hena omby zantely jirama

1. saho ( 25/02/2016 18:55)
Mbola tsy mangarahara ny fomba fiasan ny mpandray andraikitra misahana ny tena atao hoe filana andavanandro ilain ny mponina malagasy amin ny firenena malagasy

Maninona no haondrana any amin ny sinoa ny omby malagasy, ny firenena iray manondrana entana rehefa misy ambiny na koa efa voky ny mponina ao aminy, izany hoe rehefa afapo ny tsena malagasy vao manome any ivelany

isika ve mitrongo foana, ahoana ny fifehezan ny fiarovana ny vita malagasy noambaniana kanefa hena malagasy matsiro sady bio no tsara quality, inona no fampirarahana eo amin ny sinoa sy ireo minisitra varotra ao mada ao, vonoina ankolaka ny malagasy ve, dondrona ve ny malagasy noho ny sinoa sa matimbola ireo manampahefana mivarotra ny malagasy#

Ny orinasa jirama miandry ny fanapahankevitra ara tsoratra avy amin ny fitondrana amin ny fifanarahana fampandrosoana ny fandehanan ny jiro sy rano ary koa ny momba ny fandehanan ny fikorianan ny orinasa, kanefa ankilambao no endrika hisehoanjavatra tsy mandeha amin ny tokony ho izy, aiza ny andraikitra

ny fiompiana tantely te aondrana any ivelany, tsena malagasy mihalafo na ny tantely na ny hena omby na inona na inona....mampalahelo le zavamiseho

Inona no tena asan ireo tompompahefana eo anatrehan ny mponina malagasy, ohatrany ankilambao fa ny azy ihany no tiany hamboarina, trano hidiran ny filoha amboarina trano vahiny handaniana vola be

Fa an iza moa i madagasikara, vola iraisampirenena toa haondikondina amin ny zavatra hafa kanefa hanatsarana ny fiainambahoaka sy hanatsarana ny zavatra fototra tsy mety
Manasa anao hanadiady fa mba mahita filazambaovao ao internet koa KOLO TV Journal aty ampita

matory daholo ve ny tena atao hoe mponina malagasy, manaiky tsindry hazo lena foana ve, ampitampitao

Malagasy aloha vao sinoa, ho lasan ny sinoa hatrany hatrany ny mamy rehetra na ny harenantsika mahamalagasy raha zao no mitohy, mailo mailo nareo mpiompy sy mpamboly izay mamelona ny mponina malagasy eraky madagasikara, aza matimbolan ny sinoa fa mahaiza mifampitsinjo samy malagasy
novalian'i ilafy ny 14/09/2017 05:25
2. ilafy ( 14/09/2017 05:25)
tsy hoe matory ny malagasy baina fa rehefa mbola ny frantsay no mitondra ny toe-karenantsika dia tsy ho afaka mandrak'izay i dago jereo fotsiny io filoahan'tsika io tokony tsy io ny filoha nefa aiza eo izy no azony frantsay vidiana anaovany izay tian-drizareo frantsay anaovany azy jereo fotsiny i dada t@ izy voafidy filoham-pirenena raha tsy ny praiministra frantsay no nanaiky azy ho eo @io fitandrana io dia tsy ho filoha mihintsy izy nefa ny eran'izao tontolo izao no efa nanaiky azy hoe voafidim-bahoaka izy ka izay no ilazako aminao hoe tsy hoe matory ny malagasy fa mbola voazanakiny ny frantsay isika e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.52