Vatovavy Fitovinany

1. vahiny2004 ( 06/04/2016 12:52)
Hono ho aho , misy dikany na tantara ve io anarana région io " Vatovavy Fitovinany" ?

Misaotra mialoha
2. endriny ( 07/04/2016 13:44)
Rehefa misy moa ny vatolahy dia vitsy ny mpilaza ny atao hoe vatovavy. Ka teo amin'ny razamben'ny Anteimoro-Antefasy-Zafisoro sns taloha dia nametrak ilay vatovavy ao Mananjary ny Ampanjaka Kakilahy fehizany ho fampiraisana. DIa eo amin'ny vatovavy io no lapan'ny Sambatra ihany koa. Fa ny maha fito vivaniny azy indray dia reo vinan-drano fito lehibe misy eo amin'ny faritra.

Asa mety misy manana aroso ny namana sasany fa izay aloha no haiko a
3. vahiny2004 ( 08/04/2016 14:13)

endriny:

Misaotra anao fa manomboka mazavazava tokoa izy ohatran'izay , ilay fito vinany efa nampoiziko fa ny vatovavy no tena nampisalasala ahy
4. endriny ( 08/04/2016 16:59)
Tsy misy fisaorana fa mba miangavy ireo olona hafa mahay ny tantara mba hamoaka ny heviny ihany koa
5. Calinbrandon ( 10/07/2017 07:02)
Valovavy Bevinany, hoy ilay mpanao hatsikana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2955