @ zay izy dia niten tamiko hoe rahovianaaho ry neny vao feno 10 taona dia hoy za namaly hoe fa ahoana maika ho antitra angaha ty ianao dia namaly izy hoe @ zay dia efa mba afaka mijery reny boky bibliotheque ngezangeza reny ,za efa mba afaka mijery dessin animee natokana ho an zaza 10 taonareny koa e! dia namaly aho hoe manddeha miandalana eo zany fa ny ankizy lehibe reny koa aza anie mbol fidiana ny boky jeren sy ny fandaharana maneh @ fahita lavitr reny fa tsy hoe azo jerena daholo e! DIa niresaka mpampianatraazy sy ny directrice za hoe efa te ho lehibe lay zaza fa hoe rahoviana hono izy no fen 10 taonadia hoy zareo namaly hoe normal be satria ny sain io zaza io dia matotr ary nananihan ny mpampianatr hoe antitra kely ny zanakao teo dia nanomboka nividy boky maro aho tantara malagasy reny angano re i kotofetsy sy imahaka tsingory rapeto zatovo sns ny boky hafa ndray dia toy ny j'aime lire basile à la piscine dauphin et baleine histoire de l' humanite kely reny moi je lis dia mitomb arak ny taona ny boky fa mbol jeren ny azo vakian sy ny tsia di a mitantara ny nataony t@ fohin kely teo hoe n y tadidiko taminao dia vao mbol kely 8 volana ianao omenazavatra kely ohatr biscuit kely ny ronon kely diaefa nahay nisaotra ary zao tsara ny teninao hoe saotra e! tena tadidiko ary averiko amin matetika izay , dia rehef miantsena iny na rehefa maka azy avy mianatra iny ianao dialay zaza tsy mpamafa lalan reny rehef mandalo mpivarotra faizaho indray no mividy reny voiture kely reny t@ zany 2000 frs ny iray dia mahazo izy dia faly ery ary mamaly hoe misaotra o! lay mpankato kely zay dia lay mandefitra kely zay . rehefa lehibe taty aoriana @ zay dia nanombok tia nihira zany hoe ef nihira ihany izy vao kely fa zao vao ten tafalatsaka @ hira tanteraka ry ny hira ten manavananaazy dia ny hira @ teny vahiny anglisy ; diamaro ny miteny hoe tohano tsarafa mananafeo tsara ny zanakao dia nisy fotoana izy nitomany hanao pazza pas fa za no tsy nety fa hoe mil mianatr aloh satria koa mbol kely diasomary nalahelo izy fa nazavaina tamin hoe afaka manao io ianao fa n fianaran aloh no himasoana dia nanaiky azy fadia manohy mihir hatran ato n trano ary rehef mis ny fifaninanana mihirazay ao am- pianarana dia mandray izy lasa lavitr ny resaka fa ny tiako tenenina fotsiny dia hoe rehefa mahay mifanankalo hevitr@ zanaka na mahay mihaino azy ireo ary mandray toyny namana fa tsy hoe ray aman dreny fotsiny dia milamin tsara ary mahita fa ten akaiky azy tokoa ny ray aman dreny mila toky avy @ tsik ray aman dreny izy ireo ary mila resaka hifampizarana koa satria misy ny manontany hoe ahoana kay ny fiainanareo taloha dia ahoana n fianaranareo t@ zany ny ray aman dreninareo ve mba masiak sns e! milacarte sur table ny fianankaviana zay no zava dehib zy fa misaotra indrindra e!
16. rhaj0 ( 25/05/2016 11:09)
ilay miresaka (communication sy carte sur table, hoy Razafyaina2o15) aloha dia tena zava-dehibe... Tsy @ zaza/ankizy ihany fa na @ lehibe samy lehibe koa azany. Mahafinaritra ny fitantaranao ny firesahanareo ao. Ilay complicité (toa ny namana, hoy Razafyaina2o15) dia tena mahavelom-bolo. Mahafinaritra fa hita fa mahatsiaro ho tiana ilay zaza, tian'ny reniny. Rahefa ampy fitiavana toa io ilay zaza, dia ... (mety) tsy mba toa ireny zaza mpiantsampy @ tsilo ireny, na ilay mpampijaly namana (bully) ireny...

Fa raha iverenako @ ilay karazany 4 sy ny firesahana (communication), dia..

- ilay RaR sergent, tsy ny fitretrenany k'lou, dia ... mety matahotra ilay zaza dia manaraka (sy hendry hono) tokoany moa... rahefa mbola kely izy. Fa jereo tsara fa ny anarahany ny tokony na tsy tokony atao ao, dia noho ny "tahotra" fa tsy ny "fanekeny na safidiny".

- ilay RaR tsy-mivaky-loha indray moa dia efa toa ny TSY miresaka.

- ilay RaR hélicoptère kosany, dia raha manesika manesika lava ao ianao (na izaho moa izany), fa tsy mba mampanontany (How Can I Help You), na fara-faharatsiny manome safidy an-janany ao, dia ... hitanao izany fa (mety) saika toloram-potsiny sy voafahana foana ity zaza, ary ny resaka dia "à sens unique". Ka rahoviana ity zaza vao handray an-tanana ny fiainany ??


PS: ilay mitantara angano.. izaho koa niezaka nitantara izay tadidiko, toa izay tao @ Anganon'Ny Ntaolo, na koa ny tantaran'i Rakodenika... hi hi hi.. iza aminareo no mahay ny tantaran'i Rakodenika ??? :-)

Fa mba ampazahoy tantara hafa hoe ee... in-1 mandeha i Hery toa nanao antso ny anangonana izy ireny..

Dia ilay hira koa mba ampazahoy.. toa ilay hoe
Ry Neny Tiako, Fifaliako
Izay Nampianatra Namindra
Indrindra Indrindra
Mamiko Ianao.. Neny Oooo....


Na koa ilay hoe:
Ry Neny Ooo Ry Neny Tiako
Lazaiko Anao Fa Tsy Afeniko
Ny Tenako Dia Mbola Kely
Tsy mahay (oops tsy tadidiko) Velively
Aza Dia Omena Tsiny
Rony Ditrako Fahiny
Fa ny Azoko Omena
Dia ny Foko Volamena
17. rhaj0 ( 25/05/2016 13:04)
hay tena vao napetrak'i Hery tato.. misaotra eee..

18. rhaj0 ( 25/05/2016 13:05)


manja eee... :-)
19. razafyaina2o15 ( 26/05/2016 05:13)
manao ahoan daholo e! misaora betsak aloh @ ray cover e! ahatsiarovan ny taloha dia mirary soa daholo dia ho tratran ny fete des meres daholo ny reny rehetra e! mb ho andro ray ten hifaliana tokoa !
20. rhaj0 ( 26/05/2016 16:11)
Ny @ "carte sur table" lazain'i Razafyaina2o15, dia... aty aho rahefa mihaona amina fianakaviana sy ny zanany ao, dia ataoko "carte sur table" ao imason'ny ankizy eo mihintsy ilay teorian'ny karazany RaR 4. Fa dia mikimokimo miaraka @ ankizy eo ny iray latabatra, indrindra moa rahefa sirika iny ilay Baininany ao fa Sergent.
Ary dia tena monjomonjo be mihintsy i Sergent @ io :-)

Fa rahefa mifanakalo resaka sy traikefa eo, dia miara-miaiky ny rehetra fa tsy voafehy ao anaty karazany tokana ilay fitaizana. Ka raha atao ny fanakilasiana, dia ity arosoko ho 2-dimensions toy izao izany ilay izy

................................... RaR Idealy .........................................
...... RaR Hélicoptère..............+...................RaR TsyMivakyLoha.....
................................... RAR Sergent .......................................

Ka raha izaho ohatra izany, dia mahatsapa aho fa ilay tache mamaritra ahy dia... mirona atsy avaratra andrefana, somary maka atsimo kely, fa kosa, tsisy trace-ny mihintsy ao atsinanana.

Dia mivoatra koa moa ny "tache", ka ... enga anie, @ farany aho ho lasa any avaratra tanteraka
:-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1268