Andro malaza !

1. bor2lais ( 15/12/2015 12:58)
Averiko eto indray ity fa mba isan'ny mahafinaritra ahy !

Dia mirary Krismasy sambatra ho antsika rehetra (na ny magy na ny heroda na ny lohan'ny mpisorona na ny mpanora-dalàna na ny mpiandry ondry) :-)

bor2lais:

Ny Noely : Andro malaza !

1. Andro malaza sady soa tokoa
‘Lay andro ‘zay nisehoan’i Jeso;
‘Zay nantenain’ny mpaminany koa,
Mba hampiseho fihavanana,
Mifalia sy mihobia mafy,
Efa tonga ny Mpanavotrao;
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
:,: Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io.:,:

2. Anjely maro no nihoby tao;
Mpiandry ondry nitsaoka Azy koa,
Ny olon-kendry koa nanasina Azy,
Andeha mba hankalaza Azy izao:
Mifalia, sns…

3. Dera sy haja no atolotray
Anao, ry Jeso ‘zay teraka anio!
Ka mba mandraisa ny fanatitray
Ho zava-mani-pofona tokoa:
Mifalia, sns…

Version Bessa

Version Mariah Carey

novalian'i Yahl ny 23/01/2016 09:27
2. rhaj0 ( 15/12/2015 13:39)
T@ herintaona dia tato ny resaka hira krismasy..

http://forum.serasera.org/forum/message/m54901932e4356#m5492d8d13b2b2

Dia ilay hiran'ny mainty hoditra "tena izy" koa ho'a no mba asandratra eee...
Tena tokony mba asiana dansa vaudou na veau doux na vodoo kely akory azany kouh...

3. bor2lais ( 15/12/2015 15:05)
heroda_niova_fo:

Dia ilay hiran'ny mainty hoditra "tena izy" koa ho'a no mba asandratra eee...

:-) :-)
4. rhaj0 ( 15/12/2015 15:37)
nareo ange ao Bordeaux ao dia te-ho fotsy lava ao kosany ee.. inty indray eee..

5. rhaj0 ( 15/12/2015 21:33)
hoe "heroda_niova_fo".... hi hi hi... io 'nge tsy mahatakatra izay tonon-kira aho fa ilay rythme sy ny melodie kosany tena mba manja eee... Io moa sahala t@ nihira ny compagnie creole fahiny ihany eee.. angaha misy mahalala izay noventesiny tao na hoe, "ndao hifand-amour" na inona, fa dia mihirahira k'lou eeee... :-)

Fa tena vao omaly aho izao nijery, fa tena kely sisa dia nikilalaka sy nanao zeu de mousta ary ni-twerk ny ankizy teny ambony alitara... hoe ny ilany sa ny afovoany sa ny taoriana fotsiny no mihetsika...
hi hi hi... nivontirika ho'a ny voamason'i Rakrisy puriste :-)
6. RBNIR ( 16/12/2015 05:28)
1 Raha ny baiboly no vakiana, Jesosy tsy nandidy ny olona hatsiaro ny andro nahaterahany...

Rehefa tsy IZY no nanome an'io didy dia mazava ho azy fa tsy maintsy olon-kafa....

« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Mat.15:9)

2 Ilay daty 25 Décembre koa v marina sa diso? « Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny ...... fahamarinana. » (Jaona 4:24)

Izay mivavaka Aminy , tsy maintsy amin'ny fahamarinana hoy ny teny.....

Dia asakasakin'ny tsi11 ihany fa fankasitrahana avy amin'Andriamanitra no tanjona...."tsy toy ny manao kitoatoa hoy paoly apostoly izay.....
« Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; » (1 Kor.9:26)

Fiainana mandrakizay no tanjona mila matotra tsara ny zavatra atao fa Andriamanitra manana Sitrapony.....
7. Strong3 ( 16/12/2015 07:30)

RBNIR:

aza mba mianakendry eo koa enao eh, ny verset manendry apostoly 12 aty amin'ny taonjato faha 21 aza tsy misy akory kanefa ataonareo hoe misy , ka eo no mandahatra be eo

hay moa ny anareo ihany no marina kou lol !!
8. RBNIR ( 16/12/2015 07:32)
Strong3:

aza mba mianakendry eo koa enao eh, ny verset manendry apostoly 12 aty amin'ny taonjato faha 21 aza tsy misy akory kanefa ataonareo hoe misy , ka eo no mandahatra be eo

hay moa ny anareo ihany no marina kou lol !!

Ny verset tany aloha no reference....
9. RBNIR ( 16/12/2015 07:33)
tany aloha 12 foana no nitondra ny vahoakan'Andriamanitra, nahoana no nivadika ho zavatra hafa indray taty aoriana????
10. bor2lais ( 16/12/2015 07:55)
lohan'ny mpisorona_sy_mpanora-dalàna_vaovao:

Raha ny baiboly no vakiana, Jesosy tsy nandidy ny olona hatsiaro ny andro nahaterahany...

:-) :-)
bor2lais:

Dia mirary Krismasy sambatra ho antsika rehetra (na ny magy na ny heroda na ny lohan'ny mpisorona na ny mpanora-dalàna na ny mpiandry ondry)

Azafady fa adinoko : mirary Krismasy sambatra ho an'ny "mpamaky takotra" rehetra ihany koa ! :-)
11. Strong3 ( 16/12/2015 08:35)
hatreo amin'ny jaona hoa ny faminaniana ny zavatra rehetra andovana ny lanitra, fa tsy nisy nilaza mihitsy ao hoe , izay tsy mivavaka any amin'ny apostoly 12 izay irahiko amin'ny taonjato faha 21 ho very

ary raha nanoratra ny 1 Kor 12 sy 14 i paoly dia mahalala tsara fa ny olona rehetra izay mety ho iraka dia tendren'i Tsitoha sy hosorany mba hamoa be ...

fa ny anao ity izay misoratena ho tokana tsy manampaharoa ity dia lol, sandoka, tsy misy porofo biblika , famitahana, fieboeboana, fanandratantena , matikambo, miseho ho zvatra , ...sns

[size=17]misy hono olona matikambo milaza fa nirahin'i Kristy nefa tsy izy, nefa izy pastera fitiavana mihitsy io matikambo amin'ny kolotv io ...[/size]
hahahaha ... tsy izy mihitsy ka
12. RBNIR ( 16/12/2015 10:59)
Dia tena marina tokoa ilay faminaniana nataon'ny apostoly paoly....
« Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama] » (2 Tim.4:3)
13. rhaj0 ( 16/12/2015 11:33)
ry RBNIR kosany izany tsy mba hirevy rahefa Xmas?

Fety io RBNIR aaa... Ato izao ry Bor2lais miventy ny "Holy Night" fa 'ndana vonjeo ao izy eee... hi hihi... f'angaha misy miery eee... 2015 ny taona.. youtubé daholo daholo.. :-)

14. RBNIR ( 16/12/2015 11:36)
Sahala amin'ny vary be menaka ihany io rhajo, FETY BE nefa tsy hankasitrahan'Andriamanitra satria fanompoan-tsampy.....
15. rhaj0 ( 16/12/2015 12:08)
Dia ianao izany rahefa mi-vary be menaka ny olona dia iavonavonanao?.. Nefa tena mba ampitiavana ny ataon'olo ao? hhheeeee.... dia ao ianao izany kouh... Ianao mihitnsy izany ilay matory ny azoma alina, noho ny finoanao, dia manozonozona ny olona tsara-revy any rehetra any..

Fa mba mijery aho io.. dia mety marina ny anao fa TSISY resaka ao anaty Baiboly hoe, ankalazao ny anniversaire-n'i Jesosy.. Fa TSISY resaka koa ao, explicitement, hoe, aza ankalazaina ilay anniversaire..

Fa raha ny fiainanao kosany, raha hoe, ny hanaraka ny Baiboly h@ teboka amam-paingo, ilay "tsisy kilema" hoz'ianao izay, dia ... hhheee... ianao ho'a tsy mahavita ny vitan'ny Amish, tsy mampiasa lelekitirisite (satria TSY ao anaty baiboly izany), ka dia tena mbola "be kile(ma)" fotsiny ianao RBNIR ao io izany eeee...

(fa hadinoy ho'a izany fa fety ny andro, dia 'ndana mba miara-mandihy @ Bor2lais itsy ambony itsy eee... :-)
16. RBNIR ( 16/12/2015 12:10)
« fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava. » (Heb.12:16)

Hanina indraim-bava v ry rhajo no hamoizanao ny FIAINANA sy hanaovanao tsinontsinona ny NAHARY???
17. Strong3 ( 16/12/2015 12:11)

RBNIR:

Dia tena marina tokoa ilay faminaniana nataon'ny apostoly paoly....
« Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama] » (2 Tim.4:3)

inn le mampangidihidy sofina amin'ny zavatra lazainao????

afa tsy ianao milaza fa nirahina nefa tsy nisy teny manamarina fa hisy apostoly hatsangana aty amin'ny taonjato faha 21 , indrindra hoe manerantany dia aty madagascar ny iray !!! lol tsss ...
tsy valiana mihitsy nge ilay verset fa ... laozanao mitsirika ny atisofiko indray na mangididi na tsia eh
18. Strong3 ( 16/12/2015 12:13)

19. endriny ( 16/12/2015 13:14)

bor2lais:

Averiko eto indray ity fa mba isan'ny mahafinaritra ahy !

Dia mirary Krismasy sambatra ho antsika rehetra (na ny magy na ny heroda na ny lohan'ny mpisorona na ny mpanora-dalàna na ny mpiandry ondry) :-)

Misaotra e, dia mahavita soa ny fety
20. tealala ( 16/12/2015 13:14)

RBNIR:

« fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava. » (Heb.12:16)

Hanina indraim-bava v ry rhajo no hamoizanao ny FIAINANA sy hanaovanao tsinontsinona ny NAHARY???

Iza mo i Esao ry RBNIR?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2087