FANAMBADIANA

1. sinoa.arinaivo ( 08/03/2016 07:45)
Mba te hafantatra ireo teny fandrika ataon'ny mpikabarin'ny mpamoaka aho, eo amin'ny fangatahana sy vodiondry, eto anivon -tany sy faritra betsileo.misaotr sahady @ famliana izany ataonareo.
2. hery ( 08/03/2016 15:06)
Fa angaha tena mbola misy fandrim-pandrika amin'izao? Eny e, tsara ihany aloha satria karazana lalao ilay izy. Miandry izay hovalian'ny hafa fa tena tsy maharaka intsony ny tenanay :-)
3. 5laody ( 08/03/2016 20:28)
Taloha hono, raha mahita satro ka mipetrapetraka eny antokotany eny rehefa handeha hangata-bady dia asiana tapi-mason'anadahy.
Ny fandrika indray alolha dia tsy fantatro afa-tsy ilay hoe cousine sy rahavaviny aloha ny alefany eo
-" iny ve no izy e?"
raha kambana ny fofombadinao dia mety ho tratra ihany ianao ka.

Aza sarokenatra fotsiny fa mety ampiresahany ianao mba hiteny ampahibemaso;

Toa efa revy taloha kosa ilay misy éeme session koa....
4. booboo ( 10/03/2016 10:16)
Ny tena tadidiko t@ ny anay, kilalaon-teny @ anaran-tanana nahalehibe ny vadiko, nadalo tao daholo ny villages kely nanomboka hatrany Ambalavao Tsienimparihy iny hatrany F/soa !! Nisy tps mort 3s kely t@ mpikabary avy aty aminay t@ zay fa tsy nampoiziny, tafa ihany LOL. Ay, dia nisy ny resaka fasan-drazana, tetiarana, sns. Nahaizako raha marobe ilay bla² adiny 3 !!
5. hery ( 10/03/2016 10:31)
Izay no itenenako hoe mbola mahafinaritra ireny fa tokony tehirizina. Ny anay aloha tsotsotra ihany.

Mba nisy video tamin'izany ve ry booboo ? Mety hoe rehefa antitra ianareo dia hapetraky ny ankizy amin'ny youtube mantsy hoe itony ny fomban-drazana lol


booboo:

Ny tena tadidiko t@ ny anay, kilalaon-teny @ anaran-tanana nahalehibe ny vadiko, nadalo tao daholo ny villages kely nanomboka hatrany Ambalavao Tsienimparihy iny hatrany F/soa !! Nisy tps mort 3s kely t@ mpikabary avy aty aminay t@ zay fa tsy nampoiziny, tafa ihany LOL. Ay, dia nisy ny resaka fasan-drazana, tetiarana, sns. Nahaizako raha marobe ilay bla² adiny 3 !!
6. ora ( 10/03/2016 13:26)
Misy boky milaza momba ny Kabary am-panambadiana ireny fotsiny eny @ librairie, na eny @ mpivarotra boky tonta aza mety hahita ianao, dia lazainy ao daholo ny fombafomba fanao rehetra na ny resaka ifanaovana , sns e . Tena mahaliana koa aloha ireny sava-ranon'ando @ resaka fanambadiana ireny e!


sinoa.arinaivo:

Mba te hafantatra ireo teny fandrika ataon'ny mpikabarin'ny mpamoaka aho, eo amin'ny fangatahana sy vodiondry, eto anivon -tany sy faritra betsileo.misaotr sahady @ famliana izany ataonareo.

7. vazivazo ( 14/03/2016 09:13)
teny atsipy kely ihany izy ity ary tantara TENA NISY VAO TSY ELA AKORY teny @ tanàna misy anay teny, ts haiko aloha na mahavaly ilay zavatra ilainao ato ve fa mba azo lazaina oe an'isany tsara ho fantatrao ihany angamba:" Tonga ireto avy amindRalehilahy haka andRazazavavy, teo vao hanatitra ny vodiondry, somary tsy dia havanana t@ ilay kabary ilay avy tato @dRazazalahy ka dia notsotsoriny teo ny resaka, dia natolotra ary ilay VALOPY MISY ILAY atao hoe VODIONDRY ary DIA NOTONONINY NY VOLA tao anatiny, ilay mpikabary avy t@dRazazavavy kosa nefa mbola niandry ilay VALOPY PITSOPITSONY rehetra IZAY TOKONY NOMENA MIALOHAN'izay ( tapi-maso, ala-volofotsy, solo-tsakarano)"
Inona no nitranga fa ouz ilay mpikabary oe "ARY MBA AIZA MOA NY BONETRA sy ny SOLOMASO ary ny SINY??"
Ankona ilay mpikabarindRalehilahy fa tena TSY NAMPOIZINY lay izy, teo vao oe AMPIO ARY ILAY VODIONDRY NOTONONINAREO TEO.
ka izay no ilazako oe aza raha fandrimpandrika izany na ahoana fa mba ilaina ihany ny mahalala azy

sinoa.arinaivo:

Mba te hafantatra ireo teny fandrika ataon'ny mpikabarin'ny mpamoaka aho, eo amin'ny fangatahana sy vodiondry, eto anivon -tany sy faritra betsileo.misaotr sahady @ famliana izany ataonareo.

8. nilex ( 14/03/2016 10:29)
raha ny tena marina dia tokony hanaraka foana ny mpikabary amin'ny andron'ny fisehoana ary manao ny fanadihadiana rehetra momba ny fombafomba any amin'ilay toerana izy mba tsy ahatampoka azy.Tokony ho fantany mialoha ireo fombafomba ireo fa misy toerana tena sarotiny mihintsy amin'ireny ary mety ho rava mihintsy aza ny fanambadiana .
Mila resahina mialoha koa ny zavatra hitranga sy ho resahina eo amin'ny lafin'ny kabary ohatra hoe atao tsotra fotsiny fa tsy asiana kipitsopitsony be fa mandany andro fotsiny.Matetika mantsy tsy ny fianakaviana mihintsy no sarotiny fa ny mpikabary alainy indrindra fa itony vao nianatra itony.Tokony ho ny tompon-draharaha no mametra ny mpikabary sy ny zavatra ataony fa raha ireny no avela hanao izay tiany dia ho lany eo ny tapakandro aloha hihainoana azy.
9. sinoa.arinaivo ( 14/03/2016 12:43)
Misaotra indrindra @ torohevitra, anisan'ny efa hitako dia izao" ahoana ny amin'ny osy vavy maniry somotra?" ao koa ny hoe " any @nay feno vahy maniry fa ahoana ny any @nareo?" ao koa ireo satroka apetraka . Ny toy izany no tena tsy haiko sy ilako fanampiana @tsika namana
Misaotra mialoha sahady ry namana isany
10. asylumefreder ( 31/05/2016 13:00)
Amin'nah mianatr,efa nampianaran anzan za
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2607