Voafitaka ve Chef Mbinina sa,,,?

1. hery ( 22/09/2015 13:00)
Nalaza tamin'iny voalohan'ny herinandro iny fa nahazo loka avy amin'ny BID tany Geneve i Chef Mbinina izay mpitantana ny Gastro Pizza. Raha ny fivoarany no jerena dia tena manana ny lanjany tokoa ny lehilahy tamin'ny fitantanana. Ny mampalahelo anefa rehefa tena tadiavina amin'ny internet hoe inona tsara ny loka omen'ny Business Initiative Directions (B.I.D) dia toa loka vidiana no tena omeny.



Araka ny voalazan'ireo hafa nahazo ny loka dia mandefa taratasy amin'ny mpandraharaha maro izay hitany hoe mety hanaiky ry zareo, manasa izany mpandraharaha izany handray loka. Mba hahazo ny loka anefa ilay mpandraharaha dia mandoa vola eo amin'ny 3500 Euros eo ho an'ny fikarakarana. Ny loka azo, avy eo, dia medaly sy sary. Tsy misy vola be azo mba hanatsaranao ny raharaha ataonao akory.


Marina fa matoa nofidin'ny BID dia hitany hoe mpandraharaha mahavita azy, fa indrindra hitany hoe mpandraharaha afaka hianto-tena sy handoa an'ilay fandraisana anjara.

Inoana fa tsy hampiova ny lanjan'ny asa vitan'i Chef Mbinina izao toe-javatra izao. Tsy mila loka tahaka izany akory i Chef Mbinina dia efa malaza. Raha tsy hoe sanatria efa fantany ilay raharaha ka te halaza kely mihitsy izy dia niroboka.

Raha toa ka nahazo vola ho loka hanatsarana ny raharahany i Chef Mbinina dia tsy marina ilay hoe voafitaka.
Mety hoe kely noho ny tombony ho azo amin'ilay laza nahazo loka koa ny vola lany.


Resaka mikasika an'izany:
https://www.occrp.org/en/28-ccwatch/cc-watch-indepth/2662-what-price-honor
https://www.facebook.com/permalink.php?story_fbid=500930750040595&id=410091472457857
http://www.sundaytimes.lk/120916/news/sec-buys-fake-award-12861.html
http://consumerwatchdogbw.blogspot.it/2010/09/voice-consumers-voice_17.html

Sary tao amin'ny sobika
novalian'i hery ny 22/09/2015 11:28
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0816