Takelaka Namana voatra 3.0 andrana

1. hery ( 08/09/2015 23:58)
Salama,

Efa mivoaka izao ny voatra faha 3.0 andrana (beta) amin'ny takelaka namana.serasera.org

Raha hanandrana ianao dia midira amin'ny http://namana.serasera.org/?beta=on

Dia apetraho eto ambany ny sosokevitra na hadisoana hita na fanatsarana tokony hatao fa fankaherezana ihany koa :-)

Misaotra
2. hery ( 09/09/2015 00:14)
Ny profile sisa no mbola tsy nokitihana mihitsy
3. maningana ( 17/09/2015 06:47)
slt,
Raha te hijery ireo namana manokana moa zany dia ahoana no ahitana izay, sy ilay hoe namana nifidy ahy (lay takelaka taloha mantsy nisy ireo) zao ohatran'ny tsy misy afatsy fitadiavana ilay namana no ato.
Mankasitraka @ valiny
4. hery ( 17/09/2015 08:04)
Ah ok, marina tokoa izany. Andraso fa tokony ho ao amin'ilay hoe "Namana" no misy azy.

Na izany na tsy izany dia ery amin'ny farany ambany daholo ny rohy rehetra ilaina izay nisy tao amin'ny site teo aloha.

Misaotra anao.
5. Fiffi ( 17/09/2015 19:35)
coucou...

rehefa tafiditra ao am "namana" dé tsy mahita ny "dinika (forum) samy hafa zany ireo ?

....lasa site 2 ? ny iray namana dé ny iray dinika ?

humm.....lé soratra mangamanga kely ary raha mba atao mazavazava kokoa ? ohtran-we manga kely loatra fa raha hampiana gras kely mety hummm....tsara be...
6. Fiffi ( 17/09/2015 19:37)
en tout cas , tsara be an....

misaotra manomé fahafahampo lalandava ny mpisera.....:p
7. hery ( 17/09/2015 20:53)
Efa hatry ny ela no nisaraka ny dinika sy ny namana :-)

http://namana.serasera.org sy http://forum.serasera.org

Ao amin'ny http://serasera.org/ no ahitana azy rehetra.
8. Fiffi ( 18/09/2015 09:06)
...tsy mitovy koh...

zah aloha rehefa mikliky namana serasera dé miseho etsy ambony daholo...ny: Serasera...Namana....Tononkira...Tononkalo...RadiovazoGasy...Karajia...Bizna...BazarBe...Ohabolana....Tohiny...

lé vaovao etsy ambony juste misy : Fandraisana...Ianao...Namana...Hafatra...Sary...Vondrona.

fa tsy mahita zah we aiza daholo ireo liste ambony ireo ? ...
9. hery ( 18/09/2015 09:08)
Ah ok, ie, tsy misy an'iny intsony ka.
10. Fiffi ( 18/09/2015 13:16)
...donc , raha azoko tsara dé eo @ lé we: "Zava-misy eto am Serasera" no ahitana ny valin'dinika farany...

...fa raha te hijery dinika , liste rehetra dé voatery manokatra page vaovao "serasera-dinika"

hihihihi ampio "gras" kely lé mangamanga fa je pense we tsy dé mivoaka loatra...(hevitro manokana io an)....

merci hery
11. hery ( 18/09/2015 13:42)

Fiffi:

hihihihi ampio "gras" kely lé mangamanga fa je pense we tsy dé mivoaka loatra...(hevitro manokana io an)....

Aiza no asiana gras?
12. Fiffi ( 18/09/2015 19:12)
Momba anao

ireto.....

• Chat - Resaka mivantana
• Ny momba anao
• Hanova tenimiafina
• Ny tahirintsariko
• Eritreritra mandalo
• Hiditra
Namana

...ireto...

• Namana rehetra
• Hitady namana
• Namana manokana
• Nifidy ahy
• Namana voasakana
• Nisakana ahy

Hafatra

...ireto....

• Hanoratra hafatra
• Hafatra voaray
• Hafatra lasa
• Hafatra tahiry
• Vakiraoka
• Eritreritra mandalo

Sary

...ireto...

• Hampiditra sary
• Hanokatra tahirintsary
• Sary rehetra
• Tahirintsary

Vondrona

...ireto....

• Vondrona rehetra
• Ny natsangako
• Vondrona nidirako
• Hanangana vondrona
Momba ny takelaka

....ireto....

• Soso-kevitra
• Zava-baovao
• Fanoroana

zany we ireo misy point ireo en bleu fa somary matroka lé bleu..

hihihihi hampiana "gras" kely dé tena miavaka tsara lé izy...
13. mirreilleprincila ( 21/09/2015 08:29)
TE HIALA TSY HO MEMBRE INTSONY
14. soa.tiana ( 21/09/2015 08:47)

mirreilleprincila:

TE HIALA TSY HO MEMBRE INTSONY

FA MANINONA HO HIALA ?
15. hery ( 21/09/2015 09:22)
Rehefa tsy kitikithana io dia afaka ho azy :-)

Ny serasera dia nianatra ny nataon'ny Yahoo tamin'ny taona 2002 tany. Tsy nisy hoe tsy te ho membre yahoo intsony fa rehefa tsy vangiana fotsiny dia maty ho azy afaka 6-mbolana.

Tokony hasiana fialàna ihany marina angamba ho an'ireo izay mitsapatsapa. :-)

Miditra izy ny maraina dia ny hariva izy hoe hiala.
16. soa.tiana ( 21/09/2015 10:17)

hery:

Mahagaga nge le olona e!
17. manelec ( 26/09/2015 17:38)
vaovao be ato ny tenako de tsy maharaka ninoninona an!
18. TenWors ( 29/09/2015 08:08)
Salama ianareo mpandrindra ny forum: mba saika hanontAny hoe ahoana no fanovAna ilay solon'anarana fa diso ... ny fanovana adiresy mailaka sy teny miafina no misy eto
saingy amin'ilay valiteny hoe maty ho azy ho an'ireo izay tsy hampiasa intsony dia aleo angamba nmanokatra vaovao
19. sahia ( 06/11/2015 12:03)
Miarahaba e,
Eo @ ilay tchat privé etsy ambany à droite no tiako asiana fanambarana kely e, sao misy fomba hitehirizana ny historique fa toa tsy misy hita mantsy ny resaka noresahana omaly raha miditra eo @ izy io indray ohatra androany.
Ankoatr'izay, raha manana hafatra vaovao voaray aho izao, misy fanamarihana kely ve ahalalako fa misy izany ao @ hafatro ao
Ary fahatelo, MISAOTRA ANREO MPANDRINDRA SY TOMPON'ANDRAIKITRA REHTRA E!

hery:

Salama,

Efa mivoaka izao ny voatra faha 3.0 andrana (beta) amin'ny takelaka namana.serasera.org

Raha hanandrana ianao dia midira amin'ny http://namana.serasera.org/?beta=on

Dia apetraho eto ambany ny sosokevitra na hadisoana hita na fanatsarana tokony hatao fa fankaherezana ihany koa :-)

Misaotra
20. valiih ( 12/11/2015 08:44)
Bjr daoly! androany ah vo niditra tato @namana nd1 d otrny fanna b a t6tak ze loany svodny! otrn afa ian le talo teo Hery a!tsar leiz f mora apesain koko le taloha!ts aik ra we noizah mapias phone f ts ordi f otrn mvandra2 b maptaotr ty vao2 ty!!ts manakiana b faatan a f n evtro zay a!msotr e!
sahia:

Miarahaba e,
Eo @ ilay tchat privé etsy ambany à droite no tiako asiana fanambarana kely e, sao misy fomba hitehirizana ny historique fa toa tsy misy hita mantsy ny resaka noresahana omaly raha miditra eo @ izy io indray ohatra androany.
Ankoatr'izay, raha manana hafatra vaovao voaray aho izao, misy fanamarihana kely ve ahalalako fa misy izany ao @ hafatro ao
Ary fahatelo, MISAOTRA ANREO MPANDRINDRA SY TOMPON'ANDRAIKITRA REHTRA E!

hery:

Salama,

Efa mivoaka izao ny voatra faha 3.0 andrana (beta) amin'ny takelaka namana.serasera.org

Raha hanandrana ianao dia midira amin'ny http://namana.serasera.org/?beta=on

Dia apetraho eto ambany ny sosokevitra na hadisoana hita na fanatsarana tokony hatao fa fankaherezana ihany koa :-)

Misaotra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.276