Inona no prcocédure arahina amin'ny fandefasana zaza maditra eny amin'ny ankany fanarenana?

1. mpilaza444 ( 16/03/2016 07:43)
Maditra ve ny zanako ary isan'andro izao dia mivoady ny hahafaty ahy. Efitra roa ny tranonay ka raha vao mandalo ny efitra misy azy aho dia asainy vonoina ny jiro kanefa tsy izy no mamono ny jiro fa ilay zandriny no ampanaoviny izany. Raha vao tsy mety dia kapohiny.

Raha vao miditra ao aminy aho dia poretiny hijoro eo aoriako ilay zandriny. Tsy avelany hilalao any an-tokotany fa tereny hipetraka fotsiny eo akaikiny.

Ompainy isan'andro izahay mivady ary tevatevainy tsy ananany antra.

Vao 15 taona izy. Ary mianatra eny amin'ny CEG.

Hoentiko eny amin'ny Polisy ve sa hanontany any Anjanamasina aho?

Toy ny fihetsiky ny olona mifoka rongony ny fihetsiny.

novalian'i endriny ny 18/03/2016 06:15
2. 5laody ( 17/03/2016 19:50)
mpilaza444:

Maditra ve ny zanako ary isan'andro izao dia mivoady ny hahafaty ahy. Efitra roa ny tranonay ka raha vao mandalo ny efitra misy azy aho dia asainy vonoina ny jiro kanefa tsy izy no mamono ny jiro fa ilay zandriny no ampanaoviny izany. Raha vao tsy mety dia kapohiny.

Raha vao miditra ao aminy aho dia poretiny hijoro eo aoriako ilay zandriny. Tsy avelany hilalao any an-tokotany fa tereny hipetraka fotsiny eo akaikiny.

Ompainy isan'andro izahay mivady ary tevatevainy tsy ananany antra.

Vao 15 taona izy. Ary mianatra eny amin'ny CEG.

Hoentiko eny amin'ny Polisy ve sa hanontany any Anjanamasina aho?

Toy ny fihetsiky ny olona mifoka rongony ny fihetsiny.




Raha misy olona akaiky azy kokoa noho ianareo mivady afaka miresaka aminy. Misy ohatra amin'ny fahitalavitra eto .

Mety mila maharitra sy mahay mihaino sy miresaka bebe kokoa ianareo. Tandremo fa fandaharana amin'ny tele ihany io ka mety betsaka namboamboarina . Courage e
3. endriny ( 18/03/2016 06:15)
Sarotra ny mitaiza zaza miala sakana amin'izao andro izao noho ny firotoroton'ny anatra ratsy eo amin'ny haino aman-jery miampy ny fahasahiranan'ny fiainana... Ka mahereza e

Ny fahitako ny resakao eto, dia sahala amin'izao:

1) 15 taona ilay zaza, amin'izao taonany izao dia sarotra ny miteny sy mifehy azy rehefa tsy zatra notenenina izy fony kely... Mety hoe nihanta be izy taloha, fa izao izy somary manana olana satria somary taraiky izy mihoatra ireo namany.

2) ILay hoe hiantso Polisy ve, sa ankany fanarenana, na mety hoe talen-tsekoly, na sefom-pokontany, na dadabe na bebe, na dadatoa na mopera na pasitera... ireo rehetra ireo izany dia arakaraky ny tanjona tian'ilay zaza ho tratra amin'ilay didohany e.. mety hampiravona ny raharaha ireo nefa koa mety hampitroatra any amin'ny fankahalana amin'ny dingana ambonimbony kokoa.

3) mba tsara resahina ihany ny namany sy ilay zandriny mba anontaniana izay tena tiany ahatongavana.

4) dia mahereza tompoko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4349