Ny anarana fiantsoana

1. endriny ( 02/03/2016 10:02)
Ny olona iray dia antsoina amin'ny anarany araka ny toerana misy azy eo amin'ny rafi-piarahamonina. Ka ny olon-tsotra dia antsoina amin'ny fanampinan'anarany mba ahamora ny fiantsoana azy amin'ny fanaovan-draharaha.

Fa ny olona ambony dia antsoina amin'ny anarany mba ho hitan'ny rehetra hoe ny fianakaviana sy ny taranaka nipoirany na ananany... Antsoina amin'ny anarany izy mba ahasadaikatra ny olona ny miantso azy, fa dia antsoina amin'ny toerana misy azy rehefa hiresaka aminy ianao, mba hilazanao fa ambony izy...
novalian'i booboo ny 09/03/2016 22:44
2. hery ( 02/03/2016 10:42)
Misy dia sarotiny tokoa amin'io kanefa ohatry ny mahafinaritra ihany indraindray ilay antsoina amin'ny solonanarana aza :-)

Tokony ny olona no mifidy hoe "Izao iantsoana ahy" dia milamina ny afera...
3. rhaj0 ( 02/03/2016 16:11)
Fony aho nampianatra ho'a... fahiny hany izany :-) .. dia hoy aho t@ mpianatra hoe, izaho antsoy @ fanampin'anarako. Tezitra be ny mpampianatra (sasany) namako, fa lasa tsisy hajany sy otorité hono zareo raha antsointsoina toa izany. Dia nihodikodina tao an-tsekoly aho, ary siriko fa ireo tezitrabe ireo kay, dia ireo ilay mpivazavaza @ teny frantsay, mba ametrahany ny otorité-ny hono. Matahotra ery ny mpianatra tsisy mahay teny frantsay, ary miantso azy hoe monsieur.

Rahefa nivadika nianatra taty an-dafy indray aho, dia taitra kely, fa nisy fiarahana mivoaka tao @ U, ary dia nifampiantso ialahy, na toa nifanalika akoriny azany ireto bandy roalahy. Taty aoriana aho gaga fa kay mpampianatra ilay iray.


Raha ny mba ariary roa-ko, dia rahefa eo amperin'asa ilay olona, dia .. izay isafidiany iantsoana azy.. raha te-haka very ligne izy, dia azony asiana fefy kely hoe, asivo lemonsieur na lamadame. Rahefa TSY amperin'asa indray dia... raha ny iantsoana azy @ fanampin'anarany no mampandaginina azy, dia antsoy @ anarany izy izany eeee...
4. endriny ( 04/03/2016 07:08)
Tena mahavariana ny lanjan'ny anarana a..

Azo atao ihany ilay hevitra hoe ny olona no mamaritra ny anarana iantsona azy saingy ity:

Tamin'izaho mbola kely dia anaram-bositra no niantsoana ahy, ary io no niantsoana ahy teo an-Tanana nandritry ny 20 taona mahery, ary mbola misy aza namana fahizany miantso ahy amin'io anarana io... dia efa haiko hoe namana fahazaza sy avy eo amin'ny Tanana izany.

Fa rehefa nianatra aho dia ny mpampianatra manao ny vakilisitra amin'ny fanampinan'anarana. Dia nanomboka teo dia io no niantsoana ahy... ary raha misy olona miantso eny an-dalana amin'io anarana io dia haiko fa na mpiara-miasa, na mpiara-mianatra taloha

Fa teny an-tsefatsefany teny moa nisy anaram-bositra nandalondalo ihany araka ny vanim-potoana fa tsy naharitra ireny..

Dia izao izao eto an-Tanana antsoin'ny olona amin'ny anaran-jaza... hihihiihih

Fa na izany na tsy izany dia hita ihany eto amin'ity Antananarivo ity ohatra misy fianakaviana tsy maintsy antsoina foana amin'ny anarany manontolo na inona na inona no toerana misy azy eo amin'ny fiaraha-monina... Ary noho io anarana io dia toa mahazo seza ho azy izany ry zareo.. hihihiih (Kopy ianareo a)
5. 5laody ( 04/03/2016 21:07)
Salama daholo ry namana isany a,

ianareo fe tsy efa sendra sadaikatra hoe nifanena tamin'ilay mpampianatra anareo taloha dia ilay anarambosiny no tonga ao an-tsaina voalohany?

na hoe hitady namana taloha amin'ny aterineto dia tsy tadidy hoe iza moa no tena anaran'i Mokonazy.

Ny ahy indrindray ny tena manahirana ahy dia ilay olona tsy mahatambava hoe rehefa mba mivory sy imason'ny kil na ny olona dia tsy mifanao ialahy fa tena sarotra ilay mifamolaka e.
6. booboo ( 09/03/2016 22:44)
Ny ahy zao zay efa nifanabe maso tamiko tato @ serasera sy namako ary an-drefan-trano ary dia antsoiko @ pseudo-ny aby, na fantatro izao aza ny tena anaran-dreo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1649