Mitady namana

1. Gasybea ( 30/01/2016 14:19)
Manaona daholo,
Izao dia vehivavy 27 taona merina, mitady lehilahy 25 à 32 taona hendry hiarahana; ho namana aloha @ voalohany dia avy eo ita eo.
Misaotra
2. nilex ( 01/02/2016 12:32)
Angataho amin'Andriamanitra fa hahita izay tena irianao ianao ka
3. seles ( 02/02/2016 05:35)
Slt,fa aiza ho aiza ao no misy anao,fa mahaliana ahy.
4. Gasybea ( 02/02/2016 13:48)
Ao tanjombato zao no mipetraka, afaka mifandray mail tsika ra ohatra ka. Ary i anao aiza no mipetraka? Firy taona? Matotra koa ve ny relation tadiavinao?
5. Gasybea ( 02/02/2016 13:49)
Mifoka sigara ve?
6. Seles ( 02/02/2016 16:39)
Za ndray lavidavitra ihany a!aty Tanambe,29ans.Tsy mifoka.Tsy aleo ve atao e-mail.
7. nilex ( 04/02/2016 09:03)
Izao no hevitra azoko hanampiana anao.Aza mitady vady amin'itony zavatra itony fa namana tadiavina.Inona no dikan'izany? betsaka ny olona mpanararaotra eto ka mila mizaha toetra aloha ianao vao tokony hisy resaka fitiavana.Afaka miteny aminao daholo nge izay lehilahy eto fa matotra ny zavatra tadiaviny aminao fa hivarotany saka be loha fotsiny eo ianao e.Olona mivavaka ve ianao aloha?raha izay mantsy dia aleo mangataka amin'Andriamanitra fa izay no tena tsara indrindra.Raha tsy mivavaka indray ianao dia aleo milamina fa tsy mbola tara nge ianao raha izany 27 taona izany e.Izaho no tena hafatra lehibe tiako ho takatrao.Izany fanambadiana izany dia miantoka ny fiainanao iray manontolo.raha tsara safidy vady ianao dia ho tsara ny fiainanao fa raha sanatria ka ratsy safidy kosa ianao dia aza adino fa manomboka eo ny fahasimban'ny fiainanao.Ka aza maika mihintsy e.Indrindra amin'itony tambazotra itony tena ratsy no tsy mendrika.
8. rhaj0 ( 04/02/2016 12:03)
Ilay "tambazotra" kosa k'lou mila eritreretina tsara ry Nilex, fa efa izay anie izao no revin'ny taona 2015 eee... eto izao ny olona mianatra, miasa, mifanoro, mifampinamana, ets... Ka arakaraky ny ampiasaina azy ihany io eee...

Ny tiako tenenina dia tokony tsy ho olana raha mifampitady vady eto zareo.. Fa io sahala @ zava-drehetra ihany, raha any @ bar sy club ianao mitady vady, mety misy olona tsara koa anie any eee... Ary mety ilay kotianao any am-piangonana indrindra no tena fositra

Fa marina ny anao: "mila mizaha toetra aloha ianao vao tokony hisy resaka fitiavana"

Mety hisy ihany ilay hoe coup de foudre, fa hollywood izy ireny matetika eeee...
9. hery ( 04/02/2016 15:19)
Betsaka koa ny vady azo tamin'ny TSY tambazotra fa tsy naharitra an..

Misy aza tany am-piangonana mihitsy no nahazaka fa e e e.
10. Gasybea ( 05/02/2016 02:23)

nilex:

Izao no hevitra azoko hanampiana anao.Aza mitady vady amin'itony zavatra itony fa namana tadiavina.Inona no dikan'izany? betsaka ny olona mpanararaotra eto ka mila mizaha toetra aloha ianao vao tokony hisy resaka fitiavana.Afaka miteny aminao daholo nge izay lehilahy eto fa matotra ny zavatra tadiaviny aminao fa hivarotany saka be loha fotsiny eo ianao e.Olona mivavaka ve ianao aloha?raha izay mantsy dia aleo mangataka amin'Andriamanitra fa izay no tena tsara indrindra.Raha tsy mivavaka indray ianao dia aleo milamina fa tsy mbola tara nge ianao raha izany 27 taona izany e.Izaho no tena hafatra lehibe tiako ho takatrao.Izany fanambadiana izany dia miantoka ny fiainanao iray manontolo.raha tsara safidy vady ianao dia ho tsara ny fiainanao fa raha sanatria ka ratsy safidy kosa ianao dia aza adino fa manomboka eo ny fahasimban'ny fiainanao.Ka aza maika mihintsy e.Indrindra amin'itony tambazotra itony tena ratsy no tsy mendrika.

Marina daholo zany lazainao zany. Fa Izao ange tsy ikasakasa ny i vady amizay rehetra mamaly ahy e, fa hoe mifandefa mail aloha, mifankahita, mifanerasera de ra mifankahazo tsara zao voa miresaka fifanambadiana
11. nilex ( 05/02/2016 08:07)
eny e,mety izany fa miankina amin'ny fahaizanao misafidy koa io e.Tandremo fotsiny fa be ny galifantsy.Dia mirary anao hahita izay hirianao ary e.Fa ny ahy aloha dia ambarako foana fa hafa ihany ilay angatahina ami'ny any ambony fa tsy tadiavina e.
12. vahiny2004 ( 05/02/2016 09:48)

nilex:

Fa ny ahy aloha dia ambarako foana fa hafa ihany ilay angatahina ami'ny any ambony fa tsy tadiavina e.

Concrètement ahoana ilay hoe angatahina avy any ambony fa tsy tadiavina ?

Alatsany avy any ambony any ve sa misy olona mandondonona eo am-baravaranao dia miteny hoe izaho ilay izy sa ahoana ?

Tena fanontaniana sérieux io fa tsy vazivazy. Misy mantsy ilay fitenenana hoe "Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany" , ary koa raha mijanona mihiboka ao an-trano ao aho , dia mangataka fotsiny dia ahoana ny fandehany ?

Sao dia hitovy @ ilay hoe Andriamanitra ô , mba ampahazahoy @ loto aho , nefa izaho tsy milalao loto akory ?
13. Gasybea ( 05/02/2016 10:36)

vahiny2004:

Ra izay le izy dia hamitsaka tsara ao an-trano, iandry izay homen'andriamanitra ahy aho izany.
14. Seles ( 05/02/2016 10:51)
Zany ve.
15. nunogomes ( 07/02/2016 20:53)
za akia mba ataovy nanamana an! met enao le anjarako
16. Seles ( 08/02/2016 03:15)
Za koa ange mba mila namana ato e!
17. nilex ( 08/02/2016 13:58)
Marihiko aloha fa ilay fitenenana hoe "Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany " dia tsy ao anaty baiboly kory fa tsy haiko izay namorona an'io.Raha ny hoe ahoana ilay mangataka Aminy dia ara-bakiteny mihintsy.Omeny anao amin'ny fomba tsy heritreretinao akory io ary tena ho tsapanao fa tena hafa mihintsy ary tonga dia maharesy lahatra anao.Sarotrarotra aloha ny handray izany ho an'ny olona tsy mbola zatra mifanerasera amin'Andriamanitra fa ohatry ny resaka mampihomehy angamba no handraisany azy.Fa tena mitombona io ary marina.
18. vahiny2004 ( 08/02/2016 14:51)

Dia ahoana ny "asa sy ny finoana " ? ( raha tsy tianao ilay hoe Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany )

Averiko fa tsy manaratsy aho ary tsy manaraby ilay fomba fijerinao, fa misy démarche tsy mazava amiko foana .
19. nilex ( 09/02/2016 08:57)
tsy izay ilay sujet akory fa aza oharinao amin'ny olombelona Andriamanitra fa tena tsy mitovy mihintsy ary kely dia kely ny fahalalan-tsika eo anatrehany.Tsy takatry ny saintsika ny fomba fiasany,io anefa dia ho an'ny olona izay manaiky hiasany ihany.
20. Gasybea ( 10/02/2016 05:30)

nunogomes:

za akia mba ataovy nanamana an! met enao le anjarako

Fa aiza enao no mipetraka? De Firy taona?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.425