tena ho tsy stable intsony ity fitondrana ity satria ratsy fototra

1. tovorandria ( 09/04/2016 16:57)
ho antsika rehetra: inona atreto no mba zava-bitan´ity fitondrana hery rajao ity?
ny zava-misy hitako sy reko aloha hatreto d mihasahirana sy miha-mijaly mafy ny vahôka e, mitombo andro aman´alina ny tsy manan-koanina, mitombo ny mpangalatra, ny kolikoly sy ny fanondranana harem-pirenena mitombo zato heny,sns
zao vô 2taona sy tapany de efa hisolo fanitelony n1 ny PM.
Tabatabaina isan´andro oe , manasoa ny vahôka nefa tena ny mifanohitra 100% amzany no itako.
ary ny fahitanareo azy?
2. endriny ( 13/04/2016 05:31)
Marina ny anao, fa raha ny tantara no zohiana teto Madagasikara dia izay rehetra nanozongozona ny olona avy any amin'ny faritra Vatovavy Fitovinany dia niongana daholo, Ary nanomboka tany amin'ny andron'Andrianampoinimerina io
3. tovorandria ( 13/04/2016 17:45)
Ra tena alalinina anie ny zava_nisy hatr@ zao sy ze oavy eo dia mibaribary mitsy fa le filoha mits n tsy mamely e, moa tsy firoborobon ny asan dahalo, vaky trano isan alina , fanondranana harem pirenena sy fitombon ny mahantra, ny delestazy, ve no vokatra hita sy azo tsapain_tanana hatreto?
Aiza daôly nefa ny fanomezantoky nataon ny filoha fony izy handray ny fotondrana??
D mbola hisy hanatena fiovana iany ve ? Na hiova isan andro aza ze 1er ministre eo, tss fiovana zany eo,
4. endriny ( 18/04/2016 05:12)
Aleo mihomehy kely aloha

Fanomezan-toky tamin'ny Pi iRay Ta Voahangy ve?

Ka io izany fanilihana andraikitra sy fanadiovan-tena ilay fanovana Governemanta e. Soloina ireny fa lazaina fa tsy mamely kanefa izy Filoha no mpitariaka an'ireny.

Dia novaina olona avy any Nosibe mihintsy satria manana Hotely any mantsy hono Rangahy Filoha, ary tian'ny frantsay kokoa ny olona avy any.

Dia ho hita eo izay vita aloha, fa raha tsy azoazony eo io fa manelingelina ny aferan-janany dia voadaka indray afaka roa volana

5. rhaj0 ( 18/04/2016 16:19)
Io system PM/Pdt io anie, io nolovaina t@ frantsay io, dia ampiasaina araraotina vendrana ao eee..

Ny ambadik'io, dia TSY redevable Ingahy Pdt, fa i PM foana no diso.

Jereo ny an'ny anglophone
- ny system ao etazonia dia i Raprezy no tompon'antoka ary voatondro ary mandray ny andraikitry ny policy-ny
- ny system britanika sy kanadiana, dia ilay PM no tompon'antoka ary voatondro ary mandray ny andraikitry ny policy-ny

Fa ny an'ny Frantsay, mbola te-ho mpanjaka kely ilay Prezy, dia io TSY redevable io, fa ny PM no tompon'andraikitry ny tsy mety ao.

izany rahefa (mbola) tsara-voazanaky ny Frantsay eee... atao ahoana...
6. tovorandria ( 18/04/2016 19:22)
Ka zay ne oa e, everin izy mianakavy va kilalao ny fitantanana firenena, efa ita mibaribary izao fa tsy mba nanana paik ady na plan akory nefa nohon ny fitiavan karena d tereko masaka toy ny vôlobojaza fotsiny oe io no tsy maitsy filoha satria izay no tian ny frantsay d zay na ts lany t@ fomba demôkratika aza. Izao efa ho 98% mits n mahantra. Taiza n mbola nisy oe ny orin asa eo antanin ny tena vonoina mba ahafahana mamelona ny vita vahiny?? Porofon izany ny airmad izay fanahinina nosimbaina mba hahafahana mampiasa ny madairways satri ono an ny havan ny filoha sa an ny filoha io airways io d zay n ts maints nanapotehina n airmad
7. rabaradaka ( 19/04/2016 09:46)
Tsy hanakivy ny mpitondra ankehitriny aho fa ho ratsy fiafara ry zareo ireo, aiza ve ka manao sorona olona mihitsy ry Claudine hananany "pouvoir" hitazonana ny fitondrana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2012