Mahavariana ihany koa isika mpitazana ka

1. endriny ( 18/04/2016 05:07)
Salama daholo aloha,

Niova izany iny ny goveronemanta, dia mba nampiseho ny mombamomba ilay Piraiminisitra vaovao.

Dia miala any ny tsikera mahery vaika hoe: "Efa lany olomanga mihintsy I Gasikara ka olona tsy ampy fahaizana toa ireny no atao Piraiminisitra... Milazalaza ny momba azy aza tsy hainy (CV io a)"

Dia gaga aho. Toerana Politika ange io ry zareo e fa tsy toerana teknika ka hoe ilay olona manana HDR sy Dokotera e.

Sady ilay Rangahy toa mba olona niofana mikasika ny fandraharaham-panjakana ihany, fa tsy olona manana BEPC fotsiny akory.

Moa ny olona milaza fa nianatra eto Madagasikara matikambo be daholo hoe tsy mila manao politika, fa asa maloto ny politika.

Dia akory atao zama a?
novalian'i rhaj0 ny 22/04/2016 13:27
2. rhaj0 ( 18/04/2016 16:12)
Ka tsy hita ihany izy ity ee..

Raha tsy miteny hono zareo, dia ho hangeren'ny vorona sy ramanavy ao, Ka dia mba miteny zareo izany zama aa...

Nefa izany hitan'i Endriny io, fa rahefa TSY manao politika dia, izay vao tena "hangeren'ny vorona sy ramanavy" lava io, ary voany giladiny be an...

angaha tsy raharaha mihintsy izy ity ee...
3. tovorandria ( 18/04/2016 19:31)
Ts ny pôlitika n maloto fa ny toetsain ny tsi11 manao azy, misy ohatra tenenin ny olona oe raanina iny panao politika be nefa ny nahafantaran ny maro azy fanondranana bois de rose, misy n1 le pamadibadika palitao isaky ny mietsika d oe tena panao pôlitika matanjaka iny ka sns. Izany oe efa malaza ratsy lôtra le teny oe politika nohon ny nataon ireo milaza o panao politika ireo iany anefa, kanefa ny fitantanana tsy afa misaraka @ pôlitika satria io pôlitika io le projet etina anatanterahina ny vina napetraka
4. endriny ( 21/04/2016 04:32)
Ka rehefa politika entina amin'ny saina maloto dia lasa politika maloto koa...

Atao izay ampahantra ny olona ve dia tsy politika maloto... amin'izay izy mivarotra ny taniny sy ny vady aman-janany mba hivelomany isan'andro (vao maika maloto be), fa be mantsy ny vazaha akama sy mpanohana no mila tany sy andevo vaovao.
5. rhaj0 ( 22/04/2016 13:27)
Fa toa TSY politika anie no ataony eee... TSY gestion de la cite io, fa gestion de son kopetra...

Fa mila ampianarina any an-tsekoly mihintsy angamba ny politika, @ izay na h@ ny zaza any @ garabola aza afaka ny hiteny an'ireo tsivalahara ireo fa hoe tsy izany ny politika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2345