Parodia-n'ny hira 'Rava'

1. ikalamako ( 26/09/2015 07:14)
Ampirimina ato indray aloha ity, toy ny nanangonana ny parodian'i Hanambady aho :

Dia tapaka tanteraka tokoa moa zany ny jiro ety Ambohipo
Facture anefa efa voaloa, niakatra be le tamin’ Aout
Ny fitadiavantsika tsisy raha manjary, zara raha mahazo vary
Samia mandini-tena aloha, Ra-fanja tsy mivaky loha
Toa lasa zatra le tsy mazava, mangina hatram’ basy vava
Ny fianakaviana zay nanontaniana, lasa moana sy mangina
Mamelo-tena amin’trosa lava, tsisy sahy mitabataba
Miatsaravelatsihy, misaro-tava, ny minisitra tsy sahy milaza
Lay fivelomantsika mila ho rava, ny JIRAMA toa ravarava
Mihevotrevotra matetitetika, Rajao mangina sy miletika
Manana an-dRajean manampi-bava, ny loha sola aza mazava.
Raovina re vao mba hisava
Hangatahana amin’ny afo ny hanazav’aizina satria
Rajao mbola mankafy, mbola tena mankafy aza a. Mitaingina le vorom-by.
De rava tanteraka tokoa moa zany, le fananantenana teo aloha
Mangina aloha fa mbola voa, voafitak’i Rajao tokoa
Lay finiavantsika tsisy raha manjary, rava ity ny niafarany
Samia mandini-tena aloha, ra tsy mahazaka ndao hifoha.
Mody ato an-trano tsy mahazo mamy, f’aizi-kitroka avy hatrany
Ny embouteillage b’efa manahirana, ny jiro zara ra mangirana.
Ny hasarota-piainana mameno trano, ny jiro koa milaza angano
Tsy maraina tsy hariva tsy atoandro, jiro tapaka isan’andro.
Ny ato an-trano lasa tsy ampy lava, labozia koa tsy mazava
Manoatra noho ny any ambanivohitra, ny hazavan’ny renivohitra
Isika aloha angamba hifindra-monina any ambadik’Ambotsirohitra any.
Any agamba mba tsy tapaka e, angatahana amin’tena Andriamanitra satria,
Tsy ho zaka izy ity, na efa tena nana-pi aza aho, mbola tsy tafa hankafy…

(tsy haiko aloha hatreto ny nanoratra an)
2. ikalamako ( 25/09/2015 22:18)
Oadray, toa tapaka ny lohatitra hoe : Parodian'n hira "Rava" - Samoela (grr angamba nasiako guillemets indray pfff)
3. TenWords ( 30/09/2015 09:28)
fa ngah izay asiana guillemets dia tapaka daholo?
tena ilay boaykely any anaty btax no nanoratra an'io fa mila omen'ny OMDA droit kely izy an!
4. mpisotrtoaka ( 30/10/2015 09:13)
Ny manao cover sy parodie indray ve no mahazo droit ? Mba lalina indray izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1638