Ny angolam-panahy mahafanina

1. endriny ( 01/12/2015 15:16)
Ny angolam-panahy mahafanina dia teti-panorona entin'ireo mpandrebireby hisintonana ny saina amam-panahin'ny olona ho babo sy hanara-drenirano ny fotom-pisainana iray, na marina na diso io fotom-pisainana io.

Miainga amin'ny fomba fiteny milantolanto, sy fihetsika mampalahelo izy io, na fitantarana zavatra mampalahelo mihintsy.

Dia io fomba io no entin'ny mpitondra finoana hambaboana ireo olona ho lasa mpino ka hanaraka azy:

Na miteny zavatra diso aza ny mpitondra fivavahana dia henoin'ny olona sy arahiny tsara satria ilay feo entiny milaza ilay zavatra mihintsy no manohina ny fo.

Oh ilay tantara hoe: "Nisy ankizy lahy iray tsy nohaniny tao am-piangonana ilay kominio, fa nentiny nody, ka rehfa tonga tany an-trano izy dia notsindrominy tamin'ny paingotra ilay kominio ka nivoa-dra nanafotra ny trano ary maty tao ilay zazalahy".
novalian'i endriny ny 18/12/2015 05:03
2. rhaj0 ( 01/12/2015 15:37)
Izaho ho'a fony nampianatra... dia rahefa mitabataba ny Ankizy, dia rahefa nanonona lesona aho, dia niangaliko io feo milantolanto mihirahiran'i Mopera ireny io.. Fa tena ... nivanitika daholo ny ankizy eee...

efa kOpy re ny Ankizy, fa ireto beantitra (ara-tsaina) ireto ihany sisa no voany ao eeee...
3. RBNIR ( 02/12/2015 12:33)

rhaj0:

Fony ianao mbola nampianatra? Efa retraité v izany ianao izao? Tsy aleo amin'izay v mihevitra izay ho avin'ny fanahy ry namana?

Hoy IZY tamin'i Joba « Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. » (Job.38:4)

Fantatr'i Rhajo v hoe taiza isika fony IZY nanorina ny tany????
4. rhaj0 ( 02/12/2015 13:49)
Raha natao dihy miverina ho'a ny fotoana, ka nanao kajikajy ny olombe Kristiana, dia rahefa nanaraka ny tetiharana Adama-Abel-...-Abrahama, dia nivoaka ny valiny: eo @ 6000 taona teo ho eo i Adama no latsaka taty an-tany.

ka manontany ahy ianao RBNIR hoe, taiza raolombelona 6000 taona lasa izay, dia ... efa nahafeno ny tany hatrany Sina ka hatrany Mekisika raolombelona, fa ny olona tao Canaan no tsy nahatakatra avy tao @ box-keliny tao, dia io mitantara (angano) anareo ao @ Genesisy io ny @ Madame Eve...

ka ahoana... mbola coincé @ ilay "6000 taona" ihany va ianao io ry RBNIR, sa... mba tonga saina @ izay?

[size=7](zaho re nanao servisy nasionaly eee...)[/size]
5. RBNIR ( 02/12/2015 13:59)

Efa nambarako e, arivo taona = 1 andro ; 1 andro = arivo taona, ho very ao ianao raha manao kajikajin'olombelona ao.....
Raha sitrapony hoy aho dia hambara mazava amin-tsika rehetra hoe amin'ny fomba ahoana marina no handravany izao tontolo izao...
Efa hitan'ny siansa soritra ankehitriny.... saingy ny Azy kosa efa nambarany 2000 taona lasa izay.....
Tsy aiko iza no mahay Izy sa isika ry namana????

Tahaka ny efa nanambarany mialoha ny momba ireo anjely telo VAKIO ATO ...fa dia tena efa hita miharihary ankehitriny fa mizotra any amin'ny fahatanterahany ny TENY.....

Ny nenina tsy ao aloha hananatra fa aoriana handatsa hoy ny ntaolo.....
6. RBNIR ( 02/12/2015 14:02)
« Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. » (2 Pet.3:8)

Notsindriny tsara hoe : izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo!!!

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!
7. tealala ( 02/12/2015 14:59)

RBNIR:

rhaj0:

Raha natao dihy miverina ho'a ny fotoana, ka nanao kajikajy ny olombe Kristiana, dia rahefa nanaraka ny tetiharana Adama-Abel-...-Abrahama, dia nivoaka ny valiny: eo @ 6000 taona teo ho eo i Adama no latsaka taty an-tany.

ka manontany ahy ianao RBNIR hoe, taiza raolombelona 6000 taona lasa izay, dia ... efa nahafeno ny tany hatrany Sina ka hatrany Mekisika raolombelona, fa ny olona tao Canaan no tsy nahatakatra avy tao @ box-keliny tao, dia io mitantara (angano) anareo ao @ Genesisy io ny @ Madame Eve...

ka ahoana... mbola coincé @ ilay "6000 taona" ihany va ianao io ry RBNIR, sa... mba tonga saina @ izay?
[size=7](zaho re nanao servisy nasionaly eee...)[/size]

Efa nambarako e, arivo taona = 1 andro ; 1 andro = arivo taona, ho very ao ianao raha manao kajikajin'olombelona ao.....
Raha sitrapony hoy aho dia hambara mazava amin-tsika rehetra hoe amin'ny fomba ahoana marina no handravany izao tontolo izao...
Efa hitan'ny siansa soritra ankehitriny.... saingy ny Azy kosa efa nambarany 2000 taona lasa izay.....
Tsy aiko iza no mahay Izy sa isika ry namana????

Tahaka ny efa nanambarany mialoha ny momba ireo anjely telo VAKIO ATO ...fa dia tena efa hita miharihary ankehitriny fa mizotra any amin'ny fahatanterahany ny TENY.....

Ny nenina tsy ao aloha hananatra fa aoriana handatsa hoy ny ntaolo.....

Ny tsy hain'i rhaj0 dia tsotra, tsy nahay namaky an le boky fa izay voasoratra ao dia ara-bakiteny daholo ny azy, azo raisina ihany le hoe 6000 taona no nanaovana an'i Adama (mba efa mahay an'izay ary ko), efa nisy olona hafa teto an tany t@ izany ekena, fa alefaso alavitra ilay saina dia mba mahay ny dikan'izany tahak'ahy e, fa manjary aveo ko lasa mpanjakan'ny biby rehetra eo.
8. endriny ( 02/12/2015 15:40)

rhaj0:

Raha natao dihy miverina ho'a ny fotoana, ka nanao kajikajy ny olombe Kristiana, dia rahefa nanaraka ny tetiharana Adama-Abel-...-Abrahama, dia nivoaka ny valiny: eo @ 6000 taona teo ho eo i Adama no latsaka taty an-tany.

Ahitsiko kely: Tsy Latsaka tety an-tany I Adama fa namboarina tamin'ny fotaka (araka ilay voasoratra)

Saingy ry Tealala moa madika izay tiany an-dikana izay voasoratra dia mety Tsy novolavolaina tamin'ny fotaka ihany koa I Adama fa tamin'ny dobera sy saokaola...
9. endriny ( 02/12/2015 15:44)
Fa tohizako kely ny angolam-panahy mahafanina.

Taloha izany dia nampinoana ny olona fa ny tany dia fisaka ary misy zorony efatra sy lafiny valo... Taty aoriana anefa dia nikisaka mora io finoana io fa dia boribory ny tany hoy ilay niodidina tamin'ny sambo ny tany... dia mbola betsaka ihany ny nanaraka ilay foto-pinoana noho ny langolango mahafanina

Mba hevero hoe eo akaikinao misy olona mandainga dia mbola hino an'iny olona iny ve ianao... fa io moa angolam-panahy mahafanina
10. tealala ( 02/12/2015 16:21)

endriny:

Mba hevero hoe eo akaikinao misy olona mandainga dia mbola hino an'iny olona iny ve ianao... fa io moa angolam-panahy mahafanina

Ary raha taranaka rajako mandresy lahatra dia ahoana?
11. rhaj0 ( 02/12/2015 18:54)
rhaj0:
Raha natao dihy miverina ho'a ny fotoana, ka nanao kajikajy ny olombe Kristiana, dia rahefa nanaraka ny tetiharana Adama-Abel-...-Abrahama, dia nivoaka ny valiny: eo @ 6000 taona teo ho eo i Adama no latsaka taty an-tany.
RBNIR:

Efa nambarako e, arivo taona = 1 andro ; 1 andro = arivo taona, ho very ao ianao raha manao kajikajin'olombelona ao.....

Tena tsy mety azon'i RBNIR mihintsy ilay kajikajy nataon'ny Kristiana namany. Averiko indray, ny Kristiana namanao ihany, rahefa nandalina ny Baiboly, no namoaka io isa hoe 6000 taona, rahefa nokajiana ny niainan'ireo olona (Abela sns ireo) tao anaty tetiharana ao @ Genesisy.

Fa tsy hoe, 6000 taona elasitika no nanamboaran'i Andrmntra something.

Ka rahefa noraisina ny soratra tao @ Baiboly, dia hoe, i Abrahama izany dia velona teto tany @
2000 B.C tany (jereo ohatra eto), ary i Adama dia tany @ 4000 BC. Total, 4000BC + 2015 = 6000 taona lasa i Andrmntrao no namolavola fotaka nanamboaraNY an'i Adama.

Mifohaza ho'a ry RBNIR, ary mba honnête, f'aza be di-doha (manamarina ny) ridicule lava ao eeeee...

Fa raha mbola tianao ho elastika azany ny fotoana, dia raha velona nandritra ny 175 taona indray izany i Abrahama, dia lazao indray azany hoe, tena an'arivo taonany io fa satria Andrmntra elasitika.. ary rahefa atambatra ny fotoana niainan'ireo "Adama-Abela-...-Abrahama", dia tena an-tapitrisan-taona, ary izany dia "voamarin'ny siansa" fa an-tapitrisan-taonany ity galakisia ity...
12. RBNIR ( 02/12/2015 22:55)
rhaj0:

Tena tsy mety azon'i RBNIR mihintsy ilay kajikajy nataon'ny Kristiana namany. Averiko indray, ny Kristiana namanao ihany, rahefa nandalina ny Baiboly, no namoaka io isa hoe 6000 taona, rahefa nokajiana ny niainan'ireo olona (Abela sns ireo) tao anaty tetiharana ao @ Genesisy.

Tsy izay rehetra mintonona ho kristianina akory dia hahafantatra ny marina....
« Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr. nomena] » (Mat.13:11)

Olona vitsy dia vitsy tany amin'ny mangingina no nitenenan'i JEsosy an'io...
13. RBNIR ( 02/12/2015 23:06)
tealala:

fa manjary aveo ko lasa mpanjakan'ny biby rehetra eo.

Vakio tsara aloha ny tenin'Andriamanitra...
« Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona......ary aoka izy hanjaka amin'ny ....... biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Genesisy 1:26)

Genèse 1
26Puis Dieu dit: Faisons l'homme ..... et qu'il domine sur ... sur le bétail, sur toute la terre, et sur tous les reptiles qui rampent sur la terre.

And God said, Let us make man .....and let them have dominion over .... the cattle, and over all the earth, and over every creeping thing that creepeth upon the earth.

Inona ny dikan'ny hoe dominer? vakio ny larousse....izao no voasoratra voalohany ao...

Être le maître d'un territoire, exercer sur lui sa souveraineté pleine et entière :

VAKIO ATO raha tsy matoky ianao

http://www.larousse.fr/dictionnaires/francais/dominer/26384

14. RBNIR ( 02/12/2015 23:35)
Fanampiny namana rhajo...Ahoana moa no hahafahanao milaza amin'ny olona rehetra fa marina ny methode C14 sy ny mitovy aminy, nefa misy koa manam-pahaizana hafa manohitra sy manaporofo ny mifanohitra amin'izay??

Sa misy koa olona "hinoanao" dia misy koa olona "tsy hinoanao"??
15. rhaj0 ( 03/12/2015 00:12)
https://fr.wikipedia.org/wiki/Datation_par_le_carbone_14#Limites_de_la_datation_par_le_carbone_14

io ngaha moa tsy raha vao misy incertitudes kely, tonga dia hozy ry RBNIR hoe, ario any daholo ny fahalalana miorina @ io, dia ... minou fotsy eee..

Ary inona moa no idiran'ny datation C14 @ ilay hoe enina arivo taona lasa izay, hozy ny Baiboly, dia izao no nitranga: i Andrmntra dia namolavola tany dia izay no lasa Adama ??..

[size=10] Olombe taona
1 Adam 930 Genesis 5:4
2 Seth 912 Genesis 5:8
3 Enosh 905 Genesis 5:11
4 Cainan 910 Genesis 5:14
5 Mahalalel 895 Genesis 5:17
6 Jared 962 Genesis 5:20
7 Enoch 365 (translated) Genesis 5:23
8 Methuselah 969 Genesis 5:27
9 Lamech 777 Genesis 5:31
10 Noah 950 Genesis 9:29
11 Shem 600 Genesis 11:10–11
12 Arphaxad 438 Genesis 11:12–13
13 Shelah 433 Genesis 11:14–15
14 Eber 464 Genesis 11:16–17
15 Peleg 239 Genesis 11:18–19
16 Reu 239 Genesis 11:20–21
17 Serug 230 Genesis 11:22–23
18 Nahor 148 Genesis 11:24–25
19 Terah 205 Genesis 11:32
20 Abram (Abraham) 175 Genesis 25:7[/size]

Efa mba hoe raisina azany ity hoe, elastika hono ny fotoana, dia io ny volana aman-taona niainan-dry olombem-mBaiboly isany io.. f'angaha tsy absurde, nefa dia mbola "mino" be ihany Razazakely.. dia hoe, ilay olona taloha indray hono no lava velona ... ntsss... Izao re ny esperance de vie taloha eeee..

[size=10]Era Life expectancy at birth
Paleolithic 33
Neolithic[12] 20
Bronze Age and Iron Age[13] 26
Classical Greece[14] 28
Classical Rome[15] 20–30
Pre-Columbian North America[17] 25–30
Medieval Islamic Caliphate[18] 35+
Early Modern England[13] 33–40
1900 world average[25] 31
1950 world average[25] 48
2010 world average[26] 67.2[/size]

Dia hozy indray izao i RBNIR.. "tsy takatrao ny fahaizan'Andrmtra eee"... Ngo dia ny (tsy) fahaizan'ny mpitantara (angano ao @) Baiboly azany no mbola tsy takatrao foana h@ izao ry RBNIR...
16. tealala ( 03/12/2015 04:06)

RBNIR:

rhaj0:

Tena tsy mety azon'i RBNIR mihintsy ilay kajikajy nataon'ny Kristiana namany. Averiko indray, ny Kristiana namanao ihany, rahefa nandalina ny Baiboly, no namoaka io isa hoe 6000 taona, rahefa nokajiana ny niainan'ireo olona (Abela sns ireo) tao anaty tetiharana ao @ Genesisy.

Tsy izay rehetra mintonona ho kristianina akory dia hahafantatra ny marina....
« Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr. nomena] » (Mat.13:11)

Olona vitsy dia vitsy tany amin'ny mangingina no nitenenan'i JEsosy an'io...

Izay ilay izy ry RBNIR ka, natao batisa daholo t@ anaran'izy telo daholo anie ireo e.
17. tealala ( 03/12/2015 04:26)

RBNIR:

tealala:

fa manjary aveo ko lasa mpanjakan'ny biby rehetra eo.

Vakio tsara aloha ny tenin'Andriamanitra...
« Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona......ary aoka izy hanjaka amin'ny ....... biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Genesisy 1:26)

Genèse 1
26Puis Dieu dit: Faisons l'homme ..... et qu'il domine sur ... sur le bétail, sur toute la terre, et sur tous les reptiles qui rampent sur la terre.

And God said, Let us make man .....and let them have dominion over .... the cattle, and over all the earth, and over every creeping thing that creepeth upon the earth.

Inona ny dikan'ny hoe dominer? vakio ny larousse....izao no voasoratra voalohany ao...

Être le maître d'un territoire, exercer sur lui sa souveraineté pleine et entière :

VAKIO ATO raha tsy matoky ianao

http://www.larousse.fr/dictionnaires/francais/dominer/26384

Samy mahay mamaky an'io anie isika e, samy mahita tsara an'io zavatra voasoratra io, fa takaro hoy aho raha takatrao, na tonga dia anontanio an'i pasitera no hevitr'io.
18. RBNIR ( 03/12/2015 04:53)
rhaj0:

io ngaha moa tsy raha vao misy incertitudes kely, tonga dia hozy ry RBNIR hoe, ario any daholo ny fahalalana miorina @ io, dia ... minou fotsy eee..

F'angah moa tsy marina tsy azo hozongozonona no hijoroanao ka mahatonga anao hitarika ireo ankizy no milaza incertitude indray ianao???

« Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay. [* Na: ilay zavatra natolony ahy] » (2 Tim.1:12)

Efa nambarako mandrakariva misy zavatra fantatro, TSY FANTATRAO, misy zavatra iainako TSY HIAINANAO...

Tsy fantatrao ary tsy hiainanao satria tsy azonao raisina izany namana (raha mbola miziriziry amin'ny tsy finoana ianao)....

« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jao.14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jao.14:17)

Vakio tsara io teny io fa marina io....tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany FA IANAREO NO MAHAFANTATRA AZY satria MITOETRA EO AMINAREO IZY ARY HO AO ANATINAREO.....

Vitsy dia vitsy no tonga amin'izay....ny mpifikitra amin'ny fanekena taloha tsy mety hanompo an'i JESOSY TOMPO koa tsy hahazo izany na oviana na oviana satria I JESOSY NO MPANOME AN'IO...
« Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina. » (Mar.1:8)

TSY IMAGINATION FA REEL NY FISIANY!!! TAHAKA NY FISIAKO SY NY FISIANAO!!!

AZA HO ISAN'IZAY TSY MISY SAO HANENINA ANY AORIANA ANY!!!
19. endriny ( 03/12/2015 06:04)

tealala:

endriny:

Mba hevero hoe eo akaikinao misy olona mandainga dia mbola hino an'iny olona iny ve ianao... fa io moa angolam-panahy mahafanina

Ary raha taranaka rajako mandresy lahatra dia ahoana?

Angamba tsy ny firazanana no zava-dehibe fa ny fahamarinana ao aminy.
Ianao ve ve mino fa ny tany no natao talohan'ny masoandro?
20. RBNIR ( 03/12/2015 06:41)
tealala:

Samy mahay mamaky an'io anie isika e, samy mahita tsara an'io zavatra voasoratra io, fa takaro hoy aho raha takatrao, na tonga dia anontanio an'i pasitera no hevitr'io.

Efa mba nalefanao v ny fisainanao hoe ilay fahatakaranao azy mihitsy no tsy mifanaraka amin'izay voasoratra???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1364